Seminera
Fizarana 16: Andro 1, Almà 11


Fizarana 16: Andro 1

Almà 11

Fampidirana

Nifanditra tamin’ i Zezrôma mpahay lalàna i Amioleka, i Zezrôma izay niezaka nampandà azy an’ilay Andriamanitra marina sady velona. Nijoro ho vavolombelona izy raha niaro ny finoany tamin’ny ezaka nataon’i Zezrôma hamandrika azy, fa tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy irery ihany ny fanavotana amin’ny fahotana. Nanao fijoroana ho vavolombelona matanjaka i Amioleka fa hitsangana amin’ny maty sy hotsarain’Andriamanitra ny olombelona rehetra. Noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy dia hitsangana amin’ny maty ianao ary hijoro eo anatrehan’Andriamanitra indray andro any, ka hanao tatitra momba ny fiainanao teto an-tany.

Almà 11:1–25

Tsy nanaiky ny fakan’i Zezrôma fanahy azy handà ny fisian’Andriamanitra i Amioleka

Mieritrereta zavatra iray anananao izay tena sarobidy aminao ka tsy ho amidinao na oviana na oviana. Eritrereto ny antony maha tena sarobidy izany aminao. Raha mbola nanohy nampianatra ny vahoaka tao Amônihà i Almà sy i Amioleka ao amin’nyAlmà 11, dia nifanandrina tamin’i Amioleka ny mpahay lalàna ratsy fanahy iray izay nantsoina hoe Zezrôma ka nanolotra azy vola ho takalon’ny zavatra iray tena saarobidy tamin’i Amioleka. Ny soratra masina dia mamaritra an’i Zezrôma ho toy ny “lehilahy iray za-draharaha tamin’ny tetiky ny devoly” (Almà 11:21), izay midika fa nianatra ny fomba hampiasana ireo paikady , drafitra, famitahana, ary ny fandrika ampiasain’i Satana hitaomana ny hafa hanalavitra ny fahitsiana sy ny fahamarinana izy.

Fakafakao ny Almà 11:21–22, ary fantaro hoe vola ohatrinona no natolotr’i Zezrôma an’i Amioleka sy ny tiany hanaovaon’i Amioleka an’izany. Ny “aonty” iray no vola manana ny sandany ambony indrindra tamin’ireo volan’ny Nefita vita tamin’ny volafotsy (jereo ny Almà 11:6, 11–13). Mitovy amin’ny karaman’ny mpitsara iray tokotokony ho mandritra ny herinandro ny aonty iray (jereo ny Almà 11:3).

Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Oviana ianao no nahita olona iray nandà ny fakam-panahin’izao tontolo izao tahaka ny natolotra an’i Amioleka?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitaoman’ny fahitana izany anao mba ho mahatoky?

Vakio nyAlmà 11:23–25 ahitana ny navalin’i Amioleka ny tolotra nataon’i Zezrôma. Aorian’izay dia valio ao anatin’ny boky torolalanao ireto fanontaniana ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tsy liana tamin’ny tolotra nataon’i Zezrôma i Amioleka?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 11:25, inona no drafitr’i Zezrôma tamin’ny nanolorany ireo aonty enina an’i Amioleka?

  • Inona no mampitovy izany amin’ny ataon’i Satana rehefa manaiky ny fakam-panahiny ny olona?

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fampiasana manaraka ireto:

    1. Vakio ny Almà 11:22, hahafantarana bebe kokoa ny fomba nahafahan’i Amioleka nandà ny tolotra nataon’i Zezrôma, ary fenoy ity fehezanteny manaraka ity: “Tsy hanao na inona mifanohitra amin’ny Fanahin’ny Tompo aho.” Avy eo dia manorata teny telo na efatra hafa azonao hamenoana ny banga, izay handrafitra fehezanteny marina ihany koa (raiso ohatra ny hanao, hamaky, hitafy, hijery, ary hanoratra).

    2. Manorata fehezanteny iray mifototra amin’ny Almà 11:22 izay afaka hanampy anao hahatsiaro ny fomba handresenao fakam-panahy miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina. Ny zavatra soratanao dia tokony hanambara amin’ny teninao manokana ny fahamarinana fa afaka mandresy ny fakam-panahy isika rehefa miatehitra amin’ny Fanahy Masina.

Mijanona kely mandritra ny fandalinanao, ary saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fiainana mba hahafahako ho mora mahatsapa ny Fanahy Masina sy hanaraka ny bitsiny ahy handresy ny fakam-panahy?

Vakio ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, mba ahitana ny fomba hanampian’ny fianteherana amin’ny Fanahy Masina anao handresy ny fakam-panahy:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Raha toa ianao ka tafalatsaka ao anatin’ny fitondrantena tsy tokony hidiranao, na raha toa ianao ka mifampiraharaha amin’ny olona izay manosika anao any amin’ny lalan-diso, dia izao no fotoana hampiasanao ny fahaleovan-tenanao sy ny fahafahanao misafidy. Henoy ny feon’ny Fanahy, dia tsy haniasia ianao. …

“… Mampanantena aho,amin’ny maha mpanompon’ny Tompo ahy, fa ho voaaro sy hampirongoana ampinga amin’ny fanafihan’ny fahavalo ianareo raha toa ka mihaino ny bitsika avy amin’ny Fanahy Masina” (“Counsel to Youth,” Ensign na Liahona, Nôv. 2011, 18).

  1. Mba hijerena ireo fampiharana azo atao momba ny zavatra nianaranao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo toe-java-misy izay mahasarika ny tanora hampihen-danja na tsy hiraharaha ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo noho ny zavatr’izao tontolo izao?

    2. Inona avy ireo torohevitra azonao atolotra ny mpianatra namanao iray izay hanampy azy hiantehitra amin’ny Fanahy Masina rehefa miatrika fakam-panahy tahaka ity?

Ampiharo ny zavatra nianaranao amin’ny alalan’ny fahatsiarovana ny ohatr’i Amioleka amin’ny fotoana manaraka hakana fanahy anao hampihen-danja ny zavatra inoanao na ny lanjanao. Tsarovy fa afaka miaina fahatokiana sy fiarovana lehibe kokoa ianao rehefa miaina amim-pahamendrehana sy manaraka ny bitsiky ny Fanahy Masina.

Almà 11:26–40

Mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Zanak’Andriamanitra i Amioleka ary nandresy ny fikasan’i Zezrôma mba handiso ny zavatra noteneniny

Nanafika ny finoan’i Amioleka an’i Jesoa Kristy i Zezrôma. Mba hampifandraisana amin’ny tenanao manokana ny zava-nitranga taorian’ny tsy nahombiazan’i Zezrôma tamin’ny fakany fanahy an’i Amioleka handà ny fisian’Andriamanitra, dia mieritrereta fotoana iray izay mety nanoheran’ny olona ny zavatra inoanao. Vakio ny resaka nifanaovan’i Amioleka sy Zezrôma ao amin’ny Almà 11:26–34, ary jereo avy eo ny fomba nanodikondinan’i Zezrôma ny tenin’i Amioleka ao amin’ny Almà 11:35.

Vakio ny fomba nanitsian’i Amioleka ity lainga ity ao amin’ny Almà 11:36–37. Azonao marihina ny fanovozan-kevitra eny amin’ny farany ambanin’ny pejy 34a ao amin’ny soratra masinao, ary vakio ny Helamàna 5:10–11. Hazavao amin’ny teninao manokana avy eo ny fahasamihafana eo amin’ny hoe voavonjy “ao amin’ny fahotantsika” sy ny hoe voavonjy “amin’ny fahotantsika” (nampiana soramandry):

Vakio ny Almà 11:40, ary fantaro ny dingana voalohany nolazain’i Amioleka fa tsy maintsy ataon’ny vahoaka mba hamonjena azy ireo amin’ny fahotany. Misy olona sasany manambara fa mino an’i Jesoa Kristy kanefa tsy te hanova ny fitondrantenan’izy ireo. Midika ho fananana finoana an’i Jesoa Kristy ny finoana ny anarany.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany manaraka ity mba hahatakarana bebe kokoa ny fomba hitarihan’ny “finoana ny anarany” (fananana finoana an’i Jesoa Kristy) amin’ny fibebahana: “Mila finoana matanjaka an’i Kristy isika hahafahantsika mibebaka. Tsy maintsy ahitana ny ‘fahafantarana marina ny toetran’Andriamanitra, fahatanterahany, ary ny toetra mampiavaka Azy’ ny finoantsika (Lectures on Faith [1985], 38). Raha mino isika fa mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra, be fitiavana sy be famindrampo, dia afaka mametraka ny fitokiantsika Aminy tsy voahozongozona isika. Hanova ny eritreritsika, ny zavatra inoantsika, ary ny fitondrantenantsika izay tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny finoana an’i Kristy” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, Mey 2007, 100).

Sary
Jesoa Kristy

Tamin’ny fomba ahoana no nandrisihan’ny finoanao an’i Jesoa Kristy anao hanova ireo eritreritrao, sy ireo zavatra inoanao, ary ireo fitondrantenanao?

  1. Nahoana ny olona iray no mila finoana an’i Jesoa Kristy mba hibebahana? Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao avy amin’i Amioleka sy ny Filoha Uchtdorf, dia soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanazavanao ity fitsipika manaraka ity: Fanombohan’ny dingan’ny fanavotana antsika amin’ny fahotantsika ny finoana marina an’i Jesoa Kristy.

Almà 11:41–46

Nampianatra momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana ny olombelona rehetra i Amioleka

Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity alohan’ny hamakianao ny famaranan’i Amioleka ny fijoroany ho vavolombelona tamin’i Zezrôma: Ahoana no hisian’ny tsy finoana ny fiainana aorian’ny fahafatesana fiantraikany eo amin’ny zavatra ataon’ny olona iray?

  1. Soraty ho lohatenin’ny fizarana roa miavaka ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto teny ireto:Fitsanganana amin’ny maty sy Fitsarana. Avy eo dia halalino ny Almà 11:41–45, mba hitadiavana fampahalalana betsaka indrindra araka izay vitanao momba ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana, ary soraty eo ambanin’ireo lohateny tsirairay ny zavatra nianaranao. Azonao soratana eo amin’ny faratampon’ny pejy ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Hitsangana amin’ny maty sy hotsaraina araka ny asany avokoa ny rehetra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mampianatra ihany koa ireto andininy ireto fa midika ho fanakambanana indray amin’ny “endriny tomombana” sy amin’ny “tena endriny” ny vatantsika amin’ny fanahintsika, izay tsy hisaraka intsony ny fitsanganana amin’ny maty (jereo nyAlmà 11:43, 45).

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Inona ny eritreritra sy fahatsapana anananao rehefa mieritreritra momba ny hoe hitsangana amin’ny maty sy hotsaraina ianao?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny finoanao fa ianao dia hitsangana amin’ny maty sy hotsaraina fiantraikany amin’ny fisafidiananao ny fomba hiainanao isan’andro?

  3. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 11 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: