Seminera
Jarôma


Fampahafantarana ny Jarôma

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Jarôma ianao dia ho hitanao fa mitana ny fampanantenany hitahy ireo izay mankato ny didiny Andriamanitra. Ianao ihany koa dia hianatra mikasika ireo ezaka nataon’ireo mpanjaka, mpaminany, mpampianatra ary mpisorona Nefita tamin’ny andron’i Jarôma mba hanampiana ny vahoaka hibebaka sy hisoroka ny faharavana.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Jarôma zanakalahin’i Enôsa no nanoratra ity boky ity. Tahaka ny rainy—sy tahaka an’i Jakôba raibeny ary i Lehia rain’ny raibeny—dia nanana ny fanahin’ny faminaniana sy fanambarana i Jarôma (jereo ny Jarôma 1:2). Rehefa vitany ny rakitsorany dia nomeny an’i Omnia zanany lahy ireo takelaka kelin’i Nefia.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ny bokin’i Jarôma dia mirakitra fotoana tokotokony ho eo amin’ny 59 taona, nanomboka teo amin’ny 420 talohan’i Kristy ka hatramin’ny 361 talohan’i Kristy (jereo ny Enôsa 1:25; Jarôma1:13). Nosoratana tany amin’ny tanin’i Nefia izany.