Ny soratra masina
2 Nefia 22


Toko 22

Hidera ny Tompo ny olona rehetra amin’ny arivotaona—Honina eo anivony Izy—Ampitahao amin’i Isaia 12. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Ary amin’izany andro izany dia hiteny ianao hoe: Tompo ô, hidera Anao aho; fa na dia tezitra tamiko aza Ianao dia mitony ny fahatezeranao, ary mampionona ahy Ianao.

2 Indro, Andriamanitra no famonjena ahy; dia ahatoky aho ka tsy hatahotra; satria bJehovah Tompo no heriko sy hirako; efa tonga famonjena ahy koa Izy.

3 Koa amin’ny fifaliana no hantsakanao arano ao amin’ny loharanom-pamonjena.

4 Ary amin’izany andro izany dia hiteny ianareo hoe: aMidera ny Tompo, miantsoa ny anarany, lazao amin’ny olona ny asany, ampahafantaro fa efa nasandratra ny anarany.

5 aMihira ho an’ny Tompo fa efa nanao zavatra tsara dia tsara Izy; fantatry ny tany iray manontolo izany.

6 aMiantsoa mafy sy mihobia ianao ry mponina ao Ziona; fa lehibe eo afovoanao ny Iray Masin’ny Isiraely.