Seminera
Fizarana 10: Andro 2, Jakôba 7


Fizarana 10: Andro 2

Jakôba 7

Fampidirana

Niantehitra tamin’ny fijoroany ho vavolombelona sy tamin’ny Tompo i Jakôba mba handresena ireo hevi-diso sy ady hevitra nataon’i Serema, izay antikristy. Ny atao hoe antikristy dia olona iray izay manohitra amin-kery sy mafy dia mafy an’i Kristy ary miezaka manimba ny finoan’ny hafa Azy, ny Fiangonany marina, ny Filazantsarany na ny drafitry ny famonjena.

Sary
Jakôba sy Serema

Mba hanakanana ireo ezaka nataon’i Serema dia nanovo tanjaka avy tamin’ireo traikefa taloha izay nampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy i Jakôba. Niantehitra tamin’ny fitarihan’ny Fanahy Masina sy ny fahalalany ny soratra masina ary ny tenin’ireo mpaminany sy ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy izy. Rehefa nangataka famantarana i Serema mba hanaporofoana fa marina ny tenin’i Jakôba dia nokapohin’Andriamanitra. Nofaranan’i Jakôba tamin’ny alalan’ny famaritana ny fomba nametrahan’ny Nefita ny fahatokiany tamin’ny Tompo ny rakitsorany rehefa nampatanjaka ny tenany nanohitra ny Lamanita ireo Nefita ireo. Talohan’ny nahafatesan’i Jakôba dia nankininy tamin’i Enôsa zanany ireo takelaka kely.

Jakoba 7:1–14

Niantehitra tamin’ny Tompo i Jakôba teo am-piatrehany an’i Serema, ilay antikristy

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Iray amin’ireo fitsapana tena lehibe eo amin’ny fiainana rehefa ahiahiana sy tsikeraina ny finoantsika. Amin’izany fotoana izany, dia mety te hamaly amim-pahasahiana isika. … Kanefa izany dia fahafahana lehibe hieritreretana, ary hanarahana ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Tadidio tsara fa na i Jesoa Kristy aza dia noesoina sy nolavin’izao tontolo izao. … Rehefa mamaly ireo mpiampanga antsika isika tahaka ny nataon’ny Mpamonjy, dia tsy lasa tahaka an’i Kristy fotsiny isika fa manasa ny hafa ihany koa hahatsapa ny fitiavany sy hanaraka Azy” (“Fahasahian’ny Kristiana: Takiana amin’ny Maha-mpanara-dia,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 72).

Mieritrereta fotoana iray rehefa nahavelom-panontaniana na nokianina ireo zavatra inoanao. Eo am-pandalinanao ny Jakôba 7 dia hianatra ny fomba niainan’i Jakôba ny fanakianana ny finoany avy tamin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Serema ianao, sy ny fomba fihetsika mahomby nasehony nanoloana ity olana ity.

Vakio ny Jakôba 7:1–5, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay milaza (1) ny zavatra nezahin’i Serema hatao sy (2) ny zavatra nokatsahiny hanatanterahana ireo tanjony. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ireo.

Araka ny Jakôba 7:3, nanao ahoana no fiantefan’ny zavatra nataon’i Serema teo amin’ny vahoaka?

  1. Jereo ao amin’ny Jakôba 7:4 fa “olo-mahay” sy nanana “hery be tamin’ny lahateny” i Serema. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-sarotra indraindray ny miaro ny finoanao manoloana ny olona toa an’i Serema.

Tadidio fa tsy ny olona rehetra izay velom-panontaniana na mitsikera ny finoantsika no manana tanjona mitovy amin’ny an’i Serema. Raha toa ka mikatsaka ny hanimba finoana tsotra izao tahaka an’i Serema ny olona sasany dia mety ho velom-panontaniana ny amin’ny finoantsika ny hafa satria liana izy ireo na nomena fampahalalana diso angamba izy ireo mikasika ireo zavatra inoantsika.

Rehefa mamaky ny Jakôba 7:5–14 ianao dia saintsaino ny mety ho fomba fihetsikao amin’ny olona iray toa an’i Serema. Eo am-pandalinanao ny valintenin’i Jakôba dia ho hitanao fa rehefa miantehitra amin’ny Tompo isika dia afaka mandresy ireo fisedrana ny finoantsika. Azonao soratana eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy ireo ity fitsipika ity. Jereo ireo fomba mampisehoan’i Jakôba ity fitsipika ity tamin’ny adiny tamin’i Serema.

Vakio ao anatin’ny tabilao etsy ambany ilay andininy na ireo andininy avy ao amin’ny Jakôba 7:5–14 ao anatin’ilay ilan’ny tsanganana voalohany ary ampifandraiso amin’ny fanambarana ao anatin’ilay tsanganana faharoa izany andininy izany, izay mamaritra tsara indrindra ny fomba nianteheran’i Jakôba tamin’ny Tompo ao anatin’izany andinin-tsoratra masina izany. Soraty eo amin’ny andalana akaikin’ilay andinin-tsoratra masina ny tarehin-tsoratra amin’ilay fanambarana.

Ny Zavatra Nataon’i Jakôba mba Hianteherana amin’ny Tompo

  1. Jakôba 7:5

  2. Jakôba 7:8

  3. Jakôba 7:10–11

  4. Jakôba 7:12

  5. Jakôba 7:13–14.)

  1. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany izy.

  2. Napetrany teo am-pelatanan’Andriamanitra izay ho vokany.

  3. Niantehitra tamin’ny fitarihana sy ny tanjaka avy amin’ny Fanahy Masina izy.

  4. Nahatsiaro ireo traikefa taloha izay nahamafy orina ny finoany izy.

  5. Nizara ny fijoroana ho vavolombelona izay noraisiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina izy.

Azonao atao ny mampitaha ny valinteninao amin’ity asa fampifandraisana ity amin’ny alalan’ny fijerena ireo valinteny marina hita any amin’ny faran’ity lesona ity.

Ahoana no hanamafisanao orina ny fijoroanao ho vavolombelona mba tsy ho voahozongozona izany rehefa nahavelom-panontaniana sy notsikeraina izay inoanao? Jereo fa naneho izao fahamarinana manaraka izao i Jakôba ao amin’ny Jakôba 7:5: Tsy azo hozongozonina ao amin’ny finoantsika isika raha toa ka mifototra amin’ny fanambarana sy ny traikefa marina ara-panahy ny fijoroantsika ho vavolombelona. Eritrereto ny tanjaky ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy izay azonao atao mba hanamafisana orina izany.

Manolotra ohatra iray mba ho arahintsika amin’ny fihetsika tokony hasehontsika amin’ireo olona izay velom-panontaniana sy mitsikera ny finoantsika ny fihetsik’i Jakôba tamin’i Serema.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny telo amin’ireto fanontaniana eto ambany ireto mba hanampiana anao hieritreritra momba ireo zavatra nataon’i Jakôba mba hianteherana amin’ny Tompo sy ny fomba nanampian’ireo asa ireo anao na hanampian’izany anao rehefa mitsapa ny finoanao ny hafa:

    1. Jereo ao amin’ny Jakôba 7:5 fa nanjary tsy voahoazongozona ny finoan’i Jakôba noho ireo traikefa ara-panahy niainany teo aloha. Inona avy ireo zavatra niainanao izay nampiorim-paka ny finoanao? Ahoana no ahafahan’ny fahatsiarovana na fanoratana ireny zavatra niainana ireny manampy anao rehefa misy olona mametra-panontaniana na manakiana ny finoanao?

    2. Nilaza i Jakôba ao amin’ny Jakôba 7:8 fa “nampirotsaka ny Fanahiny tao amin’ ny fanahiko ny Tompo Andriamanitra.” Inona no tokony hataonao mba hanananao ny Fanahy harotsaka ao amin’ny fanahinao? Ahoana no nanampian’ny Fanahy Masina anao rehefa niatrika fanontaniana na fanakianana mikasika ny finoanao ianao?

    3. Ahoana no ahafahan’ny fahazarana mandalina isan’andro ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminanin’ny andro farany manampy anao ao anatin’ireo toe-javatra mitranga rehefa manontany na manakiana ny finoanao ny hafa? (Jereo ny Jakôba 7:10–11.)

    4. Oviana ianao no nizara ny fijoroanao ho vavolombelona tamin’ny olona iray izay nanontany na nanakiana ny finoanao? (Jereo ny Jakôba 7:12). Inona ny vokatr’izany?

    5. Raha tokony hanaporofo ny fahamarinan’ny fijoroany ho vavolombelona i Jakôba rehefa nitady famantarana i Serema dia navelany teo an-tanan’ny Tompo izay mety ho vokatr’izany (jereo ny Jakôba 7:14). Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hahafantatra fa tsy mila porofoinao amin’ireo izay mitsapa ny finoanao ny fahamarinan’ny fijoroanao ho vavolombelona?

Jakôba 7:15–23

Lavo sy nibaboka ary maty i Serema, ary izany dia nitarika ny vahoaka Nefita hitodika amin’ny Tompo

Nampianatra ny Loholona Robert D. Hales hoe:

Sary
Loholona Robert D. Hales

“Rehefa tsy manao valy bontana isika—rehefa manolotra ny ila-takolantsika isika ary mandresy ny fahatsapana ho tezitra—dia manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy koa isika. Maneho ny fitiavany isika, izay hany hery afaka mifehy ny fahavalo sy mamaly ireo mpiampanga antsika ary tsy mila miampanga azy isika avy eo. Tsy fahalemena izany. Izany no fahasahian’ny Kristiana.

“Nandritra ny taona maro isika dia nianatra fa ny fanamby eo amin’ny finoantsika dia tsy vaovao, ary toa tsy hanjavona atsy ho atsy koa izany. Saingy ny tena mpanara-dia an’i Kristy dia mahita fahafahana hanao zavatra hatrany eny anivon’ny fifanoherana …

“… Soa ihany ny Tompo fa mahafantatra ny fon’ireo mpiampanga antsika sy ny fomba tena hamaliany tsara azy ireo. Rehefa mikatsaka fitarihana avy amin’ny Fanahy ny mpanara-dia marina dia mahazo fitaomam-panahy mifanaraka amin’ny zavatra atrehany tsirairay izy ireny. Ary isaky ny zavatra atrehana rehetra, ny mpanara-dia marina dia mamaly amin’ny fomba izay manasa ny fanahin’ny Tompo” (“Fahasahian’ny Kristiana: Takiana amin’ny Maha-mpanara-dia,” 72–73).

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mahita fahafahana hanao zavatra … eo anivon’ny fifanoherana”?

Vokatra tsara no ho azo rehefa maneho fihetsika amin’ny fomba manasa ny Fanahin’ny Tompo amin’ireo izay mitsapa ny finoantsika isika. Vakio ny Jakôba 7:15–23, ary tadiavo ny vokatra tsara izay nateraky ny fifanandrinan’i Jakôba tamin’i Serema.

Inona no porofo hitanao ao amin’ny Jakôba 7:21–22 fa nirian’i Jakôba mba hanampy ny hafa ny zavatra nitranga teo amin’izy sy i Serema?

Araka ny Jakôba 7:23, ahoana no fomba fiantraikan’ny fifanandrinan’i Jakôba tamin’i Serema tamin’ny vahoaka tamin’ny farany?

  1. Fitsipika iray ianarantsika avy amin’ny fifanandrinan’i Jakôba tamin’i Serema ny hoe rehefa mamaly ireo fanontaniana sy fitsikerana ny finoantsika amin’ny fomba izay manasa ny Fanahy isika dia afaka manampy ny hafa hitodika amin’ny Tompo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto izay mikasika ity fitsipika ity:

    1. Ahoana no hamelan’ny fahafantarana ity fitsipika ity anao hanampy ny hafa hitodika amin’ny Tompo?

    2. Ahoana no mety hikatsahanao hampihatra ity fitsipika?

Jakôba 7:24–27

Nilazalaza momba ny fifandiran’ny Nefita tamin’ny Lamanita i Jakôba ary namarana ny rakitsorany

Vakio ny Jakôba 7:24–27. Asongadino ny andian-teny iray ao amin’ny Jakôba 7:25 izay manamafy ny hafatr’i Jakôba mikasika ny maha zava-dehibe ny fianteherana amin’ny Tompo rehefa miatrika olana isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no zavatra iray ho ataonao mba hiomanana amin’ny fotoana iray izay hitsapan’ny olona iray ny finoanao?

Raha toa ka manana olana ianao mikasika ny fomba hiatrehana ireo fanontaniana na fitsikerana manokana ny finoanao dia halalino ny boky torolalana Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra Mikasika ny Filazantsara, lahatenin’ny Loholona Robert D. Hales nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana “Fahasahian’ny Kristiana: Takiana amin’ny Maha-mpanara-dia” (Ensign na Liahona, nôv. 2008, 72–75), ary ireo loharanom-pahalalana hafa hita ao amin’ny LDS.org sy youth.lds.org.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jakôba 7 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Valin’ilay asa fampifandraisana any amin’ny fiandohan’ity lesona ity: 1) e, 2) d, 3) a, 4) f, 5) b.