Seminera
Fizarana 24: Andro 3, 3 Nefia 6–10


Fizarana 24: Andro 3

3 Nefia 6–10

Fampidirana

Taorian’ny fanafahana azy ireo tamin’ny jirik’i Gadiantôna tamin’ny fomba mahagaga dia niaina fandriampahalemana nandritra ny telo taona ny Nefita sy ny Lamanita. Nipoitra ny avonavona sy ny tsy fitovian-tsaranga ary ny fanenjehana taorian’izay ary nitondra nankany amin’ny faharatsiana lehibe sy ny fionganan’ny governemanta Nefita tamin’ny farany. Ireo famantarana ny nahafatesan’i Jesoa Kristy tany Jerosalema dia nahitana faharavana lehibe izay nandrava tanàna Nefita maro, ka nahafaty ireo mponina ratsy fanahy. Nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny haizina. Tao anatin’ny haizina dia nanasa ny olona hiverina ho any Aminy ny feon’ny Mpamonjy. Rehefa nisinda ilay haizina dia niova ho fifaliana sy fiderana an’i Jesoa Kristy ny fitomanian’ny vahoaka.

3 Nefia 6–7

Nanjary feno avonavona ny Nefita, nisara-bazana ny Fiangonana, nandrava ny governemanta ny tsikombakomba miafina, ary nizarazara ho foko maro ny vahoaka

Mieritrereta fotoana iray izay tsy maintsy nandraisanao fanapahan-kevitra mikasika ny hoe hanaraka sa tsy hanaraka ny mpaminany ianao. Araka izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 6–7 dia niaina ny voka-dratsin’ny fitsipahana ireo mpaminany ny Nefita sasantsasany, raha ny hafa kosa nandritra izany dia nigoka ireo fitahiana izay azo avy amin’ny fibebahana sy ny fihainoana ireo mpanompo nofinidin’ny Tompo.

Araka izay hitanao ao amin’ny 3 Nefia 5 dia nibebaka sy nanompo an’Andriamanitra tamim-pahazotoana ny Nefita ary dia nafahana tamin’ireo jirik’i Gadiantôna tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Niroborobo nandritra ny fotoana fohy ny Nefita taorian’izay. Tafiditra haingana tao am-pon’ny maro anefa ny avonavona, izay nahatonga fisaraham-bazana teo anivon’ny Fiangonana. Nirahina ny mpaminany maro hitory mba hanohitra ny faharatsian’ny vahoaka, saingy nosamborin’ireo mpitsara izy ireo ary novonoiny an-tsokosoko (jereo ny 3 Nefia 6:4–23). Tao anatin’ny enin-taona teo ho eo dia nanolotra “ny tenany ho an’ny fahefan’ny devoly” ny vahoaka (3 Nefia 7:5) ary nanjary ratsy fanahy tokoa ka niady tamin’izay rehetra mahakasika ny fahamarinana. Naharava ny governemanta teo amin’ny tany ny tsikombakomba miafina ary nahatonga ny olona hizarazara ho foko.

Na dia teo aza ny faharatsian’ny vahoaka dia nanohy nijoro ho vavolombelona nanohitra ny fahotan’izy ireo i Nefia ary niantso azy ireo ho amin’ny fibebahana (jereo ny 3 Nefia 7:15–20). Vakio ny 3 Nefia 7:21–22 ary asio marika ireo ohatra vitsivitsy amin’ny fomba nitahiana ny vahoaka noho ny fanarahany an’i Nefia. Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa raha mibebaka isika ka manaraka ireo mpanompon’ny Tompo dia hahazo ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nisafidiananao ny hanaraka ny torohevitry ny mpaminany na ny mpitarika hafa ao amin’ny fisoronana. Ahoana no fomba nitahiana anao noho ny fanaovana izany?

3 Nefia 8:1–18

Faharavana lehibe no naneho ny fanatanterahana ny famantarana ny fahafatesan’i Jesoa Kristy

Alaivo sary an-tsaina ny fahatongavan’ny andron’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Araka ny eritreritrao, mety hanao ahoana ny fahatsapanao rehefa tonga izany fotoana izany? Mitovy amin’izany ihany, efa hatramin’ny ela ireo Nefita no niandry ny fahatongavan’i Jesoa Kristy. Naminany mikasika ireo famantarana izay hitranga amin’ny fahafatesan’i Jesoa Kristy i Samoela ilay Lamanita (jereo ny Helamàna 14:20–27). Vakio ny 3 Nefia 8:3–4 ary jereo ny fahasamihafana nisy teo amin’ny zavatra tsapan’ny Nefita sasany mikasika ireo famantarana.

Vakio ny 3 Nefia 8:5–7 ary tadiavo izay zavatra nitranga nandritra ny taona faha 34 taorian’ny andro nisehoan’ny famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy. Vakio haingana ny 3 Nefia 8:8–18 mba hitadiavana izay zavatra nitranga tamin’ny mponina tao amin’ireo tanàna izay voakasiky ny oram-baratra sy ny horohoron-tany niaraka tamin’izany. Vakio ny 3 Nefia 10:11–12 ary asio marika hoe iza ireo olona voatsimbina ka velona taorian’io faharavana io. Na dia ny “ampahany marina indrindra” tamin’ny Nefita aza ireo notsimbinina ireo dia mbola nila nibebaka sy nanatona an’i Jesoa Kristy izy ireo.

  1. Mampiasà pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina mba hamoronana lahatsoratra an-gazety mitatitra ireo zava-nitranga ao amin’ny 3 Nefia 8:5–18. Asio lohateny, manaova sary, ary soraty avy eo ny tatitra mikasika ny faharavana.

3 Nefia 8:19–25

Nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny haizina

Mieritrereta fotoana iray izay naha tao anatin’ny haizina anao tanteraka, toy ny lakavy na efitrano tsy misy varavaran-kely rehefa nisy namono ny jiro (na alaivo sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny ao anatin’izany toerana izany). Nanao ahoana izany hoe ao anaty haizina ka tsy afaka nahita? Vakio ny 3 Nefia 8:19–23 ary tadiavo izay zavatra nitranga rehefa nitsahatra ireo oram-baratra sy ny fandravana. (Azonao atao ny manisy marika ny teny na ny andian-teny rehetra izay milaza ny hatevin’ny haizina.)

Vakio ny 3 Nefia 8:24–25 ka tadiavo izay zavatra nolazain’ireo Nefita fa ho nisoroka ny fahafatesana sy ny famongorana ny maro be tamin’ny olony.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fiantraikan’ny ota amin’ny fitoerana ao anatin’ny haizina?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny fibebahana amin’ny famelana ny hazavana hiditra ao anatin’ny efitrano maizina?

3 Nefia 9:1–14

Re tao anatin’ny haizina ny feon’i Jesoa Kristy nanasa ireo izay notsimbinina tamin’ny famongorana mba hibebaka sy hanatona Azy

Nandritra ireo telo andro nisian’ny haizina dia niresaka tamin’ireo izay notsimbinina ny feon’ny Mpamonjy. Vakio ny 3 Nefia 9:1–2, 7 ary tadiavo ny antony nolazain’ny Mpamonjy fa nitrangan’ity famongorana ity teo anivon’ny vahoaka. Vakio avy eo ny 3 Nefia 9:13–14 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy mba hampiononana ny vahoaka tao anatin’ny fijaliany. Azonao atao ny manisy marika ny ampahany izay manan-danja aminao amin’ireo andininy ireo.

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona C. Scott Grow ao amin’ny Fitopololahy fa manasa antsika rehetra ny Mpamonjy hanatona Azy mba hositranina:

Sary
Loholona C. Scott Grow

“I Jesoa Kristy no Ilay Mpanasitrana Lehibe ny fanahintsika. Ankoatra ireo fahotan’ny fahaverezana, dia tsy misy fahotana na fandikan-dalàna, na fanaintainana, na fahoriana, izay tsy sitran’ny Sorompanavotany.

“Rehefa manota isika, dia lazain’i Satana hoe very. Mifanohitra amin’izany kosa, ny Mpanavotra antsika dia manolotra fanavotana ho an’ny rehetra—na inona na inona hadisoana vitantsika—na dia izaho sy ianao io aza” (“Ny Fahagagana Ateraky ny Sorompanavotana,” Ensign na Liahona, mey 2011, 109).

Ny fanasana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 9:13 mba ho any Aminy sy handray ny herin’ny fanasitranany dia mahakasika antsika tsirairay avy. Mba hahafahan’ny Mpamonjy manasitrana antsika dia tsy maintsy manaiky ny fanasany isika ary mankany Aminy, mibebaka amin’ny fahotantsika, ary miova fo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny lafin-javatra iray eo amin’ny fiainanao izay afaka mahazo tombony avy amin’ny hery manasitran’ny Mpamonjy. Inona no tokony hataonao mba hanasana Azy hanasitrana anao?

3 Nefia 9:15–22

Nanambara ny feon’ny Mpamonjy fa tanteraka tamin’ny alalan’ny sorona nataony ny lalàn’i Mosesy

Anisan’ny lalàn’i Mosesy, izay mbola niainan’ny Nefita hatramin’io fotoana io, dia nodidian’ny Tompo ny vahoakany hanatitra biby hatao sorona ho toy ny tandindona sy fanehoana ny sorona farany izay hatolony amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Ampiasao ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 9:17 mba hamenoana ity fehezanteny manaraka ity: “Amin’ny alalako no tonga ny fanavotana, ary ao Amiko ny .”

Nanambara ny Mpamonjy fa ireo fombafomba, sy lalàna, sy fombafomba arahina, ary tandindon’ny lalàn’i Mosesy rehetra, izay nomena mba hampitodika ny vahoaka tany Aminy, dia tanteraka rehefa vitany ny sorompanavotana nataony. Vakio ny 3 Nefia 9:19 ary tadiavo izay nambaran’ny Mpamonjy fa tsy tokony hataon’ny Nefita fanatitra intsony. Tadiavo avy eo ny ao amin’ny 3 Nefia 9:20 ary asio marika izay zavatra nasaina ataon’izy ireo fanatitra mba ho sorona ho solon’izany.

Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe manatitra ho sorona “ny fo torotoro sy fanahy manenina”? Ny fanahy manenina dia fanahy izay manetry tena sy azo ampianarina ary mibebaka. Mba hanananao fahatakarana lalina kokoa momba ny dikan’ny hoe manana fo torotoro sy fanahy manenina dia vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary asio marika ireo teny izay nampiasainy mba hamaritana ny hoe “fo torotoro” sy “fanahy manenina”:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

“Fahiny, rehefa te hitsaoka ny Tompo ny olona sy hikatsaka ny fitahiany dia matetika izy ireo no nitondra fanomezana. … Rehefa mikatsaka ireo fitahiana azo avy amin’ny fiovam-po ianao dia afaka manatitra ho fanomezana ho an’ny Tompo ny fonao torotoro, na mibebaka, sy ny fanahinao manenina, na mpankatò. Raha ny marina dia fanomezanao ny tenanao izany—ny maha-ianao anao sy izay hahatongavanao.

“Moa ve misy zavatra tsy madio na tsy mendrika ao aminao na eo amin’ny fiainanao? Rehefa ialanao izany dia tena fanomezana ho an’ny Mpamonjy. Moa ve misy fahazarana tsara na toetra tsara izay tsy ampy loatra eo amin’ny fiainanao? Rehefa manaiky ny hanao izany ianao ary manao izany ho ampahany amin’ny fiainanao, dia manome fanomezana ho an’ny Tompo ianao amin’izany” (“When Thou Art Converted,” Ensign na Liahona, mey 2004, 12).

Vakio ny 3 Nefia 9:21–22 ary tadiavo izay nampianarin’ny Mpamonjy fa tokony toetra ananantsika raha te hankany Aminy.

  1. Mieritrereta ankizy madinika izay fantatrao. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny toetra ananan’ireo ankizy madinika izay ilaintsika mba hankanesana any amin’ny Mpamonjy.

Sary
Oviana Izy no Nahafantatra

Fenoy amin’ireo teny na andian-teny mety amin’izany ao amin’ny 3 Nefia 9:13–14, 20–22 ity fitsipika manaraka ity: Raha manatona an’i Jesoa Kristy amin’ny fo torotoro sy fanahy manenina isika dia … Izy. (Betsaka ny valiny marina azo omena.)

  1. Mba hanampiana anao hampihatra io fahamarinana io dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Fihetsika manao ahoana no mety hanakana antsika tsy hanatitra ny fontsika torotoro sy ny fanahintsika manenina amin’ny Tompo?

    2. Manao ahoana no fomba nahitanao fa nitahian’ny Tompo anao rehefa nanatona Azy tamin’ny fo nibebaka sy fanahy manoa ianao?

    3. Ahoana no fomba tsaratsara kokoa ahafahanao manatitra fo torotoro sy fanahy manenina ho an’ny Tompo?

3 Nefia 10

Nampanantena ny Tompo fa hanangona ny vahoakany tahaka ny reniakoho manangona ny zanany

Sary
Impiry

Rehefa avy nandre ny feon’ny Tompo ny vahoaka dia nitolagaga tokoa izy ireo ka nisy fahanginana nandritra ny ora maro teo amin’ny tany. Taorian’izany dia niteny tamin’ny vahoaka indray ilay feo (jereo ny 3 Nefia 10:1–3). Vakio ny 3 Nefia 10:4–6 ary tadiavo izay nolazain’ny Mpamonjy fa nezahiny natao mba hiarovana sy hamahanana ny vahoaka. Asio marika ny fampanantenana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 6 amin’ireo izay mibebaka sy mankany Aminy amin’ny fo feno finiavana.

Sarinteny maneho akoho manangona ny zanany ao ambany elany mba hiarovana azy ireo amin’ny loza no nampiasain’ny Mpamonjy. Eritrereto ireo fomba maha toy ny reniakoho ny Mpamonjy, izay mikatsaka ny hiaro ireo zanany amin’ny loza. Ankoatra izany, araka ny voalazan’ny 3 Nefia 10:4–6 dia nahoana no tsy voangona avokoa ny mpianakavin’i Isiraely iray manontolo?

Vakio ny 3 Nefia 10:8–10 ary tadiavo ny zavatra nitranga taorian’ny nandrenesan’ny vahoaka ny feon’ny Mpamonjy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 6–10 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: