Seminera
Fizarana 2: Andro 4, 1 Nefia 5–6; 9


Fizarana 2: Andro 4

1 Nefia 5–6; 9

Fampidirana

I Sarià vadin’ny mpaminany Lehia, dia natahotra fandrao tsy ho tafaverina avy any Jerosalema intsony ireo zanany lahy. Nankaherezin’i Lehia izy tamin’ny fanambarany taminy ny finoany an’ny Tompo. Rehefa tafaverina soa aman-tsara niaraka tamin’ireo takela-barahina ireo zanany lahy, dia nahazo fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa mikasika ny tanan’Andriamanitra teo amin’ny nitarihany sy niarovany ny ankohonany. Rehefa nofakafakain’i Lehia ireo takela-barahina dia “heniky ny Fanahy izy, ary nanomboka naminany momba ny taranany” (1 Nefia 5:17). Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny mikasika ny fandalinanao manokana ny soratra masina, ary izay azonao ato mba handraisana ny hery izay tonga amin’ny alalan’ny fikarohana ny tenin’Andriamanitra.

1 Nefia 5:1–9

Tafaverina soa aman-tsara tany amin’ny fianakaviany tany an-tany foana ireo zanakalahin’i Lehia

Herinandro maromaro no nanaovan’i Nefia sy ny rahalahiny ny diany nandroso sy niverina avy tany Jerosalema. Mieritrereta fotoana iray izay nandehanan’ny rahalahy na rahavavy, na ray aman-dreny, na olon-kafa izay fantatrao niala tao an-trano nandritra ny fotoana ela—ohatra handeha hanao asa fitoriana, na hianatra, na hanao raharaha miaramila. Inona no mety olana na ahiahy anananao (na inona no eritreretinao fa mety ho ahiahin’ny ray aman-dreny iray) rehefa tafasaraka amin’ireo olon-tiany mandritra ny fotoana ela? Vakio ny 1 Nefia 5:1–3, ary jereo ireo ahiahy nambaran’i Sarià tamin’i Lehia mikasika ny dian’ireo zanany lahy niverina nankany Jerosalema.

Alalino ny 1 Nefia 5:4–6, ary karohy ny fomba namalian’i Lehia ny ahiahin’i Sarià.

  1. Avereno amin’ny fiteninao manokana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valintenin’i Lehia tamin’ny vadiny.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no manaitra anao mikasika ny fomba namalian’i Lehia ny ahiahin’i Sarià?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny tenin’i Lehia ny finoana sy herim-po izay azo avy tamin’ireo fanambarana izay nomen’ Andriamanitra azy?

Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 5:6, inona no fiantraikan’ny tenivavolombelon’i Lehia teo amin’i Sarià?

Ny fahamarinana anankiroa izay azontsika ianarana avy amin’io zavatra niainan’i Lehia sy i Sarià io dia ny hoe: afaka mitahy antsika amim-pahatokiana ny Tompo rehefa manaraka ny fitaomam-panahy avy Aminy isika, ary afaka mankahery sy mampahatanjaka ny hafa isika rehefa maneho ny finoantsika an’Andriamanitra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nahatsapanao ny fanomezan-toky mankahery avy amin’Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra, na ny fotoana izay nizaranao ny fijoroanao ho vavolombelona mba hankaherezana sy hampatanjahana olona iray hafa, na ny fotoana izay nankaherezana sy nampahatanjahana anao tamin’ny alalan’ny teny feno finoana.

Vakio ny 1 Nefia 5:7–9, ka tadiavo ny fiantraikan’io zava-nitranga io teo amin’ny finoan’i Sarià.

  • Inona no zavatra nianaran’i Sarià avy tamin’io traikefa io?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Inona no mampitovy ny fijoroana ho vavolombelon’i Sarià ao amin’ny 1 Nefia 5:8 amin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 3:7?

1 Nefia 5:10–22

Nijery ireo takela-barahina i Lehia

Nanao sorona ny ainy i Nefia sy ny rahalahiny, nahafoy ny fananan’ny ankohonany, nandeha nanao dia lavitra, ary narovan’Andriamanitra tamin’ny diany izy ireo mba hahazoana ireo takela-barahina. Raha toa ianao ka anisan’ny ankohonan’i Lehia dia inona no mety ho fiantraikan’ny ezaka nataon’izy ireo teo amin’ny fomba fandraisanao ny fandalinana izay voasoratra tao amin’ireo takela-barahina?

Rehefa tafaverina soa aman-tsara ireo zanak’i Lehia dia nanomboka nandalina izay voalaza tao amin’ireo takela-barahina izy. Vakio ny 1 Nefia 5:11–14, ary tsipiho izay hita tao amin’ireo takela-barahina.

Vakio ny 1 Nefia 5:17–20, ka tadiavo hoe inona no fiantraikan’ny fandalinana ireo takela-barahina teo amin’i Lehia. Raha mifototra amin’izay nianaranao tao amin’ireo andininy ireo, dia ahoana no fomba hamarananao ity fitsipika manaraka ity? (jereo ny 1 Nefia 5:17): Rehefa mandalina ny soratra masina isika, dia afaka ny ho

Ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanamafy izao fahamarinana izao:

“Rehefa te-hiresaka amin’ Andriamanitra isika dia mivavaka. Ary rehefa tiantsika hiresaka amintsika Izy dia mandalina ny soratra masina isika, satria ny teniny dia voalaza amin’ ny alalan’ ireo mpaminaniny. Ary avy eo dia hampianatra antsika Izy rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika.

“Raha toa ka tsy nandre ny Feony niresaka taminao ianao tato ho ato dia miverena amin’ny soratra masina amin’ny maso vaovao sy sofina vaovao. Izy ireny no fiainantsika ara-panahy” (“Holy Scriptures: The Power of God unto Our Salvation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 26–27).

  1. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nandalinanao ny soratra masina ka nahatsapanao ny Fanahin’ny Tompo.

Vakio ny 1 Nefia 5:21–22, ary tadiavo ny antony mahaonga ireo takelaka ireo ho “sarobidy” tamin’i Lehia sy ny fianakaviany.

Sokafy ny fihirana “Pour Sonder tes Ecritures” (Cantiques, no. 163), ary jereo ireo fitahiana izay mety ho tonga amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina. Diniho ny vakiteny ao amin’ny soratra masina isan’andro ataonao. Ahoana no fomba azonao hanatsarana ny fandalinanao ny soratra masina?

Misy fahendrena ao amin’ny fandalinana ny soratra masina mandritra ny diantsika ety amin’ny fiainana mety maty—dia ny tany foanantsika. Tadidio fa ireo takela-barahina dia azo tamin’ny alalan’ny finoana sy ny fahafoizan-tena, ary raha tsy nisy an’ireo takela-barahina ireo i Lehia sy ny fianakaviany dia tsy ho nahazo ireo fitahiana izay nilain’izy ireo nandritra ny diany (jereo ny 1 Nefia 5:22). Rehefa mandalina ny soratra masina ianao, dia afaka ny ho heniky ny Fanahin’ny Tompo ary handray ny hery sy ny finoana hitandremana ny Didiny.

1 Nefia 6:1–6

Nanoratra i Nefia mba handresy lahatra ny olon-drehetra hanatona an’i Jesoa Kristy

Misafidiana boky iray ao an-tranonao, na mieritrereta boky iray izay efa mahazatra anao. Inona no heverinao fa tanjon’ilay mpanoratra tamin’ny nanoratana io boky io? Manampy anao amin’ny lafiny inona ny fahafantaranao ny tanjon’ny mpanoratra rehefa mamaky boky ianao?

Vakio ny 1 Nefia 6:3–6, ary tsipiho ny tanjon’i Nefia tamin’ny nanoratany ny rakitsorany. Ny teny hoe “ny Andriamanitr’i Abrahama, sy ny Andriamanitr’i Isaka, ary ny Andriamanitr’i Jakôba” (ao amin’ny andininy faha 4) dia miresaka an’i Jehovah, izay Jesoa Kristy. Ny tanjon’i Nefia dia notohizan’ireo rehetra izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny zavatra nosoratany: Iray amin’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna dia ny handresy lahatra ny olon-drehetra hanatona an’i Jesoa Kristy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe ahoana no fiantraikan’ny fahatakarana ny tanjon’i Nefia tamin’ny fanoratany ny rakitsorany eo amin’ny fomba fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
I Nefia manao ireo takelaka

1 Nefia 9

Nanao takelaka roa karazana i Nefia

Ao amin’ny 1 Nefia 9 (jereo ihany koa ny toko faha 6), dia nanazava i Nefia fa nodidiana izy hanao rakitsoratra roa karazana—fantatra amin’ny hoe ny takelaka madinika sy ny takelaka lehibe an’i Nefia izy ireo. Ireo takelaka madinika dia natao hirakitra ny tantara masin’ny vahoakany—dia ny fitantanan’ireo mpaminany sy ny fanambaran’ny Tompo—ary ireo takelaka lehibe dia natao hirakitra ny tantaram-piainana an-davanandro (jereo ny 1 Nefia 9:2–4). Nampiasa ny teny hoe “ireto takelaka ireto” i Nefia, sy ny hoe “takelaka hafa” mba hilazana mikasika ireo takelaka roa karazana izay nandidian’ny Tompo azy mba ho ataony. Eo amin’ny toerana malalaka eo amin’ny sisiny amin’ny soratra masinao mifanitsy amin’ny 1 Nefia 9, dia manorata fanamarihana kely toy izao manaraka izao mba hanampy anao ahatadidy hoe iza amin’ireo karazana takelaka no tian’i Nefia holazaina: “ireto takelaka ireto” = takelaka madinika (masina); “takelaka hafa” = takelaka lehibe (tantara andavanandro).

Rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao dia hanjary hahatakatra ny antony nitazonan’i Nefia rakitsoratra roa karazana. Nahazo aingam-panahy i Nefia hanao famintinana, endrika nafohezina amin’ny fitantaran-drainy (hita ao amin’ny 1 Nefia 1–8) ao amin’ireo takelaka madinika. Efa saiky ho 1.000 taona taty aoriana, dia notarihin’ny Tompo ny mpaminany Môrmôna mba hametraka ny takelaka madinik’i Nefia ho ao anatin’ireo takela-bolamena (jereo ny Ny tenin’i Môrmôna 1:7). Ireo lehilahy roa ireo dia samy tsy nisy nahafantatra ny antony tokony hanaovan’izy ireo ny zavatra izay nataony (jereo ny 1 Nefia 9:5), fa nanaraka ny didin’ny Tompo izy ireo.

  1. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 9 ao anatin’ny fandalinanao manokana ianao dia eritrereto ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny antony maha zava-dehibe ny mankato ny Tompo na dia tsy takatsika tanteraka aza ny Tanjony.

  2. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 1 Nefia 5–6 sy ny 9 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: