Seminera
Fizarana 10: Andro 4, Jarôma sy Ômnia


Fizarana 10: Andro 4

Jarôma sy Ômnia

Fampidirana

Mirakitra ny asa soratra farany avy amin’ireo takelaka kelin’i Nefia ny bokin’i Jarôma sy ny bokin’i Ômnia. Nandray ireo takelaka avy tamin’i Enôsa rainy i Jarôma ary nirakitra ireo ady natrehan’ny Nefita sy ny fitahiana azon’izy ireo nandritra ny 60 taona teo ho eo. Nomeny an’i Ômnia zanany lahy izany avy eo. Ny bokin’i Ômnia dia mirakitra ny asa soratry ny mpihazona rakitsoratra Nefita dimy samy hafa ary mirakitra fotoana tokotokony ho 230 taona eo ho eo.

Jarôma 1:1–15, Ômnia 1:5–7

Nilazalaza ny fomba niroboroboan’ny Nefita i Jarôma rehefa nitandrina ny didin’ny Tompo izy ireo

Mba hiomanana handalina fitsipika iray manan-danja nampianarina ao amin’ny Jarôma sy Ômnia dia vakio ity traikefa manaraka ity, izay nozarain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany:

“Tsaroako teo am-piomanako handray fanofanana ho tonga mpanamory fiaramanidina an’ady. Nandany fotoana maro nanaovana fanazaran-tena ara-batana izahay nandritra ny fanombohan’ny fiofanana ara-miaramila. Hatramin’izao dia mbola tsy azoko antoka tsara ny antony mahatonga ny fihazakazahana heverina ho ampahany manan-danja toy izany teo amin’ny fiomananay ho tonga mpanamory. Na izany na tsy izany dia nihazakazaka izahay, ary nihazakazaka, ary nihazakazaka bebe kokoa hatrany.

“Teo am-pihazakazahana dia nisy zavatra tsikaritro izay, raha ny marina, dia nanahirana ahy. Natetika aho no voasongon’ny lehilahy mpifoka sy mpisotro ary mpanao ireo zavatra rehetra mifanohitra amin’ny filazantsara, indrindra indrindra, ny Tenin’ny Fahendrena.

“Tsaroako aho nieritreritra hoe: ‘Andraso kely aloha! Fa angaha moa izaho tsy tokony hoe hihazakazaka dia tsy ho reraka?’ Kanefa reraka aho, ary dia voasongon’ny olona izay tsy manaraka mihitsy ny Tenin’ny Fahendrena. Miaiky aho fa nisy fotoana tena nanahirana ny saiko izany. Nanontany tena aho hoe: Tena marina ve ilay fampanantenana sa tsia?” (“Mitozoa ao amin’ny Faharetana,” Ensign na Liahona, mey 2010, 58).

Efa nanontany tena ve ianao raha toa ka hanatontosa ny fampanantenany hitahy anao amin’ny fitandremana ny didiny ny Tompo na koa mikasika ny fomba hanaovany izany?

Ny mpaminany Jarôma, izay zanakalahin’i Enôsa dia nanazava ny fomba nanamarinana na nanaporofoina ho marina ny fampanantenana miavaka nataon’ny Tompo tamin’ireo rainy. Vakio ny Jarôma 1:9, ary asio marika ilay fampanantenana izay nohamarinin’ny Tompo tamin’ny vahoaka.

  1. Nasehon’ i Jarôma fa rehefa mankato ny didin’Andriamanitra isika dia hiroborobo. Mba hahitana ohatra mikasika ity fahamarinana ity dia halalino ny tsirairay amin’ireto andinin-tsoratra masina eto ambany ireto, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fanontaniana miaraka amin’izany:

    1. Jarôma 1:4–5, 8. Inona avy ny sasany amin’ireo ohatra amin’ny fomba naha-mpankato ny Nefita sy ny fomba nitahiana azy ireo?

    2. Jarôma 1:7, 10–12. Inona no anjara asan’ny mpaminany sy ireo mpitarika hafa tamin’ny fanampiana ny Nefita hankato sy hiroborobo?

    3. Ômnia 1:5–7. Ahoana no nanamarinana tamin’ny fomba hafa taty aoriana ny fampanantenan’Andriamanitra?

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Vakio ny zavatra nampianarin’ny Filoha Uchtdorf sy nijoroany ho vavolombelona momba ny zavatra niainany tamin’ny fanontaniana tena raha toa ka hanamarina ny fampanantenana nomeny tao amin’ny Tenin’ny Fahendrena ny Tompo: “Tsy voaraiko teo no eo ny valin’izany. Kanefa nianatra aho fa ny fampanantenan’Andriamanitra dia tsy tonga dia tanteraka avy hatrany na tanteraka amin’ny fomba hanantenantsika azy. Tonga araka ny fombany sy ny fotoany izany. Taona maro taty aoriana dia hitako mazava ny porofo amin’ireo fitahiana ara-nofo izay azon’ireo izay mankato ny Tenin’ny Fahendrena—ho fanampin’ny fitahiana ara-panahy izay tonga eo no eo amin’ny fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra. Rehefa manao jery todika izany aho dia tena fantatro fa ny fampanantenan’ny Tompo, raha tsy tonga haingana, dia azo antoka foana kosa fa tsy maintsy ho tonga ihany” (“Mitozoa ao amin’ny Faharetana,” 58, nampiana fanamafisana).

  1. Lazalazao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainana iray izay nitahian’ny Tompo na nampiroboroboany anao tamin’ny fitandremanao ny didiny. Inona no azonao hijoroana ho vavolombelona avy amin’ny zavatra niainanao mikasika ny Tompo sy ireo fampanantenany?

Ômnia 1:1–30

Namerina nitantara ny tantaran’ny Nefita ireo mpihazona rakitsoratra

Nanoratra ny bokin’i Ômnia, izay mirakitra fotoana tokotokony ho 230 taona eo ho eo ireo taranak’i Jarôma. Asio marika ny anaran’ireo lehilahy samy hafa izay nihazona ireo takelaka kely taorian’i Jarôma. Afaka ny hahita izany ianao ao amin’ny Ômnia 1:1, 4, 9, 10, 12, sy 25.

Miresaka zava-nitranga manan-danja maro ao amin’ny tantaran’ny Bokin’i Môrmôna ny bokin’i Ômnia. Mety ho tadidinao fa tamin’ny andron’i Nefia dia nandao ny Lamanita ny Nefita ary nanorim-ponenana tany amin’ny toerana iray izay nantsoin’izy ireo hoe tanin’i Nefia. Ity fifindra-monina ity dia aseho eo amin’ilay sarintany amin’ny alalan’ilay tsipika manondro avy eo amin’ny tany lova voalohany mankany amin’ny tanin’i Nefia.

Vakio ny Ômnia 1:12–13, ary fantaro ny fomba nahatongavan’ny Nefita hiaina ao amin’ny tanin’i Zarahemlà. Azonao atao ny manipika ny andian-teny rehetra ao anatin’ireo andininy ireo izay milaza fa nandeha tamin’ny alalan’ny fitarihana sy herin’Andriamanitra ny Nefita. Ilay tsipika manondro avy eo amin’ny tanin’i Nefia mankany amin’ny tanin’i Zarahemlà eo amin’ilay sarintany dia maneho ity fifindra-monina ity.

Sary
sarintanin’ireo fifindra-monina

Vakio ny Ômnia 1:14–19, ary mitadiava fitoviana sy fahasamihafana eo amin’ny Nefita sy ilay vahoaka hitan’izy ireo tany amin’ny tanin’i Zarahemlà.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fiantraikan’ny tsy fananana soratra masina teo amin’ny vahoakan’i Zarahemlà?

    2. Ahoana no mety hanampian’ny fahafantarana izany anao hahatsapa ho feno fankasitrahana bebe kokoa noho ny soratra masina sy ho mazoto kokoa amin’ny fandalinana azy ireny?

Ny bokin’i Ômnia ihany koa dia mampahafantatra andian’olona roa hafa izay hohalalininao ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna aoriana ao. Mba hamantarana ny iray amin’ireo andian’olona ireo dia vakio ny Ômnia 1:20–22, ary soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andininy ireo ny hoe Jaredita. I Kôriantomira dia iray tamin’ireo olona roa hany sisa velona tamin’ny firenena Jaredita; ny mpaminany Etera no ilay iray hafa. Hianatra momba ny Jaredita ianao amin’ny fandalinanao ny bokin’i Etera.

Mba hianarana mikasika ilay andian’olona farany voalaza ao amin’ny Ômnia dia jereo ilay tsipika manondro eo amin’ny sarintany izay miainga avy eo amin’ny tanin’i Zarahemlà mankeo akaikin’ny tanin’i Nefia ary avy eo dia miverina any Zarahemlà, sy ilay tsipika manondro avy eo amin’ny tanin’i Zarahemlà ka hatrany amin’ny tanin’i Nefia. Ireo tsipika manondro ireo dia mampiseho ny fifindra-monin’ny vahoakan’i Zenifa izay voalaza ao amin’ny Ômnia 1:27–30. (Azonao atao ny manoratra hoe “vahoakan’i Zenifa” eo akaikin’ireo andininy ireo.) Hianatra momba ireo andian’olona ireo ianao rehefa mandalina ny bokin’i Môsià.

Ny Bokin’i Môrmôna dia tsy milaza ny tenany ho rakitsoratra momba ny vahoaka rehetra izay nipetraka tany Amerika. Ankoatra ny Jaredita sy ny vahoakan’i Zarahemlà ary ireo taranak’i Lehia dia nisy olona hafa ihany koa tonga tao amin’ny kaontinanta Amerikana. Nanambara ny Filoha Anthony W. Ivins tao amin’ny Fiadidiana Voalohany nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny aprily 1929 hoe: “Ny Bokin’i Môrmôna … dia tsy miteny amintsika hoe tsy nisy olona teo taloha [talohan’ireo vahoakan’ny Bokin’i Môrmôna]. Tsy milaza amintsika izany fa tsy nisy olona tonga taorian’izany” (tao amin’ny Conference Report, apr. 1929, 15).

Jereo ao amin’ny Ômnia 1:23–24 fa nosoratan’i Amalekià ny ampahany farany amin’ity boky ity. Niaina nandritra ny fotoan’ny Mpanjaka Benjamina izy, taorian’ny fifindra-monin’ny Nefita nankany amin’ny tanin’i Zarahemlà. Vakio ny Ômnia 1:25–26, ary asio marika ny fanasana iray izay nataon’i Amalekià intelo.

Jereo fa ny tsirairay amin’ireo fanasana telo mba hanatona an’i Kristy ireo, izay hita ao amin’ny Ômnia 1:25–26 dia arahan’ny teny hoe sy, ary koa arahan’ny torolalana manokana izay manampy antsika hahafantatra ny fomba hanatonana an’i Kristy. Vakio indray ny Ômnia 1:25–26 ary asio marika ny zavatra nasain’i Amalekià mba ho ataontsika hanatonana an’i Kristy.

Sary
Sarivongan’ i Kristy

Tokony nahita izao torohevitra manaraka mikasika ny fomba hanatonana an’i Kristy izao ianao:

  • Mino

  • Mandray ny Famonjeny (mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotany)

  • Manolotra ny fanahinao manontolo ho Azy (manome ny fonao sy ny fanirinao ary ireo ezaka tsara indrindra vitanao—tsy mihazona na inona na inona)

  • Mifady hanina sy mivavaka

  • Maharitra hatramin’ny Farany

Nanome fampanantenana iray ho an’ireo izay manaraka ity torohevitra ity i Amalekià any amin’ny faran’ny Ômnia 1:26. Tadiavo ilay fampanantenana ary fenoy izao fitsipika manaraka izao: Raha toa ka manatona an’i Kristy sy maharitra hatramin’ny farany isika dia .

  1. Misafidiana iray amin’ireo andian-teny ao amin’ilay torohevitra mikasika ny fomba anatonana an’i Kristy izay voatanisa etsy ambony, ary soraty na fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lahateny iray maharitra iray na roa minitra eo, izay manazava ny fomba ahafahantsika manatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fampiharana izany fitsipika izany.

    Ohatra, afaka manoratra ny lahateninao mikasika ny fomba ahafahan’ny fifadian-kanina sy ny vavaka manampy antsika hanatona an’i Kristy ianao. Mety ho tafiditra ao anatin’ny lahateninao ny (1) famakiana ny Ômnia 1:25–26 sy fanazavana ilay andian-teny nosafidianao amin’ny teninao manokana; (2) soratra masina fanampiny izay manazava na mampisy lanja bebe kokoa ilay andian-teny; (3) traikefa iray avy amin’ny fiainanao na avy amin’ny fiainan’ny olona iray fantatrao izay mampiseho ohatra mahakasika ilay andian-teny, ary (4) ny eritreritrao sy ny fahatsapana anananao ary ny fijoroanao ho vavolombelona.

Mety hangataka anao mba hizara ny lahateninao ihany koa ny mpampianatra anao amin’ny fotoana hihaonanareo manaraka. Azonao atao koa ny mizara ny lahateninao mandritra ny takarivan’ny mpianakavy iray na fotoana hafa.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jarôma–Ômnia aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: