Seminera
Fizarana 13: Andro 3, Môsià 21–24


Fizarana 13: Andro 3

Môsià 21–24

Fampidirana

Nanjary nandevozin’ny Lamanita ny vahoakan’i Limia vokatry ny faharatsian’izy ireo (jereo ny Môsià 20:21); nanetry tena izy ireo ary nitodika tamin’Andriamanitra vokatry ny fanandevozana azy ireo. Nentina teo ambany fanandevozana ho fizahana ny finoan’izy ireo ny vahoakan’i Almà (jereo ny Môsià 23:21). Samy nivavaka mafy mba hoesorina amin’ny fanandevozana ireo andiany roa ireo. Raha samy nohafahana sy tonga tany Zarahemlà ireo vondrona roa ireo dia nanampy ny vondrona tsirairay tamin’ny fomba samy hafa ny Tompo. Ianao dia afaka ny hahita avy amin’ny fandalinana ny fisedrana sy ny fanafahana ny vondrona notarihin’i Limia fa mamaly ny vavaka ataontsika amin’ny fombany manokana sy amin’ny fotoany ny Tompo rehefa manetry ny tenantsika isika. Ianao dia afaka mianatra avy amin’ny fandalinana ny fizahan-toetra sy ny fanafahana ny vahoakan’i Almà ny fomba fianteherana amin’ny Tompo mba hahazo hery mandritra ireo ady sy fizahan-toetra anao manokana.

Sary
Nefita mitondra vatan-kazo

Môsià 21–24

Nahita ny fahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia ny Nefita tao amin’ny tanin’i Lehia-Nefia

Alaivo sary an-tsaina hoe nipetraka tany amin’ny tanin’i Lehia-Nefia ianao nandritra ny fitondran’ny Mpanjaka Noà ary nandà ireo fampianaran’i Abinadia. Ankehitriny dia eo ambany fanandevozana ianao sy ny vahoakanao, araka ny nambaran’i Abinadia tamin’ny faminaniana. Inona no ho ataonao araka ny eritreritrao?

Izao dia mieritrereta fizahan-toetra na fahoriana izay iainanao amin’izao fotoana izao. Vakio ireto andininy manaraka ao amin’ny soratra masinao ireto ary asio marika ny zavatra ampianarin’izy ireo momba ny fikatsahana sy fahazoana fanafahana: Môsià 21:5, 14; 22:1–2; 23:23; ary ny 24:21. Ny hoe nohafahana mazàna dia midika hoe navotsotra, nampiana, na nesorina avy tao amin’ny zavatra iray.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Rehefa mamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia tsipiho ireo loharano roa nolazainy fa hiavian’ny fisedrana sy ny fahoriana izay iainantsika eo amin’ny fiainantsika: “Tsy misy olona mitady fahoriana. Tonga amintsika amin’ny alalan’ny loharano fototra roa samy hafa ny fisedrana, ny fahadisoam-panantenana, ny alahelo ary ny ratram-po. Hanana ireo olana ireo hatrany ireo izay mandika ny lalàn’Andriamanitra. Ny antony iray hafa mahatonga ny fahoriana dia ny mba hanatanterahana ny tanjona manokan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika mba handraisantsika ny fanatsarana izay tonga avy amin’ny fisedrana. Tena manan-danja amin’ny tsirairay amintsika ny mahafantatra hoe avy amin’iza amin’ireo loharano roa ireo ny fisedrana sy ny olantsika, satria tena samy hafa ny asa fanitsiana amin’izany” (”Trust in the Lord,” Ensign, nôv. 1995, 16).

Nentina teo ambany fanandevozana ny vahoakan’i Limia noho ny tsy fankatoavana raha toa kosa ka niaina fahoriana mba hanatsarana azy ireo ny vahoaka marin’i Almà. Nanetry tena sy nampanatonina an’Andriamanitra ny vahoakan’i Limia vokatry ny fanandevozana azy ireo. Afaka manampy anao hampitombo ny finoanao hiantso ny Tompo ho fanafahana amin’izay mety ho fahoriana iainanao ny fandalinana ireo tantaran’ny fanafahana roa avy amin’Andriamanitra ireo.

  1. Novaliana ho anao ny fanontaniana voalohany hoe—Ahoana no nahatonga azy ireo ho eo ambany fanandevozana? —ao amin’ity tabilao eto ambany ity. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanontaniana faharoa hoe: Ahoana no nanafahana azy ireo?

Ny vahoakan’i Limia

Ny vahoakan’i Almà

Ahoana no nahatonga azy ireo ho eo ambany fanandevozana?

(Môsià 20:21–22; 21:1–4)

Nomen’ny Tompo hery hitondrana ny vahoaka ho eo ambany fanandevozana ny Lamanita satria tsy nibebaka ny vahoaka.

(Môsià 23:1–4, 19–20, 25–38; 24:8–9)

Nitandrina ny fanekempihavanany ny vahoaka, saingy nofitahina sy nosamborina ary nenjehin’ny olon-dratsy izy ireo.

Ahoana no nanafahana azy ireo?

( Môsià 22:1–9, 13–14)

( Môsià 24:17–25)

Saintsaino ny valin’ireto fanontaniana manaraka momba ny vahoakan’i Limia ireto:

  • Araka ny Môsià 21:6 dia inona ireo porofo izay maneho fa tsy mbola nanetry ny tenan’izy ireo sy nitodika tamin’ny Tompo ny vondrona notarihin’i Limia? Inona no mahasamihafa an’izany amin’ny fihetsika nasehon’ny vahoakan’i Almà tamin’ny fanandevozana azy ireo? Rehefa misaintsaina ny zavatra niainan’ny vondrona notarihin’i Limia ianao dia inona no ianaranao ka mety hanampy anao haneho fihetsika mendrika amin’ny fizahan-toetra ny tenanao manokana?

  • Na dia tsy nohafahana teo no eo tamin’ny fahoriany aza ny vahoakan’i Limia dia ahoana no fomba nitahian’ny Tompo azy ireo? (Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny hoe “miroboro miandalana” ao amin’ny Môsià 21:16.) Efa nahatsapa ve ianao fa nanampy anao tsikelikely nandritra ny fizahan-toetra ny Tompo?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no nandraisan’ny fihetsiky ny vahoaka izay voafaritra ao amin’ny Môsià 21:30–33 anjara tamin’ny fanafahana azy ireo taty aoriana?

  1. Misafidiana iray amin’ireto fahamarinana manaraka ireto izay nosintonina avy tamin’izay nianaranao momba ny fisedrana sy ny fanafahana ny vahoakan’i Limia. Manorata andiam-pehezanteny iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny fomba ahafahanao mampihatra izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao manokana.

    1. Rehefa manetry ny tenantsika sy miantso ny Tompo ary mibebaka amin’ny fahotantsika isika dia haheno ny vavaka ataontsika Izy ary hanamaivana ny enta-mavesatry ny fahotantsika amin’ny fotoany manokana.

    2. Rehefa manao fanekempihavanana hanompo an’Andriamanitra sy hitandrina ny didiny isika dia hanome fomba hanafahana antsika ny Tompo.

Eritrereto ny fahoriana sy ny fanafahana ny vondrona notarihin’i Almà eo am-pamakianao ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Richard G. Scott ity: “Rehefa iny toa mandeha tsara iny avokoa ny zava-drehetra dia matetika no miara-mitranga amin’ny fotoana iray ireo olana maro. Rehefa tsy vokatry ny tsy fankatoavantsika ireo fisedrana ireo dia porofo izy ireny fa mahatsapa ny Tompo fa vonona ny hivoatra bebe kokoa ianao (jereo ny Ohabolana 3:11–12). Noho izany dia manome traikefa ho anao Izy, izay mahatonga ny fivoarana, fahatakarana ary fangorahana izay manomana anao ho amin’ny tombontsoanao mandrakizay. Mitaky fivoarana betsaka ny fitondrana anao avy eo amin’ny toerana misy anao mankany amin’izay tiany hahatongavanao, ary amin’ny ankapobeny dia mitaky ny fanaintainanao izany” (”Trust in the Lord,” 16–17).

Asio marika ireo teny sy andian-teny ao amin’ny Môsià 23:21–22 izay mampiseho fa hizaha toetra ny faharetantsika sy ny finoantsika ny Tompo mba hanampiana antsika hampitombo ny fahatokisantsika Azy (jereo koa ny F&F 122:5–7).

Manorata valinteny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny boky torolalanao:

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fisedrana mafy indrindra ny miaritra azy raha toa ka teo anivon’ny vahoakan’i Almà ianao nandritra ireo zava- nitranga voarakitra ao amin’ny Môsià 23–24? Nahoana?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny fihetsika nasehon’i Almà sy ny vahoakany tamin’ny fizahan-toetra azy ireo? (Jereo ny Môsià 24:1–12, 15–16.)

  • Na dia tsy nanafaka teo no eo ny vahoakan’i Almà aza ny Tompo dia inona no nataony ho Azy ireo tany am-boalohany? (Jereo ny Môsià 24:15.)

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ny vondrona notarihin’i Almà ny hoe rehefa manoa amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo isika dia hampahatanjaka antsika sy hanafaka antsika amin’ny fisedrana antsika amin’ny fotoany Izy.

  1. Hazavao araka ny eritreritrao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hevitry ny hoe manoa amim-paharetana ny sitrapon’ny Tompo mandritra ny fotoam-pisedrana sy ny fomba hanomanan’ny fanaovana izany anao mba hahazo tanjaka sy fitahiana izay omeny mba hanampiany anao mandritra izany fotoan-tsarotra izany.

Tamin’ny fiandohan’ity lesona ity dia nasaina hieritreritra momba ireo fisedrana sy fahoriana atrehanao amin’izao fotoana izao ianao. Eo am-pitadidianao azy ireo dia soraty ao anatin’ny diarinao manokana na amin’ny taratasy iray hafa ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona ireo fisedrana lalovako eo amin’ny fiainako amin’izao fotoana izao?

  • Inona no tokony hataoko hanomanako ny tenako handray ny herim-panafahan’ny Tompo eo amin’ny fiainako?

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 21–24 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: