Seminera
Fizarana 15:Andro 2, Almà 5:37–62


Fizarana 15:Andro 2

Almà 5:37–62

Fampidirana

Nampitandrina ny vahoaka i Almà, raha nanohy nitory tao Zarahemlà, fa ny fanapahan-kevitr’izy ireo hiaino na handà ny teniny dia mihazona fitahiana na vokatra sasantsasany. Namporisika azy ireo izy hamaly ny feon’ny Mpiandry Ondry Tsara, ny Tompo Jesoa Kristy, izay niantso azy ireo ary naniry ny hitondra azy ireo hiverina ao am-balany. Eo am-pandalinanao ity lesona ity, dia diniho ny hanampian’ny fanarahanao ny feon’ny Mpiandry Ondry Tsara anao tsy hanatona ireo zavatra maloton’izao tontolo izao sy hiverina hiaraka amin’Andriamanitra.

Almà 5:37–42, 53–62

I Almà dia manasa ny rehetra hanaraka ny Mpiandry Ondry Tsara, dia ny Mpamonjy izany

Voalaza matetika ho ilay “Mpiandry Ondry Tsara” i Jesoa Kristy ao amin’ny soratra masina (jereo ny Jaona 10:11–15). Nahoana araka ny eritreritrao no sariohatra tsara iray hilazana ny Mpamonjy ny hoe Mpiandry ondry? Nanome izao famaritana manaraka izao momba ny mpiandry ondry taloha ny Filoha Ezra Taft Benson:

“Fantatry ny olona noho ny fiarovany ny ondriny ny mpiandry ondry Palestiniana tamin’ny andron’i Jesoa. Mandeha eo alohan’ny ondriny hatrany ny mpiandry ondry fa tsy tahaka ny mpiandry ondry maoderina. Nitarika azy ireo izy. Fantatry ny mpiandry ondry ny ondriny tsirairay ary matetika izy no nanana anarana niantsoana ny tsirairay taminy. Fantatry ny ondry ny feony ary nahatoky azy izy ireo, ary tsy ho nanaraka olon-kafa mihitsy. Hany ka nanatona azy ireo ondry rehefa nantsoina. (Jereo ny Jaona 10:14 16.)

“Entin’ireo mpiandry ondry any amin’ny vala antsoina hoe valan’ondry ireo ondry amin’ny alina. Voahodidina rindrina avo dia avo ireo valan’ondry, ary nasiana tsilo eny an-tampon’ireny rindrina ireny mba hanakanana ireo biby dia sy mpangalatra tsy hihanika eo.

Sary
Tsy Very Intsony

“Indraindray anefa dia mety hisy biby dia iray entin’ny hanoanana ka mitsambikina ny rindrina ho eo anivon’ny ondry ka mampatahotra azy ireo. Ny trangan-javatra tahaka ity dia mampiavaka ny tena mpiandry ondry—izay tia ny ondriny—amin’ny mpitady vola—izay miasa mba ahazoana karama sy noho ny adidy fotsiny ihany.

“Vonona ny hanome ny ainy ho an’ny ondry ilay tena mpiandry ondry. Mandeha eo anivon’ny ondry izy ary miady ho soa ho azy ireo. Etsy andaniny, ilay mpitady vola, dia manome lanja ny fiarovana ny tenany manokana mihoatra ny an’ny ondry, ary matetika izy no mitsoaka ny loza.

“Nampiasain’i Jesoa ity fanazavana fahita tamin’ny androny ity hanambarana fa Izy no Mpiandry Ondry Tsara, ilay Tena Mpiandry Ondry. Vonona ny hanolotra ny ainy an-tsitrapo ho an’ny rahalahiny sy anabaviny Izy noho ny fitiavany ireo rahalahiny sy anabaviny. (Jereo nyJaona 10:17–18.)” (“A Call to the Priesthood: ‘Feed My Sheep,’” Ensign, Mey 1983, 43).

Manorata valinteny fohy amin’ireto fanontaniana manaraka ato anatin’ity boky torolalana ity ireto:

  • Inona no mety hahazo ireo ondry raha tsy mihaino ny mpiandry ondry izy ireo?

  • Inona no hitovizantsika amin’ny ondry, ary inona no hitovizan’ny Mpamonjy amin’ny mpiandry antsika ondriny?

  • Inona no dikan’ny hoe hoentina mankao am-balany? (jereo nyAlmà 5:60).

Ao amin’ny Almà 5:37, dia namariparitra ny vahoakan’i Zarahemlà ho toy ny ondry “naniasia” i Almà. Vakio ny Almà 5:37–42, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà mikasika ny fihainoana ny feon’ny Mpamonjy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Halalino ny Almà 5:37–38, ary hazavao amin’ny teninao manokana ny zavatra nampianarin’i Almà momba ny ezaka ataon’ny Tompo hiantso antsika hanaraka Azy.

    2. Ao amin’ny Almà 5:41, inona no nampianarin’i Almà mikasika ny fomba hahafantarantsika fa raha mihaino ny feon’ny Mpiandry Ondry Tsara isika? Inona ireo azo lazaina fa “asa tsara” mety hampiseho fa manaraka ilay Mpiandry Ondry Tsara ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany iray?

Tsy voatery ho mora foana ny mahafantatra sy manaraka ny feon’ny Mpamonjy. Saintsaino ity teny notsongaina naverin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Amin’ireo fampiaraham-peo henontsika eto ambonin’ny tany dia tokony ho fantantsika ny feon’ny Mpiandry Ondry Tsara, izay miantso antsika hanaraka Azy ho any amin’ny fonenantsika any an-danitra” (“Feo miovaova,” Ensign, Mey 1989, 27).

Vakio ny Almà 5:53–56, ary mariho ireo toetra sy fihetsika izay mety hanasarotra ny fihainoan’ny olona iray ny feon’ny Mpamonjy.

Eritrereto ireo toetra hafa sy fihetsika eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay manasarotra ny fihainoan’ny olona ny feon’ny Mpamonjy. Hazavao tsotsotra araka ny eritreritrao ny antony mahatonga ireo toetra sy ny fihetsika ireo hanasarotra ny fihainoan’ny olona ny feon’ny Mpamonjy:

Ao amin’ny Almà 5:57, mariho ny fehezanteny hoe “[ireo] rehetra izay maniry ny hanaraka ny mpiandry tsara.” Dia mariho avy eo ireo fehezanteny telo hafa ao amin’ny andininy 57 izay manambara ny zavatra azonao atao mba hanarahana ny feon’ny Mpamonjy.

  1. Ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, manorata ohatra iray ho an’ny tsirairay avy amin’ireto andian-teny manaraka ireto, izay maneho ny zavatra azon’ny zatovo Olomasin’ny Andro Farany iray atao ao amin’ny sekoly na ao amin’ny fiaraha-monina misy anao mba: a) hiala eo anivon’ny ratsy, (b) ho tafasaraka, sy (c) tsy hikasika zava- maloto. Avy eo dia mieritrereta zavatra atao na fahazarana roa izay hanampy ny zatovo hihaino bebe kokoa ny feon’ny Mpiandry Ondry Tsara. Raha toa ka nanampy anao hihaino ny feon’ny Mpamonjy ny iray amin’ireo zavatra atao na fahazarana ireo dia manorata mikasika izany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hizarana izany amin’ny mpampianatra na ny mpiara-mianatra rehetra ao aoriana kely ao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 5:58–60, dia nampianatra ity fahamarinana ity i Almà: Raha manaraka ny feon’ny Tompo (ilay Mpiandry Ondry Tsara) isika dia hoentiny hankany amin’ny fanjakany. Mariho ireo fampanantenana na fitahina ao amin’ny Almà 5:58–60 izay horaisin’ireo mpandova eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra.

  1. Eritrereto ny dikàn’ny tsirairay amin’ireo fampanantenana na fitahiana ireo aminao. Aorian’izay dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe nahoana no mendrika ireo fitahiana ireo ny fialànao amin’ny zavatra ratsy.

Hahazo ireo fitahiana ireo ary ny fitahian’ny fisandratana any am-parany any ianao rehefa manaraka ny feon’ny Mpamonjy.

Almà 5:43–52

Mitantara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona i Almà ary mampianatra momba ny fibebahana

Eritrereto ireo zavatra nianaranao tamin’ny alalan’ny tsirairay amin’ireo taovam-pandrenesana ara-batana dimy anananao: fahitana, fandrenesana, fitsapana, sy fanamboloana, ary fanandramana. Misy fomba hafa ve hahafahanao mahafantatra zavatra iray raha tsy mampiasa ny iray amin’ireo taovam-pandrenesana ara-batanao ireo ianao? Vakio ny Almà 5:45–48, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Almà fa fantany, sy ny fomba nahafantarany izany.

Mariho ao amin’ny Almà 5:48 ny zavatra nampianarin’i Almà momba an’i Jesoa Kristy. Ny hafatra ao amin’ny Almà 5:45–48 dia afaka fintinina toy izao: Afaka mahafantatra amin’ny tenantsika manokana isika, amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny olombelona.

Miatrika fisedrana ny finoany sy ny fijoroany ho vavolombelona avokoa ny olon-drehetra. Afaka mampatanjaka anao mandritra ireny fotoan-tsarotra ireny ny fanananao fijoroana ho vavolombelona manokana ny amin’ny fahamarinan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Afaka manampy anao eo anivon’ny zava-tsarotra ny fahatsiarovana ny fijoroana ho vavolombelonao manokana ny amin’ny Fanahy Masina, tahaka ny nataon’i Almà. Afaka mianatra ihany koa isika, avy amin’ny ohatr’i Almà, fa ny fifadian-kanina sy ny vavaka dia afaka manampy antsika hahatsapa ny Fanahy manamafy indray ny fahamarinana sy manohana ny fijoroana ho vavombelona ananantsika rehefa mila hampatanjahana izy ireny.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

Saintsaino ny fijoroanao ho vavolombelona manokana rehefa mamaky ity teny notsongaina naverina avy amin’ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity ianao, izay mandrisika antsika hikatsaka fijoroana ho vavolombelona antsika manokana momba an’i Jesoa Kristy manao hoe: “Ny fijoroana ho vavolombelona manokana, an’ny tsirairay momba ny fahamarinan’ny filazantsara, indrindra fa ny fiainana sy ny iraka masina an’ny Tompo Jesoa Kristy dia manan-danja ho an’ny fiainana mandrakizaintsika. ‘Ary izao no fiainana mandrakizay,’ hoy ny Mpamonjy, ‘dia ny mahafantatra Anao, izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy, izay efa nirahinao’ [Jaona 17:3]. Izany hoe, vokatry ny fahafantarantsika tsirairay, manokana an’ny Ray any an-danitra sy ny Zanany Masina ny fiainana mandrakizay. Tsy ampy ny fahafantarana fotsiny ny momba azy ireo. Mila manana traikefa manokana ara-panahy isika mba tsy hampihozongozona ny fijoroantsika ho vavolombelona” (“Feasting at the Lord’s Table,” Ensign, Mey 1996, 80).

  1. Fenoy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na maromaro amin’ireto asa atao manaraka ireto:

    1. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nahenoanao olona iray nizara fijoroana ho vavolombelona matanjaka, tamin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina, fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra ny olombelona. Soraty ny fahatsapanao raha nihaino izany fijoroana ho vavolombelona izany.

    2. Vakio ny Almà 5:46, ary soraty amin’ny teninao manokana avy eo ny fomba nahazoan’i Almà ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy. Eritrereto ny fomba hanarahanao ny ohatr’i Almà mba hampatanjahana ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy, ary soraty ny eritreritrao.

    3. Manorata mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao ny Fanahy Masina nijoro ho vavolombelona taminao fa i Jesoa Kristy no Mpanavotra izao tontolo izao. Manorata tanjona iray miavaka izay hanampy anao hahazo na hampatanjaka ny fijoroanao ho vavolombelona ny amin’ny Mpamonjy, toy ny fifadian-kanina na fivavahana mafimafy kokoa na fandalinana soratra masina amin’ny fo kokoa. Miasà mba hanatanteraka ity tanjona ity, na dia handany “andro maro” aza izany (Almà 5:46). (Ny fanatanterahana ity asa atao ity dia mety hanampy anao hanatontosa izay takian’ny Mon Progrès Personnel na ny Devoir envers Dieu.)

Vakio ny Almà 5:49–52, ary tadiavo izay nampianarin’i Almà ny vahoaka mikasika ny fibebahana. Hazavao eo amin’ireo tsipika navela hanaovana izany araka ny eritreritrao ny antony tokony hibebahan’ny olona hahafahany hiaina mandrakizay miaraka amin’ny Raintsika any an-danitra sy Jesoa Kristy.

Nanasa antsika ny Loholona Dallin H. Oaks handinika fanontaniana maromaro izay afaka hanampy antsika hampihatra ny nampianarin’i Almà momba ny fibebahana sy ny fiomanana hiditra ny fanjakan’Andriamanitra:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ahoana raha rahampitso ny andro hahatongavany? Raha fantatsika fa hihaona amin’ny Tompo isika rahampitso—amin’ny alalan’ny fahafatesantsika aloha loatra na amin’ny alalan’ny fahatongavany tsy nampoizina—inona no ho ataontsika anio? Inona ireo fibabohana ho ataontsika? Inona ireo fomba fanao hajanontsika? Inona ireo fifandirana na olana hovahantsika? Famelan-keloka toy ny ahoana no ataontsika? Fijoroana ho vavolombelona inona no hozaraintsika?

“Raha ho ataontsika izany amin’izany fotoana izany, nahoana no tsy izao ankehitriny izao dia atao? Nahoana no tsy hikatsaka fiadanana rehefa afaka mahazo fiadanana?” (“Preparation for the Second Coming,” Ensign naLiahona, Mey 2004, 9).

  1. Eritrereto ny iray amin’ireo fanontanian’ny Loholona Oaks. Ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, manorata mikasika ny antony hiheveranao fa zava-dehibe ny miaina isan’andro ho toy ny hoe miomana hihaona amin’ny Tompo ianao.

Diniho tsara amim-bavaka ny fomba hampiharanao ny zavatra nianaranao androany mba hahatonga anao ho vonona ny hihaona amin’ny Mpamonjy sy hiditra ao amin’ny fanjakany.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 5:37–62 aho ary manatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: