Seminera
Fizarana 12: Andro 3, Môsià11–14


Fizarana 12: Andro 3

Môsià 11–14

Fampidirana

Nankafy fatratra ny fiainana tsy tan-dalàna ny Mpanjaka Noà ary nitarika olona maro tamin’ny vahoakany ho amin’ny faharatsiana. Nandefa ny mpaminany Abinadia ny Tompo mba hiantso ny olon’i Noà ho amin’ny fibebahana sy hampitandrina azy ireo ny amin’ny fanandevozana izay efa akaiky hitranga. Nisafidy tsy hihaino ireo fampitandremana ny vahoaka ary naiditra am-ponja noho ny faminaniany i Abinadia. Rehefa nametra-panontaniana tamin’i Abinadia ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà dia nibedy azy ireo ilay mpaminany noho ny tsy fiainany na fampianarany ny didy. Niaro an’i Abinadia Andriamanitra ary nanome hery azy hamitany ny hafany ho an’ny Mpanjaka Noà sy ireo mpisorony. Nilaza ny tenin’i Isaià i Abinadia sady nijoro ho vavolombelona ny amin’ny ilan’ny olon-drehetra miantehitra amin’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

Môsià11:1–19

Nitarika ny vahoakany ho amin’ny faharatsiana ny Mpanjaka Noà

Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no ho ataonao raha toa ka milaza aminao ny ray aman-dreninao na ny mpiantoka anao na ny mpitarika iray fa mitaona anao ho amin’ny ratsy ny sasany amin’ireo namanao?

  • Inona no ho ataonao raha toa ka mangataka aminao mba hanao fitafy mendrika kokoa ho an’ny fivoriam-piangonana na ireo zavatra hafa ato am-piangonana ny ray aman-dreninao na ny mpitarika iray ato am-piangonana?

  • Inona no ho ataonao raha toa ka nilaza ny mpaminany fa mila manova ny fitsipiky ny fialambolinao ianao?

Mety ho samy hafa ny fihetsiky ny olona amin’ireo fanontaniana etsy ambony ireo. Eo am-pandalinanao ity lesona ity dia jereo ny fihetsika tian’ny Tompo hasehonao amin’ireo olona irahiny mba hanampy anao hiaina amim-pahamarinana.

Rehefa miomana handalina ny Môsià 11 ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa taorian’ny nahafatesan’i Zenifa dia nitondra ny Nefita izay tany amin’ny tanin’i Nefia i Noà zanany lahy. Vakio ny Môsià 11:1–2, 5–7, 14–19 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra nataon’i Noà sy ny zavatra nokatsahiny taorian’ny nahatongavany ho mpanjaka. Dia vakio avy eo ny Môsià 11:2, 6–7, 15, 19 ary asio marika amin’ny loko hafa (raha azonao atao) ny fiantraikan’ny zavatra nataon’i Noà teo amin’ny vahoaka tao amin’ny fanjakana.

Ireo andininy ireo dia maneho ny fomba hitaoman’ny namantsika antsika eo amin’ny zavatra ataontsika. Saintsaino ny fitaoman’ireo namanao anao amin’ny safidy izay ataonao. Saintsaino vetivety ny zavatra ataon’ny olona amin’izao tontolo ankehitriny izao ka azo ampitahaina amin’ny hoe miasa “fatratra tokoa mba hanohana helo[ka]” (Môsià 11:6).

Môsià 11:20–12:17

Namporisika ny vahoaka mba hibebaka sy nampitandrina azy ireo amin’ny fanandevozana i Abinadia

Na dia nisafidy ny faharatsiana aza ny Mpanjaka Noà sy ny vahoakany dia mbola tia azy ireo ihany ny Tompo ary te hanampy azy ireo. Vakio ireo andalana efatra voalohany ao amin’ny Môsià 11:20 ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Tompo mba hanampiana ny vahoak’i Noà.

Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 11:20 ity fahamarinana manaraka ity: Nandefa mpaminany hanampy antsika hibebaka sy hiala amin’ny fahoriana Andriamanitra.

Nandidy an’i Abinadia indroa miantoana ny Tompo mba hampitandrina ny vahoaka.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity ary mamelà faritra malalaka eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay mba hanoratana famintinana. Halalino ireo andininy voalaza ary manorata famintinana momba ny fampitandreman’i Abinadia sy ny fihetsiky ny vahoaka.

Ny hafatr’i Abinadia

Ny Fihetsiky ny Vahoaka

Fampitandremana Voalohany

Môsià 11:20–25

Môsià 11:26–29

Fampitandremana Faharoa

Môsià 12:1–8

Môsià 12:9–10, 13–17

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka momba ny fihetsiky ny vahoaka tamin’ny fampitandreman’i Abinadia ireto:

    1. Nahoana ireo vahoaka no naneho hatezerana tamin’i Abinadia, izay niezaka ny hanampy azy ireo araka ny eritreritrao? Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no niaro ny Mpanjaka Noà, izay nitarika azy ireo tamin’ny fahoriana?

    2. Jereo ilay andian-teny hoe “nohajambaina ny mason’ny olona” ao amin’ny Môsià 11:29. Inona ireo ohatra amin’ny fitondrantena sy ny fitaomana izay inoanao fa hiasan’i Satana am-piniavana tokoa mba hahatonga ny olona tsara ho lasa jamba eto amin’izao tontolo ankehitriny izao?

    3. Inona no azonao atao hampisehoana fanetrentena rehefa mamporisika anao hanaraka ny tenin’Andriamanitra ny olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo mpitarika ato am-piangonana ary ireo mpaminany?

Môsià 12:18–13:26

Niaro an’i Abinadia Andriamanitra rehefa nibedy ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony noho ny tsy fankatoavany sy ny tsy fampianarany ny didy izy

Alohan’ny hanohizanao ny fandalinana ny Môsià 12 dia refeso amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 (10 no hoe manaiky tanteraka) ny tenanao mikasika ny fomba hamaritan’ireto teny ambara manaraka ireto anao izao ankehitriny izao:

Fantatro izay tokony hataoko mba hiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Miaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy aho.

Rehefa mianatra momba ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony ianao dia saintsaino hoe hatraiza ny fahafantaran’ izy ireo sy ny fiainan’ izy ireo ny didy. Taorian’ny namoahan’i Noà an’i Abinadia avy ao am-ponja dia nanomboka nametra-panontaniana tamin’i Abinadia momba ny soratra masina ny mpisorona. Vakio ny Môsià 12:26–30 ary asio marika ny zavatra nolazain’i Abinadia mba hibedesana an’i Noà sy ny mpisorony.

Araka ny eritreritrao dia mety ho aiza eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 no misy an’i Noà sy ny mpisorony raha refesina ny fahaizany sy ny fiainany ny didy? Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mampilofo ny fontsika amin’ny fahalalana? (Jereo ny Môsià 12:27.) Jereo ao amin’ny Môsià 12:33 ary tsipiho ny fitsipika iray izay milaza ny antony maha zava-dehibe ny miaina ireo didy.

Sary
I Abinadia Miatrika ny Mpanjaka Noà

Nanambara ity fahamarinana ity i Abinadia: Hovonjena isika raha toa ka mitandrina ny didin’Andriamanitra. Nahoana ny fahalalana ny fomba hiainana no tsy ampy mba hahatonga antsika ho mendrika ny famonjena?

Nilaza tamin’ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony i Abinadia fa tsy niaina na nampianatra ny didy izy ireo, ary nanomboka nitanisa ireo Didy Folo izy. Nampahatezitra ny mpanjaka izany ka dia nanome didy izy ny hamonoana an’i Abinadia. Niaro an’i Abinadia Andriamanitra ary nanome azy hery hanohy hampianatra momba ny Didy Folo. Azonao atao ny manisy marika sy laharana azy ireo ao amin’ny Môsià 12:35–36 sy ny Môsià 13:12–24. Ity tabilao manaraka ity dia hanampy anao hahafantatra ny tsirairay amin’ireo Didy Folo:

Nampianatra ny Didy Folo i Abinadia

  1. Môsià 12:35

  1. Môsià 12:36; 13:12–13

  1. Môsià 13:15

  1. Môsià 13:16–19

  1. Môsià 13:20

  1. Môsià 13:21

  1. Môsià 13:22

  1. Môsià 13:22

  1. Môsià 13:23

  1. Môsià 13:24

Nanakiana mafy an’i Noà sy ny mpisorony i Abinadia noho ny tsy fitandremana ny Didy Folo ka nilaza hoe: “tsapako fa tsy voasoratra ao am-ponareo izany” (Môsià 13:11). Mba hanampiana anao hieritreritra momba ny hoe hatraiza no fiainanao ny Didy Folo dia fenoy ity tombantombana manaraka momba ny tenanao ity:

Ireto teny manaraka eto ambany ireto dia afaka milaza hoe hatraiza no maha-voasoratra ao am-ponao ny Didy Folo. Asio marika hoe im-piry ireo teny ireo no marina aminao.

Tsia amin’ny ankapobeny

Indraindray

Amin’ny ankamaroan’ny fotoana

Eny amin’ny ankapobeny

Tiako ny Raiko any An-danitra.

Apetrako ho lohalaharana eo amin’ny fiainako Andriamanitra (alohan’ny namako, ny fialamboliko, ny fananako, ny faniriako manokana, ary ireo zavatra hafa).

Manonona ny anaran’ny Tompo amin’ny fanajana lalina aho.

Mitandrina ny Sabata ho masina aho amin’ny alalan’ny fandraisana anjara amin’ny zavatra atao izay mampanakaiky ahy bebe kokoa amin’ny Tompo; manaiky aho fa androny izany fa tsy ahy.

Manaja ny ray aman-dreniko aho amin’ny alalan’ny fankatoavana sy fanajana.

Mifehy ny hatezerako aho ary tsy manao herisetra amin’ny hafa.

Madio ara-pitondrantena aho. Manalavitra ireo sary sy fiteny ary fihetsika mamoha ny filan-dratsy aho.

Hatsahatro ny fangalarana sy ny famitahana.

Milaza ny marina aho.

Ialako ny fitsiriritana (izay midika hoe maniry zavatra iray izay fananan’ny olona hafa amin’ny fomba tsy mendrika).

  1. Avereno jerena ireo valinteninao ary mametraha tanjona mba hiaina amin’ny fomba tsara kokoa ny iray amin’ireo Didy Folo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjonao.

Môsià 13:27–14:12

Nampianatra momba ny fahatongavan’i Jesoa Kristy i Abinadia

Vakio ny Môsià 13:28, 32–35 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay afaka mameno izao teny manaraka nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao: “Aorian’ny fankatoavantsika sy ny asantsika rehetra dia tsy afaka ho voavonjy amin’ny fahafatesana na ny vokatry ny fahotan’ny tenantsika manokana isika raha tsy misy .”

Mivaky toy izao ilay teny nolazain’ny Loholona Oaks raha amin’ny endriny feno: “Aorian’ny fankatoavantsika sy ny asantsika rehetra dia tsy afaka ho voavonjy amin’ny fahafatesana na ny vokatry ny fahotan’ny tenantsika manokana isika raha tsy misy ny famindram-po izay atolotry ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (“Another Testament of Jesus Christ,” Ensign, mar. 1994, 67).

Azonao soratana eo akaikin’ny Môsià 13:28 ity fahamarinana ity: Tsy misy afaka ny ho voavonjy raha tsy amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Mandania minitra vitsivitsy handalinana ny Môsià 14:1–12 ary asio marika ireo teny sy andian-teny izay mamaritra ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy teto ambonin’ny tany mba hanampiana anao hiverina hody any amin’ny Rainao any An-danitra. Eritrereto ny fahoriana sy ny alahelo ary ny fahotana izay niaretan’i Jesoa Kristy ho anao. Ireto andininy ireto dia mitovy amin’ny Isaià 53:1–12. Nilaza ny zavatra nosoratan’i Isaià i Abinadia ( jereo ny Môsià 14:1).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanazavanao amin’ny namana iray ny zavatra ampianarin’ny Môsià 14:4–5 momba an’i Jesoa Kristy.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 11–14 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: