Seminera
Fizarana 27: Andro 3, 3 Nefia 27


Fizarana 27: Andro 3

3 Nefia 27

Fampidirana

Tany am-piandohan’ny asa fanompoana nataon’ireo mpianatra Nefita roambinifolo, taorian’ny andro faharoa nisehoan’ilay Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty teo anivon’izy ireo, dia niara-tafavory ireo mpianatra ary tafaray tamin’ny vavaka mahery sy ny fifadian-kanina. Niseho tamin’izy ireo indray i Jesoa Kristy ary namaly ny fanontanian’izy ireo mikasika ny anarana tokony hiantsoana ny Fiangonana. Nampianatra azy ireo ny Mpamonjy fa ny Sorompanavotana no iorenan’ny filazantsarany ary afaka mijoro tsy misy pentina eo anatrehany isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotana, rehefa mibebaka, sy atao batisa, ary maharitra hatramin’ny farany. Ankoatra izay dia nandidy ny mpianany Izy mba ho tonga tahaka Azy.

3 Nefia 27:1–12

Nampianatra ny mpianatra roambinifolo ny Tompo fa tokony hitondra ny anarany ny Fiangonany

Alaivo sary an-tsaina hoe te hanokatra fikambanana na ekipa mpanao fanatanjahantena ianao. Manapaha hevitra ny amin’ny karazana fikambanana na ekipa hoforoninao, ary avy eo dia misafidiana anarana ho an’ilay fikambanana aorinao. Raiso an-tsoratra na ilay anarana na ilay karazana fikambanana nosafidianao:

Mieritrereta fikambanana vitsivitsy izay fantatrao ny momba azy ary ny hevitra fonosin’ny anarana entin’izy ireo mikasika ny tanjony sy ny olona mpikambana ao anatin’izy ireo.

Nanohy nampianatra sy nanao batisa ny vahoaka ireo Nefita roambinifolo. Indray mandeha izy ireo dia tafaray tamin’ny fifadian-kanina sy ny vavaka raha nitsidika azy ireo indray ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 27:1–2). Vakio ny 3 Nefia 27:3–7 mba hitadiavana ny fanontaniana izay napetrak’ireo mpianatra sy ny valintenin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manisy marika ireo antony, izay nomen’i Jesoa Kristy, hiantsoana ny Fiangonana amin’ny anarany.

Hadihadio ny 3 Nefia 27:8–10, ary asio marika ny zavatra izay nampianarin’ny Mpamonjy fa hoe ahafantarana ny Fiangonany marina. Farano ity fehezanteny manaraka ato amin’ny boky torolalanao ity mba hilazana ireo toetoetra fototry ny Fiangonana marina:

Ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy dia .

Sary
Sary famantarana ny Fiangonana

Eritrereto ny antony maha zava-dehibe ny hoe tsy mitondra ny anarany fotsiny ihany ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy fa miorina ihany koa eo amin’ny filazantsarany (jereo ny 3 Nefia 27:8–10). Nampanantenain’ny Tompo ireo Nefita fa raha miorina amin’ny filazantsarany ny Fiangonana dia haneho ny asany ao ny Ray any an-danitra (jereo ny 3 Nefia 27:10). Saintsaino ny nahitanao mivantana ny nanehoan’ny Ray any an-danitra ny asany tao amin’ny Fiangonana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe Zava-dehibe ho ahy ny maha-mpikambana ahy ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy satria … Avy eo dia manorata andininy iray fohy milazalaza ireo eritreritrao momba ilay fehezanteny. Miezaha manoratra antony maro araka izay tratranao avy amin’ny zavatra nianaranao rehefa nandalina ny 3 Nefia 27:1–12.

3 Nefia 27:13–22

Nanome famaritana momba ny filazantsarany i Jesoa Kristy ary nampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hijoroana tsisy pentina eo anoloany

Mieritrereta fotoana iray izay nahatratrarana anao nanao zavatra izay fantatrao fa tsy nety. Tadidio ny zavatra tsapanao rehefa lasa fantatry ny olona ny marina mikasika ny zavatra nataonao. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no mety ho tsapanao rehefa mijoro eo anoloan’ny Tompo, raha toa ka mbola misy zavatra tsy nety nataonao ka tsy mbola nibebahanao? Inona no mety ho tsapanao rehefa hijoro eo anoloan’ny Tompo mba hotsaraina, raha toa ka tsy nisy fomba ibebahana amin’ireo fahotana rehetra nataonao nandritra ny androm-piainanao?

Rehefa avy nampianatra ny Nefita ny Mpamonjy fa tokony haorina eo amin’ny filazantsarany ny Fiangonany dia nanohy nampianatra azy ireo Izy hoe inona no filazantsarany. Ny teny hoe filazantsara dia midika ara-bakiteny hoe “vaovao tsara” na “vaovao mahafaly.” Mbola misy hatrany, amin’ny alalan’ny filazantsara, ny vaovao mahafaly ho antsika rehetra raha toa ka manota isika.

  1. Vakio ny 3 Nefia 27:13–16, 19 ary tadiavo ireo zavatra ao amin’ny filazantsara izay vaovao mahafaly ho antsika rehetra. Ny fototra iorenan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia ny nanaovany ny sitrapon’ny Rainy tamin’ny fanatanterahana ny Sorompanavotana. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nijoro ho vavolombelona tamin’ireo mpianany ny Mpamonjy fa tonga teto an-tany Izy mba hanao ny sitrapon’ny Rainy. Araka ny voalaza ao amin’ny 3 Nefia 27:14 dia inona no sitrapon’ny Ray any an-danitra ho an’ny Zanany Lahy Masina?

    2. Noho ny nahatanterahan’ny Mpamonjy ny sitrapon’ny Rainy dia inona no afaka ho azon’ny olona rehetra? (jereo indrindra indrindra ny 3 Nefia 27:19).

  2. Sary
    Kristy tao Getsemane

    Mba hanampiana anao hankasitraka ny halehibiazan’io vaovao mahafaly io dia vakio ny iray na mihoatra izay amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary manorata fanazavana fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny antony maha-vaovao mahafaly tahaka izany ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: 2 Nefia 9:8–10; Almà 34:14–16; Helamàna 14:15–18.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona mikasika ny antony maha-vaovao mahafaly ho an’ny olon-drehetra ny filazantsara: “Ilay ‘vaovao mahafaly’ dia ny hoe azo ialana ny fahafatesana sy ny helo, azo resena ny fahadisoana sy ny fahotana, misy ny fanantenana, misy ny fanampiana, azo vahana ilay tsy azo novahana, resy ilay fahavalo. Ilay vaovao mahafaly dia hoe mbola ho foana ny fasan’ny olona tsirairay indray andro any, afaka ny hadio indray ny fanahin’ny olona tsirairay, afaka hiverina any amin’ny Ray izay nanome aina azy avokoa ny zanak’Andriamanitra rehetra” (“Missionary Work and the Atonement,” Ensign, mar. 2001, 8, 10).

Ianao ve efa nandre olona nilaza hoe mila “miaina ny filazantsara” isika? Rehefa manasa antsika “hiaina ny filazantsara” ny olona dia mazàna izy ireo no manasa antsika hiaina ireo fitsipika sy handray ireo ôrdônansy izay manasa ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika mba hahafahana mamonjy antsika. Hadihadio ny 3 Nefia 27:20–21 mba hitadiavana ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handraisana ireo fitahiana rehetra entin’ny Sorompanavotana sy hiomanana ho amin’ny fitsarana.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe Raha isika, dia ho afaka hijoro tsisy pentina eo anoloan’i Jesoa Kristy. Fenoy ity fehezanteny ity amin’ny alalan’ny fanoratana fitsipika iray ao amin’ny filazantsara avy ao amin’ny 3 Nefia 27:20–21 izay tsy maintsy arahantsika mba hijoroana tsisy pentina eo anatrehan’ny Tompo. (Azonao atao ny mitady fitsipika maromaro ho an’ilay ampahany misy hoe “raha” ao amin’ity fanambarana fitsipika ity.) Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azoko atao eo amin’ny fiainako izao ankehitriny izao mba “hiainako ny filazantsara” amin’ny endriny feno kokoa, mba hahafahako mahatsapa ny herin’ny Sorompanavotana sy mijoro tsisy pentina eo anoloan’Andriamanitra amin’ny andro farany?

Saintsaino hoe mety ho toy ny ahoana izany hijoro eo anoloan’i Jesoa Kristy izany indray andro any miaraka amin’ny fahafantarana fa ianao dia nodiovina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany noho ny fankatoavana ireo fitsipika sy didy ary ôrdônansin’ny filazantsarany.

3 Nefia 27:23–33

Nampianatra ny mpianany ho tonga tahaka Azy i Jesoa Kristy

Sary
Mpanavotra Masina

Araka ny voarakitra ao amin’ny fiafaran’ny 3 Nefia 27 dia nanome torolalana tamin’ireo mpianany roambinifolo i Jesoa Kristy ary nampianatra azy ireo mikasika ny anjara asany amin’ny maha-mpitarika sy mpitsara ny olony azy ireo. Vakio ny 3 Nefia 27:27 ary tadiavo ny didy izay nomeny an’ireo mpianatra mba hanampiana azy ireo hanatanteraka amim-pahamarinana ny anjara asany. Makà fotoana ary eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no ho zava-dehibe amin’ireo izay mitsara ny hafa ny ho tonga tahaka ny Mpamonjy?

  • Raha iverenana ny 3 Nefia 27:21, dia inona no nandidian’ny Mpamonjy an’ireo mpianatra mba hataony?

  • Inona no ifandraisan’ny fanaovana ny asan’ny Mpamonjy sy ny fahatongavana ho tahaka Azy?

Avereno vakina ny 3 Nefia 27:21, 27, ary asio marika ireo teny sy andian-teny ao amin’ny soratra masinao izay maneho fa antenain’ny Tompo haka tahaka ny asany sy ho tonga tahaka Azy ireo mpianany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hampihatra ny fampianaran’ny Mpamonjy ny ho tonga tahaka Azy bebe kokoa:

    1. Inona avy ireo fahafahana nananako omaly mba hahatongavako ho tahaka ny Mpamonjy?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahako ho tonga tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa anio?

    3. Inona avy ireo asan’ny Mpamonjy izay azoko atao rahampitso any am-pianarana na any an-trano?

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson fa ireo izay miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy dia mahatratra fahalehibiazana marina: “Ny lehilahy manana fiainana manakaiky ny maodelim-piainan’i Kristy dia lehilahy lehibe indrindra sy sambatra indrindra ary faly indrindra. Tsy misy idiran’ny harena, na fahefana, na ny voninahitry ny tany izany. Ny hany fitsapana marina ahitana ny fahalehibeazana, sy ny maha-olona voatahy, ary ny fifaliana dia ny hoe hatraiza no ahafahan’ny fiainana iray hanakaiky ny an’i Jesoa Kristy, ilay Mpampianatra. Izy no lalana marina sy fahamarinana feno ary fiainana miroborobo” (“Jesus Christ—Gifts and Expectations,” Ensign, des. 1988, 2).

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 27 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: