Seminera
Fizarana 5: Andro 1, 1 Nefia 20–22


Fizarana 5: Andro 1

1 Nefia 20–22

Fampidirana

Ao amin’ny 1 Nefia 20–21 i Nefia dia nanambara ireo faminanian’i Isaia, mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, izay hita tao amin’ireo takela-barahina ny sorany, takelaka izay nandefasana an’i Nefia sy ny rahalahiny niverina tany Jerosalema mba ho alain’izy ireo tany amin’i Labana. Nampianatra i Isaia fa na dia tamin’ny fotoana tsy nitandreman’i Isiraely fahiny ny fanekempihavanan’izy ireo aza dia mbola nitia azy ireo ihany ny Tompo ary nanasa aza ireo mba hibebaka sy hanatona Azy. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao, dia ifantohy ny zavatra nampianarin’i Isaia mikasika an’i Jesoa Kristy sy ny faniriany hanavotra ny vahoakany.

Sary
Manoratra ny amin’ny Fahaterahan’i Kristy i Isaia

1 Nefia 20

Nanafay an’i Isiraely ny Tompo ary nanasa azy ireo mba hiverina Aminy

Afaka mieritreritra fotoana iray ve ianao izay nanaovanao zavatra izay tsy mifanaraka amin’ireo fanekempihavanana nataonao, na tsy mifanaraka amin’ny fenitry ny Fiangonana? Ahoana no fahatsapanao mikasika ny fanapahan-kevitra noraisinao? Vakio ny 1 Nefia 20:1–2. Iza no niresahan’i Isaia ? Iza no “mpianakavin’i Jakôba”?

Ao amin’ny Testamenta Taloha, i Jakôba dia zanak’i Isaka ary zafikelin’i Abrahama. Ny Tompo no nanome azy ny anarana hoe Isiraely (jereo ny Genesisy 32:28). “Ny mpianakavin’i Isiraely” dia entina ilazana ireo taranany ary matetika dia antsoina hoe ny “mpianakavin’i Jakôba.” Izany koa dia entina ilazana ireo tena mpino an’i Jesoa Kristy marina. (Jereo ny Torolalana Ho an’ny Soratra Masina, “Isiraely”; jereo koa ny Bible Dictionary, “Israel, Kingdom of.”) Tahaka ny tamin’ny fotoana fahiny, ireo izay manao fanekempihavanana (toy ny batisa) amin’Andriamanitra amin’izao fotoana izao dia noheverina ho toy ny anisan’ny mpianakavin’i Isiraely.

Tadiavo ny 1 Nefia 20:3–4, 8, 18, ary tsipiho ireo teny na andian-teny izay milaza fa tsy nahatoky tamin’ny Tompo ny mpianakavin’i Isiraely. Ilay andian-teny hoe “hoza-by ny hatokao ary varahina ny handrinao” (1 Nefia 20:4) dia hevi-teny hanehoana ny toetoetra izay antsoin’ny soratra masina ombieny ombieny hoe “fahamafisan-katoka.” Ny fanazavana iray azo entina ho an’ity teny ity dia hoe ireo biby toy ny omby sy ny apondra dia manamafy ny hatok’izy ireo mba tsy hahatonga azy hotarihin’ny tompony. Ny fanazavana iray hafa koa dia hoe ireo olona izay tsy vonona ny hanondrika ny lohan’izy ireo dia mafy hatoka. Tahaka izany koa, nanamafy ny hatok’izy ireo ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny alalan’ny avonavona sy ny faharatsiana ary nandà tsy ho tarihin’ny Tompo.

Mba hahafahana mahatakatra tsara ireo andininy ireo sy ampitahana izany amin’izao androntsika izao, dia eritrereto hoe ahoana no hanehoan’ireo fanazavana mikasika ny mpianakavin’i Isiraely ireo ny zavatra ataon’ny olona sasany amin’izao fotoana izao.

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 20:9–14, 16 ianao dia diniho hoe inona no ampianarin’ireo andininy ireo mikasika ny Tompo sy ny hoe tahaka ny ahoana Izy.

  1. Soraty fohifohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Na dia nikomy aza ireo vahoaka ireo tany aloha, nanao ahoana ny fihetsiky ny Tompo tamin’izy ireo? Nahoana? (Jereo ny 1 Nefia 20:9–11, 14.)

    2. Inona no tian’ny Tompo ho ataon’ny vahoakan’ny Fanekempihavanany? (Jereo ny 1 Nefia 20:12, 16.)

Ireo andininy ireo no hianarantsika fa ny Tompo dia manasa ireo izay tsy mpankato mba hibebaka sy hiverina Aminy. Rehefa mamaky ity fanambarana manaraka ity ianao izay nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia tsipiho ny teny iray na maromaro izay manamafy io fahamarinana io:

“Tian’ [i Satana] isika hahatsiaro tena hoe tsy azo avela heloka intsony (jereo ny Apôkalypsy 12:10). Tian’i Satana isika hieritreritra hoe rehefa nanota dia efa nihoatra an’ilay “fotoana tsy ahafahana miverina intsony” —ary efa tara loatra ka tsy azo ovaina ny lalantsika.

“Tonga i Kristy mba hamonjy antsika. Raha nandeha tamin’ny lalana tsy izy isika, dia afaka manome fahatokiana antsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy fa ny fahotana dia tsy hoe fotoana tsy ahafahana miverina intsony. Azo atao ny miverina soa aman-tsara raha manaraka ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny famonjena antsika isika” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, mey 2007, 99).

1 Nefia 21:1–17

Naminany i Isaia fa tsy hadinon’ny Mesia ny vahoakan’ny Fanekempihavanany

Ao amin’ny 1 Nefia 21:1–13 dia noraketin’i Nefia ny iray amin’ireo faminanian’i Isaia izay mahakasika an’i Jesoa Kristy, dia ilay ho Mesia. Ny hoe Kristy (teny Grika) sy ny hoe Mesia (teny Hebreo) dia samy midika hoe “ilay Voahosotra” na “ilay Voafidy.” I Jesoa Kristy dia voafidy ho Mpanavotra an’i Isiraely sy an’ireo Jentilisa.

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 21:6–13 ianao dia mariho ao amin’ny soratra masinao ireo teny izay mamariparitra an’i Jesoa Kristy sy izay ho ataony amin’ny maha Mpanavotra an’i Isiraely Azy.

Vokatry ny fahotan’ny zanak’i Isiraely dia nihataka tamin’ny Tompo izy ireo ary nahatsiaro ho adinony sy nafoiny (jereo ny 1 Nefia 21:14). Na dia nahatsiaro ho nafoin’ny Tompo aza izy ireo dia mitadiava porofo ao amin’ny 1 Nefia 21:14–16 fa tian’ny Tompo isika ary tsy ho adinony na oviana na oviana. Azonao marihana ao amin’ireo andininy ireo izay teny manan-danja aminao.

Sary
Nampiseho ny Ratra tamin’ny Vatany i Jesoa

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny fomba nitehirizan’ny Mpamonjy ireo ratra tamin’ny nanomboana Azy mba ho porofo fa tsy ho adinony na oviana na oviana isika: “Tsy ho adinon’i Kristy ireo zanaka izay navotany na ilay fanekempihavanana izay nataony tamin’izy ireo mba ho fanavotana an’i Ziona. Ireo mpampahatsiahy maharary hahatsiarovana ny fiahia[ny] sy ny fanekempihavana[ny] no marik’ireo fantsika Romana voasokitra eo amin’ny felan-tanany” (Christ and the New Covenant [1997], 84).

  1. Manorata valinteny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Nahoana, araka ny hevitrao, no mihevitra ny olona sasany indraindray fa nanadino azy ireo ny Tompo?

    2. Inona hoy ianao no dikan’ny hoe voasokitra eo amin’ny felan-tanan’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahan’izany manampy anao hankafy ny fijalian’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana?

    3. Inona no traikefa izay nanampy anao hahafantatra fa tsy nanadino anao ny Tompo?

  2. Alaivo sary antsaina hoe manana namana iray ianao izay nilaza fa tsy mahatsiaro tena ho mendrika hanatrika any am-piangonana intsony izy noho ireo fahotana taloha. Manorata taratasy fankaherezana fohifohy ho an’io namana io ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, amin’ny fampiasana izay zavatra nianaranao tao amin’ny 1 Nefia 20–21 sy ny fanambaran’ny Filoha Uchtdorf ao amin’ny ampahany fanaovana fandalinana ao amin’ny 1 Nefia 20.

1 Nefia 21:18–22:22

Nazavain’i Nefia ny faminanian’i Isaia mikasika ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely

Nampidirin’i Nefia tao amin’ny rakitsorany ny iray amin’ireo faminanian’i Isaia mikasika ny fanangonana an’i Isiraely. Izany dia hita ao amin’ny 1 Nefia 21:18–26. Natolotr’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 22 ny fanazavany sy ny fanamarihany manokana mikasika ny faminanian’i Isaia. Rehefa mamaky ny 1 Nefia 22:4–12 ianao dia tadiavo ny fanazavan’i Nefia ny fomba hanangonana an’i Isiraely any amin’ny andro farany.

Mety hanampy anao ny fahafantarana fa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny teny hoe “Jentilisa” dia matetika miresaka an’ireo olona izay tsy taranak’i Joda. Ilay teny hoe “asa iray mahatalanjona” dia miresaka momba ny Famerenana ny Filazantsara amin’ny laoniny amin’ny andro farany. Mariho ihany koa hoe impiry i Nefia no miresaka fanekempihavanana—azonao asiana marika ireo ao amin’ny soratra masinao.

Nampanantena ny Tompo fa hamerina ny filazantsara amin’ny laoniny ary hanangona an’i Isiraely amin’ny andro farany. Asio marika ao amin’ny soratra masinao izay zavatra hitranga amin’i Satana noho ny fahamarinan’ny vahoaka rehefa mandalina ny 1 Nefia 22:17, 19–22, 25–28 ianao.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 20–22 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: