Seminera
Fizarana 28: Andro 1, 4 Nefia 1


Fizarana 28: Andro 1

4 Nefia 1

Fampidirana

Taorian’ny fitsidihana nataon’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany tany Amerika dia nampihatra ny fampianarany sy niaina 200 taona feno firaisan-kina sy firoboroboana ary fahasambarana ny vahoaka. Nanomboka niavonavona sy nanjary niharatsy hatrany anefa ny vahoaka taty aoriana. Tsy ela akory dia nanjary nisaraka ho Nefita sy Lamanita indray izy ireo, ary afaka 300 taona dia samy lasa ratsy fanahy na ny Nefita na ny Lamanita ary vahoaka marina vitsivitsy sisa no tavela.

4 Nefia 1:1–18

Niova fo avokoa ireo vahoaka ary niaina fiadanana sy fahasambarana izy ireo

Sary
zatovovavy telo mitsikitsiky

Inona no manampy anao ho tena faly?

Inona araka ny eritreritrao no maha-samy hafa ireo zavatra izay mitondra fahasambarana mandalo fotsiny ihany ho anao sy ireo zavatra izay afaka mitarika ho amin’ny fahasambarana maharitra? Vakio ny 4 Nefia 1:16 mba hahitana izay nosoratan’i Môrmôna mikasika ny vahoaka taorian’ny namangian’ny Tompo azy ireo. Azonao atao ny manisy marika ilay andian-teny hoe “marina tokoa fa tsy ho nety nisy vahoaka sambatra toa azy ireo.”

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohateny hoe Tsy Ho Nety Nisy Vahoaka Sambatra Toa Azy ireo, ary manaova sarina faribolana eo ambanin’izany, araka ny hita eto amin’ny kisary manaraka. (Hanoratra zavatra ao anaty sy ivelan’ny faribolana ianao.) Vakio ny 4 Nefia 1:1–2, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoaka izay nahatonga ny fahasambaran’izy ireo ho tanteraka. Tanisao ao anatin’ny faribolana ny zavatra hitanao.

Sary
faribolana

“Niova fo ho an’ny Tompo avokoa” ny vahoaka satria nampihatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy izy ireo (4 Nefia 1:2) ary niaina fahasambarana lehibe tokoa.

Nanazava ny fomba hifandraisan’ny fiovam-po sy ny fahasambarana ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eo am-pamakinao ny teniny dia tsipiho ny dikan’ny hoe niova fo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Miankina amin’ny halehiben’ny fiovam-ponao sy ny fiovana aterak’izany eo amin’ny fiainanao ny fahasambaranao ankehitriny sy mandrakizay. Dia ahoana ary no hahafahanao ho lasa miova fo marina? Namaritra ireo dingana tsy maintsy arahinao ny Filoha [Marion G.] Romney:

“‘Tsy voatery hitovy hevitra ny maha-mpikambana ato amin’ny Fiangonana sy ny fiovam-po. Tsy voatery ho zavatra mitovy ihany koa ny fiovam-po sy ny fananana fijoroana ho vavolombelona. Tonga ny fijoroana ho vavolombelona rehefa manome fijoroana ho vavolombelon’ny fahamarinana ho an’izay tena mikatsaka izany ny Fanahy Masina. Mamelombelona ny finoana ny fijoroana ho vavolombelona mampihetsi-po. Izany hoe miteraka fibebahana sy fankatovana ireo didy izany. Vokatra na valisoa noho ny fibebahana sy fankatovana ny fiovam-po’[ao amin’ny Conference Report, Fihaonamben’ny Vondrim-paritr’i Guatemala 1977, 8–9].

“Raha lazaina amin’ny fomba tsotra, ny tena fiovam-po dia vokatry ny finoana, sy fibebahana, ary fankatoavana tsy ankiato. …

“Miteraka ny vokatry ny fahasambarana maharitra izay azo ankafizina ny fiovam-po na dia misamboaravoara aza izao tontolo izao ary tsy sambatra velively ny ankamaroan’ny olona ” (“Full Conversion Brings Happiness,” Ensign, mey 2002, 25–26).

  1. Vakio ny 4 Nefia 1:2–3, 5, 7, 10–13, 15–18, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny zavatra niainan’ny vahoaka satria niova fo ho an’ny Tompo avokoa ny rehetra. Soraty manodidina ny ivelan’ilay faribolana nosoritanao tamin’ny asa nampanaovina anao teo aloha ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireto teny na andian-teny ireto.

Azontsika ianarana avy amin’io fotoam-pahasambarana sy firoboroboana tsy nampoizina teo anivon’ny Nefita io fa rehefa miova fo ho an’ny Tompo ny vondron’olona iray dia mitondra firaisan-kina sy fahasambarana izany. Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 4 Nefia 1:16 na koa ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika ity.

Saintsaino ny zavatra heverinao fa mety hitranga raha toa ka tena niova fo marina ho an’ny Tompo avokoa ny olona rehetra manodidina anao.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo tombontsoa heverinao fa ho tonga amin’ny fianakavianao raha toa ka miaina tahaka ireo vahoaka ao amin’ny 4 Nefia ny olon-drehetra ao amin’ny fianakavianao?

    2. Mieritrereta fotoana iray izay nitahiana anao tamin’ny naha-mpikambana anao tao anatin’ny vondrona iray izay niray hina tamin’ny fahamarinana—ohatra hoe tao amin’ny fianakavianao, kôlejy na kilasy, na vondrona ahitana namana maromaro. Inona araka ny eritreritrao no nanampy an’io vondrona io hiray hina amin’ny fahamarinana? Inona avy ireo fitahiana noraisinao sy ireo izay niaraka taminao?

4 Nefia 1:19–49

Miverina sy miparitaka ny faharatsiana ambara-pahatongan’ny fotoana hisian’ny olo-marina vitsivitsy tavela.

Inona araka ny eritreritrao no mety handrava ny fiaraha-monina sambatra tahaka ny nananan’ilay vahoaka resahina ao amin’ny 4 Nefia?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny lohateny hoe “Fandravana ny Fiaraha-monina Sambatra”, ary manaova sarina faribolana eo ambanin’izany, mitovy amin’ilay kisary nataonao tao amin’ny asa nampanaovina voalohany. Vakio ny 4 Nefia 1:20, 23–24, ary tadiavo ny zavatra izay nanomboka nanimba ny fahasambarana sy fiadanan’ny vahoaka. Soraty ao anatin’ny faribolana ny zavatra hitanao.

Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 4 Nefia 1:24 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao teny manaraka nataon’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidina Voalohany izao: “Fahavalon’ny firaisan-kina ny fieboeboana” (“Our Hearts Knit as One,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 70). Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no maha-fahavalon’ny firaisan-kina ny fieboeboana?

Manome hevi-baovao mikasika ny fieboeboana izao teny manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao. Tsipiho ireo andian-teny izay manazava ny antony mahatonga ny fieboeboana ho manimba tokoa toy izany.

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Ny fieboeboana dia fahotana … satria miteraka fankahalana na fanoherana ary mametraka ny toerantsika mihoatra an’Andriamanitra sy ireo mpiara-belona amintsika. Ny tena fotony dia otan’ny fampitahana ny fieboeboana, satria izany dia matetika no miantomboka amin’ny hoe ‘Jereo anie ny hatsarako sy ny zavatra goavana vitako e!’ ary matetika izany miafara amin’ny hoe ‘Tsara lavitra noho ianao aho.’

“Rehefa rakotra ny fieboeboana ny fontsika dia manao fahotana goavana isika, satria mandika ireo didy roa lehibe isika [jereo ny Matio 22:36–40]. Raha toa ka tokony hitsaoka an’Andriamanitra sy hitia ny hafa isika dia mamoaka fa ny tena ataontsika mazava dia ny hitsaoka sy hitia—ny sary hitantsika eo amin’ny fitaratra” (“Ny Fieboeboana sy ny Fisoronana,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 56).

  1. Vakio ny 4 Nefia 1:25–27, 30–35, 38–45, ary tadiavo ireo teny na andian-teny izay mamaritra ireo vokatry ny fieboeboana teo anivon’ny vahoaka. Soraty manodidina ny ivelan’ilay faribolana ao amin’ny asa nampanaovina 4 ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto teny sy andian-teny ireto.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireny zava-miseho ireny ny hoe miteraka fisaraham-bazana sy mitarika ho amin’ny faharatsiana lehibe kokoa ny fanaovana ota amin’ny alalan’ny fieboeboana. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io andian-teny io. Ahoana no ahafahan’ny fieboeboan’ny olona iray na roa manana fiantraikany amin’ny fahasambaran’ilay vondrona iray manontolo?

Saintsaino hoe iza ao amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto no mety hosimbain’ny fieboeboan’ny olona iray:

  • Tsy te hihaino ny lesona nomanin’ny mpampianany momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ny Zatovovavy iray ao amin’ny kilasy iray. Nahatsapa izy fa tsy mila ampianarina momba ny Tenin’ny Fahendrena indray ka nanjary nanelingelina sy nandà ny handray anjara ao am-pianarana.

  • Mandrabiraby sy manambany foana ny olona iray ao amin’ny vondrona misy azy ny namana iray satria ny fomba fiakanjon’izany olona izany dia maneho fa tsy dia manam-bola firy izy.

  1. Saintsaino raha toa ka misy ireo singa mandrafitra ny fieboeboana eo amin’ny fiainanao na tsia. Mety hanampy ny mamerina mijery ny tenin’ny Filoha Uchtdorf eo am-pisaintsainanao. Eritrerireto izay azonao atao mba hanoherana ny fieboeboana sy hikatsahana firaisan-kina sy fahamarinana mitombo hatrany ao amin’ny fianakavianao, ny kôlejy misy anao, ny kilasinao, na ny vondrona namana misy anao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo eritreritrao sy tanjonao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 4 Nefia 1 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: