Ny soratra masina
2 Nefia 7


Toko 7

Nanohy namaky tao amin’i Isaia i Jakoba: Niteny ho an’ny Mesia i Isaia—Hanana ny lelan’ny olo-mahay ny Mesia—Hanolotra ny lamosiny ho an’ny mpikapoka Izy—Tsy hangaihay Izy—Ampitahao amin’ny Isaia 50. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Eny, fa izao no lazain’ny Tompo: Efa nisaotra anao va Aho sa efa nandroaka anao mandrakizay? Satria izao no lazain’ny Tompo: Aiza ny taratasim-pisaraham-panambadian-dreninareo? Iza no nisaorako anao sa iza amin’ny manan-trosa amiko no nivarotako anao? Eny, iza no nivarotako anao? Indro, fa noho ny helokareo ihany no anivarotanareo tena ary noho ny fandikanareo lalàna no isaorana an-dreninareo.

2 Koa nony tonga Aho, dia tsy nisy olona; nony aniantso Aho, eny, tsy nisy namaly. Ry mpianakavin’i Isiraely, moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy afaka manavotra sa tsy manana hery Aho hoenti-manafaka? Indro, amin’ny fandevileveko no andritako ny branomasina, ampodiako ny drenirano ho tany foana ary ny ehazandranony ho maimbo satria ritra ny rano ary ho faty noho ny hetaheta izy.

3 Tafiako afahamaintisana ny lanitra, ary blamba fisaonana no ataoko firakofany.

4 Ny Tompo Andriamanitra dia efa nanome Ahy ny alelan’ny efa mahay mba hahaizako miteny aminao amin’ny fotoana mahamety izany, Ry mpianakavin’i Isiraely. Rehefa reraka ianao, Izy mamoha isa-maraina isa-maraina. Mamoha ny sofiko Izy mba hihainoako toy ny hihainoan’ny efa mahay.

5 Efa nosokafan’ny Tompo Andriamanitra ny asofiko ka sady tsy nanohitra aho no tsy nihodina niala.

6 Natolotro ho an’ny ampikapoka ny lamosiko ary ho an’ny mpanongotra volombava ny takolako. Tsy nafeniko ny tavako noho ny henatra sy ny fandrorana.

7 Fa hanampy Ahy ny Tompo Andriamanitra koa tsy hangaihay Aho. Noho izany dia efa nohamafisiko tahaka ny afovato ny tavako ka fantatro fa tsy ho menatra Aho.

8 Ary efa akaiky ny Tompo ary manamarina Ahy Izy. Zovy no hifanditra amiko? Andeha isika hiara-mitsangana. Zovy no fahavaloko? Aoka izy ho tonga eto akaikiko ary Izaho hamely azy amin’ny herin’ny vavako.

9 Fa hamonjy Ahy ny Tompo Andriamanitra. Ary ireo rehetra izay ahanameloka Ahy, indro izy rehetra hihavasoka toy ny lamba tonta ka ho lanin’ny kalalao.

10 Iza aminareo no matahotra ny Tompo ka mankatò ny afeon’ny mpanompony, ka mandeha ao amin’ny haizina ary tsy manana hazavana?

11 Indro ianareo rehetra izay mandrehitra afo ka hodidininareo kilalaon’afo ny tenanareo, mandehana amin’ny hazavan’ny alelafonareo sy amin’ny kilalaon’afo narehitrareo. Izao no horaisinareo avy amin’ny tanako—handry amin’alahelo ianareo.