Seminera
Fizarana 27: Andro 4, 3 Nefia 28–30


Fizarana 27: Andro 4

3 Nefia 28–30

Fampidirana

Talohan’ny nandehanany dia nanontanian’i Jesoa Kristy tsirairay ireo mpianany roambinifolo hoe inona no zavatra nirin’izy ireo Taminy. Ny sivy tamin’izy ireo dia nangataka ny hiverina haingana any Aminy rehefa tapitra ny asa fanompoan’izy ireo eto an-tany. Ny telo dia nangataka ny hijanona eto an-tany hanohy hiasa hitondra fanahy ao amin’i Kristy mandra-piveriny. Samy nankasitrahan’ny Tompo avokoa ireo faniriana tsara ireo. Nanome antsipiriany vitsivitsy mikasika ny asa fanompoan’ireo Nefita Telolahy teto an-tany i Môrmôna.

Rehefa namarana ny fitantarany ny fitsidihan’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita i Môrmôna dia nanazava izy fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia ho famantarana fa nanatanteraka ny fanekempihavanany tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo. Rehefa namarana ny 3 Nefia i Môrmôna dia nanoratra ireo tenin’i Kristy, izay manasa ny olona rehetra hibebaka sy horaisina ho isan’ny mpianakavin’i Isiraely.

3 Nefia 28:1–11

Nanatanteraka ny fanirian’ireo mpianany roambinifolo i Jesoa Kristy

Saintsaino izay mety ho havalianao raha miseho aminao i Jesoa Kristy ary manontany anao hoe “Inona no iri[nao] Amiko?”

Manorata fohifohy mikasika ireo faniriana tsara izay mety hozarainao Aminy.

Vakio ny 3 Nefia 28:1–3, ary tadiavo ny zavatra navalin’ny sivy tamin’ireo mpianatra Nefita rehefa nanontany azy ireo ny Tompo hoe “Inona no irinareo Amiko?” Jereo ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy mikasika ny fanirian’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 28:4–7, ary tadiavo ny zavatra nirin’ireo mpianatra telo sisa tamin’ny Mpamonjy. Jereo ny zavatra tsapan’i Jesoa Kristy mikasika ny fanirian’ireo mpianatra telo ireo. Saintsaino hoe nahoana araka ny hevitrao no nilaza tamin’izy ireo ny Tompo fa izy ireo dia “hotahiana kokoa” noho ny faniriany.

Vakio ny 3 Nefia 28:8–10 mba hahitana ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ireo fitahiana izay horaisin’ireo Nefita Telolahy noho ny fanirian’izy ireo hiasa eo anivon’ny olona eto an-tany. Soraty eo amin’ny sisin’ny soratra masinao na ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia mitahy antsika araka ny faniriana tsara ananantsika. Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Neal A. Maxwell ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mba hahitana ny maha zava-dehibe ny faniriana tsara:

Sary
Loholona Neal A. Maxwell

“Izay zavatra irintsika mafy, rehefa ela ny ela, no hahatongavantsika any am-parany ary horaisintsika any amin’ny mandrakizay. …

“Noho izany dia tokony hitohy tsy ankijanona ireo faniriana tsara satria hoy ny Filoha Brigham Young hoe ‘ireo lehilahy sy vehivavy, izay maniry hahazo toerana ao amin’ny fanjakana selestialy dia hahita fa tsy maintsy miady isan’andro izy ireo’ (ao amin’ny Journal of Discourses, 11:14)” (“According to the Desire of [Our] Hearts,” Ensign, nôv. 1996, 21–22).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto, na izy roa:

    1. Oviana ianao no nahatsapa fa notahian’ny Tompo rehefa nanao zavatra araka ny faniriana tsara nanananao?

    2. Inona no hatombokao hatao anio mba hikolokoloana ireo faniriana tsara eo amin’ny fiainanao mba hahatonga anao ho mendrika ireo fitahian’ny Tompo?

3 Nefia 28:12–35

Nilazalaza momba ny asa fanompoana nataon’ireo Nefita Telolahy i Môrmôna

Olona maro no nahare angano sy feo mandeha mikasika ny fitsidihana izay lazaina fa nataon’ireo Nefita Telolahy. Mba tsy hianteherana amin’ny angano dia fantaro ny zavatra lazain’ny soratra masina fa iraka nampanaovina azy ireo, ary ahoana no ahafahany manompo amin-kery “toy ny anjelin’Andriamanitra” (3 Nefia 28:30).

Vakio ny 3 Nefia 28:12–17 mba hamantarana ny zavatra nitranga tamin’ireo Nefita Telolahy. Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 28:15, dia inona no antony iray tsy maintsy nandalovan’ireo mpianatra ireo io fanovana io?

Vakio ny 3 Nefia 28:18–23, mba hitadiavana ny antony nitahian’ny Tompo ireo Nefita Telolahy mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ireo faniriana tsara nananany. Eritrereto ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny fahavononan’ny Tompo hitahy antsika rehefa miaina araka ny faniriana tsara ananantsika isika.

Halalino ny 3 Nefia 28:25–31, ary fantaro hoe iza no nahazo tombony ary mbola hahazo tombony avy amin’ny fanompoan’ireo Nefita Telolahy. Azonao atao ny manisy marika ny zavatra hitanao.

3 Nefia 28:36–40

Nianatra momba ny toetry ny olona novàna i Môrmôna

Mieritrereta fotoana iray izay nanananao fanontaniana mikasika ny filazantsara na olana iray izay natrehinao. Vakio ny 3 Nefia 28:36, ary tadiavo ny zavatra tsy azon’i Môrmôna mikasika ny toetra ara-batan’ireo Nefita Telolahy taorian’ny fanovana izay nolalovan’izy ireo. Saintsaino ny valinteninao amin’ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny mahazatra dia any amin’iza ianao no mandeha rehefa manana fanontaniana mikasika ny filazantsara? Vakio ny 3 Nefia 28:36–37 mba hamantarana ny zavatra nataon’i Môrmôna mba hahitany ny valin’ny fanontaniany.

Halalino ny 3 Nefia 28:37–40, ary tadiavo ny zavatra nianaran’i Môrmôna mikasika ny fiovana izay nitranga tamin’ny vatan’ireo Nefita Telolahy. Ny toetra niainan’ireo Nefita Telolahy dia antsoina hoe “[fiovana] endrika”, izay mitovy amin’ny fiovan-tarehy (jereo ny 3 Nefia 28:17) fa maharitra ela kokoa. Ireo olona novàna dia mbola mety maty, saingy araka izay nampianarin’ny Mpaminany Joseph Smith, dia novaina avy amin’ny toetra telestialy ny vatan’izy ireo mba hanana toetra terestrialy; nafahana tamin’ny fijalian’ny vatan’izy ireo mety maty izy ireo (jereo ny History of the Church, 4:210). Ireo olona novàna dia afaka miseho sy manjavona araka ny safidiny ary araka ny sitrapon’Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 28:27–30). Manampy izy ireo eo amin’ny fitondrana fanahy ho amin’ny famonjena, ary mijanona amin’ny toetra novàna mandra-pahatongan’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, amin’izay izy ireo dia handalo fiovana iray hafa indray mba ho lasa nitsangana tamin’ny maty, ho olona feno voninahitra (jereo ny 3 Nefia 28:7–8, 39–40).

Ny zavatra niainan’i Môrmôna dia ianarantsika fa raha mangataka fahatakarana amin’ny Tompo isika dia hahazo fanambarana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra niainana iray, izay nikatsahanao na ny olona hafa valinteny avy amin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny vavaka tamin-kitsimpo.

3 Nefia 29

Nijoro ho vavolombelona i Môrmôna fa hanatanteraka ny fanekempihavanany amin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo amin’ny andro farany

Rehefa avy nanoratra mikasika ny fitsidihan’ny Mpamonjy ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Môrmôna dia naminany mikasika ny fahatanterahan’ny fampanantenan’ny Tompo amin’ny andro farany. Saintsaino ny valinteninao amin’ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahafantatra na nahita ny fahatanterahan’ny fampanantenana iray nataon’Andriamanitra?

Asio marika ireo teny hoe rehefa sy dia eo am-pandalinanao ny 3 Nefia 29:1–3. Ireo teny ireo dia hanampy anao hamantatra zava-nitranga iray izay midika fa mitana ny toky nomeny tamin’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany ny Tompo. (Ny andian-teny hoe “ireto filazana ireto” ao amin’ny 3 Nefia 29:1 dia entina ilazana ireo zavatra voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.)

Fantatsika avy amin’ny 3 Nefia 29:1–3 fa ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna dia famantarana fa manatanteraka ny fanekempihavanany tamin’ny mpianakavin’i Isiraely ny Tompo.

Sary
Bokin’i Môrmôna

Ny Bokin’i Môrmôna dia manome antoka antsika fa manomana ny vahoakany ny Tompo ho amin’ny fiaviany (jereo ny 3 Nefia 29:2). Rehefa mamaky ity fanambarana ity izay nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ianao dia asio marika ny fomba anampian’ny Bokin’i Môrmôna antsika hiomana ho amin’ny fiavian’ny Mpamonjy:

Ny Bokin’i Môrmôna dia porofo mivaingana fa ny Tompo dia efa nanomboka nanangona an’i Isiraely Zanany ao amin’ny fanekempihavanana. …

“Tena tsy nanadino tokoa ny Tompo! Nomeny ny Bokin’i Môrmôna isika sy ny olona hafa manerana izao tontolo izao. … Manampy antsika izy io hanao fanekempihavanana amin’Andriamanitra. Manasa antsika izy io hahatsiaro Azy sy hahafantatra ny Zanakalahiny Malala. Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy izy io” (“Fanekempihavanana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 88).

  1. Vakio ny 3 Nefia 29:4–6, ary ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto asa atao manaraka ireto na izy roa:

    1. Mitadiava andininy telo voafaritra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay heverinao fa afaka manampy olona hanatona an’i Kristy. Manorata fehezanteny iray na roa ho an’ny andininy tsirairay, izay manazava ny antony nifidiananao izany andininy izany.

    2. Manorata andinin-tsoratra iray mikasika ny fomba heverinao fa ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna manampy olona iray hahatakatra sy hanaiky ireo fanomezam-pahasoavan’ny fanambarana, sy ny faminaniana ary ny fiteny samihafa, na ny herin’ny Fanahy Masina.

3 Nefia 30

Mamporisika ny Jentilisa ny Tompo hibebaka sy hanatona Azy

Nofaranan’i Môrmôna tamin’ny fanoratana toromarika voafaritra mazava tsara, izay azony avy tamin’i Jesoa Kristy, mikasika ny Jentilisa ny firaketany ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy. Vakio ny 3 Nefia 30:1–2, ary asio marika ireo toromarika betsaka araka izay hitanao izay nomen’ny Mpamonjy ny Jentilisa. Asio marika ihany koa ireo fitahiana afaka ho azon’ny Jentilisa raha manatona an’i Kristy izy ireo. Na dia nosoratana ho an’ireo olona tsy ao anatin’ny Fiangonana aza ny 3 Nefia 30:2 dia azontsika ampiasaina ny fanasan’i Jesoa Kristy mba handrefesana ny fahavononan’ny tenantsika manokana hiaina ireo zavatra takian’ny fanekempihavanany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Raha manatona an’i Kristy isika dia azo raisina ho isan’ny vahoakany. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha-fitahiana avy amin’ny Tompo ny “hahazoana manisa [antsika] miaraka amin’ny olo[ny] izay avy amin’ny mpianakavin’i Isiraely” (3 Nephi 30:2).

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 28–30 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: