Seminera
Fizarana14: Andro 2, Môsià 27


Fizarana 14: Andro 2

Môsià 27

Fampidirana

Mitantara ny fiovam-pon’i Almà (zanakalahin’i Almà) sy ireo zanaky ny Mpanjaka Môsià ny Môsià 27. Mitantara ny fikasan’izy ireo hanimba ny Fiangonan’Andriamanitra izany, ny fitsidihan’ny anjely iray, ny fiovana mahagagan’i Almà, ary ireo ezaka nataon’ireo zatovolahy ireo hanonerana ny ratsy nataon’izy ireo. Manamafy ny filàn’ny tsirairay ny ho ateraka indray sy hiaina amim-pahamarinana ny tantaran’ny fiovam-pon’i Almà. Mampiseho ireo fitahiana noho ny fivavahana ho an’ireo izay misafidy tsy hanaraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ihany koa ity toko ity.

Sary
Mifoha i Almà

Môsià 27:1–23

Niantso an’i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià hibebaka ny anjely iray

Eritrereto ireo olona fantatrao fa tsy manana fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny filazantsara na niala tamin’ny Fiangonana. Inona no ho ataonao raha toa ka mandà ny ezaka rehetra ataonao mba hanampiana azy ny iray amin’izy ireny? Mitadiava hevi-baovao ao amin’ity fanontaniana ity rehefa mandalina ianao anio.

Vakio ny Môsià 27:8–10 ary tadiavo ny fomba hamaritan’ireto andininy ireto an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià. Inona no nezahin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià natao tamin’ny Fiangonana sy ny mpikambana tao aminy?

Ampahany inona ao amin’ny famaritana an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià no manaitra anao indrindra? Nahoana?

Indraindray isika dia mety mahatsapa ho azon’ny Indraindray isika dia mety mahatsapa ho azon’ny fakam-panahy hino fa tsy hiova na hanatona ny Tompo na rahoviana na rahoviana ny olona sasany. Eritrereto io fihetsika io eo am-panohizanao ny fandalinana ny Môsià 27.

Vakio ny Môsià 27:11–14 ary tsipiho ny antony nahatongavan’ilay anjely tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià.

Mampianatra izao fitsipika izao ny Môsià 27:14: Mamaly ny vavaka ataontsika am-pahatokiana ho an’ny hafa ny Tompo. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 27:14 ity fitsipika ity. Tsy ny olona rehetra no mila mibebaka ary tsy ny olona rehetra izay hoentintsika am-bavaka no hahazo ny fitsidihan’ny anjely iray. Mamaly ireo vavaka ataontsika am-pahatokiana ho an’ny hafa araka ny fahendreny manokana ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Oviana no nahatsapanao fa nitondra fiovana teo amin’ny fiainan’ny olona iray ny vavakao?

    2. Rehefa mino ianao fa mamaly ireo vavaka ataontsika am-pahatokiana ho an’ny hafa ny Tompo dia ahoana no hisian’izany fiantraikany amin’ny fomba fivavakao?

Saintsaino ny fomba mety hampiharanao ny tantaran’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià eo amin’ny fiainanao. Azonao atao ny manohy mivavaka ho an’ireo izay fantatrao sy tianao kanefa misafidy ny hanao asa mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tompo. Azonao atao ny mitadidy fa mihaino ny vavakao sy mamaly izany amin’ny fombany manokana sy ny fotoany ny Tompo kanefa mbola mamela ny tsirairay hampiasa ny fahafahany misafidy Izy. Eritrereto tsara ihany koa ireto fanontaniana manaraka ireto: Iza no mety mivavaka ho an’ny tombontsoanao? Amin’ny fomba ahoana no tian’ny Tompo hiovanao? Inona no ilainao atao mba hitrangan’izany fiovana izany?

Vakio ny sisa amin’ny tenin’ilay anjely tamin’i Almà araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 27:15–16. Tadidio fa niteny tamin’ny feo “miova tsy feon’ny kotrobaratra, izay nahatonga ny tany hihorohoro” ilay anjely (Môsià 27:11). Alaivo sary an-tsaina ny fiantefan’ity zavatra niainana ity taminao raha toa ka niaraka tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià ianao.

Ahoana no hamintinanao ny hafatr’ilay anjely?

Sary
Nifaly ny Rainy

Tsy afaka niteny i Almà taorian’ny hafatr’ilay anjely. Nanjary osa izy ary “tsy naharay tena” (Môsià 27:19) ambara-pametrahana azy teo anoloan-drainy. Rehefa nahare ny zava-nitranga ny rain’i Almà dia “faly, satria nahalala izy fa herin’Andriamanitra izany” (Môsià 27:20). Namory ny vahoaka izy “mba hahazoany manatri-maso ny zavatra izay efa nataon’ny Tompo tamin-janany” (Môsià 27:21). Nangataka ireo mpisorona mba hifady hanina sy hivavaka ny rain’i Almà mba hahafahan’ny zanany mandray ny tanjany sy ny fahafahana miteny (jereo ny Môsià 27:22). Namaly ny vavak’izy ireo ny Tompo.

Môsià 27:24–31

Nibebaka ary nateraka indray i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià

Vakio ny Môsià 27:23–24, 28–30 mba hahitana ny fomba niovan’i Almà Zanany vokatry ny zavatra niainany niaraka tamin’ilay anjely. Soraty ao anatin’ity tabilao manaraka ity ny teny na andian-teny avy amin’ireo andininy ireo izay mamaritra ny toetoetra ara-panahin’i Almà taloha sy taorian’ny fiovam-pony.

Taloha

Taoriana

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny andian-teny iray izay nosoratanao tao amin’ilay tsanganana ahitana hoe Taoriana izay antenainao fa hamaritra anao mandritra ny fiainanao. Hazavao ny antony.

Avereno jerena ny Môsià 27:24, 28 ary asio marika ny zavatra nataon’i Almà sy ny zavatra nataon’ny Tompo ka niteraka ny fiovam-pon’i Almà.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-manan-danja ny fahatakarana ny zavatra tsy maintsy ataontsika rehefa mikatsaka ny hanova ny fiainantsika isika ary koa ny zavatra ho ataon’ny Tompo ho antsika.

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Ahoana no mety hanampian’ny Môsià 27 ireo olona kivy ka mieritreritra fa tsy afaka mibebaka sy manatona ny Tompo izy ireo?

    2. Ahoana no mety hanampian’ny Môsià 27 ireo olona izay mino fa tsy hibebaka sy hanatona ny Tompo na rahoviana na rahoviana ny olona iray?

Vakio ny Môsià 27:25–26 ary fantaro hoe iza no tsy maintsy hovaina amin’ny alalan’ny Sorompanavotana—na raha lazaina amin’ny fomba hafa, iza no tsy maintsy aterak’Andriamanitra.

Ireo andininy ireo dia mampianatra ny fitsipika hoe: Tsy maintsy ateraka indray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny tsirairay amintsika. Ny hoe aterak’Andriamanitra indray dia midika fa mahatonga fiovampo mahery vaika ao am-pon’ny olona iray ny Fanahin’ny Tompo mba tsy hananany faniriana hanao ratsy intsony, fa haniry kosa ny hikatsaka ireo zavatr’Andriamanitra (jereo ny Môsià 5:2). Nandalo fiovampo mahery vaika haingana i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià, fa ny ankamaroantsika dia hovaina miandalana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Ny hoe aterak’Andriamanitra dia azo lazaina kokoa hoe dingana fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nanovana anao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana rehefa nibebaka sy niezaka nanaraka ny Mpamonjy isan’andro ianao?

    2. Inona no zavatra iray azonao atao mba hanatonana bebe kokoa ny Tompo sy hamela ny Sorompanavotana hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao?

Môsià 27: 32–37

Nandeha nanerana ny tany i Almà Zanany sy ireo zanakalahin’i Môsià, nibaboka ny fahotany ary nampatanjaka ny Fiangonana.

Sary
Almà mitory teny

Ireo andininy manaraka izay hohalalininao ao amin’ny Môsià 27 dia maneho ny fitsipika hoe: Mba tena hibebahana marina dia tsy maintsy manao ny zavatra rehetra azony atao ny olona iray mba hanonerana ny zavatra tsy nety nataony. Ny fanonerana dia midika hoe manao ny zavatra azontsika atao hanitsiana ny vokatr’ireo safidy ratsy nataontsika ary mamerina amin’ny laoniny izay simba noho ny zavatra nataontsika. Ohatra, raha misy olona iray nangalatra zavatra iray tamin’ny mpifanolobodirindrina taminy dia ho anisan’ny fanonerana ny mamerina ilay zavatra nangalariny. Vakio ny Môsià 27:32–37 ary fantaro ny zavatra nataon’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià mba hanonerana ny fahotan’izy ireo.

Soraty ny fomba azon’ny olona iray hanonerana ireto fahotana manaraka ireto:

  • Mandainga amin’ny ray na reny:

  • Manaparitaka fosafosa momba ny olona iray hafa:

  • Maka tahaka amin’ny asa nampanaovina tany an-tsekoly:

Rehefa mieritreritra ny fomba ahafahanao miova amin’ny alalan’ny Sorompanavotana ianao dia saintsaino ny fomba ahafahanao mibebaka sy manonitra ny fahotanao.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 27 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: