Seminera
Helamàna


Fampahafantarana ny Helamàna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mandritra ny fandalinanao ny bokin’i Helamàna dia hianatra avy amin’ny ohatra sy fampianarana avy amin’ny lehilahy manana ny maha izy azy ianao, toa an’i Helamàna, Nefia ary i Samoela ilay Lamanita, izay nankatò ny Tompo tamin-kerim-po sy nijoro ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Ny asa fanompoana nataon’ireo olona ireo dia maneho fa Andriamanitra dia manome hery mba hanampiana ireo mpanompony hanatanteraka ny Sitrapony, ary koa fa ny ezaka ataon’ny olo-marina dia afaka mitondra fitahiana ho an’ny olona an’arivony. Hianatra ihany koa ianao mikasika ny voka-dratsy ateraky ny avonavona sy ny faharatsiana ary ny tsikombakomba miafina.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nanambatra sy namintina rakitsoratra avy amin’ireo takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna mba hamoronana ny bokin’i Helamàna. Nampitondraina ny anaran’i Helamàna, izay zanakalahin’i Helamàna ary zafikelin’i Almà Zanany, ilay boky. Noraisin’i Helamàna avy tamin’i Siblôna dadatoany ireo rakitsoratra ary lohan’ny mpitsara marina teo amin’ny Nefita izy. Nampianatra an’i Nefia sy i Lehia zanany lahy izy ny hahatsiaro an’i Jesoa Kristy Mpanavotra azy ireo (jereo ny Helamàna 5:9–14). Ireo fampianarana ireo taty aoriana dia nahazoan’i Nefia fitaomam-panahy hamela ny andraikiny amin’ny maha lohan’ny mpitsara azy mba hitoriany fibebahana tamin’ny Nefita sy ny Lamanita. Taorian’ny fiovam-pon’ny Lamanita an’arivony dia notaomim-panahy ny mpaminany Lamanita iray nantsoina hoe Samoela hitory fibebahana sy haminany teo anivon’ny Nefita tamin’ny fotoana izay nanaovan’i Nefia ny toy izany koa. Ny bokin’i Helamàna dia nosintonina avy amin’ireo rakitsoratra nosoratana nandritra ny fitondrana sy ny asa fanompoana nataon’i Helamàna (Helamàna 1–3) sy Nefia (Helamàna 4–16). Ny rakitsoratr’i Nefia dia ahitana ny faminaniana sy ny fampianaran’i Samoela ilay Lamanita.

Oviana ary Taiza no Nanoratana Izany?

Ireo rakitsoratra voalohany nampiasaina ho loharanon’ny bokin’i Helamàna dia nosoratana tokotokony ho teo anelanelan’ny 52 Talohan’i J.K. sy 1 Talohan’i J.K. Nofintinin’i Môrmôna ireo rakitsoratra ireo teo ho eo anelanelan’ny 345 Taorian’i J.K. sy 385 Taorian’i J.K. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nanakambanany ity boky ity.