Seminera
Fizarana 9: Andro 4, Jakôba 3–4


Fizarana 9: Andro 4

Jakôba 3–4

Fampidirana

Ny Jakôba 3 dia ahitana ny famaranana ny toriteny nataon’i Jakôba ho an’ny vahoakany. Tao anatin’io famaranana io no nanoloran’i Jakôba teny fohy mifono fampaherezana sy fampanantenana ho an’ireo madio am-po. Nanakiana koa ireo miavonavona sy maloto ara-pitondrantena teo anivon’ny vahoakany izy ary nampitandrina azy ireo ny amin’ny ho vokany hitranga raha toa ka tsy mibebaka. Ny Jakôba 4 dia ahitana teny izay tsapan’i Jakôba fa tokony hosoratany ho an’ny vahoaka izay hamaky ny rakitsorany indray andro any. Nijoro ho vavolombelona mikasika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ary nanainga ny mpamaky mba hampihavana ny tenan’izy ireo (hifanara-tsaina) amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Niaraka tamin’ny feo feno fampitandremana no niresahany mikasika an’ireo Jiosy izay handa an’i Jesoa Kristy sy ny fahatsoran’ny filazantsarany.

Jakôba 3

Nanome famporisihana an’ireo izay madio am-po i Jakôba ary nanosika ny hafa mba hibebaka

Eritrereto hoe inona no torohevitra azonao omena ny zatovolahy na zatovovavy iray ao anatin’ireto toe-javatra manaraka ireto:

  • Mijaly ny zatovovavy iray izay miezaka ny miaina amim-pahamarinana satria miankin-doha amin’ny toaka ny rainy.

  • Sahirana ny zatovolahy iray izay manao izay vitany mba hiainana ny filazantsara noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniny.

  • Misy zatovovavy iray izay miezaka amim-pahavitrihana mitia ny fianakaviany saingy sahirana izy any an-trano noho ny fitiavan-tena sy ny fihetsika tsy voahevitra asehon’ny rahavaviny.

Mieritrereta fotoana iray izay niainanao fitsapana na dia niezaka ny niaina tamim-pahamarinana aza ianao. Nampianatra antsika ny zavatra tokony hatao i Jakôba rehefa ao anatin’ny toe-javatra toy izany. Vakio ny fehezanteny voalohany ao amin’ny Jakôba 3:1, ary tadiavo hoe iza no niresahan’i Jakôba voalohany ao amin’ny toko 3.

Nilaza i Jakôba fa noho ny avonavona sy ny tsy fahadiovam-pitondrantenan’ny hafa (izay efa nampitandremany tany aloha araka ny voarakitra ao amin’ny Jakôba 2) dia nijaly ireo madio am-po. Vakio ny Jakôba 3:1–2, ary fenoy ity tabilao manaraka ity:

Inona no zavatra namporisihan’i Jakôba an’ireo madio am-po mba hataony?

Inona no ampanantenain’Andriamanitra an’ireo madio am-po?

  1. Avereno vakiana ny valinteny nomenao tao amin’ny tsanganana voalohany. Mba hanampiana anao hisaintsaina bebe kokoa io fitsipika io dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny tanora iray “miandrandra an’Andriamanitra amin’ny fiorenan’ny saina”?

    2. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mivavaka amin’Andriamanitra “amin’ny finoana fatratra” mandritra ny fotoam-pitsapana?

    3. Inona araka ny eritreritrao no azon’ny tanora iray atao mba “handrai[sana] ny teny mahafinaritra izay an’Andriamanitra”?

  2. Avereno vakina ny valinteny nomenao tao amin’ilay tsanganana faharoa. Ireo andininy ireo dia mampianatra fa Andriamanitra dia hampionona ireo madio am-po ao anatin’ny fahoriany. Mba hanampiana anao hisaintsaina bebe kokoa io fitsipika io dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

    1. Ahoana no fomba nampionanan’ Andriamanitra anao tao anatin’ny fahorianao rehefa niezaka ny nanaraka Azy ianao?

    2. Ahoana no fomba nanampian’ny fivavahana “amin’ny finoana fatratra” anao nandritra ny fotoam-pitsapana iray?

    3. Oviana no nanampy anao hahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra ny fandraisana ny teniny?

Rehefa avy niresaka tamin’ireo madio am-po i Jakôba dia niresaka tamin’ireo izay tsy madio am-po. Vakio ny Jakôba 3:3–4, 10–12, ary tadiavo ny zavatra nanaingan’i Jakôba an’ireo olona ireo mba hataony.

Vakintsika ao amin’ny Jakôba 3:3–4, 10–12 ihany koa ireo fampitandreman’i Jakôba mikasika ny zavatra hitranga raha toa ka tsy mibebaka ny vahoakany. Rehefa avy mandalina ireo andininy ireo ianao dia ataovy anaty faribolana ireo andian-teny izay mamaritra ireto voka-dratsy manaraka ireto: (a) Hamongotra azy ireo ny Lamanita. (b) Hitondra ny zanany any amin’ny famongorana ny ohatra hasehon’izy ireo. (d) Hiaina ny fahafatesana faharoa izy ireo, izany hoe fisarahana amin’Andriamanitra.

Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ny fomba azo andraisana ny fampitandreman’i Jakôba ho toy ny fitahiana lehibe ho an’ny vahoakany.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakôba 3:5–7, dia nilaza tamim-pahasahiana i Jakôba fa ny Lamanita dia “marina kokoa” noho ireo Nefita satria “ny lahy tia ny vadiny, ary ny vavy tia ny vadiny; ary samy tia ny zanany na ny lahy na ny vavy.” Nila nibebaka tamin’ny fahotany rehetra ny Nefita indrindra ireo fahotana izay nitarika azy ireo hampihena ny fitiavany sy ny fahatokiany ny fianakaviany.

Saintsaino ny Jakôba 3:11–12, ary fintino amin’ny alalan’ny teninao manokana ilay hafatra.

Maka fotoana fohy hieritreretana mikasika ireo fakam-panahy atrehanao sy ireo voka-dratsy azonao sorohina rehefa mibebaka amin’ny zavatra tsy mety nataonao ianao.

Jakôba 4

Namporisika ny vahoakany i Jakôba mba hanana fanantenana fa afaka ny hiverina eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo

Mba hiomanana amin’ny fandalinana ny Jakôba 4, dia ampiakaro eo amin’ny iray metatra miala avy eo ambonin’ny bokinao farafahakeliny ny peninao ary ataovy izay handatsahana izany mba hidona eo amin’ilay zavatra kendrena—“tanjona.” Azonao andramana im-betsaka izany. Eritrereto hoe handamoka ny ezaka ataonao raha toa ka mijery zavatra hafa ankoatra ilay zavatra kendrena ianao. Moa ve hahomby araka ny eritreritrao ny olona izay manao tir à l’arc raha toa ka tsy mijery velively ilay zavatra kendrena na ilay tanjona izy ireo rehefa mitifitra na raha toa izy ireo ka mijery zavatra any ivelan ‘ilay tanjona? Vakio ny Jakôba 4:14, ary tadiavo ireo toetran’ireo olona izay nambaran’i Jakôba tamin’ny faminaniana fa hijery “any ivelan’ny tanjona.”

Sary
ireo faribolana kendrena

Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Jakôba 4:14 fa “i Kristy ilay tanjona” (Neal A. Maxwell, “Jesus of Nazareth, Savior and King,” Ensign, mey 1976, 26). Nampianatra zavatra mitovy amin’izany i Paoly manao hoe “Miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Jesoa Kristy” (Filipiana 3:14).

Ny mpaminany Jakôba dia niresaka momba ny Jiosy izay tsy nahatakatra ny lalàn’i Mosesy sy ny tanjon’izany dia tsy inona fa ny hitondrana azy ireo mankany amin’ny Mpamonjy. Maro tamin’ireo Jiosy no nitady karazana famonjena hafa noho ilay famonjena izay natolotr’i Jesoa ilay Mesia azy ireo—nitady famonjena avy amin’ny fitondrana vahiny sy ny tsindry hazo lena izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mijery any ivelan’ilay tanjona (Jesoa Kristy)?

    2. Inona avy ireo toetra sy fihetsika voatanisa ao amin’ny Jakôba 4:14 izay nanajamba ny Jiosy sy nanakana azy ireo tsy hanaiky an’i Jesoa Kristy?

    3. Inona no mety ho ohatra vitsivitsy maneho izany fijerena any ivelan’ny tanjona izany na tsy fahavitana mifantoka amin’ny Mpamonjy izay hita amin’izao fotoana izao?

Tian’i Jakôba ireo izay hamaky ny rakitsorany mba hanana toetra tena samy hafa amin’ny toetran’ny Jiosy izay tsy nahita ilay tanjona. Vakio ny Jakôba 4:4, ary tadiavo ny zavatra tian’i Jakôba ho fantatry ny olona rehetra izay mamaky ny rakitsorany. Vakio koa ny Jakôba 4:12, ary asio marika ny fehezanteny hoe “fa nahoana no tsy iresaka momba ny sorompanavotan’i Kristy.” Araka ny voarakitra ao amin’ny Jakôba 4:4–12, dia nanome antony maro ninoany an’i Jesoa Kristy i Jakôba ary ny antony nahatsapany fa zava-dehibe ny fampahalalana ny hafa mikasika ny Sorompanavotana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto soratra masina manaraka ireto ary manorata famintinana fohy mikasika ny zavatra nampianarin’i Jakôba momba an’i Jesoa Kristy na ny Sorompanavotana ao anatin’ny soratra masina tsirairay:

    1. Jakôba 4:4–6

    2. Jakôba 4:7–8

    3. Jakôba 4: 9–10

    4. Jakôba 4:11

Inona avy ireo teny na andian-teny ao anatin’ny Jakôba 4:4–6 izay maneho fa takatry ny vahoakan’i Jakôba ny mombamomba Ny Andriamanitra?

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny hoe hatolotra “ho an’Andriamanitra ho toy ny voaloham-bokatr’i Kristy” (Jakôba 4:11) dia ilazana ny hoe mijoro eo anatrehan’Andriamanitra ka mendrika ny hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy. Zava-dehibe koa ny mahatakatra fa raha toa isika ka te hanana “ny fanantenana ny voninahitry ny [Mpamponjy]” (Jakôba 4:4), dia tsy maintsy mino isika fa nanolotra lalana iray ho antsika i Jesoa Kristy hanavotana antsika amin’ny fahotana sy hitsanganantsika amin’ny maty mba hiverenantsika eo anatrehan’ny Ray any An-danitra.

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana ao amin’ny Jakôba 4 dia izao: Afaka ny ho feno fanantenana sy hampihavana ny tenantsika amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  1. Manorata valiny fohy ho an’ireto zavatra manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Avereno jerena ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy izay nohalalininao tao amin’ny Jakôba 4:4–12, ary mifidiana anankiray izay mamporisika anao manokana hanana faniriana hiresaka momba ny Sorompanavotana. Soraty izany fahamarinana izany ary hazavao hoe inona no antony nisafidiananao izany.

    2. Inona koa ireo antony hafa manokana izay mamporisika anao hanana faniriana hiresaka momba an’i Jesoa Kristy?

Rehefa mamarana ity lesona ity ianao dia eritrereto hoe nahoana ianao no feno fankasitrahana ny Mpamonjy. Zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana akaiky iray ireo antony avy aminao ireo.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jakôba 3–4 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: