Seminera
Fizarana 8: Andro 4, 2 Nefia 31


Fizarana 8: Andro 4

2 Nefia 31

Fampidirana

Nampianatra ny fotopampianaran’i Kristy i Nefia: tsy maintsy mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika, mibebaka amin’ny fahotantsika, atao batisa, mandray ny Fanahy Masina ary maharitra hatramin’ny farany. Nijoro ho vavolombelona koa izy fa rehefa mampihatra ireo fampianarana ireo isika dia hanome antsika ny Fanahy Masina ho namana Andriamanitra ary hitarika antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.

2 Nefia 31:1–21

Nampianatra i Nefia fa naneho ohatra tonga lafatra ho antsika ny Mpamonjy

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Nandeha tany amin’i Jaona Mpanao Batisa i Jesoa mba hatao batisa. Noho i Jesoa tsy nanota mihitsy dia nahoana araka ny eritreritrao no natao batisa Izy? Nahoana no natao batisa ianao? Hanampy anao hiomana amin’ity lesona ity ny fisaintsainana ireo fanontaniana ireo.

Vakio ny 2 Nefia 31:2, 21, ary asio marika ilay andian-teny hoe “fotopampianaran’i Kristy.” Jereo fa ao anatin’ny andininy faha 2, dia nanambara i Nefia fa “tsy maintsy lazainy [ny] momba ny fotopampianaran’i Kristy.” Ao amin’ny andininy faha 21 indray dia nilaza izy fa “ny fotopampianaran’i Kristy” no noresahany. Mianatra mikasika ireo fahamarinana nantsoin’i Nefia hoe “fotopampianaran’i Kristy” isika ao amin’ny 2 Nefia 31:3–20. Ireto avy ireo fahamarinana roa ianarantsika: Nanatanteraka ny Fahamarinana rehetra i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fankatoavana ny didin’ny Ray rehetra, ary tsy maintsy manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy teo amin’ny fanekena ny hatao batisa sy handray ny Fanahy Masina isika.

  1. Soraty tsirairay ao anatin’ny tsanganana roa mirazotra ireto lohateny manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina: Ny Antony Nanaovana Batisa an’i Jesoa sy Ny Antony Hanaovana Batisa Antsika. Dia vakio avy eo ny 2 Nefia 31:4–12, ary tanisao eo ambanin’ireo lohateny ireo ny zavatra nianaranao.

Araka ny 2 Nefia 31:11, inona no zavatra tsy maintsy atao mialohan’ny batisa?

Mba hanazavana ny antony hitakiana ny batisan’ny rano dia vakio ity zavatra manaraka nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ity: “Ny batisa dia famantarana iray ho an’Andriamanitra sy ny anjely ary ho an’ny lanitra fa manao ny sitrapon’Andriamanitra isika ary tsy misy fomba hafa ety ambanin’ny lanitra izay nentin’Andriamanitra nanendrena ny olona mba hanatona Azy mba hovonjena ary hiditra ny fanjakan’Andriamanitra afa-tsy amin’ny alalan’ny batisa ho famelana ny fahotana ka tsy misy dikany izay mety ho fomba hafa ary ampanantenaina fa hahazo ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao avy eo” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 91).

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe misy namana iray izay tsy mpikamban’ny Fiangonana nanontany anao hoe nahoana no zava-dehibe ny batisa. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hamalianao izany.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fiantraikan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiainanao sy ny fitahiana nentin’izany teo amin’ny fiainanao.

Maro ireo zavatra tokony hataontsika aorian’ny batisa. Vakio ny 2 Nefia 31:13, ary asio marika ireo andian-teny izay mamaritra ny toetra tokony hananan’ny olona rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy izy ireo.

Araka ny 2 Nefia 31:13, rehefa manatanteraka ny fanekempihavanantsika amin’ny finiavan’ny fo manontolo sy omban’ny fikasana marina isika dia inona no ampanantenain’ny Raintsika any An-danitra ho tambin’izany? (Azonao asiana marika izany ao anatin’ny soratra masinao.) Vakio ny andian-teny farany ao amin’ny 2 Nefia 31:17, ary tadiavo ny antony ilantsika ny fandraisana ny Fanahy Masina. Soraty eo amin’io faritra nomena io ny fotopampianarana iray na fitsipika iray izay mifototra amin’ny soratra masina iray manazava ny zavatra hataon’ny Fanahy Masina ho antsika.

Ny afo dia ampiasaina mba hanadiovana zavatra iray toy ny vy. Mandoro izay maloto izany ary manajanona izay madio. Mitovy amin’izany koa ny zava-miseho amintsika ara-panahy rehefa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. Fantatra amin’ny hoe “batisan’ny afo” izany (jereo ny 2 Nefia 31:13). Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka ary mitondra ny famelana ny fahotana. Nampianatra i Marion G. Romney tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Io batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina io dia … manadio sy manasitrana ny fanahy” (Learning for the Eternities, natambatr’i George J. Romney [1977], 133).

Mba hahitana ampahan-javatra iray hafa ao anatin’ny “fotopampianaran’i Kristy,” dia vakio ny 2 Nefia 31:15–16, ary asio marika ny zavatra hitanao. Ampitahao amin’ireo andian-teny hitanao ao amin’ny 2 Nefia 31:13 ny torolalana nomena ao amin’ny 2 Nefia 31:15–16, ary eritrereto ny fomba ahafahanao maharitra hatramin’ny farany “omban’ny fikasana marina” sy “amin’ny finiavan’ny fo manontolo.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no ifandraisan’ny teny hoe “amin’ny finiavan’ny fo manontolo,” “tsy manao fihatsarambelatsihy,” ary “omban’ny fikasana marina” amin’ny fanaovana zavatra toy ny famakiana soratra masina isan’andro na fandehanana miangona?

    2. Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny olona iray “mivavaka” sy ny olona iray izay mivavaka “amin’ny finiavan’ny fo manontolo”?

    3. Inona no fahasamihafana misy eo amin’ny olona iray izay “mandray ny fanasan’ny Tompo” sy ny olona iray izay mandray ny fanasan’ny Tompo “omban’ny fikasana marina”?

Vakio ny 2 Nefia 31:18, ary tadiavo hoe aiza ho aiza isika taorian’ny nidirantsika ny vavahadin’ny fibebahana sy ny batisa. Rehefa mampihatra finoana sy mibebaka, dia atao batisa ary mandray ny Fanahy Masina isika dia miditra eo amin’ilay “lalana ety sy tery.” Ny hoe ety dia midika hoe tery, kely, ary tsy misy hihodinana. Araka ny 2 Nefia 31:18, dia ahoana no ahafahantsika mahafantatra raha toa isika ka eo amin’ilay lalana ety sy tery?

Ny fananana ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy fahatsapana tsara tsotra fotsiny izay azontsika indraindray. Ny fananana ny Fanahy Masina ho namana dia vavolombelona iray avy amin’Andriamanitra fa eo amin’ny lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba nanampian’ny fananana ny Fanahy Masina ho namana anao mba hijanona eo amin’ilay lalana ety sy tery?

    2. Inona koa ireo fitahiana hafa nentin’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao?

Vakio ny 2 Nefia 31:19–21, ary manaova fitanisana iray amin’ny alalan’ny fanasianao tarehimarika ao anatin’ny soratra masina ireo zavatra hafa tsy maintsy ataonao mba hijanonanao eo amin’ilay lalana. (Marihina fa ny 2 Nefia 31:19–20 dia soratra masina fehezina. Azonao asiana marika amin’ny fomba miavaka izany mba hahafahanao mahita azy amin’ny ho avy.)

  1. Manorata fehezanteny iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamaritra ny dikan’ny hoe “mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy” (2 Nefia 31:20).

Fintino eo amin’io faritra nomena io ny 2 Nefia 31:19–20 miaraka amin’ny fanambarana fitsipika iray:

Raha toa isika ka , dia . (Azonao atao ny manoratra izany ao anatin’ny soratra masinao.)

Nanome ity torohevitra mifono fanantenana ity ho an’izay mahatsapa ho niala teo amin’ilay lalana ety sy tery ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Tratran’ny sakana maro sy manao fahadisoana ianao ao anatin’ilay dianao eo amin’ny fiainana. Ny fitarihana azo avy amin’ny famakiana ny soratra masina dia manampy anao hamantatra ny hadisoanao sy hanao ny fanitsiana izay ilaina. Mitsahatra amin’ny fankanesana any amin’ny lalana diso ianao. Mandalina tsara ny soratra masina ianao. Dia mandalo amin’ny fibebahana sy ny fanarenana takiana ianao avy eo mba hidirana eo amin’ilay ‘lalana ety sy tery izay mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay’ [2 Nefia 31:18]” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 17).

Eritrereto hoe ahoana no fomba hitondran’io fanambarana io sy ny soratra masina nohalalininao “fanantenana mamirapiratra” (2 Nefia 31:20).

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 31:19–20

  1. Manokanà dimy minitra mba hitadidiana ny 2 Nefia 31:20. Asaivo misy olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray mba manadina anao raha mahay ilay soratra masina ianao na azonao atao ny manarona ilay andinin-tsoratra masina amin’ny tananao ary miezaka ny mitanisa tsy an-kijery izany. Ezaho soratana araka ny fitadidianao azy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

  2. Mifidiana amin’ny alalan’ny fampiasana ny 2 Nefia 31:20, iray amin’ireo zavatra izay tsy maintsy ataontsika nefa vitanao tsara mba hijanonana eo amin’ilay lalana marina. Dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba fanaovanao izany. Dia mifidiana lafin-javatra iray tianao hivoarana ary soraty ny fomba hanaovanao izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Ahoana no ahafahantsika misoroka ny fihatsarambelatsihy?

Nampitandrina mikasika ny fihatsarambelatsihy i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 31:13. Ny fihatsarambelatsihy dia midika hoe mody maneho fihetsika tsara mba ho hitan’ny hafa ety ivelany nefa tsy izay akory ilay tena toetran’ny tena. Niresaka momba ny fanaovan-javatra tsy mifono fihatsarambelatsihy ny Loholona Joseph B. Wirthlin ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Joseph B. Wirthlin

“Moa ve ianao tena miaina marina ny filazantsara sa ve isika maneho ety ivelany fotsiny hoe miaina ny fahamarinana mba hiheveran’ny manodidina antsika fa mahatoky isika nefa raha ny marina ny ao anatintsika sy ny zavatra tsy hita maso ataontsika dia tsy mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Tompo?

“Moa ve manana ny ‘fomban’ny toetra araka an’Andriamanitra’ fotsiny isika fa manda kosa ny ‘heriny’ [jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:19]?

“Moa ve isika tena marin-toetra tokoa sa [mody] maneho hoe mpankato rehefa eritreretintsika fa mijery antsika ny hafa?

“Nataon’ny Tompo mazava tsara fa tsy ho voafitaky ny toetra aseho ety ivelany fotsiny Izy ary nampitandrina antsika izy mba tsy hamitaka Azy na ny hafa. Nampitandrina antsika Izy mba ho mailo amin’ireo izay manafin-toetra, izay mody miseho ho marin-toetra ery ety ivelany nefa ratsy toetra raha ny marina. Fantatsika fa ny Tompo dia ‘mijery ny fo’ fa tsy mijery ny ‘miseho eo ivelany’ [jereo ny 1 Samoela 16:7]” (“True to the Truth,” Ensign, mey 1997, 15–16).

Ahoana no ahafahantsika “maharitra hatramin’ny farany”?

Ny teny hoe “maharitra hatramin’ny farany” (2 Nefia 31:16) dia matetika ampiasaina mba hilazana ny filana ny fizakana amim-paharetana ireo fitsapana mandritra ny fiainantsika. Nanazava ny Loholona Joseph B. Wirthlin fa ny maharitra hatramin’ny farany dia midika koa hoe manohy amim-pahatokiana manaraka an’i Kristy mandra-pahatapitry ny fiainantsika:

“Ny faharetana hatramin’ny farany dia fotopampianarana miompana amin’ny fanohizana ny fandehanana eo amin’ilay lalana mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay rehefa niditra teo amin’izany lalana izany ny olona iray tamin’ny alalan’ny finoana, fibebahana, batisa ary fandraisana ny Fanahy Masina. Mitaky ny fontsika iray manontolo ny faharetana hatramin’ny farany. …

“Ny hoe maharitra hatramin’ny farany dia midika fa nataontsika tsara fototra teo amin’ny filazantsara ny fiainantsika ka mitoetra manaraka ny Fiangonana, manompo amim-pahamendrehana ny namantsika, miaina fiainana tahaka ny an’i Kristy ary mitandrina ny fanekempihavanantsika. Ireo izay maharitra dia mahay mandanjalanja, tsy miovaova, manetry tena, mivoatra hatrany ary tsy mamitaka. Tsy mifototra amin’ny zavatra ara-nofo ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona —mifototra amin’ny fahamarinana sy amin’ny fahalalana ary amin’ny traikefa sy ny Fanahy izany” (“Press On,” Ensign, nôv. 2004, 101).

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 31 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: