Ny soratra masina
2 Nefia 10


Toko 10

Nanazava i Jakoba fa hohomboan’ny Jiosy ny Andriamaniny—Haely patrana izy mandra-panombohan’izy ireo hino Azy—Ho tanim-pahafahana i Amerika izay tsy hisy mpanjaka hanapaka—Mihavàna amin’ Andriamanitra ianareo ka raiso ny famonjena amin’ny alalan’ny fahasoavany. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny izaho Jakoba dia miteny aminareo indray, ry rahalahiko malala, ny momba ilay asampana marina izay efa noteneniko.

2 Fa indro, ny afampanantenana izay efa azontsika dia fampanantenana natao tamintsika araka ny nofo; koa, na dia efa naseho ahy aza fa maro amin’ny zanatsika no ho faty ao amin’ny nofo noho ny tsy finoana, dia ho feno famindram-po amin’ny maro Andriamanitra; ary hampodiana amin’ny laoniny ireo zanatsika mba hahatonga azy any amin’izay hanome azy ny fahalalana marina ny Mpanavotra azy.

3 Koa, araka ny efa nolazaiko anareo, dia mety sady tsy maintsy ilaina ny hahatongavan’i Kristy—satria izany no nolazain’ny aanjely ahy alina fa ho anarany—beo amin’ny Jiosy, eo anivon’ireo izay ampahany lozabe indrindra eo amin’izao tontolo izao; ary dia dhohomboany Izy—satria izany dia araka ny efa nanampoizan’ny Andriamanitsika ary tsy misy firenena hafa eto ambonin’ny tany izay ehanombo ny fAndriamaniny.

4 Fa raha nitranga teo amin’ireo firenen-kafa ireo afahagagana lehibe, dia ho nibebaka ireny ary ho nahafantatra Azy ho Andriamaniny.

5 Nefa noho ny akomiberaky ny mpisorona sy ny helony, ireo ao Jerosalema dia hanamafy ny hatony hanohitra Azy mba hanomboana Azy.

6 Koa, noho ny helony, dia hihatra aminy ny faharavana, ny mosary, ny areti-mandringana ary ny fandatsahan-dra; ary ireo izay tsy ho fongana dia ahaely patrana any anivon’ny firenen-drehetra.

7 Nefa indro, izao no lazain’ny aTompo Andriamanitra: Izaho efa nanao fanekempihavanana tamin’ny razany fa braha avy ny andro izay hinoany Ahy fa Izaho no Kristy, amin’izany dia hampodiana ao amin’ny nofo eto ambonin’ny tany, any amin’ny tany lovany izy.

8 Ary ny zavatra hitranga dia ahangonina avy amin’ny fielezany maharitra izy, avy amin’ny bnosy any an-dranomasina sy avy amin’ny vazan-tany efatra; ary ho lehibe eo imasoko ny firenen’ny Jentilisa, hoy Andriamanitra, amin’ny dfitondrana azy hiverina any amin’ny tany lovany.

9 aEny, ny mpanjakan’ny Jentilisa no ho ray mpiahy azy, ary ny mpanjakavaviny no ho reny mpiahy; koa lehibe amin’ny Jentilisa ny bfampanantenan’ny Tompo fa Izy no efa niteny izany ka iza no hahatohitra?

10 Nefa indro, hoy Andriamanitra, fa ity tany ity no ho tany lovanao ary hotahiana ny aJentilisa eo amin’ity tany ity.

11 Ary ho tanim-apahafahana ho an’ny Jentilisa ity tany ity ka tsy hisy bmpanjaka eo amin’ny tany izay hitsangana hifehy ny Jentilisa.

12 Ary Izaho hampahatanjaka ity tany ity noho ny firenen-kafa rehetra.

13 Ary izay amiady amin’i Ziona dia ho bringana, hoy Andriamanitra.

14 Satria izay manangana mpanjaka hanohitra Ahy dia ho ringana, fa Izaho Tompo, ny ampanjakan’ny lanitra no ho mpanjakany ary Izaho no ho bfahazavana mandrakizay ho an’ireo izay mihaino ny teniko.

15 Koa, noho izao antony izao, dia ny hahatanteraka ny afanekempihavanako izay efa nataoko tamin’ny zanak’olombelona ka hataoko aminy raha mbola ao amin’ny nofo izy, dia tsy maintsy ilaina ny handravana ny basa manginginan’ny dmaizina sy ny famonoan’olona ary ny fahavetavetana.

16 Koa izay miady amin’i aZiona na Jiosy na Jentilisa, na andevo na olon’afaka, na lahy na vavy dia ho ringana; fa bireny no ireo izay vehivavy janga amin’ny tany rehetra; satria direo izay etsy momba Ahy dia fmanohitra Ahy, hoy ny Andriamanitsika.

17 Satria ahotanterahiko ny fampanantenako izay efa nataoko tamin’ny zanak’olombelona ka hataoko aminy raha mbola ao amin’ny nofo izy—

18 Noho izany, ry rahalahiko malala, dia izao no lazain’ny Andriamanitsika: Izaho hampahory ny taranakao amin’ny tanan’ny aJentilisa; kanefa, hanalefaka ny fon’ny Jentilisa Aho, hany ka ho toy ny ray ho azy izy; koa bhotahiana ny Jentilisa sady horaisina ho disan’ny mpianakavin’i Isiraely.

19 Koa ahatokako mandrakizay ho an’ny taranakao sy ho an’ireo izay horaisina ho isan’ny taranakao ity tany ity mba ho tany lovany; satria tany nofinidy noho ny tany hafa rehetra izany, hoy Andriamanitra tamiko, koa hataoko izay hideran’ny olona rehetra izay mitoetra eo aminy Ahy, hoy Andriamanitra.

20 Ary ankehitriny, ry rahalahiko malala, satria efa nomen’ny Andriamanitsika feno famindram-po antsika ny fahalalana lehibe tokoa momba ireo zavatra ireo, dia aoka hotsarovantsika Izy sy havelantsika ny fahotantsika, ary aoka tsy hitanondrika ny lohantsika satria tsy ariana isika; kanefa efa anoroahina isika hiala ny tany lovantsika; fa efa nentina kosa isika hankany amin’ny btany tsaratsara kokoa, satria ny Tompo no efa nanao ny ranomasina ho dlalantsika ary eo amin’ny enosin-dranomasina no misy antsika.

21 Nefa lehibe ny fampanantenan’ny Tompo amin’ireo izay eo amin’ny anosin-dranomasina; koa satria nosy no resahina, dia tsy maintsy ilaina ny fisian’ny nosy hafa ankoatra ity, ary ireo rahalahintsika ihany koa no monina amin’ireny.

22 Fa indro, ny Tompo Andriamanitra no efa anitondra ombieny ombieny avy tamin’ny mpianakavin’i Isiraely araka ny finiavany sy ny sitrapony. Ary ankehitriny, indro tadidin’ny Tompo avokoa ireo izay efa nosarahina ka dia tadidiny koa isika.

23 Noho izany, herezo ny fonareo ary tsarovy fa aafaka bmanao araka ny sitraponareo ianareo—na dhifidy ny lalan’ny fahafatesana mandrakizay na ny lalan’ny fiainana mandrakizay.

24 Noho izany ry rahalahiko malala, dia mihavàna amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ianareo fa tsy amin’ny sitrapon’ny devoly sy ny nofo; ary tsarovy fa rehefa mihavana amin’ Andriamanitra ianareo, dia ao amin’ny afahasoavan’ Andriamanitra ary amin’ny alalany ihany no bhamonjena anareo.

25 Koa Andriamanitra anie hanangana anareo amin’ny fahafatesana, amin’ny herin’ny fananganana amin’ny maty ary hanangana anareo koa amin’ny fahafatesana maharitra mandrakizay amin’ny herin’ny asorompanavotana, mba hahazoana mandray anareo ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra mandrakizay, ka hahazoanareo midera Azy noho ny fahasoavana araka an’ Andriamanitra. Amena.