Seminera
Môrmôna


Fampahafantarana ny Môrmôna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hianatra lesona sarobidy avy amin’i Môrmôna, izay niaina tamim-pahatokiana tamin’ny naha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy na dia voahodidin’ny “sarin’ny faharatsiana sy ny fahavetavetana mandrakariva” aza ny fiainany manontolo (Môrmôna 2:18). Hahazo tombony avy amin’ny fandalinana ireo tenin’i Môrônia zanakalahin’i Môrmôna ihany koa ianao, izay nijoro ho vavolombelona ho an’ny mpamaky amin’izao andro farany izao hoe “Efa nasehon’i Jesoa Kristy ahy ianareo, ary fantatro ny ataonareo” ( Môrmôna 8:35). Amin’ny alalan’ny fandalinana ireo asa soratra ireo dia afaka mianatra ny maha-zava-dehibe ny fisafidianana ny hiaina araka ny didy sy ny fanekempihavanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nanoratra ireo toko fito voalohany amin’ity boky ity i Môrmôna ho fitantarana fohy momba ny faharatsiana sy ireo ady teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita tamin’ny androny. Nanao “fitantarana feno” momba ireo zava-niseho nandritra ny fiainany teo amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia ihany koa izy. (Jereo ny Môrmôna 2:18; 5:9.) Rehefa “tokony ho folo taona” i Môrmôna dia nampilaza azy i Amarôna, ilay mpihazona ny rakitsoratra fa hanana andraikitra amin’ny firaketana “ny zava-drehetra izay efa nodinihi[ny] momba ity vahoaka ity” izy aoriana kely (Môrmôna 1:2, 4). Lasa mpihazona sy mpiandraikitra ireo takelak’i Nefia izy rehefa tokony ho 24 taona ary nanao “rakitsoratra araka ny tenin’i Amarôna” (Môrmôna 2:17). Nanomboka namintina ireo takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna taty aoriana, izay nirakitra ireo rakitsoratra avy amin’ireo mpaminany sy ireo mpihazona ny rakitsoratra nanomboka teo amin’i Lehia ka hatramin’i Amarôna. Rehefa akaiky ho faty i Môrmôna dia “nafenin[ny] tao amin’ny vohitr’i Komôrà ny rakitsoratra rehetra izay efa nankinin’ny tanan’ny Tompo tamin[ny],” afa-tsy ireo takelaka vitsivitsy izay nomeny an’i Môrônia zanany lahy (Môrmôna 6:6). Taorian’izay dia nitarika ny Nefita tamin’ny ady lehiben’izy ireo farany tamin’ny Lamanita izy. Nanome torolalana an’i Môrônia hamita ny rakitsorany i Môrmôna talohan’ny nahafatesany. I Môrônia no nanampy ireo asa soratra ahitana ny toko 8–9.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Mety ho teo anelanelan’ny 345 taorian’i J.K.sy 401 taorian’i J.K. no nanoratan’i Môrmôna ny Môrmôna 1–7 (jereo ny Môrmôna 2:15–17; 8:5–6). Vitany taorian’ilay ady lehibe farany teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita tao Komôrà (jereo ny Môrmôna 6:10–11) ireo asa sorany. Mety ho teo anelanelan’ny 401taorian’i J.K. sy 421 taorian’i J.K. no nanoratan’i Môrônia ny Môrmôna 8–9 rehefa nirenireny ho fitandroana ny ainy izy (jereo ny Môrôna 8:4–6; Môrônia 1:1–3).