Seminera
Fizarana 16: Andro 3, Almà 13


Fizarana 16: Andro 3

Almà 13

Fampidirana

Nampianatra ny vahoaka mpikomin’i Amônihà mikasika ireo mpisorona avo ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka izay notendrena mba hanampy ny olona hibebaka sy hiditra amin’ny fitsaharan’ny Tompo i Almà. Nanome ny ohatr’i Melkizedeka izy, izay nanampy ny vahoakany hibebaka sy hiaina amim-piadanana. Niezaka nampianatra ny vahoakan’i Amônihà mba hanana finoana sy fanantenana i Almà, ary namporisika azy ireo hiova mba hahafahan’izy ireo miomana hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

Almà 13:1–12

Mampianatra ny vahoakan’i Amônihà momba ny antson’ireo mpisorona avo i Almà

  1. Vakio ity teny notsongaina naverina ity, ary valio avy eo ireto fanontaniana ireto:

    “Tany amin’ny tontolon’ny fanahy talohan’ny nahaterahana, dia nanendry fanahy sasantsasany Andriamanira mba hanatontosa iraka manokana ampanaovina azy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo ety an-tany. Antsoina hoe fanendrena mialoha izany.

    “Ny fanendrena mialoha dia tsy manome antoka fa handray antso na andraikitra manokana ny olona iray. Tonga eto amin’izao fainana izao ny fahafahana toy izany noho ny fampiasana amim-pahamarinana ny fahafahana misafidy, toy ny maha-vokatry ny fahamarinana tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana ny fanendrena mialoha” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 69).

    1. Inona no mampifandray ny safidy natao nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahana sy ny fanendrena mialoha?

    2. Ahoana no hampisy fiantraikany eo amin’ny fanendrena mialoha ireo safidy atao mandritra ny fiainana an-tany?

Na dia ny mpihazona ny fisoronana aza no resahina ao amin’ny Almà 13, dia nampahatsiahy antsika ny Filoha Spencer W. Kimball fa ny rahavavy dia nomena antso lehibe ihany koa tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana: “Tadidio fa tany amin’ny tontolo talohan’ny nahatongavantsika tety, dia nomena karazana asa ireo vehivavy nahatoky raha toa kosa ka notendrena mialoha tamin’ny karazana asan’ny fisoronana ireo lehilahy mahatoky” (“The Role of Righteous Women,” Ensign, Nôv. 1979, 102).

Sary
Ilay Filankevitra Lehibe

Nampianatra ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “ Tsy fotopampianarana fakana aina ny fiainana talohan’ny nahaterahana. Misy ireo safidy tsy maintsy atao ho an’ny tsirairay amintsika, raharaha tsy an-kijanona sy sarotra hovitaina, fanarabiana sy fizahan-toetra holalovana, fotoana holaniana amin’ny fomba tsara, ary talenta sy fanomezana ampiasaina tsara. Tsy midika akory hoe afaka ny tsy hiraharaha isika ‘ety sy ankehitriny’ satria nofinidy ‘tany sy tamin’izany.’ Na ny fanendrena mialoha ho an’ny lehilahy, na ny fiantsoana mialoha ho an’ny vehivavy, ireo izay nantsoina sy nomanina dia tsy maintsy manaporofo fa ‘voafidy sy mahatoky.’ (Jereo ny Fan. 17:14; F&F 121:34–36.)” (“Premortality, a Glorious Reality,” Ensign, Nôv. 1985, 17).

Nampianatra ireo rahalahy tao Amônihà i Almà fa lehilahy maro no notendrena mialoha tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba handray ny fisoronana. Vakio ny Almà 13:1, 8–9, ary fantaro hoe fisoronana inona no noresahin’i Almà. Mety hanampy ny fahafantarana fa ny andianteny hoe “lamina masina” ato amin’ity toko ity dia midika hoe ny Fisoronana Melkizedeka, na “ilay Fisoronana Masina, avy amin’ny Lamin’ny Zanak’Andriamanitra” (F&F 107:3). Mariho ny andianteny hoe “lamina masina” eo am-pandalinanao ny ambiny amin’ity toko ity (jereo ny Almà 13:2, 6–7, 10–11, 16, 18). Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara hoe: “Ireo Nefita, izay nahatoky sy marina tamin’ny fitandremana ny lalàn’i Mosesy dia nanana ny Fisoronana Melkizedeka, izay midika fa nanana ny fahafenoan’ny filazantsara izy ireo” (The Promised Messiah: The First Coming of Christ [1978], 421). Midika izany fa nanana ny Fisoronana Melkizedeka ireo mpaminanin’ny Bokin’i Môrmôna ary nahafantatra ny fomba fiasan’izany.

Tadiavo ao amin’nyAlmà 13:2–6, 10 ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto, ary soraty ao amin’ny boky torolalanao ireo valinteny:

  • Inona ireo toetra nananan’ireo izay notendrena ho ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka? (Jereo ny Almà 13:3–5, 10.)

  • Notendrena hanao inona ireto mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireto? (Jereo ny Almà 13:6.)

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny nanatontosain’izany tamin’ny alalan’ireo mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka fantatrao ao amin’ny paroasy na sampana misy anao, ary tamin’ny fomba ahoana no nitahian’izany ny fiainanao sy ny fiainan’ny hafa?

Mirakitra firesahana lalina momba ny Fisoronana Melkizedeka ny Almà 13. Mampianatra izany fa ireo lehilahy izay nandray ny fisoronana dia notendrena mialoha handray izany (jereo ny andininy 3). Natao hampianatra ireo didin’Andriamanitra amin’ny hafa ireo izay mihazona ity fisoronana ity mba “hahazoany koa miditra ao amin’ny fitsaharany” (andininy 6). Mandrakizay ny fisoronana (jereo ny andininy 9), ary nomena ny lehilahy izany “noho ny finoany fatratra sy ny fibebahany ary ny fahamarinany teo anoloan’Andriamanitra” ( andininy 10). Manjary voadion’ny Fanahy Masina ireo mpihazona ny fisoronana rehefa mianatra ny mankahala ny fahotana, ary amin’izany dia “nodiovina ary niditra ny fitsaharan’ ny Tompo Andriamaniny” (andininy 12).

Vakio ny Almà 13:11–12, ary fantaro ny vokatra manamasin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay noraisin’ireny mpihazona ny fisoronana ireny noho ny finoany, ny fibebahany, ary ny fahamarinany.

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona ny zavatra nianaranao avy tamin’ny ohatr’ireto mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka ireto mikasika ny zavatra azonao atao mba ahazoana izany vokatra manamasin’ny Sorompanavotana izany eo amin’ny fiainanao?

  2. Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 13:1–12 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana ao amin’ny manaraka izao: Ireo lehilahy mpikambana ao amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy mampihatra finoana lehibe tokoa ary misafidy ny fahamarinana dia antsoina ho amin’ny Fisoronana Melkizedeka mba hitondra ny hafa ho ao amin’Andriamanitra. Avy eo dia manorata ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fomba hiantraikan’ny fahafantaranao ity fitsipiky ny filazantsara ity eo amin’ny fomba fihetsikao amin’ireo ny mpitarika ao amin’ny fisoronana mandritra ny fiainanao manontolo.

Almà 13:13–20

Mampianatra momba an’i Melkizedeka, izay mpisorona avo iray lehibe nampisy fandriam-pahalemana teo anivon’ny vahoakany, i Almà

Sary
Nitso-drano an’i Abrama i Melkizedeka

Vakio ny Almà 13:13–18, ary tadiavo ireo teny nampiasain’i Almà hamaritana an’i Melkizedeka sy ny zavatra nataon’i Melkizedeka ho an’ny vahoakany. Eritrereto ny fomba hamaritan’ireo teny ireo ny fiainana tahaka an’i Kristy nananan’i Melkizedeka. Nampianatra i Almà fa ny mpihazona ny Fisoronana Melkizedeka dia “araka ny lamin’ ny Zanaka, ny Lahitokan’ ny Ray(Almà 13:9; jereo koa ny F&F 107:2–4), izay i Jesoa Kristy, ary mitarika antsika ho any Aminy izy ireo amin’ny alalan’ny ohatra asehon’izy ireo sy ny fampianaran’izy ireo. Hoy ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “Tsy hisalasalana fa nisy ireo trangan-javatra marobe teo amin’ny fiainan’ny mpaminany maro izay nanokanana ireny olo-marina ireny ho toy ny ohatra maneho sy tandindon’ny Mesian’izy ireo. Mahasoa ary azo atao ny mitady tandindon’i Kristy na aiza na aiza sy ny mampiasa azy ireny hatrany amin’ny fahatsiarovana tanteraka Azy sy ireo lalàny ao an-tsaintsika” (The Promised Messiah, 453).

Vakio ny Almà 13:19, ary tadiavo ny zavatra lazain’ity andininy ity amintsika momba an’i Melkizedeka. Jereo indray ny Almà 13:17 mba hijerena ny fomba namaritan’i Almà ny vahoakan’i Salema tamin’ny fotoana naha mpanjakan’izy ireo an’i Melkizedeka. Jereo ny fomba azon’ireo teny ireo koa hamaritana ny vahoakan’i Amônihà (jereo ny Almà 8:9; 9:28). Inona no nataon’ny vahoaka tao Salema noho ezaka nataon’i Melkizedeka? (Jereo ny Almà 13:18.)

Jereo ny zavatra nampiharin’i Melkizedeka sy noraisiny ary notoriany ao amin’ny Almà 13:18. Eritrereto ny zavatra nianaranao mikasika ny tokony ho toetran’ny mpihazona ny fisoronana iray avy amin’ny ohatr’i Melkizedeka.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao na ny olona fantatrao no nahatsapa fiadanana taorian’ny fanarahana ny torohevitra avy amin’ny mpitarika marina iray ao amin’ny fisoronana?

Almà 13:21–31

Manasa ny vahoaka hihaino ny feon’ny Tompo sy hiditra amin’ny fitsaharany i Almà

Tadiavo ary mariho ny andianteny miverimberina (na andianteny mitovitovy) hoe: “fitsaharan’ny Tompo” ao amin’ny Almà 13:12, 13, 16 ary 29. Nampianatra ny vahoaka tao Amônihà i Almà fa niantso ny lehilahy ho ao amin’ny fisoronana ny Tompo mba hanampy ny olona hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. Nampiasa ny ohatr’i Melkizedeka izy hampisehoana azy ireo fa ireo olona izay feno fahotana sy faharatsiana dia afaka mibebaka sy miditra amin’ny fitsaharan’ny Tompo (jereo ny Almà 13:17–18; jereo koa ny F&F 84:24).

Nilaza ny Filoha Joseph F. Smith fa ny fidirana ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia “midika hoe fidirana ao amin’ny fahalalana sy fitiavan’Andriamantira, fananana finoana ny tanjony sy ny drafiny, izay mahatonga antsika hahafantatra fa marina isika, ary tsy mikatsaka zavatra hafa isika, tsy voarebirebin’ny rivotry ny fotopampianarana samy hafa rehetra isika, na amin’ny saim-petsy ataon’ny olona sy ny fikendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana. Fantatsika ny amin’ny fotopampianarana izay avy amin’Andriamanitra” (Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph F. Smith [1998], 56).

Inona no andrasanao amin’ny fitondrantenan’ny olona iray raha toa ka niditra tao amin’ny fitsaharan’ny Tompo teto amin’ity fiainany ity izy araka izay nofaritan’ny Filoha Joseph F. Smith?

Nampianatra ny Loholona Bruce R. McConkie hoe: “Ny tena olomasina dia miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo raha mbola eto amin’ity fiainana ity, ary amin’ny fijanonana ao amin’ny fahamarinana dia manohy mijanona ao amin’izany toetra voatahy izany izy ireo mandra-pitsaharan’izy ireo miaraka amin’ny Tompo any an-danitra. … Ny fitsaharan’ny Tompo, any amin’ny mandrakizay, dia ny handovana ny fiainana mandrakizay, ny ahazoana ny fahafenoan’ny voninahitry ny Tompo” (Mormon Doctrine, edisiona faharoa [1966], 633).

Nanolotra torolalana fanampiny mikasika ny fomba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo i Almà taorian’ny nampitandremany ny vahoakan’i Amônihà mba hiomana amin’ny fahatongavan’i Kristy (jereo ny Almà 13:21–26). Vakio nyAlmà 13:27–29 ahitana hoe inona ireo torolalana ireo.

Azo fintinina amin’ny alalan’ity fitsipika manaraka ity ny fampianaran’i Almà: Rehefa mamaly amim-panetrentena ny fanasana hibebaka isika dia tsy maintsy hitarika antsika any amin’ny fitsaharan’ny Tompo ny Fanahy amin’ny farany.

  1. Fantaro ny iray amin’ireo fitahiana voalaza ao amin’ny Almà 13:27–29 izay tianao ho azo. Rehefa hitanao izany fitahiana izany, dia mitadiava torohevitra nomen’i Almà izay hanampy anao handray izany fitahiana izany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina avy eo ny tanjona mikasika ny fomba hampiharanao ny torohevitr’i Almà mba hahafahanao miditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana manaraka.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 13 aho ary nahatontosa ity lesona ity ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: