Ny soratra masina
2 Nefia 18


Toko 18

Ho toy ny vato mahatafintohina sy vatolampy mahasolafaka i Kristy—Tadiavo ny Tompo fa tsy ireo mpisikidy mitsiatsiaka—Itodiho ny lalàna sy ny fanambarana mba ho torolalana—Ampitahao amin’i Isaia 8. Tokony ho 559–545 taona talohan’i Kristy.

1 Hoy ihany ny tenin’ny Tompo tamiko: Mangalà horonan-taratasy iray lehibe ka soraty amin’izany amin’ny penin’ny olona ny momba an’i aMahera-salala-hasi-baza.

2 Ary naka avavolombelona mahatoky ho ahy aho mba hanoratra, dia i Oria mpisorona sy i Zekaria, zanakalahin’i Jeberekia.

3 Ary nankany amin’ny ampamin’nynivavy aho; ary nitoe-jaza izy ka tera-dahy. Hoy ny Tompo tamiko tamin’izay: Antsoy hoe Mahera-salala-hasi-baza ny anarany.

4 Fa indro, amialoha ny hahaizan’io bzaza io manonona hoe Ikaky sy Ineny, dia hoentina eo anatrehan’ny mpanjakan’i Asyria ny haren’i Damaskosy sy ny dbabon’i Samaria.

5 Mbola niteny tamiko indray ny Tompo, nanao hoe:

6 Satria ity firenena ity mandà ny ranon’i aSiloa izay misononoka miadana, ary mifaly amin- bdRezina sy amin’ny zanakalahin’i Remalia;

7 Dia ankehitriny, indro, mampiakatra aeo amin’ireo ny renirano izay mahery sady betsaka ny Tompo, dia ny mpanjakan’i Asyria sy ny voninahiny rehetra; ary hanondraka ny masondranony rehetra izy, ary hihoarany avokoa ny morony.

8 Ary hamakivaky an’i Joda aizy; hanafotra izy sy hihoatra, na dia hisondrotra havozona aza; ary ny fivelaran’ny elany dia hahenika ny ambaindain’ny taninao, Ry bImanoela.

9 aMivondròna ianareo, ry firenena ary ianareo dia homontsamontsanina; atongilano ny sofinareo ry firenena lavitra rehetra; misikina ianareo, ary ianareo dia homontsamontsanina; misikina ianareo, ary ianareo dia homontsamontsanina.

10 Milà hevitra miaraka, ary ho tsinontsinona izany; manomeza baiko, ary tsy hahomby izany; afa momba anay Andriamanitra.

11 Fa niteny toy izany tamiko ny Tompo tamin’ny tanana mahery ary nananatra ahy tsy handeha amin’ny falehan’ity firenena ity, nanao hoe:

12 Aza lazainareo hoe atsikombakomba izay rehetra lazain’ity firenena ity ho tsikombakomba; sady aza matahotra izay atahorany na manahy ianareo.

13 Manamasina ny Tompon’ny Maro, ary aaoka Izy no hatahoranareo, ary aoka Izy no hangovitanareo.

14 Dia ho afialofana Izy; fa ho bvato mahatafintohina sy ho vatolampy mahasolafaka kosa ho an’ireo mpianakavy roa amin’i Isiraely sady fandrika no tadivavarana ho an’ny mponina ao Jerosalema.

15 Ary maro aminy no ho atafintohina ka ho lavo sy ho torotoro, ary ho voafandrika sy ho voasambotra.

16 Fehezo ny fanambarana ary asio tombo-kase ny alalàna eo anivon’ny mpianatro.

17 Ary izaho hatoky ny Tompo izay amanafina ny tavany amin’ny mpianakavin’i Jakoba ary hiandrandra Azy aho.

18 Indro, izaho sy ny zaza izay efa nomen’ny Tompo ahy dia afamantarana sy fahagagana amin’i Isiraely avy amin’ny Tompon’ny Maro, izay monina ao an-tendrombohitr’i Ziona.

19 Ary raha hilaza aminareo izy hoe: Milà torohevitra amin’ireo izay amiantso ny maty sy ny bmpisikidy izay mitsiatsiaka sy mimenomenona—dmoa tsy ny Andriamaniny ihany va no tokony hadikadinin’ny olona mba hahainoan’ny velona izay emanjo ny maty?

20 Amin’ny lalàna sy ny fanambarana; ary araha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia satria tsy misy hazavana ao aminy.

21 Ary ahamakivaky izany izy, fadiranovana be tokoa sy mosarena; ary ny zavatra hitranga, rehefa mosarena izy, dia hisafoaka ny tenany ka hanozona ny mpanjakany sy ny Andriamaniny ary hiandrandra.

22 Ary hijery ny tany izy ary hahita fahasahiranana sy haizina, haizin’ny famoizam-po, ary horoahina hankany amin’ny haizina izy.