Seminera
Fizarana 23: Andro 3, Helamàna 13–14


Fizarana 23: Andro 3

Helamàna 13–14

Fampidirana

Taona vitsy talohan’ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia naniraka mpaminany Lamanita iray nantsoina hoe Samoela ny Tompo mba hitory fibebahana tamin’ny Nefita tao Zarahemlà. Vavolombelon’i Jesoa Kristy faharoa miaraka amin’ny mpaminany Nefia i Samoela mpaminany. Nampitandremany mialoha ny Nefita ny amin’ny hamongorana azy ireo raha tsy mibebaka. Niteny mafy azy ireo i Samoela mikasika ny fironany hitsipaka ireo mpaminany sy ny finiavan’izy ireo hikatsaka ny fahasambarana amin’ny fanaovana ny ratsy. Nanambara ireo famantarana izay hanamarika ny fahaterahana sy ny fahafatesan’i Jesoa Kristy izy. Nampianatra ihany koa izy fa hoentina ho eo anatrehan’Andriamanitra indray ny olona rehetra, amin’ny alalan’ny fanavotan’i Jesoa Kristy, mba hotsaraina.

Helamàna 13

Nampitandreman’i Samoela ireo Nefita ny amin’ny hamongorana azy ireo raha tsy mibebaka

Sary
Samoela ilay Lamanita Mitsangana eo ambonin’ny Manda

Inona no fihetsika nasehonao rehefa nanao zavatra tsy nety ianao ka nila nahitsin’ny ray aman-dreny na mpitarika hafa?

Miavaka ilay tantaran’ny mpaminany iray izay niantso vahoaka iray hibebaka, voasoratra ao amin’ny Helamàna 13–16 satria io no fotoana voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nahitana mpaminany Lamanita niantso ny Nefita ho amin’ny fibebahana.

Vakio ny Helamàna 13:1–8, 11 mba hahatakarana ny antony nitorian’i Samoela tamin’ny Nefita sy ny zavatra nasain’ny Tompo nolazainy. Ireo andininy ireo dia maneho ilay fitsipika hoe: Mandray sy milaza ireo hafatra apetrak’Andriamanitra ao am-pony ny mpaminany. Inona no hafatra napetrak’Andriamanitra tao am-pon’i Samoela? Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 13:7 dia inona no nantenain’i Samoela fa ho fiantraikan’ ny hafatra nentiny teo amin’ny Nefita?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao fa notaomim-panahy ny ray aman-dreny na mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana hanome hafatra voafaritra mazava tsara. Inona no fiantraikan’izany hafatra izany teo aminao?

Soraty eo amin’ny faritra natokana ho an’izany ny valin’ireo fanontaniana ao anatin’ity tabilao manaraka ity rehefa mandalina ny Helamàna 13:17–23 sy Helamàna 13:24–30 ianao.

Avereno jerena ny Helamàna 13:26–28 mba hitadiavana ny fihetsika nasehon’ireo Nefita tamin’ireo mpaminany sandoka. Nanambara ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny fihetsika hasetrintsika ny tenin’ny mpaminany velona rehefa milaza amintsika izay tokony hataontsika izy, saingy tsy tiantsika henoina, dia fomba iray hitsapana ny fahatokiantsika” (The Teachings of Ezra Taft Benson [1988], 140).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Manomeza ohatra iray amin’ireo torohevitry ny mpaminany izay nofidinao hankatoavina.

    2. Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanarahanao io torohevitra io?

    3. Ahoana no fomba ahafahanao mivoatra eo amin’ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany velona?

Naminany i Samoela fa fongotra ireo Nefita afaka 400 taona raha tsy nibebaka (jereo ny Helamàna 13:9–10) ary nampianatra izy fa ny hany antony tsy mbola naha fongana azy ireo dia noho ireo olo-marina izay niaina teo anivon’izy ireo (jereo ny Helamàna 13:12–14).

Vakio ny Helamàna 13:38 mba hahitana ny fomba nahalasa ratsy fanahy tokoa ny maro tamin’ireo Nefita tamin’ny andron’i Samoela.

Nanambara i Samoela fa tsy afaka mahazo fahasambarana amin’ny fanaovana ny ratsy isika, izay manampy antsika hahatakatra fa rehefa mitandrina ny didin’Andriamanitra ihany isika vao tonga ny tena fahasambarana. Inona no andinin-tsoratra masina fehezina izay mampianatra ihany koa io fahamarinana io? (Jereo ny fanovozan-kevitra d eny ambanin’ny pejy ho an’ny Helamàna 13:38.)

Helamàna 13:17–23

Fitsipika: Rehefa tsy mahatsiaro ny Tompo isika dia mora handairan’ny avonavona sy ny faharatsiana.

Iza avy ireo andinin-tsoratra masina izay tsapanao fa mampianatra ilay fitsipika etsy ambony?

Inona no ozona nolazain’i Samoela fa ho tonga amin’ny Nefita?

Araka ny voalazan’i Samoela dia inona no tsy nataon’ny Nefita rehefa nametraka ny fony tamin’ny hareny izy ireo?

Inona avy ireo fomba izay mety hametrahan’ny zatovo amin’izao fotoana izao ny fony amin’ny harena—fananana sy fomba amam-panao ary faniriana—izay mety hitondra amin’ny avonavona sy ny faharatsiana?

Nahoana araka ny hevitrao no ilaina ny “mahatsiaro ny Tompo Andriamanitra[o] … amin’ ny zavatra izay efa nitahiany ana[o]”? (andininy 22).

Helamàna 13:24–30

Fitsipika: Raha mitsipaka ny tenin’ny mpaminanin’ny Tompo isika dia hahatsapa nenina sy alahelo.

Iza avy ireo andinin-tsoratra masina izay tsapanao fa mampianatra ilay fitsipika etsy ambony?

Inona no fialantsiny izay nolazain’i Samoela fa nampiasain’ny Nefita mba hitsipahana ireo mpaminanin’ny Tompo?

Araka ny eritreritrao, nahoana no matetika ny olona no manaiky ireo mpaminany sandoka araka ny fomba izay nofaritan’i Samoela?

Valio ireto fanontaniana roa manaraka ireto amin’ny alalan’ny fandalinana ireo lahateny tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra ao amin’ny Ensign na ny Liahona:

Inona avy ireo fampianarana manokana nomen’ireo mpaminany sy apôstôlintsika velona?

Inona avy ireo olana manokana izay nampitandreman’ireo mpaminany sy apôstôly antsika fa tokony ialantsika?

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Nanampy antsika ny Filoha Ezra Taft Benson hahatakatra io fitsipika io rehefa nilaza izy hoe: “Misy fomba fitenin’ny Ntaolo izay manao hoe: aleo miomana sy misoroka toy izay mitsabo sy mibebaka. Tena marina tokoa izany. … Ny dingana voalohany amin’ny fitandremana ny tenantsika ho madio ara-pitondrantena dia ny manomana ny tenantsika hanohitra ny fakam-panahy sy ny misoroka mba tsy hianjerantsika ao anatin’ny fahotana” (“The Law of Chastity,” ao amin’ny Brigham Young University 1987–88 Lahateny tamin’ny Fampaherezam-panahy sy Takariva Amorom-patana [1988], 51; speeches.byu.edu).

Nampianatra i Samoela fa ny fanapahan-kevitry ny Nefita hanemotra ny fibebahany dia hiafara amin’ny fahorian’izy ireo sy ny famongorana azy ireo. Ireo tantara hafa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa afaka mikiry amin’ny fikomiana sy ny faharatsiana ny olona mandra-pialan’ny faniriana hibebaka amin’izy ireo. Ohatra, tsy nety nihaino an’Andriamanitra i Lamàna sy Lemoela ka nanjary “donto” (1 Nefia 17:45). Ny ohatra tahaka izany dia maneho ny antony maha-manan-danja tokoa ho antsika ny tsy tokony hanemorana ny fibebahantsika. Amin’ny alalan’ny fibebahana no ahafahanao manao izay tsara ary manakana ny fahotana sy ny fakam-panahy mba tsy haharesy ny fanirianao hanaraka an’Andriamanitra.

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany mba hahatakarana bebe kokoa fa afaka mandeha amin’ny lalana mahitsy indray ianao eo amin’ny fiainana raha toa ka nanaraka lalan-diso:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Nandritra ny fanofanana ahy mba ho lasa kapiteny tao amin’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka dia tsy maintsy nianatra ny fomba fitondrana fiaramanidina amin’ny dia lavitra dia lavitra aho. Ny zotra anabakabaka misidina eo ambonin’ny ranomasimbe mangeniheny, sy mitety ny tany foana midadasika ary mandeha miala amin’ny kaontinanta iray mankany amin’ny kaontinanta iray hafa dia mila fandaminana maty paika mba hiantohana ny fahatongavana hieren-doza any amin’ny toerana voatondro haleha. Ny sasany amin’izany zotra anabakabaka tsy an-kijanona izany dia mety maharitra hatramin’ny adiny 14 ary mahavita efa manakaikin’ny 14.500 kilômetatra eo ho eo.

Misy fotoam-panapahan-kevitra lehibe mandritra ny zotra lavitra toy izany, izay fantatra araka ny mahazatra amin’ny hoe ny fotoam-piverenana hieren-doza. Amin’izany fotoana izany ny fiaramanidina dia manana lasantsy ampy mba hiodinana sy hiverenana soa aman-tsara any amin’ny seranam-piaramanidina niaingana. Raha tafahoatra an’ilay fotoam-piverenana hieren-doza, dia tsy manana izany safidy izany intsony ilay kapiteny ary tsy maintsy manohy. Izay no antony ilazana io fotoana io ho toy ny fetra tsy ahafahana miverina intsony.

“… Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fetra tsy ahafahana miverina intsony” —ary efa tara loatra raha hanova ny lalantsika. …

“… Mba hanaovana izay ahatonga antsika ho very fanantenana sy hahatsapa ho fadiranovana tahaka azy ary hino fa tsy hahazo famelan-keloka intsony isika dia mety hampiasa teny avy ao amin’ny soratra masina mihitsy aza i Satana fa amin’ny fomba diso izay manantitrantitra ny fahamarinan’Andriamanitra, mba hilazana fa tsy misy ny famindram-po. …

“Tonga i Kristy mba hamonjy antsika. Raha nandeha tamin’ny lalana tsy izy isika, dia afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa ny fahotana dia tsy hoe toe-javatra iray tsy ahafahana miverina intsony. Azo atao ny miverina hieren-doza raha manaraka ny drafitr’Andriamanitra entina hamonjena antsika” (“Fotoam-piverenana Hieren-doza,” Ensign na Liahona, mey 2007, 99).

Ahoana no ahafahan’ny fanamarihana nataon’ny Filoha Uchtdorf manome fanantenana an’ireo izay mahatsapa fa nanota be loatra ka tafahoatra ilay “fetra tsy ahafahana miverina intsony”?

Helamàna 14

Naminany mikasika ireo famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany i Samoela

Mieritrereta zava-nitranga iray izay niseho vao haingana tany ivelan’ny firenenao ary nanintona ny sain’izao tontolo izao. Ahoana no fomba ahafantaran’ny olona ireo zava-mitranga miseho any amin’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao, toy ny loza voa-janahary sy ny ady? Nahoana ny olona no te hahafantatra mikasika ireo zava-mitranga izay miseho any amin’ny faritra hafa eto amin’izao tontolo izao?

Naminany mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy sy ny fahafatesan’ny Mpamonjy i Samoela, fotoan-dehibe izay hitranga any amin’ny faritra lavitra dia lavitra an’i Zarahemlà. Halalino ny Helamàna 14:3–6 ary asio marika ao amin’ny soratra masinao ireo famantarana izay hiseho amin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy. Halalino ny Helamàna 14:20–27 ary asio marika ireo famantarana izay hiseho amin’ny fahafatesany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fihetsika heverinao fa nasehonao raha toa ianao ka nanatrika teo ary nahare an’i Samoela nilaza ireo faminaniana ireo. Iza amin’ireo famantarana nomena ireo no heverinao fa hanamafy indrindra aminao fa ilaina ny mibebaka?

Sady mitondra fampianarana ireo famantarana ireo no maneho tandindona. Rehefa tonga tety an-tany i Jesoa Kristy dia nitombo ny hazavana. Rehefa maty Izy dia nitombo ny haizina. Mitranga eo amin’ny fiainantsika ny toe-javatra mitovy amin’izany rehefa mamela Azy hiditra ao am-pontsika isika na rehefa manakana Azy tsy hiditra ao.

Vakio ny Helamàna 14:11–13 ary fantaro ny fikasana na ny tanjon’i Samoela tamin’ny nitoriany tamin’ireo Nefita. Azonao atao ny manisy laharana ao amin’ny soratra masinao ny zavatra tian’i Samoela ho fantatry ny Nefita sy ho ataony. (Ilay andian-teny hoe “amin’ny alalan’ny fahamendrehany” ao amin’ny andininy 13 dia midika hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.) Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitondra amin’ny fibebahana sy ny famelana ny fahotana.

Vakio ny Helamàna 14:28–29 ary tadiavo ny antony hanomezan’ny Tompo famantarana sy zava-mahagaga. Fahamarinana iray ianarantsika ny hoe: Manome famantarana sy zava-mahagaga ny Tompo mba hanampiana ny olona hino Azy. Saintsaino ireo famantarana (porofo) izay tsapanao fa manampy anao hino an’i Jesoa Kristy.

Rehefa mianatra mikasika ireo famantarana nambaran’i Samoela tamin’ny faminaniana ianao dia zava-dehibe ny mahatsiaro fa manome famantarana ny Tompo hanampiana ny olo-marina mba hino sy hibebaka, ary etsy ankilan’izay kosa dia mikatsaka na mangataka famantarana kosa ny ratsy fanahy noho ny antony feno fitiavan-tena izay azy ireo manokana (jereo ny F&F 46:9). Raha toa ka zava-dehibe ny mahalala ireo famantarana ny fahafatesan’ny Tompo sy ireo famantarana ny Fiverenany Fanindroany dia tena ilaina ny mahafantatra ny fampianaran’i Samoela mikasika ny dikan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Vakio am-pitandremana ny Helamàna 14:15–19 ary halalino avy eo ity fanehoana an-tsary eto ambany ity.

Sary
ny tany sy ny maha eo anatrehan’Andriamanitra

Rehefa avy mamaky ny Helamàna 14:15–19 sy mandalina ilay fanehoana an-tsary ianao dia eritrereto ireto teboka manaraka ireto:

  • Ny fahaterahana eto an-tany dia azo antsoina hoe fahafatesana ara-panahy satria tafasaraka tsy ho eo anatrehan’ny Raintsika any an-danitra isika.

  • Amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty dia manavotra ny olona rehetra amin’ny Fahalavoana Izy mba hahafahantsika miverina eo anatrehan’Andriamanitra.

  • Entina miverina eo anatrehan’Andriamanitra mba hotsaraina ny olona rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Amin’ny Fitsarana Farany, ireo olona izay manohy mandà ny hibebaka dia hiaina fahafatesana ara-panahy fanindroany—ho tafasaraka amin’Andriamanitra mandrakizay.

  • Manavotra antsika amin’ny fahafatesana ara-panahy i Jesoa Kristy raha mibebaka isika.

Asio marika ireo andian-teny ao amin’ny Helamàna 14:15–19 izay mifandray amin’ireo fotopampianarana nosoratana amin’ny endriny mibaribary izay vao novakinao ireo. Farano amin’ny famakiana ny Helamàna 14:30–31.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ampiasanao ny Helamàna 14:30–31 mba hanazavana amin’ny namana iray ny antony maha-manan-danja tokoa ny safidy ataontsika eto amin’ity fiainana ity.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 13–14 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: