Seminera
Fizarana 29: Andro 4, Etera 3


Fizarana 29: Andro 4

Etera 3

Fampidirana

Nanontany ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo hoe: “Inona no tianao hataoko mba hanananareo hazavana ao amin’ny sambonareo?” (Etera 2:23). Ho setrin’izany dia nanomana tamim-pitandremana tokoa vato kely 16 ny rahalahin’i Jarèda ary nivavaka tamim-panetrentena mba hikasihan’ny Tompo azy ireo “mba hahazoany mamirapiratra ao amin’ny haizina” (Etera 3:4). Noho ny finoana lehibe nananan’ny rahalahin’i Jarèda dia nahita ny rantsan-tanan’ny Mpamonjy nikasika ireo vato kely izy. Avy eo dia naneho ny tenany tamin’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo ary nandidy azy mba hanoratra izay zavatra hitany sy reny.

Etera 3:1–20

Nikasika ireo vato kely ny Tompo mba hanomezana hazavana ho an’ireo sambofiaran’ny Jaredita, ary naneho ny tenany tamin’ny rahalahin’i Jarèda Izy

Inona avy ireo ohatra amin’ny zavatra izay angatahinao na angatahin’ny tanora marina tokoa? Misafidiana iray amin’ireo zavatra ireo, ary soraty eto izany:

Eo am-pandalinanao ny ohatra nasehon’ny rahalahin’i Jarèda ao amin’ny Etera 3 dia mitadiava hevi-baovao izay mety hanampy anao na ny namanao hahazo fanampiana avy amin’ny Tompo.

Eritrereto ny vavaka nataon’ny rahalahin’i Jarèda tamin’ny Tompo mikasika ny fanomezana hazavana ho an’ireo sambo sy ny valintenin’ny Tompo taminy. Avereno jerena ny Etera 2:22–3:1. Dia manorata maribolana ho an’ny tsirairay amin’ireto sary manaraka izay mamaritra ny zavatra nataon’ny rahalahin’i Jarèda ireto ho anjarany amin’ny famahana ny olona amin’ny tsy fananana hazavana.

Sary
lehilahy miaraka amin’ny afo sy fitaovana

Sary
lehilahy mihanika tendrombohitra

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra manaitra anao momba ireo ezaka nataon’ny rahalahin’i Jarèda mba hamahana ny olona tamin’ny tsy fananana hazavana tao anatin’ireo sambofiara. Na dia nihetsika nanao ezaka lehibe aza ny rahalahin’i Jarèda dia saintsaino hoe mety ho nahomby toy ny ahoana ireo vato keliny voarendrika tamin’ny fanomezana hazavana raha tsy teo ny fanampian’ny Tompo.

Vakio nyEtera 3:2–5 ary ataovy izao manaraka izao avy eo:

  • Fantaro na asio marika ireo andian-teny izay maneho fa nanetry tena sy niaiky ny fiankinany tamin’Andriamanitra ny rahalahin’i Jarèda. Mety hanampy ny fahafantarana fa ilay andian-teny hoe “zary ratsy lalandava ny toetranay” dia milaza ny toetrantsika mpanota eto ambonin’ny tany. Noho ny fahalavoan’i Adama dia nisaraka ara-batana tamin’Andriamanitra isika. Miantraika amintsika ihany koa ny fahotana. Tsy afaka ny hiverina eo anatrehan’Andriamanitra isika raha tsy misy fanampiana avy any an-danitra.

  • Fantaro ny zavatra nangatahin’ny rahalahin’i Jarèda ho ataon’ny Tompo.

  • Fantaro na asio marika ny zavatra nijoroan’ny rahalahin’i Jarèda ho vavolombelona fa fantany mikasika an’Andriamanitra.

Sary
Mahita ny Rantsan-tanan’ny Tompo ny Rahalahin’i Jarèda
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no porofo hitanao ao amin’ny Etera 3:1–5 fa nanana finoana ny rahalahin’i Jarèda fa afaka hanampy azy hamaha ny olany ny Tompo?

    2. Ahoana no fomba hanampian’ny ohatra nasehony anao mba hiaiky ny fiankinanao amin’ny Tompo rehefa mangataka ny fanampiana ianao?

Vakio ity teny manaraka avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay manantitrantitra ny finoan’ny rahalahin’i Jarèda: “Mino marina aho fa mahatsapa zavatra tena mahatalanjona amin’ny toetra tsy manan-tsiny tahaka ny an’ny zaza sy ny firehetan’ny finoan’ity lehilahy ity na Andriamanitra, na ireo mpamaky. ‘Indro, Tompo ô, afaka manao izany Ianao’ [Etera 3:5]. Angamba tsy misy intsony ny finoana mahery vaika mihoatra izany izay nambaran’ny olona ao anatin’ny andalana iray ao amin’ny soratra masina. … Kanefa na dia tsy mahatoky loatra ny amin’ny fahafahana manokana ananany aza ilay mpaminany, dia tsy manana fisalasalana ny amin’ny herin’Andriamanitra izy” (“Rending the Veil of Unbelief,” ao amin’ny Nurturing Faith through the Book of Mormon: The 24th Annual Sidney B. Sperry Symposium [1995], 12).

Vakio ny Etera 3:6 ary alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny niaina tao anatin’ilay toe-javatra voafaritra ao anatin’ity andininy ity.

Vakio ny Etera 3:9 mba hitadiavana ny antony nahavonona ny Tompo hikasika ireo vato kely sy ny antony nahafahan’ny rahalahin’i Jarèda nahita ny rantsan-tanan’ny Tompo.

Farano araka izay nianaranao tao amin’ny Etera 3 hatreto ity fitsipika nambara manaraka ity: Rehefa miantso ny Tompo amim-panetrentena isika dia hamaly antsika arakaraky ny sy ny sitrapony Izy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Avereno jerena ny zavatra nosoratana tany am-piandohan’ity lesona ity mikasika ny zavatra angatahinao amin’ny alalan’ny vavaka na angatahin’ny tanora hafa. Amin’ny fomba ahoana no mety hanehoan’ny olona iray finoana ny Tompo rehefa mikatsaka ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo izy ao anatin’izany toe-javatra izany?

    2. Inona no zavatra niainanao teo amin’ny fiainanao ka nitarika anao ahafantatra ny fahamarinan’ilay fitsipika hoe rehefa miantso ny Tompo amim-panetrentena isika dia hamaly antsika arakaraky ny finoantsika sy ny sitrapony Izy?

Makà fotoana kely ary tombantombano mangina hoe hatraiza ny fatokisanao ny Tompo. Vakio ny Etera 3:9–12 ary tadiavo sy asio marika ireo porofon’ny finoan’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo.

Avereno jerena ny Etera 3:11 ary mieritrereta raha toa ka ampy na tsia ny finoanao ny Tompo mba hanoloranao tena hino sy hanaraka izay hambarany aminao na dia mialoha ny hanambarany izany aza.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Vakio ity teny manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity, ary tsipiho ny zavatra tokony hataontsika mba hampiharana finoana tahaka ny rahalahin’i Jarèda: “Ny finoana fanomanana dia kolokoloina amin’ny alalan’ireo traikefan’ny lasa—amin’ny alalan’ny zavatra fantatra, izay mitondra fototra ho an’ny finoana. Fa ny finoana mitondra fanavotana dia matetika no tsy maintsy ampiharina ho amin’ireo traikefan’ny hoavy—ny tsy fantatra, izay mitondra fahafahana hisehoan’ny fahagagana. … Ny finoana tahaka ny an’ny rahalahin’i Jarèda, dia mialoha ny fahagagana sy ny fahalalana. Tsy maintsy nino izy talohan’ny nitenenan’Andriamanitra. Tsy maintsy nanao asa izy talohan’nynibaribarian’ny fahafahana nanatontosa izany asa izany. Tsy maintsy nanolo-tena izy ary mialoha ny fahatanterahan’ny ampahany voalohany tamin’ilay traikefa feno mihitsy aza. Ny finoana dia ny manaiky tsy misy fepetra—sy mialoha—na inona na inona fepetra mety takian’Andriamanitra na amin’ny hoavy akaiky na ny lavitra” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 18–19).

Eritrereto ireo zavatra niainan’ny rahalahin’i Jarèda, nanomboka tany amin’ny Tilikambon’i Babela. Inona avy ireo zavatra niainana mety nanampy azy hampitombo ny finoany ny Tompo? Ahoana araka ny eritreritrao no nanomanan’ireny traikefa ireny azy mba hampihatra “finoana nihoa-pampana tokoa toy [izany]” (Etera 3:9) tamin’izay fotoana izay?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ny zavatra iray niainanao teo amin’ny fiainanao izay mampitombo ny finoanao ny Tompo?

    2. Ahoana no nanomanan’izany zavatra niainana izany anao mba hampihatra finoana lehibe kokoa noho izany aza amin’ny hoavy?

Vakio ny Etera 3:13–20, ary tadiavo ny fitahiana noraisin’ny rahalahin’i Jarèda noho ny finoany. Inona no zavatra nianaran’ny rahalahin’i Jarèda mikasika ny Mpamonjy avy tamin’ity traikefa mahatalanjona ity? Fitsipika iray hafa manan-danja azonao ianarana avy amin’ny Etera 3 ity: Rehefa mampihatra finoana amin’ny Tompo isika dia hanakaiky Azy bebe kokoa. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Etera 3:11–20 ity fitsipika ity.

Nanao fanamarihana mikasika ny Etera 3:15–16 sy ny mety ho fisavorovoroan-tsaina hitranga avy amin’izany zavatra niainana izany ny Loholona Jeffrey R. Holland:

“Ny olana [iray] izay mitaky fanamarihana fohy dia avy amin’ny tenin’ny Tompo manao hoe ‘Na oviana na oviana ny olona dia tsy tonga teo anoloako niaraka tamin’ny finoana nihoa-pampana tokoa toy izay anananao; fa raha tsy izany dia tsy ho afaka nahita ny rantsan-tanako ianao.’ Ary taty aoriana dia hoe ‘Ary na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona izay efa nohariako, satria na oviana na oviana ny olona dia tsy nino Ahy toy ny ninoanao.’ [Etera 3:9, 15.]

“Ny mety hitondra fisavorovoroan-tsaina eto dia avy amin’ny fahafantarana fa betsaka tamin’ireo mpaminany niaina talohan’ny rahalahin’i Jarèda (ary angamba izy rehetra) no nahita an’Andriamanitra. Koa ahoana ary hanazavantsika ny fanambaran’ny Tompo? …

“Noresahan’ny mpanoratra Olomasin’ny Andro Farany imbetsaka ity olana ity ary misy fanazavana maro azo entina, na iza na iza amin’izy ireo—na izy rehetra—dia afaka manampy amin’ny fanazavana ilay fahamarinana lehibe kokoa ao amin’ity andalan-tsoratra masina ity. Na dia izany aza, ny vinany rehetra dia tsy ampy sy tsy feno raha tsy misy fanambarana na fanamarihana fanampiny ny amin’izany zavatra izany. …

“Ny sasany dia mino fa ny tian’ny Tompo holazaina dia hoe tsy mbola naneho ny tenany tamin’ny olona tamin’ny halehibeazana toy izany Izy teo aloha. Ity fihevitra ity dia milaza fa tsy tamin’ny ‘fahafenoana’ tahaka ity ireo fisehoan’Andriamanitra tamin’ireo mpaminany taloha, fa tsy mbola nisy fotoana nanaisorana ny voaly ka nanomezana fampahafantarana feno ny amin’ny toetra sy ny endrik’i Kristy. …

“Ny fanazavana iray farany—ary mahakasika ny finoan’ny rahalahin’i Jarèda izay ilay maha-resy lahatra indrindra—dia ny nilazan’i Kristy tamin’ny rahalahin’i Jarèda hoe, ‘Na oviana na oviana Aho dia tsy naneho ny tenako tamin’ny olona tamin’ity fomba ity, izay tsy tamin’ny alalan’ny sitrapoko ka ny finoan’ilay mpanatri-maso fotsiny ihany.’ ’ Raha ny fitsipika dia asaina ho eo anatrehan’ny Tompo ny mpaminany, didiany hiditra eo anatrehany sy miaraka amin’ny fanoavany ihany. Ny rahalahin’i Jarèda kosa, tetsy an-kilany dia toa niantsampy samirery tao anatin’ny voaly, tsy sanatria toy ny vahiny tsy tiana ho avy fa angamba toy ny vahiny tsy nasaina raha ny marina. Hoy Jehovah hoe ‘Na oviana na oviana ny olona dia tsy tonga teo anoloako niaraka tamin’ny finoana nihoa-pampana tokoa toy izay anananao; fa raha tsy izany dia tsy ho afaka nahita ny rantsan-tanako ianao. … Na oviana na oviana ny olona dia tsy nino Ahy toy ny ninoanao.’ Mazava be fa nampifandraisin’ny Tompo Izy tenany mihitsy tamin’ny fahitana tsy manam-paharoa ny finoana tsy manam-paharoa. Raha toa ka tsy niavaka ilay fahitana dia ho ilay finoana sy ny fomba nahazoana ilay fahitana no tsy nifandanja. Ny hany fomba nahatonga ity finoana ity ho mahatalanjona dia ny fahafahany nitondra ilay mpaminany, izay tsy nasaina, ho tonga teo amin’ny toerana izay tsy nahafahan’ny hafa nandeha raha tsy niaraka tamin’ny didin’Andriamanitra ihany” (Christ and the New Covenant, 20–23).

Etera 3:21–28

Nandidy ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo mba hanoratra ireo zavatra izay hitany sy hamehy ny rakitsorany

Vakio ny Etera 3:25–26 ary fantaro hoe inona koa ny zavatra hafa izay nasehon’ny Tompo tamin’ny rahalahin’i Jarèda. Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 3:21–24, 27–28 dia nandidy ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo mba hanoratra ireo zavatra izay nasehony taminy tao anatin’ilay fahitana sy hamehy azy ireny. Nanazava ihany koa ny Tompo fa hanomana fomba iray mba handikana ireo asa soratry ny rahalahin’i Jarèda amin’ny hoavy Izy. Iray amin’ireo fomba nahatanterahan’ity faminaniana ity ny fotoana izay nandikan’ny Mpaminany Joseph Smith ny bokin’i Etera avy tao amin’ireo takelaka volamena mba ho ampahany amin’ny Bokin’i Môrmôna ka nahatonga ny rakitsoratry ny Jaredita ho azon’ny olon-drehetra vakina.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao androany sy ny zavatra azonao atao mba hanehoana ny finoanao ny Tompo. Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ianao dia handrotsaka fitahiana eo aminao Andriamanitra, tahaka ny nataony tamin’ny rahalahin’i Jarèda.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 3 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: