Seminera
Fizarana 5: Andro 3, 2 Nefia 2


Fizarana 5: Andro 3

2 Nefia 2

Fampidirana

Tao anatin’ny 2 Nefia 2, dia nampianarin’i Lehia an’i Jakôba zanany lahy ny antony nametrahan’ny Ray any An-dantira ny zanany ao anatin’ny tontolo iray ahitana fijaliana, fahoriana, fahotana ary fahafatesana. Mba hanampiana an’i Jakôba hahatakatra ny tanjon’ny fiainana an-tany dia nanazava fotopampianarana fototra mikasika ny drafitry ny famonjena izy —izay ahitana ny fahafahana misafidy, ny Fahalavoan’i Adama, ary ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny fandalinanao ireo fahamarinana nampianarina ao anatin’ny 2 Nefia 2 dia afaka manampy anao hankasitraka feno kokoa ny nandresen’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny vokatry ny fahalavoana ka mahatonga antsika tsirairay avy ho afaka hanao safidy hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

Sary
Nandao ny saha Edena i Adama sy i Eva

2 Nefia 2:1–25

Nampianatra momba ny Fahalavoan’i Adama sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Lehia

Eritrereto ireo olana natrehanao tato ho ato. Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana no ahitana olana toy izany ny fiainana? Rehefa mamaky ny 2 Nefia 2:1 ianao dia azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny izay nampiasain’i Lehia mba hamaritana ny zava-nitranga tamin’ny fahazazan’i Jakôba. Vakio ny 2 Nefia 2:2, ary asio marika ny zavatra nampanantenain’i Lehia an’i Jakôba fa hiseho vokatr’ireo fahoriany. Ny dikan’ilay teny hoe manokana dia manamasina. Toa nampanantena an’i Jakôba i Lehia fa ny Tompo dia hanokana ny fahoriany ho tombontsoany lehibe.

Nampianarin’i Lehia an’i Jakôba ny nilana ny Fahalavoan’i Adama sy ny filantsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra. Tiany i Jakôba mba hahafantatra fa ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotana dia manome fahafahana antsika mba hampiasa ny fahafahantsika misafidy, mba hahafahantsika mivoatra mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Vakio ny 2 Nefia 2:15–18, ary manorata valiny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena izay nanome azy ireo fahafahana hampiasa ny fahafahany misafidy? (Jereo ny 2 Nefia 2:15–16.)

  • Inona no nokatsahan’i Satana tao amin’ny Sahan’i Edena? (Jereo ny 2 Nefia 2:17–18.) Ahoana no fomba mbola hikatsahan’i Satana izany tanjona izany ankehitriny?

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io tabilao etsy ambany io. Vakio ny 2 Nefia 2:19–25, ary tadiavo ny mety ho vokany raha toa ka tsy nihinana ilay voankazo voarara sy tsy lavo i Adama sy i Eva, ary koa ny vokatra nateraky ny Fahalavoana.

Raha toa ka tsy lavo i Adama sy i Eva (2 Nefia 2:22–23)

Noho ny fahalavoan’i Adama sy i Eva (2 Nefia 2:19–20, 25)

Rehefa feno ilay tabilao dia eritrereto ny antony maha-ampahany manan-danja ny fahalavoan’i Adama sy i Eva ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra.

  1. Eritrereto hoe misy namana iray milaza aminao fa nanao hadisoana i Adama sy i Eva tamin’ny nihinanany ilay voankazo voarara. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao tao amin’ny 2 Nefia 2:19–25, dia manorata andinin-tsoratra iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay manazava ny antony naha zava-dehibe ny Fahalavoana tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena antsika.

Raha toa ka nanokatra ny lalana mba hivoarantsika ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia nitondra vokany hafa koa izany. Talohan’ny Fahalavoana dia teo anatrehan’Andriamanitra i Adama sy i Eva tao amin’ny Sahan’i Edena. Rehefa avy nihinana ilay voankazo voarara izy ireo dia tsy maintsy niala teo anatrehany.

Vakio ny 2 Nefia 2:5, ary tadiavo ilay andian-teny izay maneho ny fisarahan’i Adama sy i Eva tamin’Andriamanitra taorian’ny Fahalavoana. Ny hoe “lalàn’ny tany” dia ilazana ny lalàna mifehy ny tany, izay nihatra vokatry ny Fahalavoana. Noho izany ny hoe “nesorina” noho ny “lalàn’ny tany” dia ilazana ny toe-javatra iainana eto an-tany izay lovaintsika amin’ny maha-taranak’i Adama sy i Eva antsika. Noho ireo lalàna ireo dia tafasaraka ara-toerana amin’Andriamanitra isika ary handalo alahelo, fijaliana, fahoriana ary fahafatesan’ny vatana. Ny hoe “nesorina” noho ny “lalàn’ny fanahy” dia ilazana ny fisarahana amin’Andriamanitra noho ny fahotantsika.

Saintsaino ny fomba niainanao manokana ireo vokatry ny Fahalavoana ireo amin’ny alalan’ny fieritreretana an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo fahoriana sy fijaliana ary alahelo efa niainanao teto an-tany?

  • Iza no fantatrao fa maty? Inona no vokatry ny fahafatesan’io olona io teo aminao?

  • Oviana ianao no nahatsapa ho tafasaraka ara-panahy tamin’Andriamanitra?

Rehefa mamaky ny 2 Nefia 2:6–10 ianao dia azonao atao ny manisy marika teny na andian-teny izay mampiseho fa Manavotra antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana sy manolotra fanavotana amin’ny fahotantsika i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Ao amin’ny 2 Nefia 2:9–10, ny teny hoe fanalalànana dia midika hoe manao zavatra ho an’ny tombontsoan’olona iray hafa.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 2:25

Rehefa nampianatra an’i Jakôba mikasika ny Fahalavoan’i Adama sy ny fifanoherana iainantsika eto an-tany i Lehia dia nohamafisiny ireo voka-tsoa nateraky ny Fahalavoana ho an’ny olombelona rehetra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba hitondran’ny Fahalavoana fifaliana ho an’ny olombelona araka ny zavatra nianaranao momba izany?

    2. Oviana ianao no niaina fifaliana noho ireo voka-tsoa nentin’ny Fahalavoana?

2 Nefia 2:11–18, 26–30

Nampianatra momba ny fahafahana misafidy sy ny vokatry ny safidy ataontsika i Lehia

Mieritrereta safidy manan-danja iray tsy maintsy nataonao vao haingana ary inona no mety ho vokatra maharitra aterak’izany. Nampianarin’i Lehia ny olony ny tena maha zava-dehibe ny fahafahana misafidy ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Mba hanampiana anao hahatakatra fa afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay isika na ny fahababoana sy ny fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 2:27), dia ataovy ity asa eto ambany eto ity.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanambarana tsirairay avy ao amin’ny Jeunes Soyez Forts ([Kiboky, 2011], 2–3) manaraka ireto. Avy eo, rehefa mamaky ny andininy tsirairay ao amin’ny 2 Nefia 2:11–18, 26–29 ianao dia mijanonà kely ary soraty aorian’ilay fanambarana na ireo fanambarana ny laharan’ilay andinin-tsoratra masina izay eritreretinao fa manohana izany. Ireo laharan’andinin-tsoratra masina tsirairay dia tokony hosoratana aorian’ny iray amin’ireo fanambarana. Mety hisy fanambarana iray mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina mihoatra ny iray ary mety misy andinin-tsoratra masina iray mifandray amin’ny fanambarana mihoatra ny iray. Ohatra, misy andinin-tsoratra masina iray nosoratana ho an’ilay fanambarana voalohany—ny fahamarinana iray nampianarin’i Lehia ao anatin’ny 2 Nefia 2:16 dia ny hoe nomena fahafahana isika mba hanao zavatra araka ny safidintsika.

    1. “Nomen’ny Ray any An-danitra fahafahana misafidy ianao, ilay fahafahana hisafidy ny tsara na ny ratsy ka hanao araka ny safidinao.”

    2. “Sedraina ianao eto an-tany mba hahitana raha toa ka hampiasa ny fahafahanao misafidy mba hanehoanao ny fitiavanao an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana ny didiny.”

    3. “Na dia afaka misafidy ny lalana tianao haleha aza ianao dia tsy afaka misafidy kosa ny vokany.”

    4. “Ny safidy … ratsy dia manemotra ny fivoaranao ary mitondra ratram-po sy fahoriana.”

    5. “Mitondra fifaliana maharitra sy fiainana mandrakizay ny safidy tsara.”

Vakio ny 2 Nefia 2:26–27. Inona no azonao fidiana? Vakio ny 2 Nefia 2:28, ary asio marika hoe inona koa ny zavatra nomen’Andriamanitra anao mba hanampiana anao “hifidy ny fiainana mandrakizay.” Eritrereto ireo safidy nataonao teo amin’ny fiainanao izay mampiseho fa nifidy ny fiainana mandrakizay ianao.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 2:27

Ataovy izay hitadidiana ny 2 Nefia 2:27, izay andinin-tsoratra masina fehezina. Vakio im-betsaka izany, dia akatony ny soratra masinao ary ampiasao ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay ao anatin’izany andinin-tsoratra masina izany izay notanisaina etsy ambany mba hanandramanao hitanisana izany amin’ny tenanao irery na amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao. Avereno izany fampiasana izany mandra-panananao fahatsapana fa hainao tsara ilay izy.

N i d a n o a n n ; a o a n z r i i n o. A a i n h n f s n f m a n a I M l n o n h n f s n f a n f s n f d ; s k n h n o h o t a.

  1. Amin’ny alalan’ny fampiasanao ny tarehintsoratra voalohan’ny teny tsirairay fotsiny ihany ao amin’ny 2 Nefia 2:27 hita etsy ambony, dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany soratra masina fehezina izany. Aza mangalatra mijery ilay andinin-tsoratra masina feno!

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina eny amin’ny farany ambanin’ilay asa nampanaovina izao zavatra manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 2 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: