Seminera
4 Nefia


Fampahafantarana ny 4 Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mandritra ny fandalinanao ny 4 Nefia dia ho hitanao ireo fitahiana izay tonga amin’ny olona izay tafaray amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Manambara ity boky ity fa niova fo nandritra ny asa fanompoan’ny Mpamonjy teo anivon’izy ireo ny olona rehetra manerana ny tany. Niaina fandriampahalemana, firoboroboana, ary fitahiana ara-panahy mahavariana izy ireo tamin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didy. Nanambara i Môrmôna hoe: “Marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra kokoa toa azy teo anivon’ny vahoaka rehetra izay noharian’ny tanan’Andriamanitra” (4 Nefia 1:16). Hianatra lesona manan-danja avy amin’ny fitotonganan’ity vahoaka ity tsikelikely ho amin’ny toetry ny faharatsiana lehibe ihany koa ianao.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nangonin’i Môrmôna sy nofintininy ireo rakitsoratry ny mpanoratra efatra hafa mba hamoronana ny bokin’i 4 Nefia. Voalohany tamin’izy ireo i Nefia, izay anarana nampitondraina ilay boky. I Nefia dia zanakalahin’i Nefia izay iray tamin’ireo mpianatra 12 nofinidin’ny Tompo nandritra ny asa fanompoany teo anivon’ny taranak’i Lehia (jereo ny 3 Nefia 11:18–22; 12:1). I Amôsa zanakalahin’i Nefia, i Amôsa zanakalahin’i Amôsa, ary i Amarôna rahalahin’i Amôsa no ireo mpanoratra telo hafa (jereo ny 4 Nefia 1:19, 21, 47).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Mety nosoratana teo anelanelan’ny 34 taorian’i J.K. sy 321 taorian’i J.K. ireo rakitsoratra voalohany nampiasaina ho loharanon’ny 4 Nefia. Nofintinin’i Môrmôna ireo rakitsoratra ireo teo anelanelan’ny 345 taorian’i J.K. sy 385 taorian’i J.K. Tsy noraketin’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nanangonany ka nanakambanany ity boky ity.