Seminera
Fizarana 12: Andro 4, Môsià 15–17


Fizarana 12: Andro 4

Môsià 15–17

Fampidirana

Mitohy ao amin’ny Môsià 15–17 ny rakitsoratra momba ny fitorian’ny mpaminany Abinadia tamin’ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika izy. Nino an’i Abinadia i Almà izay iray tamin’ireo mpisoron’i Noà. Noroahin’ny Mpanjaka Noà hiala ny lapan’ny fitsarany i Almà ary nasainy nodorana mandra-pahafatiny i Abinadia. Nahatoky tamin’Andriamanitra tamin’ny toe-javatra rehetra i Abinadia.

Môsià 15–16

Nampianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika i Abinadia

Makà minitra vitsy hitadiavana sy hametrahana ao anaty faribolana ireo teny hoe manavotra, voavotra, ary ny hoe fanavotana ao amin’ny Môsià 15–16. Ny famerimberenana teny iray ao anatin’ny andian-tsoratra masina iray dia matetika no mampiseho zava-manan-danja ao anatin’ny hafatry ny mpanoratra. Rehefa mandalina ianao anio dia jereo ny zavatra nampianarin’i Abinadia momba ny hoe voavotra.

Mba hanampiana anao hahatakatra ny anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanavotra antsika Azy dia saintsaino ity fanehoana an-tsary manaraka ity:

Sary
Stick Figure

Alaivo sary an-tsaina hoe nandika lalàna iray ianao ary nomena ny sazy mafy indrindra azon’ny lalàna omena. Mety ho tafiditra ao amin’ny famaizana ny onitra midangana, fotoana any am-ponja, na ny fahafatesana aza. Inona no mety ho tsapanao eo anatrehan’ny sazy toy izany? Afaka mieritreritra fomba ara-dalàna sy marina hialana amin’ireo famaizana ireo ve ianao?

Manorata hoe Izaho eo ambanin’ny teny hoe Mpanao ratsy ary Fahamarinana eo ambanin’ny teny hoe Famaizana ao anatin’ilay fanehoana an-tsary. Efa samy nandika ny lalàn’Andriamanitra isika rehetra tamin’ny fotoana iray ary tsy maintsy manefa ny fitakian’ny fahamarinana. Ny fitakian’ny fahamarinana dia mitaky ny mpanota tsirairay handray ny famaizana mifandraika amin’ilay fahotana.

Sary
Loholona Richard G. Scott

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, ary tsipiho ireo vokatra roan’ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra: “Ny fahamarinana … dia mitaky ny hanefana ny sazy noho ny lalàna rehetra nodikaina. Rehefa mankato ny lalàn’ Andriamanitra ianao dia tahiana, saingy tsy misy tombony raisina azo tehirizina ka afaka hanefa ireo sazy noho ny lalàna nodikainao. Mety hahatonga ny fiainanao ho feno fahoriana sy hanakana anao tsy hiverina any amin’Andriamanitra ny lalàna nodikaina raha toa ka tsy nibebahana izany” (“The Atonement Can Secure Your Peace and Happiness,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 42).

Anisan’ny vokatry ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra ny fahoriana sy tsy fahafahana miara-miaina amin’Andriamanitra. Vakio ny Môsià 15:1, 7–9 ary asio marika ireo andian-teny izay mampiseho ny fomba nanefan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fitakian’ny fahamarinana.

Mampiasà rakibolana ahitana ireo famaritana ho an’ireto teny manaraka ireto:

Manavotra ( Môsià 15:1)

Fanalalanana ( Môsià 15:8)

Manelanelana ( Môsià 15:9)

Azonao atao ny manoratra ny ampahany amin’ireo famaritana ireo eo akaikin’ireo andininy.

Indraindray ny olona dia mikorontan-tsaina amin’ny famaritan’i Abinadia an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Môsià 15:2–5 amin’ny maha (1) ilay Zanak’Andriamanitra Ray sy amin’ny maha (2) ilay Ray Azy. Ity teny manaraka izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia manazava ny toetra maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy toy izao: “Rehefa nampianatra i Abinadia dia ‘notorontoronina tamin’ny herin’Andriamanitra’i Kristy (Môsià 15:3) ka noho izany dia manana ny herin’ny Ray ao anatiny. Ankoatr’izay fitohizan’ny fifandraisana masina ara-pianakaviana izay dia miasa amin’ny maha ilay Ray i Kristy amin’ny maha ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany Azy [jereo ny Môsià15:4], amin’ny maha ilay rain’ny fahaterahantsika indray ara-panahy Azy sy ny famonjena antsika, ary amin’ny maha mahatoky Azy amin’ny fanajana—ka noho izany dia mitaky ny herin’ny—sitra-pon’ny Rainy mihoatra noho ny sitrapon’ny tenany” (Christ and the New Covenant [1997], 183–84).

Halalino ny Môsià 15:5–7, ary mieritrereta momba ny sarany izay naloan’i Jesoa Kristy mba hanavotana anao na hijoroany ho mpanelanelana anao amin’ny fitakian’ny fahamarinana. Soraty eo amin’ilay fanehoana an-tsary etsy ambony ny hoe i Jesoa Kristy eo anelanelan’ny Mpanao ratsy sy ny Famaizana.

Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny Mpamonjy dia tsy manaisotra ireo fitakian’ny fahamarinana fa mijoro kosa eo anelanelantsika sy ny fahamarinana. Raha mibebaka isika dia manefa ireo fitakian’ny fahamarinana Izy amin’ny alalan’ny fakàna ny famaizana eo amin’ny toerantsika.

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto asa atao manaraka ireto:

    1. Soraty ny hoe Ireo izay Misafidy ny ho Voavotra (Môsià 15:11–12; 16:13). Dia vakio avy eo ny Môsià 15:11–1216:13 ary tadiavo ireo izay havotana. Fariparito ny zavatra hitanao.

    2. Soraty ny hoe Ireo izay Mandà ny hoavotana (Môsià 15:26–27; 16:2–5, 12). Dia vakio avy eo ny Môsià 15:26–27; 16:2–5, 12 ary tadiavo ny antony tsy hahavoavotra ny olona sasany. Fariparito ny zavatra hitanao.

  2. Valio amin’ny alalan’ny fampiasanao ny zavatra nianaranao tao amin’ny asa nampanaovina teo aloha ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fepetra hahatonga ny fanapahan-kevitra ny amin’izay ho voavotra amin’ny fahotany?

    2. Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny fahasamihafana eo amin’ny “sitrapon’”i Jesoa Kristy ao amin’ny Môsià 15:7 sy ny “sitrapon’”ireo izay manao ratsy ao amin’ny Môsià 16:12?

Manefa ireo fitakian’ny fahamarinana ho an’ireo rehetra izay hibebaka i Jesoa Kristy. Ny sarany izay naloan’ny Mpamonjy ho antsika dia fanomezana ho an’ny tena manokana ho an’izay rehetra misafidy ny hibebaka sy hanao ny sitrapon’ny Ray. Vakio ny Môsià 15:10 ary tsipiho ilay andian-teny hoe “hahita ny taranany Izy.”

Sary
Ny Loholona Merrill J. Bateman

Vakio ny Môsià 15:10–12 sy ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Merrill J. Bateman ity, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy nisaorana tamim-boninahitra:

“Ny mpaminany Abinadia … dia milaza fa ‘rehefa avy natolotra ho fanatitra noho ny fahotany ny fanahiny, dia hahita ny taranany Izy’(Môsià 15:10). Dia nolazain’i Abinadia avy eo fa taranaky ny Mpamonjy ireo mpaminany sy ireo izay manaraka azy ireo. Nandritra ny fotoana maro aho dia nieritreritra ny zavatra niainan’ny Mpamonjy tao amin’ny saha sy teo ambony hazofijaliana izay toerana nametrahana fahotana maro dia maro teo Aminy. Niova anefa ny fijeriko tamin’ny alalan’ny tenin’i Almà, i Abinadia, i Isaià ary ireo mpaminany hafa. Raha toa ka fahotana marobe tsy nahakasika olona iray voafaritra no fahitako izany dia niova ho laharan’olona maro izany, rehefa nahatsapa ny ‘fahalementsika’ (Hebreo 4:15), ‘nitondra ny aretintsika, … nivesatra ny fahoriantsika … [ary] voalefona noho ny fahadisoantsika’ i Jesoa (Isaià 53:4–5).

“Ny sorompavotana dia traikefa manokana sy samirery izay nahatonga an’i Jesoa nahafantatra ny fomba hanampiana ny tsirairay amintsika” (“A Pattern for All,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 75–76).

Sary
Kristy tao Getsemane
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe lasa taranak’i Jesoa Kristy? (jereo ny Môsià 15:12.)

    2. Inona no ataonao mba hahazoana antoka fa isaina ho isan’ny taranak’i Jesoa Kristy ianao?

Azonao atao ny mampihatra ny Môsià 15:10 amin’ny tenanao manokana amin’ny alalan’ny fanoratana ny anaranao eo amin’ny toeran’ny hoe “ny taranany” ao amin’ny ampahan’ilay andininy izay notsipihinao. Saintsaino vetivety ny dikan’ny hoe manana Mpanavotra iray izay nahita sy mahafantatra anao manokana.

Inona avy ireo voka-dratsy avy amin’ny olona iray izay mandà ny ho voavotra? Jereo indray ny Môsià 16:5. Inona no zava-mitranga ao amin’ilay fanehoana an-tsary naseho teo aloha tato anatin’ity lesona ity raha toa ka manohy misisika amin’ny fahotana sy mandà ny hibebaka ilay mpanao ratsy? Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–17 ahitana ny zavatra hitranga amin’ireo izay mandà ny hanaiky ny asa fanavotan’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fibebahana.

Nampianatra i Abinadia fa ny fanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy ahitana fotsiny ihany ny fanavotana amin’ny fahotana fa fanavotana amin’ny fahafatesana koa. Hitsangana amin’ny maty daholo ny rehetra; fa hitsangana amin’ny maty alohan’ny hafa ny sasany. Nampiasa ny teny hoe “fitsanganana amin’ny maty voalohany” i Abinadia mba hanazavana fa hitsangana amin’ny maty alohan’ireo mpikomy ny olo-marina sy tsy manan-tsiny (jereo ny Môsià 15:21–22). Ho voavotra amin’ny fahafatesana amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany ny olo-marina ary tsy maintsy miandry ny ho hatsangana amin’ny maty mandra-pahatongan’ny Arivotaona ny olon-dratsy (jereo ny F&F 76:85, 106).

  1. Saintsaino ireo andininy izay nohalalininao tao amin’ny Môsià 15. Alaivo sary an-tsaina hoe nanana fahafahana hanana iraka hitondra hafatra ho an’ny Mpamonjy ianao. Soraty ny zavatra hosoratanao ao anatin’izany hafatra izany araka izay nataony ho anao.

Te hitondra antsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra ny Mpamonjy. Manelanelana, manalalana ary mitalaho ho antsika Izy. Nanefa ireo fitakian’ny fahamarinana ho antsika ny Mpamonjy raha toa isika ka hibebaka.

Môsià 17

Nino an’i Abinadia i Almà ka dia voaroaka; novonoina i Abinadia

Efa nahita olona iray niaro ny fahamarinana ve ianao kanefa sarotra ho an’izany olona izany ny nanao izany? Inona no vokatr’izany?

Rehefa namarana ny hafany i Abinadia dia niezaka nandresy lahatra ny mpanjaka ny mpisorona iray nantsoina hoe Almà fa nilaza ny marina i Abinadia ka tokony havotsotra izy. Noroahin’ny mpanjaka i Almà ary nandefa mpanompo hamono azy izy. Niafina i Almà dia nanoratra ny tenin’i Abinadia.

Lehibe ny fiovam-pon’i Almà. Taranaka sy vahoaka maro no voatahy satria noraketiny an-tsoratra ny tenin’i Abinadia. Ho hitanao bebe kokoa ny vokatry ny fiovam-pon’i Almà rehefa mandalina ireo toko manaraka ianao. Nikaondoha nandritra ny telo andro ny mpanjaka sy ireo mpisorony mialohan’ny namoahana ny didy famonoana an’i Abinadia (jereo ny Môsià 17:1–6, 13).

  1. Mampitaha ny safidy nataon’i Abinadia sy ny Mpanjaka Noà ny Môsià 17:7–10 sy ny Môsià 17:11–12. Aorian’ny fandalinanao ireo andininy ireo dia manomeza valinteny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Inona tamin’ny teny farany nataon’i Abinadia no nanaitra anao indrindra?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no nisy fiantraikany toy izany teo amin’ny Mpanjaka Noà ny tenin’i Abinadia?

    3. Karazana fitaomana toy ny ahoana no nananan’ireo mpisorona tamin’ny Mpanjaka Noà?

    4. Ahoana no fomba hitaoman’ny ohatr’i Abinadia anao ho marina amin’Andriamanitra amin’ny toe-java-mitranga rehetra?

Nanambara ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “ Aoka ianao ho matanjaka—amin’ny fiarovana ny fahamarinana. Miaina ao anatin’ny fotoan’ny loza manambana sy ny fironana amin’ny ratsy isika. Ao anatin’ireo toe-javatra mitranga izay atrehantsika isan’andro dia fantatsika izay marina, kanefa dia milavo lefona isika noho ny tsindry avy amin’ny manodidina antsika sy ny feo mamitak’ireo izay te handresy lahatra antsika. Manao fifanarahana misy fandeferana isika. Milavo lefona isika. Manaiky isika ary menatra ny amin’ny tenantsika. … Tsy maintsy mikolokolo ilay tanjaka hanarahana ny finoantsika isika” (“Building Your Tabernacle,” Ensign, nôv. 1992, 52).

Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 17:9–12 ny hoe Afaka ny ho marina amin’Andriamanitra aho amin’ny toe-java-mitranga rehetra.

  1. Mba hampiharana ny risim-po ara-tsaina sy ny finoana manokana nananan’i Abinadia amin’ny tenanao dia vakio ny Môsià 17:20 ary fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fehezan-teny manaraka izao:Mila marina amin’Andriamanitra aho rehefa …

Eo am-pamarananao ny lesona androany dia mieritrereta momba ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namana iray izay mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana izay zavatra nianaranao sy tsapanao androany. Zarao aminy raha azo atao izay zavatra nianaranao sy ny fanirianao ho marina amin’ny Tompo mandritra ny fotoan-tsarotra.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 15–17 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: