Seminera
Fizarana 22: Andro 4, Helamàna 6–9


Fizarana 22: Andro 4

Helamàna 6–9

Fampidirana

Taorian’ny ezaka naton’i Nefia sy i Lehia tamin’ny asa fitoriana dia nihanitombo tao amin’ny fahamarinany ny Lamanita. Indrisy anefa fa nandritra io fotoana io ihany dia lasa ratsy fanahy ny Nefita ary nanohana ireo jirik’i Gadiantôna, izay niafara tamin’ny fialan’ny Fanahin’ny Tompo tsy ho eo anivon’izy ireo. Naminany ny mpaminany Nefia fa raha nanohy niaina tao anatin’ny faharatsiana ny Nefita dia ho faty. Ho setrin’izany dia nambosy ny olona ho tezitra tamin’i Nefia ireo mpitsara lomorina raha toa kosa ka niaro ny mpaminany tamim-pahasahiana ny vahoaka sasany. Mba ho vavolombelona haneho fa ho tanteraka ny teniny dia nampahafantatra i Nefia fa novonoin’ny rahalahiny ny lohan’ny mpitsara. Rehefa voamarina ny tenin’i Nefia dia nanaiky azy ho mpaminany ny vahoaka sasany.

Helamàna 6

Lasa olo-marina ny Lamanita ary niady tamin’ireo jirik’i Gadiantôna, raha tetsy andanin’izay kosa dia nanohana ny tsikombakomba miafina ireo Nefita

  1. Ataovy sary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity ary mamelà toerana hanoratana eo ambony sy eo ambanin’ilay fanehoana an-tsary:

    Sary
    zana-tsipìka manondro miakatra

    Teo am-pandalinanao ny bokin’i Helamàna dia hitanao ireo Nefita fa nanao safidy izay nahatonga ny Fanahin’ny Tompo hiala teo amin’ny fiainany, raha tetsy andaniny kosa ireo Lamanita dia nanao safidy izay nanasa ny Fanahy hitombo teo amin’ny fiainany. Vakio ny Helamàna 6:1–5, 16–17, 34–36; tadiavo izay zavatra nataon’ny Lamanita ka nahatonga ny Fanahin’ny Tompo hitombo; ary soraty eo ambonin’ilay zana-tsipìka eo ambony izany. Tadiavo ao amin’ireo andininy ireo ihany izay zavatra nataon’ny Nefita ka nahatonga ny Fanahin’ny Tompo hihena, ary soraty eo ambanin’ilay zana-tsipìka eo ambany izany.

Fitsipika iray manan-danja azontsika hianarana avy amin’ny Nefita sy ny Lamanita ny hoe: Rehefa mino sy mankatò ny tenin’ny Tompo isika dia handrotsaka ny Fanahiny amintsika Izy. Marina ihany koa ny mifanohitra amin’io fitsipika io: Raha tsy vonona ny hino sy hankatò ny tenin’ny Tompo isika dia hiala amintsika ny Fanahin’ny Tompo.

Jereo izay zavatra nosoratanao eo amin’ilay fanehoana an-tsary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Eritrereto ny mahatonga ireo zavatra natao eo amin’ny tapany ambony ho ohatra amin’ny fahavononana hino sy hankatò ny tenin’ny Tompo raha toa kosa ireo etsy ambany ka ohatra amin’ny fahamafisan-doha sy ny tsy fahavononana hihaino ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Fidio ny iray amin’ireo zavatra tsara (eo amin’ny tapany ambony amin’ny fanehoana an-tsary nataonao) izay ataonao na efa nataonao teo amin’ny fiainanao. Ahoana no fomba nahafahan’io zavatra natao io hanasa ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao?

    2. Jereo ireo zavatra atao eo amin’ny tapany ambanin’ny fanehoana an-tsary nataonao. Nahoana ianao no tsy te hanao ireo zavatra ireo?

Misafidiana zavatra iray azonao atao mba hanasana ny Fanahin’ny Tompo hitombo eo amin’ny fiainanao ary miezaha hanao izany mandritra ny herinandro manaraka.

Helamàna 7

Nitory tamin’ireo Nefita ratsy fanahy i Nefia ary nandidy azy ireo hibebaka

Nanao asa fitoriana filazantsara tao amin’ny tany avaratra nandritra ny enin-taona ny mpaminany Nefia. Nody tany amin’ny tany nahaterahany izy rehefa avy niezaka nampianatra ny Nefita, izay nitsipaka ny teniny ary nijanona tao anatin’ny toetry ny faharatsiana. Tena kivy tokoa izy. Vakio ny Helamàna 7:6–11 mba hahafantarana izay nataon’i Nefia.

Rehefa avy nifamory ny vahoaka mba hihaino an’i Nefia nivavaka teo amin’ny tilikambo teo antsaha dia nanomboka nampianatra azy ireo i Nefia (jereo ny Helamàna 7:12–29). Nampitandrina azy ireo izy mikasika ny vokatry ny fanapahan-kevitr’izy ireo ary nanamafy ity fitsipika ity: Raha tsy manaiky ny hibebaka amin’ny fahotantsika isika dia tsy hahazo ny fiarovan’ny Tompo intsony sy ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay.

Helamàna 8:1–26

Nambosy ny vahoaka ho tezitra tamin’i Nefia ireo mpitsara lomorina

Inona avy ireo zavatra mitaona izay misarika anao tsy hihaino ny tenin’ireo mpaminany? Rehefa mandalina ny Helamàna 8 ianao dia tadiavo ireo hevi-baovao izay milaza ny zavatra tokony hataonao rehefa miatrika fitaomana tahaka izany.

Vakio ny Helamàna 8: 1–6 mba hitadiavana ny fihetsika nasehon’ireo mpitsara Nefita (izay jirik’i Gadiantôna ihany koa) nanoloana ny fampianaran’i Nefia. Eo am-pamakianao izany dia saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no hafatra fototra nampitain’ireo mpitsara tamin’ny vahoaka? Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 8:4, nahoana no tsy naninjitra ny tanany tamin’i Nefia ireo mpitsara?

Eritrereto izay zavatra ho ataonao raha miezaka mandresy lahatra anao ny olona iray tsy hiraharaha ny zavatra nampianarin’ireo mpaminany. Ao amin’ny Helamàna 8 dia nisy ny olona sasany izay nihiaka nanohitra ny zavatra nolazain’ireo mpitsara mikasika an’i Nefia. Vakio ny Helamàna 8:7–9, ary lokoy miavaka ny zavatra izay nolazain’ny vahoaka mba hanohanana an’i Nefia.

Jereo ny Helamàna 8:10 ary jereo ny fiantraikan’ny tenin’izy ireo tamin’ny toe-javatra nisy. Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity eo akaikin’ny Helamàna 8:7–10: Raha manohitra ny faharatsiana isika dia afaka manakana izany tsy hitombo.

  1. Manorata andiam-pehezanteny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny antony hiheveranao fa manan-danja amin’izao androntsika izao ilay fitsipika voalaza etsy ambony.

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manohitra ireo fitaomana izay manandrana mandresy lahatra anao tsy hiraharaha na hanohitra ny fampianaran’ny mpaminany?

    2. Inona avy no mety ho fomba mendrika hanoherana ny fitaomana toy izany ary hanohanana ireo mpaminanin’ny Tompo?

    3. Oviana ianao na ny olona iray fantatrao no nijoro nanohitra fitaomana sahala amin’izany? Inona avy no vokatr’izany?

Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 8:11–23 dia nampahatsiahivin’i Nefia ny vahoaka ireo mpaminany nifandimby izay nijoro ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Nampianariny an’ireo Nefita ity fitsipika ity: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika ka mankatò dia hahazo ny fiainana mandrakizay. Na dia teo aza ireo mpaminany maro izay nanamafy ny tenin’i Nefia dia nitsipaka an’i Nefia sy ny hafatra nentiny ny vahoaka. Vakio ny Helamàna 8:24–26 ary fantaro ireo vokatry ny natao izay natrehin’ny Nefita raha toa izy ireo ka nanohy nitsipaka ny fijoroan’ireo mpaminany ho vavolombelona. Saintsaino avy eo ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny hevitrao no miatrika vokany lehibe tokoa tahaka izany ireo izay mandà hatrany ny fahamarinana sy mikomy amin’Andriamanitra?

Helamàna 8:27–9:41

Nampahafantatra i Nefia fa novonoin’ny rahalahiny ny lohan’ny mpitsara

Mba ho porofo fa tao anatin’ny toetry ny faharatsiana ny vahoaka ary ho tanteraka tokoa ny zavatra nolazainy azy ireo mikasika ny hahafongana azy ireo dia nampahafantarin’i Nefia fa nisy namono ny lohan’ny Mpitsara Nefita. Nanambara koa i Nefia fa samy mpikambana tao amin’ny jirik’i Gadiantôna na ilay novonoina na ilay rahalahiny. (Jereo ny Helamàna 8:27–28.)

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Ho tanteraka ny tenin’ireo mpaminany. Alaivo sary an-tsaina hoe mpitsikilo manao fanadihadiana ianao mikasika ny namonoana ny lohan’ny mpitsara. Tadiavo ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny alalan’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ao anaty fonon-teny. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao.

    Andro Voalohany amin’ny Fanadihadiana:

    1. Rehefa nanao fanadihadiana mikasika ny zavatra nambaran’i Nefia ny olona dimy dia inona no hitan’izy ireo? Nahoana izy ireo no lavo tamin’ny tany? (Helamàna 9:1–5)

    2. Iza no noahiahian’ny vahoaka ho nahavanona ilay vonoan’olona? (Helamàna 9:7–8)

    Andro Faharoa amin’ny Fanadihadiana:

    1. Iza no voamarina fa tsy meloka? (Helamàna 9:10–14, 18)

    2. Iza no voampanga? (Helamàna 9:16, 19)

    3. Inona no porofo nomen’i Nefia hanamarinana ny maha tsy meloka azy? (Helamàna 9:25–36)

    4. Iza no ilay mpamono olona? (Helamàna 9:37–38)

Asio marika ao amin’ny soratra masinao ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 9:5 dia inona no ninoany sy natahoran’ireo dimy lahy nahita ilay lohan’ny mpitsara novonoina?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 9:36 dia mikasika ny inona no nolazain’i Nefia fa hijoroan’i Seantoma ho vavolombelona rehefa hibaboka izy fa namono ny rahalahiny?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Helamàna 9:39–41 dia nahoana no nino an’i Nefia ny vahoaka sasany?

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 6–9 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: