Seminera
Fizarana 6: Andro 4, 2 Nefia 9–10


Fizarana 6: Andro 4

2 Nefia 9–10

Fampidirana

Tao anatin’ny lesona teo aloha ianao dia nianatra mikasika ny fijoroan’i Jakôba ho vavolombelona momba ny zavatra hataon’i Jesoa Kristy ho antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Hamita ny fandalinanao ny 2 Nefia 9 ianao ao anatin’ity lesona ity sy ny lahateny nataon’i Jakôba tamin’ny andro voalohany ary hianatra ny zavatra tokony hataontsika mba hahazoana ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Nampitandrina ny amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra izay mitondra any amin’ny fisarahana amin’Andriamanitra i Jakôba ary nanasa ny rehetra mba hanatona an’i Kristy sy hovonjena. Hamaky ny 2 Nefia 10 koa ianao ary handalina ny zavatra nolazain’i Jakôba tamin’ny olona ny ampitson’izany. Nampianarin’i Jakôba indray fa na dia haely patrana aza i Isiraely noho ny fahotana dia hotsaroan’ny Tompo ny fanekempihavanana nataony tamin’izy ireo ary hangoniny indray izy ireo rehefa mibebaka sy miverina Aminy. Nilaza i Jakôba fa “tsy misy firenena hafa eto ambonin’ny tany izay hanombo ny Andriamaniny” (2 Nefia 10:3). Nilaza mialoha izy fa i Amerika dia ho tanin’ny fahafahana sy hohampahatanjahina mihoatra ny firenen-kafa ary tsy hanana mpanjaka hanjaka eo aminy. Nijoro ho vavolombelona i Jakôba fa tsy maintsy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra ny olona ary mahatsiaro fa amin’ny alalan’ny fahasoavan’Andriamanitra ihany no hahazoan’izy ireo famonjena.

2 Nefia 9:28–54

Nampitandrina mikasika ireo fihetsika sy toetra izay mampisaraka antsika amin’Andriamanitra i Jakôba ary manasa ny rehetra mba hanatona an’i Kristy

Noho ny Fahalavoana sy noho ireo fahotantsika manokana dia mila ny Mpamonjy isika tsirairay avy. Nijoro ho vavolombelona i Jakôba fa amin’ny alalan’ny Sorompanavotana dia esorina eo amintsika ny vokatry ny Fahalavoana ary afaka mandresy ny fahotantsika sy mahazo ny fiainana mandrakizay isika. I Jakôba dia nampiasa ny vavahady sy ny lalana mba ho sary hanehoana izany. Vakio ny 2 Nefia 9:41, ary tadiavo ny fomba namaritan’i Jakôba ilay lalana izay tsy maintsy hodiavintsika mba hahatongavana any amin’ny fiainana mandrakizay. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “manatòna ny Tompo”? (Eritrereto raha toa ianao ka eo amin’ilay lalana izay hampanakaiky kokoa anao amin’ny Mpamonjy.) Midika inona aminao ny hoe “ety ny lalana [mankany amin’ny Mpamonjy] kanefa dia voasoritra mahitsy eo anoloany izany”?

Sary
lala-mifampidipiditra ahitana lala-mahitsy eo afovoany

Nofaritan’i Jakôba ho toy ny “mpiandry ny vavahady” ihany koa ny Mpamonjy. Tandindon’ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-mpitsara antsika Azy izany. Miankina amin’ny toetra sy ny fihetsika asehontsika no anolorany antsika ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Nasongadin’i Jakôba kokoa tao anatin’ny fampianarany antsika ny fiantraikan’ny toetrantsika sy ny asantsika eo amin’ny fahafahantsika manatona ny Mpamonjy.

  1. Mba hanampiana anao hahita ireo toetra sy eritreritra ary fihetsika izay afaka hitondra antsika any amin’ny Mpamonjy dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Manorità tsipika mijidina eo afovoan’ny pejy iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ary soraty eo amin’ny ilany iray ny hoe Mampanalavitra ny tenantsika amin’i Kristy ary Manatona an’i Kristy eo amin’ny ilany iray hafa.

    2. Vakio ny 2 Nefia 9:27–39, ary tadiavo ireo fihetsika na toetra izay nampitandreman’i Jakôba fa afaka hampanalavitra antsika amin’ny Mpamonjy. Tanisao ao anatin’ilay faritra hoe “Mampanalavitra ny tenantsika amin’i Kristy” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo zavatra hitanao mifanaraka amin’izany. Azonao asiana marika koa ny zavatra hitanao ao amin’ny soratra masinao. (Marihina fa ny 2 Nefia 9:28–29 dia soratra masina fehezina. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita izany amin’ny ho avy.)

    3. Misafidiana iray amin’ireo fihetsika na toetra izay hitanao ary valio any amin’ny pejy hafa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba hanakanan’io fihetsika io na io toetra io anao tsy hanatona an’i Kristy na tsy hahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotany?

    4. Ankoatra ny fampitandremana mikasika ireo fihetsika sy toetra izay manakana antsika tsy hanatona ny Tompo, dia nampianarin’i Jakôba koa ny mikasika ireo fihetsika sy toetra izay hanampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy. Vakio ny 2 Nefia 9:23, 42, 45–46, 49–52, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jakôba fa hitondra antsika any amin’ny Tompo. Tanisao ao anatin’ilay faritra misy ilay hoe “Manatona an’i Kristy” ny zavatra hitanao.

Sary
Jesoa Kristy

Rehefa nandalina ny 2 Nefia 9:28–54 ianao dia nianatra ilay fitsipika hoe: Rehefa misafidy ny hanatona ny Tompo isika sy hiaina araka ny sitrapony dia afaka mahazo ireo fitahiana feno avy amin’ny Sorompanavotana.

  1. Mba hanampiana anao hampihatra ny zavatra nianaranao dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireo fanontaniana ao anatin’ireo asa ampanaovina miisa roa na mihoatra hita etsy ambany:

    1. Ao amin’ny 2 Nefia 9:23 dia hitanao fa nodidian’ny Tompo isika mba hibebaka sy hatao batisa. Na dia efa vita batisa aza ianao dia ahoana no fomba hanampian’ny fanavaozana ireo fanekempihavanan’ny batisa anao amin’ny alalan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo mba hanatona ny Tompo sy handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “manam-pinoana tanteraka ny iray Masin’ny Isiraely” (2 Nefia 9:23)? Inona avy ireo fomba entina hampisehoana ny finoana ny Tompo amin’izao fotoana izao?

    3. Inona no dikan’ny hoe “hiala amin’ny fahotanareo” (2 Nefia 9:45)? Inona no afaka manampy anao hiala amin’ny fahotanao?

    4. Inona avy ireo ohatra sasany maneho ny fandaniana vola “amin’izay tsy misy vidiny” na fiasana “amin’izay tsy mety mahafa-po” (2 Nefia 9:51)? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fisorohana ny fironana any amin’ny filana ratsy sy ny zava-tsinontsinona anao hanatona ny Tompo? Ahoana no ahafahanao mandanjalanja tsara kokoa ny fomba handanianao fotoana amin’ireo hetsika isan-karazany atao any an-tsekoly, amin’ny fandalinana, any am-piangonana ary ao anatin’ireo fialamboly sy hetsika ara-tsôsialy?

    5. Inona avy ireo fomba ahafahanao “mivoky amin’izay tsy mety ho simba” (2 Nefia 9:51)?

    6. Namporisika ny olona i Jakôba mba “hanolotra fisaorana” ary “[hamela ny fonareo mba hifaly]” (2 Nefia 9:52). Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny manaraka io torohevitra io rehefa miezaka ny manatona ny Mpamonjy ianao?

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nitondran’ny fihetsika na toetra iray na mihoatra izany anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 9:28–29

Inona no ataonao mba hanararaotana araka izay tratra ireo tombontsoa eo amin’ny fianarana miseho eo anoloanao? Inona avy ireo drafitrao momba ny fianaranao amin’ny ho avy?

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity ary tsipiho ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fianarana: “Hiatrika fanamby lehibe ianao amin’ny ho avy. Mandroso ao anatin’ny tontolo iray izay ahitana fifaninanana henjana ianao. Tokony handranto fianarana araka izay tratranao ianao. Nampianatra antsika mikasika ny maha zava-dehibe ny fianarana ny Tompo. Hitondra tombontsoa lehibe kokoa ho anao izany. Hanomana anao izany hanao zavatra manan-danja ao anatin’ilay tontolo lehibe ahitana fahafahana manao zavatra hahazoana tombontsoa amin’ny ho avy. Raha toa ianao ka afaka mianatra any amin’ny oniversite ary izay no fanirianao dia ataovy izany. Raha toa ianao ka tsy maniry ny hianatra any amin’ny oniversite dia mandehana miditra any amin’ny sekoly mampianatra asa aman-draharaha na mampianatra momba ny fandraharahana mba hanamafy ny fahaiza-manao anananao sy hampitombo ny fahafahanao mahavita zavatra” (“Converts and Young Men,” Ensign, mey 1997, 49–50).

Vakio ny 2 Nefia 9:28, ary asio marika ny zavatra nolazain’i Jakôba fa loza ateraky ny fianarana atao amin’ny fihetsika tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity:

    1. Inona no dikan’ilay fanambarana hoe “rehefa mahay izy dia manao azy ho hendry” araka ny eritreritrao?

    2. Inona no loza ateraky ny fieritreretana hoe hendry noho ny ray aman-drenintsika isika na ny evekantsika na filohan’ny sampantsika na ny mpaminany na ny Raintsika any An-danitra?

Vakio ny 2 Nefia 9:29, ary tadiavo ny zavatra tokony hotsaroanao rehefa mandranto fianarana ianao.

  1. Valio ity fanontaniana manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Ahoana no fomba hanampian’ny fandalinana amim-pahazotoana ny soratra masina anao hiaina araka ilay fitsipika hita ao amin’ny 2 Nefia 9:29?

2 Nefia 10

Namporisika ny olona mba hifaly sy hanatona ny Tompo i Jakôba

Nandritra ilay andro faharoa nanomezany ny fampianarany dia nijoro ho vavolombelona indray mikasika ny herin’ny Tompo izay manavotra amin’ny voka-dratsin’ny fahotana i Jakôba. I Jakôba koa dia nampianatra ny olony ny fomba fandraisana andraikitra eo anatrehan’ilay Sorompanavotana izay fanomezana mifono famindram-po. Vakio ny 2 Nefia 10:20, 23–25, ary asio marika ireo andian-teny izay maneho ny zavatra nampianarin’i Jakôba fa tokony hataontsika ho valin’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho antsika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

    1. Eritrereto ny zavatra nohalalininao mikasika ny Mpamonjy, nahoana ianao no maniry ny “hahatsiaro azy” mandrakariva (2 Nefia10:20)?

    2. Nahoana no tsapanao fa ny fialana na ny fibebahana amin’ny zavatra tsy mety ataonao dia haneho ny fankasitrahanao sy ny fitiavanao ny Mpamonjy?

    3. Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Mpamonjy, izay manampy anao hahatsapa fanantenana fa tsy “[m]ampitanondrika” ny lohanao noho ny fahadisoam-panantenana?

Fehezanteny iray manan-danja ao anatin’io toko io ny hoe “mihavàna amin’ny sitrapon’Andriamanitra” (2 Nefia 10:24). Midika izany fa tokony hanorina fifandraisana akaiky indray amin’ny Tompo isika, izay ahitana ny fankatoavantsika sy ny fanarahantsika ny sitrapony. Avereno vakina izay mety ho soratra masina nasianao marika ao amin’ny 2 Nefia 9–10. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa mitady zavatra azonao atao ianao mba hihavananao amin’ny sitrapon’Andriamanitra.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 9–10 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: