Seminera
Fizarana 4: Andro 3, 1 Nefia 17


Fizarana 4: Andro 3

1 Nefia 17

Fampidirana

Rehefa avy nandeha nandritra ny valo taona tany an-tany foana ny fianakavian’i Lehia dia tonga tany amin’ny toerana iray amoron-dranomasina. Nantsoin’izy ireo hoe Soafeno io toerana io. Nankatoavin’i Nefia ilay didin’ny Tompo hoe manamboara sambo. Nolevileven’i Nefia ihany koa ireo rahalahiny noho ny faharatsian’izy ireo izay tsy nahafahan’izy ireo nandray fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 17 sy ny ohatr’i Nefia ianao dia hahita fa amin’ny alalan’ny fankatoavana no ahafahanao manatontosa ny zava-drehetra izay andidian’ny Tompo. Hianatra ihany koa ianao hamantatra bebe kokoa ny firesahan’ny Tompo aminao amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka.

1 Nefia 17:1–51

Nanohy ny dia nankany Soafeno ny fianakavian’i Lehia, ary tao no nandidiana an’i Nefia hanamboatra sambo

Hofaritanao hoe sarotra sa hoe mora ny fiainanao? Nahoana? Vakio ny 1 Nefia 17:1, 4, 6, dia farito anaty boribory ireo teny izay milaza raha toa mora sa sarotra ny fotoana niainan’i Nefia sy ny fianakaviany tany an-tany foana.

Vakio ny 1 Nefia 17:3, ary jereo ny antony nolazain’i Nefia fa nahatonga ny fianakaviany ho voatahy nandritra io fotoan-tsarotra io—izany dia manomboka amin’ny teny hoe raha toa. Asio marika izany ao anatin’ny soratra masinao.

Matetika ireo fitsipiky ny filazantsara no ambara amin’ny alalan’ny endrika hoe “raha toa-dia” ao amin’ny soratra masina. Ity endrika “raha toa-dia” ity ihany koa dia hita eny amin’ny fizotran’ny fiainan’ny tsirairay eny, sy ny an’ny fianakaviana ary ny an’ny firenena iray manontolo. Ilay teny hoe raha toa dia mamaritra ny asa ataontsika, ary ny dia dia manazava ny vokatra na ny fitahiana izay ho azontsika noho io asa natao io. Ny ao amin’ny 1 Nefia 17:3 dia ahitana an’io endrika raha toa-dia io, ary voafariparitra ao ny asa iray sy ny fitahiana izay haterak’izany. Ahoana no fomba mety hilazanao amin’ny fiteninao manokana ilay fitsipika izay ijoroan’i Nefia ho vavolombelona? Raha toa , dia .

Mariho hoe ahoana no fomba nanehoana io fitsipika io ao amin’ny 1 Nefia 17:2, 12–13. Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao dia asio marika ireo fomba sasantsasany izay nankaherezan’ny Tompo sy nitahiany an’i Nefia sy ny fianakaviany rehefa nitandrina ny didy izy ireo. Mitadiava porofo fanampiny maneho ny fahamarinan’io fitsipika io rehefa manohy mandalina ny zavatra niainan’i Nefia ianao.

  1. Makà fotoana hamaliana tsara ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Io fampiasana io dia hanampy anao ahita fa nanohy niaina an’io fitsipika voalazainy ao amin’ny 1 Nefia 17:3 io i Nefia, raha toa kosa ireo olon-kafa tao amin’ny fianakaviany tsy nahavita niaina izany. Tsarovy ny mieritreritra ny fomba hampiharanao ity fitsipika ity eo amin’ny fiainanao manokana.

    1. Inona no nasain’ny Tompo ataon’i Nefia? (Jereo ny 1 Nefia 17:7–8.) Inona no mety ho nahasarotra ny fankatoavana ity didy ity?

    2. Inona no manaitra anao amin’ny fihetsik’i Nefia teo anatrehan’ity didy ity? (Jereo ny 1 Nefia 17:9–11, 15–16). Ahoana no fihetsik’ireo rahalahiny? (Jereo ny 1 Nefia 17:17-21.) Inona no azonao ianarana avy amin’ireo valin-teny ireo.

    3. Namaly ireo rahalahiny i Nefia tamin’ny fampahatsiahivana azy ireo ny zavatra niainan’i Mosesy. Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo an’i Mosesy hanatanteraka ny andraikitra izay nampanaoviny azy? (Jereo ny 1 Nefia 17:23–29.) Ahoana no mampitovy ireo rahalahin’i Nefia amin’ny zanak’i Isiraely? (Jereo ny 1 Nefia 17:30, 42.)

    4. Moa ve misy amin’ireo didy no sarotra aminao? Ahoana no fomba azonao hiatrehana ireo andraikitra na didy sarotra avy amin’Andriamanitra tahaka izay nataon’i Nefia sy Mosesy?

Rehefa vitanao ny asa nampanaovina etsy ambony dia vakio ny fanehoam-pinoana nataon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:50.

Vakio ny 1 Nefia 17:51, ary ampiharo amin’ny tenanao io andininy io amin’ny fanampiana ny anaranao eo aorian’ny teny hoe “ahy” ary amin’ny fanoloana ny andian-teny hoe “manamboatra sambo” amin’ny didy izay nosoratanao tamin’ny fanontaniana e tetsy ambony.

  1. Manorata traikefa iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina (traikefanao manokana na an’olon-kafa izay fantatrao) izay nanampy anao ahafantatra fa rehefa mahatoky amin’Andriamanitra ianao, dia hanampy anao hanatanteraka ny zavatra rehetra izay asainy ataonao Izy.

Ny fitsipika izay nasehon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17 sy nandritra ny fiainany iray manontolo dia ny hoe rehefa mitandrina ny didy isika, dia hankahery antsika ny Tompo ary hanome ny fitaovana ahafahantsika manatontosa izay zavatra nandidiany antsika.

1 Nefia 17:45–55

Nandevilevy an’ireo rahalahiny i Nefia noho ny faharatsian’izy ireo

Vakio ny 1 Nefia 17:48, 53–54, ary tadiavo hoe nahoana i Nefia no “naninjitra ny tana [ny] tamin’ny rahalahi[ny] .”

Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 17:53, inona no nataon’ny Tompo tamin’ireo rahalahin’i Nefia? Nahoana?

Sary
Nampanetry tena ireo Rahalahiny Mpimonomonona i Nefia

Ny fampangitangitahana izay natao tamin’ny rahalahin’i Nefia dia anankiray amin’ireo fomba izay niezahan’ny Tompo nifandraisana tamin’izy ireo. Vakio ny 1 Nefia 17:45, ary mitadiava fomba sasantsasany hafa izay niezahan’ny Tompo nifandraisana tamin’izy ireo.

Sary
Filoha Boyd K. Packer

Diniho ity filazana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity hoe: “Ny Fanahy Masina dia miteny amin’ny feo izay tsapa kokoa mihoatra ny hoe re. Izany dia faritana hoe ‘feo tony sy malefaka’ [F&F 85:6]. Ary rehefa milaza isika hoe: ‘fihainoana’ ilay bitsiky ny Fanahy, dia matetika mamaritra fitaomana ara-panahy ny olona amin’ny alalan’ny fitenenana hoe: ‘Nanana fahatsapana aho …’” (“Personal Revelation: The Gift, the Test, and the Promise,” Ensign, nôv. 1994, 60).

Azonao atao ny manisy marika ny 1 Nefia 17:45 ary manoratra ity fitsipika manaraka ity eo akaikin’izany manao hoe: Ny Fanahy Masina dia miteny amin’ny alalan’ny feo tony sy malefaka izay tsapa kokoa mihoatra ny hoe re.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana ianao no nahatsapa ny Tompo niteny tamin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaka?

    2. Inona no azonao atao mba hahatsapana sy hamantarana ilay feo tony sy malefaka?

Asio marika ity andian-teny ao amin’ny 1 Nefia 17:45 ity: “niteny taminareo tamin’ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny.” Avereno jerena indray ny fehezan-teny voalohany ao amin’ny 1 Nefia 17:45, ary mandiniha antony iray nahatonga ireo rahalahin’i Nefia ho “donto.”

Ahoana no mahatonga ny fahotana afaka manakana antsika tsy hahatsapa ny Fanahy Masina? Inona no karazan-javatra hafa izay mety hanembatsembana antsika tsy ahafahantsika mahatsapa ny Fanahy Masina?

Ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampiasa fampitahana iray mba hanehoana ireo fomba sasantsasany ahafahan’ny fahotana manakana antsika tsy hahatsapa ny Fanahy Masina:

Sary
Filoha James E. Faust

“Ny finday dia ampiasaina be amin’ny ankamaroan’ny fifandraisana amin’izao vaninandrontsika izao. Kanefa na izany aza, eny an-tsefatsefany eny dia mahita faritra tsy hahazoana tambazotra ka tsy maharay fifandraisana ny finday. Mety mitranga izany rehefa ao anatina tonelina ny mpampiasa finday na anaty lohasaha voahodidin’ny haram-bato na rehefa misy zavatra hafa manelingelina.

“Tahaka izany koa ny fifandraisana amin’Andriamanitra. … Matetika isika no mametraka ny tenantsika ao anatin’ny faritra tsy misy tambazotra ara-panahy—ireo toerana na toe-javatra izay manakana ny hafatra avy amin’Andriamanitra. Ny sasany amin’ireo faritra tsy misy tambazotra ireo dia ahitana ny fahatezerana, ny pôrnôgrafia, ny fandikan-dalana, ny fitiavan-tena ary ireo toe-javatra rehetra izay manafintohana ny Fanahy” (”Did You Get the Right Message?” Ensign na Liahona, mey 2004, 67).

  1. Alalino hoe hatraiza no fomba nihainoanao tsara ireo hafatra izay nokatsahan’ny Tompo hifandraisana taminao vao haingana. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mety ho “faritra tsy misy tambazotra ara-panahy”—ireo toe-javatra sy toerana rehetra izay mety hanakana anao tsy handray ilay feo tony sy malefaka—sy ny zavatra izay ho ataonao mba hialana amin’izy ireny.

Afaka mahazo fifandraisana avy amin’Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ilay feo tony sy malefaka rehefa miezaka ny ho mendrika sy mitandrina ireo bitsika malefaka ireo.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 1 Nefia 17 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: