Seminera
Fizarana 29: Andro 3, Etera 1–2


Fizarana 29: Andro 3

Etera 1–2

Fampidirana

Famintinan’i Môrônia ny tantaran’ny Jaredita ny bokin’i Etera. Ny Jaredita dia vahoaka izay nandeha tany amin’ny ilam-bolantany andrefana taon-jato maro talohan’ny vahoakan’i Lehia. Taorian’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Nôa dia betsaka tamin’ireo taranak’ireo izay tsy namoy ny ainy no nanjary ratsy fanahy. Nisy andiam-bahoaka iray izay niezaka nanangana tilikambo iray “ka ny tampony [dia] hahatakatra ny lanitra” (Genesisy 11:4). Nanomboka niaraka tamin’ny fananganana ny Tilikambon’i Babela ny tantaran’ny firenena Jaredita. Niady tamin’ny fipariahan’ny faharatsiana ny Tompo tamin’ny alalan’ny fikorokoroana ny fiteny iraisana sy tamin’ny alalan’ny fanaparitahana ny vahoaka manerana ny vazan-tany (jereo ny Genesisy 11:5–8; Etera 1:33). Ity tantara ao amin’ny bokin’i Etera ity dia manomboka amin’i Jarèda sy ny rahalahiny izay nikatsaka ny fanampian’ny Tompo rehefa nampikorokoro ny fitenin’ny vahoaka tao amin’ny Tilikambon’i Babela Izy. Tsy nanorokoro ny fitenin’i Jarèda sy ny rahalahiny ary ireo fianakaviana sy ireo naman’izy ireo ny Tompo ary nitarika azy ireo tany an-tany foana nankany amin’ny tany nampanantenaina. Avy eo ny Tompo dia nanome torolalana ny rahalahin’i Jarèda mba hamboatra sambo miisa valo mba hitondrana ny vahoakany ho any ankoatr’ireo ranomasina.

Sary
lehilahy miresaka eo am-pototry ny tilikambon’i Babela

Etera 1:1–33

Manoratra ny tetiaran’i Etera miverina any amin’i Jarèda tany amin’ny Tilikambon’i Babela i Môrônia

Mba hanampiana anao hahatakatra hoe avy aiza ny bokin’i Etera dia avereno jerena ny “Topimason’ny Môsià 7–24” ao amin’ny lesona ao amin’ny Fizarana 12: Andro 1 (pejy 116). Jereo ny dia 4 ary jereo ny zavatra hitan’ny vahoakan’i Limia tamin’ity dia ity.

Jereo ny fanombohan’ny bokin’i Etera ary tadiavo ny famaritana fohifohy ny boky eo ambanin’ny lohateny. Ity famaritana ity dia manazava fa ny rakitsoratry ny Jaredita dia nalaina avy tamin’ireo takelaka 24 hitan’ny vahoakan’i Limia.

Taorian’ny namitan’i Môrônia ny rakitsoratry ny rainy dia naka ny rakitsoratry ny Jaredita izy ary namorona tahadikan’izany fohifohy mba ho ampidirina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Etera 1:1–4, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Môrônia fa tsy nampidiriny tao anatin’ity tahadikan’ny rakitsoratry ny Jaredita izay nataony ity. Vakio avy eo ny Etera 1:5, ary tadiavo ny ampahany nampidirin’i Môrônia tao anatin’ny rakitsorany. Ny Tilikambon’i Babela no ilay tilikambo voalaza ao amin’ny Etera 1:5. Araka ny nazavaina ao amin’ny Etera 1:33 dia “nanorokoro” (nampifangaro) ny fitenin’ilay vahoaka izay nikatsaka ny hanangana ilay tilikambo ny Tompo mba tsy ahafahan’izy ireo mifankahazo resaka, ary naparitany manerana ny tany ilay vahoaka.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 1:6–33 dia lehilahy iray nantsoina hoe Etera no nanoratra ny rakitsoratry ny Jaredita. Noraketin’i Môrônia ny razamben’i Etera hatrany amin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Jarèda, izay niaina nandritra ny fotoan’ny Tilikambon’i Babela.

Etera 1:33–43

Nangataka fanampiana ny rahalahin’i Jarèda, ary nahazo famindram-po sy fitarihana ny olona tao amin’ny fianakaviany sy ireo namany

Efa tany amin’ny firenena na faritra iray ve ianao ka niteny tamin’ny fiteny tsy azonao ny olona? Inona araka ny eritreritrao no mety ho tsapanao raha toa ka tsy afaka mahatakatra ny fiteny izay tenenin’ny hafa manodidina anao ianao? Raha afaka misafidy olona vitsivitsy ianao mba hifaneraserana ao anatin’ny toe-javatra toy izany dia iza no hosafidianao? Nitranga teo amin’ny lehilahy iray nantsoina hoe Jarèda sy ny rahalahiny ity toe-javatra ity, ary koa teo amin’ny fianakavian’izy ireo izay niaina nandritra ny fotoan’ny Tilikambon’i Babela. Vakio ny Etera 1:33–37 ary tadiavo ireo olona tian’i Jarèda ho azony hifaneraserana. Taorian’ny nahazoan’ny rahalahin’i Jarèda fampanantenana iray avy amin’ny Tompo fa tsy hokorokoroana ny fitenin’izy ireo (jereo ny Etera 1:34–35), dia nivavaka ho an’ireo namany izy (jereo ny Etera 1:36–37). Araka ny nasehon’ny rahalahin’i Jarèda dia iray amin’ireo toetry ny olona mahatoky ny mivavaka ho an’ny namany mba hahazo ireo fitahian’ny Tompo.

Nitahy ireo fianakavian’i Jarèda sy ny rahalahiny ary ireo naman’izy ireo ny Tompo mba tsy hanorokoroana ny fitenin’izy ireo. Dia nangataka ny rahalahiny mba hivavaka tamin’Andriamanitra i Jarèda mba hanontany Azy hoe aiza no tokony halehan’ny fianakavian’izy ireo. (Jereo ny Etera 1:38–40.)

Vakio ny Etera 1:40–43 ary tadiavo ireo toromarika nomen’ny Tompo ny Jaredita mba hitarihana azy ireo nandritra ny dian’izy ireo. Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho an’i Jarèda sy ny rahalahiny ny nanaraka ireny toromarika avy amin’ny Tompo ireny?

Etera 2:1–12

Nanomboka ny dian’izy ireo nankany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita

Vakio ny Etera 2:1–3 mba hahitana hoe hatraiza no nanarahan’ny Jaredita ireo toromarika nomen’ny Tompo azy ireo mikasika ny fiomanana handeha ho any amin’ny tany nampanantenaina iray (jereo ny Etera 1:41–42). Dia vakio avy eo ny Etera 2:4–6 ary tadiavo ny zavatra nitranga manaraka. Jereo fa noho ny fankatoavan’ny Jaredita ireo toromariky ny Tompo dia nomeny torolalana bebe kokoa izy ireo. Saintsaino ireo fitahiana sy ny fitarihana azon’ny Jaredita satria nanaraka ireo toromariky ny Tompo izy ireo.

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ny zavatra niainan’ny Jaredita: Afaka mahazo fitarihana bebe kokoa avy amin’ny Tompo isika rehefa miasa am-pinoana manaraka ny torolalana nomeny antsika. Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Etera 2:6i ty fitsipika ity.

Afaka mieritreritra fahatsapana na bitsika noraisinao avy amin’ny Tompo ve ianao rehefa nivavaka, namaky soratra masina, na nanatrika fivoriam-piangonana? Tadidio izany fahatsapana na bitsika izany eo am-pamakianao ity teny avy amin’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mikasika ny hoe ahoana no handraisantsika valim-[bavaka] matetika: “Ankavitsiana ny fotoana hahazoanao indray mandeha ny valin[’ny vavaka rehetra nataonao]. Ho avy tsikelikely amin’ny fotoany izany, na mitambatra, mba hitomboanao amin’ny fahaizanao manao zavatra. Satria arahina amin’ny finoana ny tsirairay amin’izany dia hotarihina amin’ny ampahany hafa ianao mandra-pahazoanao ny valiny manontolo. Izany lamina izany dia mitaky anao mba hampihatra finoana amin’ny fahafahan’ny Rainao hamaly. Raha toa ka tena sarotra izany indraindray, dia miteraka fivoarana lehibe an’ny tena manokana izany” Ensign na Liahona, mey 2007, 9).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hamalinao (na azonao hamalina) ilay bitsika ara-panahy neritreretinao teo aloha. Azonao atao ny mampiditra ireo fitahiana azonao (na afaka ho azonao) avy amin’ny fanaovana asa araka izany bitsika izany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 2:7–12 dia nilaza tamin’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo fa rehefa tonga ao amin’ny tany nampanantenaina izy sy ny vahoakany dia tokony “hanompo Azy, Ilay Andriamanitra marina sy tokana, na hofaohina izy” (Etera 2:8).

Etera 2:13–15

Nandevilevy ny rahalahin’i Jarèda noho ny tsy fiantsoana Azy tamin’ny alalan’ny vavaka ny Tompo

Vakio ny Etera 2:13–15 ary tadiavo ny zavatra nitranga rehefa tonga tao amin’ny ranomasina lehibe izay nanasaraka ny tany ireo Jaredita. Notarihin’ny Tompo nanerana ny tany foana izy ireo satria nihaino ny Tompo sy nitandrina ny didiny. Kanefa, taorian’ny namelaran’izy ireo ny lainy teo akaikin’ny ranomasina lehibe nandritra ny efatra taona dia tonga tamin’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo ary nandevilevy azy tamin’ny fanadinoany nivavaka.

Manampy antsika hianatra ireto fitsipika ireto ny Etera 2:14–15: Tsy faly ny Tompo rehefa adinontsika ny miantso Azy amin’ny alalan’ny vavaka. Maniry antsika hiantso azy hatrany hatrany amin’ny alalan’ny vavaka ny Tompo.

Rehefa mamaky ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Donald L. Staheli ity ianao, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, dia eritrereto hoe impiry ianao no mivavaka: “Manan-danja ho an’ny fiainantsika sy sakafo ho an’ny fijoroantsika ho vavolombelona ireo vavaka amin’ny zotom-po isan’andro hikatsahana famelan-keloka sy fanampiana manokana. Rehefa lasa maimaika isika, mamerimberina, tsy dia miraharaha loatra, na manadinodino isika ao anatin’ny vavaka ataontsika dia manjary miala eo akaikin’ny Fanahy, izay tena manan-danja amin’ny fitohizan’ny fitarihana ilaintsika mba hamahana am-pahombiazana ireo olana eo amin’ny fiainana isan’andro” (“Securing Our Testimonies” Ensign na Liahona, nôv. 2004, 39).

Valio ao anatin’ny diarinao manokana na amin’ny taratasy mitokana iray ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tsapanao mikasika ny hatetik’ireo vavaka ataonao manokana?

  • Inona no tsapanao mikasika ny fahamarinan’ireo vavaka ataonao manokana?

  • Ao amin’ny vavaka ataonao manokana, mahatsapa ve ianao fa tena mifampiresaka amin’ny Ray any an-danitra? Nahoana no eny, na nahoana no tsia ny valiny?

  • Raha toa ka afaka manisy fanovana iray izay hanatsara ireo vavaka ataonao manokana ianao dia mety ho inona izany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 2:16 dia nibebaka tamin’ny fahotany ny rahalahin’i Jarèda ary nivavaka tamin’ny Tompo ho an’ny fianakaviany sy ny namany izy. Nilaza taminy ny Tompo fa voavela ny helony kanefa mila manohy miaina amim-pahamarinana izy mba hotarihina mankany amin’ny tany nampanantenaina.

Etera 2:16–25

Nanamboatra sambo hiampitana ny ranomasina nankany amin’ny tany nampanantenaina ny Jaredita

Sary
Sambon’ny Jarèdita

Mieritrereta fanapahan-kevitry manan-danja iray an’ny tena manokana izay hatrehinao na mety hohatrehinao any aoriana, toy ny hoe ahoana no fomba hiatrehana toe-javatra sarotra iray eo amin’ny fianakaviana na ara-tsôsialy, ahoana no hahaizana tsara any an-tsekoly, iza no hovadiana, na inona no asa hokatsahana hatao. Efa nieritreritra ny fomba mety hanomezan’ny Tompo torolalana na fanampiana amin’izany toe-javatra izany ve ianao? Eo am-pandalinanao ny sisa amin’ny Etera 2 dia saintsaino ilay fanapahan-kevitra hitanao ary tadiavo ireo fitsipika izay hanampy anao hahazo ny fanampian’ny Tompo.

Vakio ny Etera 2:16–17 ary tadiavo ny zavatra nangatahin’ny Tompo ho ataon’ny Jaredita mba hirosoany mankany amin’ny tany nampanantenaina. Niatrika olana telo vokatry ny endrika hanamboarana ireo sambo ny rahalahin’i Jarèda. Vakio ny Etera 2:18–19 ary asio marika ireo olana telo nambaran’ny rahalahin’i Jarèda tamin’ny Tompo.

  1. Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina ny zavatra novakinao tao amin’ny Etera 2:16–19 dia ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay heverinao fa mety ho endrik’ireo sambo.

Hanampy anao hahita ny fomba nanampian’ny Tompo ny rahalahin’i Jarèda tamin’ireo olana tamin’ireo sambo ity tabilao manaraka ity. Halalino ireo andinin-tsoratra masina ao anatin’ny tabilao, ary ampiasao mba hamenoana ny ao anatin’ny tsanganana hoe “Vahaolana” ao amin’ny tabilao ny fahalalana azo avy amin’izany.

Andinin-tsoratra Masina

Olana tamin’ireo Sambo

Vahaolana

Etera 2:20–21

Tsy misy rivotra

Etera 6:4–9

Tsy misy familiana

Etera 2:22–3:6

Tsy misy hazavana

Ny zavatra nataon’ny Tompo sy ny zavatra notakiany ho ataon’ny rahalahin’i Jarèda dia samy hafa ho an’ny olana tsirairay. Isaky ny olana sy ny vahaolana tsirairay dia afaka mianatra fahamarinana samihafa isika mikasika ny fomba hanampian’ny Tompo antsika rehefa mila fanampiana. Ampitahao amin’ireo vahaolana ato anatin’ity lisitra manaraka ity ireo vahaolana nosoratanao tao amin’ilay tabilao:

Tsy misy rivotra (Etera 2:20–21).Mba hamahana ity olana ity dia nilaza tamin’ny rahalahin’i Jarèda ny zavatra tokony hataony ny Tompo. Dia nanana ny finoana hanarahana ireo torolalan’ny Tompo ny rahalahin’i Jarèda avy eo.

Tsy misy familiana (Etera 6:4–9). Mba hamahana ity olana ity dia ny Tompo izy tenany mihitsy no nanolotra vahaolana ho an’ity olana ity.

Tsy misy hazavana (Etera 2:22–3:6). Mba hamahana ity olana ity dia nanome torolalana vitsy ho an’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo. Dia nila nieritreritra vahaolana ho an’izany olana izany ny rahalahin’i Jarèda tamin’izay—niainga avy tamin’ny fahalalana nananany—ary nangataka ny fanoavan’ny Tompo sy ny fanampiany mba hanatanterahana izany izy.

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ny zavatra niainan’ny rahalahin’i Jarèda: Rehefa miezaka manao ny anjarantsika isika mba hamahana ny olantsika dia afaka mahazo ny fanampian’ny Tompo. Raha mieritreritra ilay fanapahan-kevitra manokana nosaintsaininao teo aloha ianao dia ahoana no fomba hanampian’ny fahalalana ity fitsipika ity anao mba hahazo fanampiana na fitarihana mikasika io fanapahan-kevitra io? Inona araka ny eritreritrao no mety andrasan’ny Tompo mba ho ataonao amin’ny fandraisanao ny fanapahan-kevitrao?

  1. Manorata andiam-pehezanteny iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny zavatra nianaranao avy tamin’ireo zavatra niainan’ny rahalahin’i Jarèda mikasika ny vavaka sy mikasika ny fahazoana ny fanampiana sy ny fitarihana avy amin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 1–2 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: