Seminera
Fizarana 18: Andro 3, Almà 31


Fizarana 18: Andro 3

Almà 31

Fampidirana

Naheno i Almà fa niala tamin’ny fahamarinan’ny filazantsara ny andiana mpiendaka tamin’ny Nefita iray izay nantsoina hoe Zôramita. Rehefa nalahelo noho ireo tatitra momba ny faharatsiana ireo i Almà dia naka olona hiaraka aminy hampianatra ny tenin’Andriamanitra tamin’ny Zôramita izy. Nahita ny fotoam-pivavahana tao anatin’ny fihemorana sy ny eboebon’ny Zôramita izy ireo. Nivavaka mafy i Almà mba hahatsapa fiononana sy fahombiazana izy sy ireo namany amin’ny fitondrana ireo Zôramita hiverina amin’ny Tompo.

Almà 31:1–7

Nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ireo Zôramita nihemotra i Almà sy ireo namany.

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana na olona ao amin’ny fianakavianao ianao, izay manomboka miala amin’ny filazantsara na tsy miaina ny filazantsara araka ny tokony ho izy. Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no mety ho ataonao hanampiana ity olona ity hiverina any am-piangonana sy haniry ny hitandrina ny didy?

  • Any amin’iza no hitadiavanao fanampiana amin’ny famahana ny olana na tsy fahatakaran-javatra ananan’ity olona ity?

Mampisongadina ny fomba niezahan’i Almà sy ireo hafa hanampy andian’olona iray izay niala tamin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ity lesona ity. Vakio ny Almà 31:1–2. Toy ny ahoana ny fahatsapana nananan’i Almà rehefa nahare mikasika ny zavatra nataon’ny Zôramita izy?

Vakio ny Almà 31:3–4, ary fantaro ny antony nanombohan’ny Nefita natahotra noho ny fihetsiky ny Zôramita.

Eo am-pieritreretana ny zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna, inona araka ny eritreritrao no hanampy ny Zôramita hamporisika azy hibebaka sy hiverina amin’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara? Vakio ny Almà 31:5, ary fantaro ny zavatra fantatr’i Almà fa ho fomba mahomby indrindra hiantsoana indray ireo Zôramita.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa mahery kokoa amin’ny fanampiana ny olona mba hiova ny tenin’Andriamanitra raha mitaha amin’ny fampiasana herin-tsandry na zavatra hafa.

Saintsaino ity fanambarana avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, momba ny herin’ny tenin’Andriamanitra:

“Ny fotopampianarana marina rehefa takatra dia manova ny toetra sy ny fitondrantena.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Hanatsara haingana kokoa ny fitondrantena, mihoatra noho ny fandalinana ny fitondrantena entina hanatsara ny fitondrantena, ny fandalinana ny fotopampianaran’ny filazantsara.” Afaka mitondra amin’ny fitondrantena tsy mendrika ny fisaintsainana fitondrantena tsy mendrika. Izay no antony anantitranterantsika mafy ny fandalinana ireo fotopampianaran’ny filazantsara” (“Little Children,” Ensign, nôv. 1986, 17).

Farano ity fitsipika manaraka ity, araka izay voalaza ao amin’ny Almà 31:5 sy ny fanambaran’ny Filoha Packer: Rehefa mandalina ny tenin’Andriamanitra aho dia hitarika ahy .

Ao anatin’ireo fomba maro hafa azo anaovana izany dia azonao faranana amin’izao fomba izao io fitsipika etsy ambony io: Rehefa mandalina ny tenin’Andriamanitra aho dia hitarika ahy hanao ny tsara izany.

  1. Saintsaino ireo zavatra niainanao avy amin’ny soratra masina sy avy amin’ny fihainoana ny tenin’Andriamanitra. Manorata momba ny fotoana iray izay nitarihan’ny tenin’Andriamanitra anao, ny fianakavianao, na ny namanao hanao ny tsara.

Almà 31:8–23

Mivavaka sy mitsaoka amin’ny fomba diso ny Zôramita

Nandeha nitory ny tenin’ Andriamanitra tany amin’ny Zôramita i Almà sy ny olona fito hafa. Rehefa tonga tao izy ireo dia nahita ny fitsaohan’ny Zôramita an’Andriamanitra tamin’ny fomba nahagaga tokoa. Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny teny hoe mitsaoka ianao?

Milaza ny fomba hanehoana fitiavana, fanajana ary ny fahafoizantenantsika ho an’Andriamanitra ny fitsaohana. Ahitana ny asa toy vavaka, fifadian-kanina, sy fanatrehana fivoriam-piangonana matetika ny fitsaohana. Kanefa tafiditra ao anatin’ny fitsaohana marina foana ny fo. Vakio ny Almà 31:8–11, ary fantaro sy asio marika ireo teny na fehezanteny izay mamaritra ny fitsaohan’ny Zôramita.

Sary
vavaka ataon’ny mpianakavy

Mety hanampy ny mahalala fa ireo “fombafomban’ny fiangonana” (Alma 31:10) dia mifandray amin’ny “ôrdônansy,” toy ireo sorona notakiana tamin’izany fotoana izany tao anatin’ny lalàn’i Mosesy na ny fanasan’ny Tompo amin’izao androntsika izao. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny Almà 31:10 ny iray amin’ireto antony tokony hitsaohantsika sy hivavahantsika isan’andro ireto.

Soraty eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 31:9–11 ity fitsipika ity: Manamafy antsika hanohitra ny fakam-panahy ny ezaka ataontsika isan’andro amin’ny fivavahana sy fitandremana ny didy.

Nanamafy ny maha zava-dehibe ny fitsaohana ataon’ny tena manokana isan’andro ho fiarovana amin’ny fakam-panahy sy ny fahadisoana ny Loholona Rulon G. Craven, fony izy nanompo tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fitopololahy manao hoe: “Nandritra ireo taona lasa dia nangatahan’ireo Apôstôly aho indraindray hihaona amin’ireo mpikamban’ny fiangonana efa nibebaka sy hanao dinidinika amin’izy ireo momba ny famerenana amin’ny laoniny ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo. Traikefa nampihetsi-po hatrany ny mamerina amin’ny laoniny ireny fitahiana ireny amin’ireo olona mahafinaritra izay nibebaka ireo. Nanontany ny sasany tamin’izy ireo aho hoe: ‘Inona ny zava-nitranga teo amin’ny fiainanao ka nahatonga anao ho tsy mpikamban’ny Fiangonana nandritra ny fotoana voafetra?’ Namaly tamin’ny maso vonton-dranomaso izy ireo hoe: ‘Tsy nankatò ny fitsipika fototry ny filazantsara aho: vavaka, fanatrehana tsy tapaka ny fiangonana, fanompoana ao am-piangonana ary fandalinana ny filazantsara. Noho izany dia nanaiky ho azon’ny fakam-panahy aho ary tsy nahatsapa intsony ny fitarihan’ny Fanahy Masina’” (“Temptation,” Ensign, mey 1996, 76).

Amin’ny fomba ahoana no hanamafisan’ny teny nambaran’ny Loholona Craven ny fahamarinana hita ao amin’ny Almà 31:9–11?

Vakio ny Almà 31:12–23, ary alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mandre ny Zôramita mivavaka avy eny amin’ny tilikambony izany. Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no olana mety nanananao raha maheno olona mivavaka toa izany ianao?

  • Inona avy ireo fotopampianarana diso notanisain’ny Zôramita tao amin’ny vavak’izy ireo?

  • Inona ny fihetsik’izy ireo tamin’ny olon-kafa? (Jereo hoe impiry no miseho ao amin’ny vavaky ny Zôramita ny teny hoe izahay.)

“Niverina tany amin’ny fonenany ka tsy niresaka na oviana na oviana indray ny momba an’Andriamaniny ambara-piarahany mivory indray eo amin’ny fijoroana masina” izy ireo taorian’ny namerenan’ny tsirairay izany vavaka izany ihany (Almà 31:23).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo loza ateraky ny fitsaohana, fivavahana, sy firesahana an’Andriamanitra indray mandeha isan-kerinandro ihany?

    2. Inona avy ireo fomba azontsika hitsaohana an’Andriamanitra mandritra ny herinandro?

Manan-danja ihany koa ny fihetsitsika rehefa mitsaoka. Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity momba ny fiantraikan’ny fihetsitsika amin’ny fitsaohantsika:

“Matetika dia tafiditra ao anatin’ny fitsaohana ny asa, kanefa mitaky fomba fisainana miavaka hatrany ny fitsaohana marina.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Mitaona ireo fahatsapana fankatoavana lalina, fiderana sy fitalanjonana ny fihetsika amin’ny fitsaohana. Manambatra ny fitiavana sy ny fanajana amin’ny toetry ny fahafoizantena izay mitondra ny fanahintsika akaikin’Andriamanitra bebe kokoa ny fitsaohana” (Pure in Heart [1988], 125).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay heverinao fa hatsaran’ny fomba fitsaohanao, anisan’izany ny fihetsikao, amin’ireto sokajy manaraka ireto: (a) vavaka manokana isan’andro, (b) fandalinana soratra masina manokana isan’andro, (d) fankatoavana ny didy, ary (e) fanatrehana ireo fivoriam-piangonana sy fandraisana ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro. Mametraha tanjona hanatsarana ny fitsaohanao manokana isan’andro. Azonao atao koa ny milaza amin’ny ray aman-dreny, mpitarika, na namana momba ny tanjonao ianao mba hahafahany mankahery anao mandritra ireo herinandro vitsivitsy ho avy.

Almà 31:24–38

Mivavaka mangataka tanjaka sy fahombiazana ho an’ireo misiônera amin’ny fitondrana ny Zôramita hiverina amin’ny Tompo i Almà

Nivavaka tamin’ny Tompo i Almà taorian’ny nahitany ny fitsaohana tao anatin’ny fihemorana nataon’ireo Zôramita. Vakio ny Almà 31:30–35, ary tadiavo ny naha samy hafa ny vavak’i Almà tamin’ny vavaky ny Zôramita.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao momba ny fomba fivavahana avy amin’ny fampitahana ny vavak’i Almà amin’ny an’ny Zôramita. Raketo ihany koa ny fomba ahafahan’ny ohatra nasehon’i Almà tamin’ny vavaka marina manana fiantraikany amin’ny vavakao manokana.

Vakio ny Almà 31:36–38, ary tadiavo ireo fitahiana izay tonga tamin’i Almà sy ny mpiara-mitory aminy rehefa nandray ny fitahian’ny fisoronana sy nitory ny filazantsara izy ireo. Mariho fa ny andianteny hoe “nametrahany tanana ireo rehetra izay niaraka taminy” (Almà 30:36) dia entina ilazana ny fametrahan-tanana.

Mampianatra ity fitsipika ity ny traikefan’i Almà sy ireo mpiara-mitory aminy: Handray fanampiana avy any an-danitra ao anatin’ny fizahan-toetra antsika isika rehefa mivavaka sy miasa amim-pinoana.

Sary
Vavaka ataon’i Almà sy ny hafa

Taorian’ny vavaka nataon’i Almà dia nampiseho ny finoany i Almà sy ny mpiara-mitory aminy tamin’ny fandehanana niasa sy ny fahatokiana ny Tompo hanome azy ireo eo am-panompoana Azy sy ny zanany. Tadiavo ireo fomba azonao anarahana ny ohatr’i Almà tamin’ny fivavahana amim-pinoana.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 31 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: