Seminera
Fizarana 17: Andro 2, Almà 19–20


Fizarana 17: Andro 2

Almà 19–20

Fampidirana

Niaina fiovampo mahery vaika ny Mpanjaka Lamônia, izay nitarika ny fiovam-pon’ny maro tamin’ny olony, araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 19–20. Nandeha tany amin’ny tanin’i Midônia i Amôna sy ny Mpanjaka Lamônia mba hanafaka ireo rahalahin’i Amôna izay naiditra am-ponja. Nifanehatra tamin’ny rain’i Lamônia, izay mpanjakan’ny Lamanita rehetra izy ireo teny an-dalana. Nitarika ny rain’i Lamônia hanalefaka ny fony sy hanaiky ny hamotsotra ireo rahalahin’i Amôna ny fijoroana ho vavolombelona matanjak’i Amôna sy ny fiarovana am-pitiavana nataon’i Lamônia. Olona betsaka no nahatsapa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy nampianarina ny filazantsara ary niova fo noho ny fijoroana ho vavolombelona sy ny ohatr’i Amôna.

Almà 19

Ny Mpanjaka Lamônia sy ny maro tamin’ny olony dia nibebaka sy natao batisa

Mieritrereta momba ny onja malefaka ety ivelany ateraky ny fandatsahana vato ao anaty dobon-drano.

Amin’ny fomba ahoana no itovian’ny asan’ny olona iray amin’ilay vato nalatsaka tao anaty rano?

Manorata hoe Amôna eo amin’ny ivon’ (ilay faribolana) ity fanehoana an-tsary manaraka ity.

Sary
fanehoana an-tsary ireo onja malefaka

Vakio ny Almà 19:1, 6 mba hahafantarana hoe iza no voataona voalohany tamin’ny fijoroan’i Amôna ho vavolombelona, ary soraty ao anatin’ny faribolana voalohany ao amin’ny fanehoana an-tsary izany. Misafidiana fehezanteny iray avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo izay tsapanao fa mamaritra tsara indrindra ny zava-nitranga tamin’i Lamônia. Soraty izany fehezanteny izany sy izay heverinao fa dikan’izany:

Halalino ny Almà 19:7–10 mba hitadiavana ilay olona manaraka izay voataonan’ny fijoroan’i Amôna ho vavolombelona, ary soraty ao anatin’ny faribolana faharoa ao amin’ny fanehoana an-tsary izany. Araka ny Almà 19:10, inona no nahavariana momba ny finoana nananan’ny vadin’i Lamônia?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 19:11–13, tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fijoroan’i Lamônia ho vavolombelona fiantraikany tamin’ny vadiny?

  1. Vakio ny Almà 19:13–14, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “nentanin’ny fanahy,” na “nentanim-pifaliana”? Oviana no nahatsapanao tamin’ny fomba mahery vaika ny fitaoman’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainanao?

Vakio ny Almà 19:15, mba hitadiavana ilay olona manaraka izay voakasiky ny fijoroan’i Amôna ho vavolombelona, ary soraty eo amin’ny faribolana fahefatra eo amin’ny fanehoana an-tsary izany.

Vakio ny Almà 19:16–17ahitana hoe iza no voataona manaraka, ary soraty eo amin’ny faribolana fahefatra izany.

Eritrereto ny fomba nahavoakasika ireo mpanompon’ny mpanjaka rehetra tamin’ireo tranga niseho tamin’i Amôna, Lamônia, ary ny vadin’i Lamônia. Ao amin’ny Almà 19:15–17, asongadino izay teny na fehezanteny maneho fa nitodika tamin’Andriamanitra ireo mpanompon’i Lamônia.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no nitarihan’ireo traikefa ara-panahin’i Lamônia sy ny ankohonany an’i Abisa handray fanapahan-kevitra hizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny hafa taorian’ny taona maro izay “tsy nampahalala[ny] na oviana na oviana izany” (Almà 19:17)?

Vakio ny Alma 19:18–22 mba hahitana ny fomba nandikan’ireo olona izay nivory teo amin’ny tranon’ny mpanjaka ny zavatra hitany. Alaivo sary an-tsaina hoe Abisa ianao. Inona no zavatra hataonao manaraka aorian’ny fahitana ny fifandirana eo anivon’ny vahoaka? Mba hianarana ny zavatra nataon’i Abisa dia vakio ny Almà 19:23–29.

Vakio ny Almà 19:30–36, ary saintsaino ny fiantraikan’ny fijoroan’i Amôna ho vavolombelona tamin’ny hafa. Soraty eo amin’ny faribolana fahadimy eo amin’ny fanehoana an-tsary ny hoe “Lamanita maro hafa.”

  1. Eritrereto ireo olona rehetra voatariky ny fijoroan’i Amôna ho vavolombelona, ary aorian’izay fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fehezanteny ity: Afaka … aho amin’ny alalan’ny fizarako ny fijoroako ho vavolombelona sy fanehoako ohatra tsara.

Nanampy an’i Lamônia sy ny hafa hitodika any amin’Andriamanitra i Amôna tamin’ny alalan’ny fijoroany ho vavolombelona sy ny ohatra nasehony. Eritrereto ireo izay nandray anjara ara-panahy lehibe teo amin’ny fiainanao. Mieritrereta olona iray izay nisy fiantraikany teo aminao ny ohatra tsara nasehony sy ny fijoroany ho vavolombelona. Afaka mieritreritra fomba izay nitaoman’io olona io ny olona hafa tamin’ny tsara ihany koa ve ianao?

  1. Hevero ny fomba mety hampiharanao ny zavatra nianaranao avy tamin’ny ohatr’i Amôna amin’ny alalan’ny famaliana ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Amin’ny fomba ahoana no hitahiana ireo olona ao amin’ny fianakavianao sy ireo namanao raha toa ka manaraka ny ohatr’i Amôna amin’ny fiainana amim-pahamarinana, fanompoana ny hafa, ary fizarana ny fijoroana ho vavolombelona ianao?

    2. Ahoana no hiterahan’ny ohatra sy fijoroana ho vavolombelona “onja malefaka” mihoatra izay tsy hitanao maso, izay mitranga amin’izao ankehitriny izao eo amin’ny fianakavianao, ny namanao, ary ny olom-pantatrao?

Almà 20

Nanana fiovampo ny rain’ny Mpanjaka Lamônia ary naniry ny hianatra momba ny filazantsara izy

Vakio ireto teo-javatra telo manaraka ireto, ary saintsaino ny fomba hamalianao izany:

  • Nandray fanapahan-kevitra diso ny mpitsara iray nandritra ny fifaninanana ara-panatanjahan-tena iray, ary nitondra anao tamin’ny tsy rariny izy.

  • Niampanga anao ho nangala-tahaka teo imason’ny iray kilasy ny mpampianatra iray raha toa ka tsy nanao izany akory ianao.

  • Niampanga anao ho nanao zavatra izay nataon’ny iray tampo aminao raha ny marina ny ray aman-dreninao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 20 dia sendra ny toe-javatra izay mety nanehoan’izy ireo hatezerena i Amôna sy i Lamônia. Alaivo sary an-tsaina hoe teo amin’ny toeran’i Amôna na i Lamônia ianao eo am-pandalinana ity toko ity.

Vakio ny Almà 20:1–7 ahitana ny zava-nitranga rehefa te hampahafantatra an’i Amôna tamin’ny rainy, izay mpanjakan’ny Lamanita manontolo, i Lamônia. Dia vakio tsirairay avy eo ireto andian-tsoratra masina manaraka ireto ary saintsaino ny valinteninao amin’ireo fanontaniana miaraka amin’izany.

Almà 20:8–13

Raha teo amin’ny toeran’i Amôna ianao ary nisy olona niampanga anao tsy ara-drariny ho nandainga sy nandroba, ahoana no mety ho fahatsapanao?

Almà 20:14–16

Inona no mahavariana anao momba ny navalin’i Lamônia tamin’ny rainy?

Almà 20:17–25

Inona no fihetsika nasehon’i Amôna tamin’ny fahatezeran’ny rain’i Lamônia? Ahoana no nanehoan’i Amôna fitiavana ho an’i Lamônia?

Vakio ny Almà 20:26–27 ahitana ny fiantraikan’ny fihetsika nasehon’i Amôna. Inona no nirian’ny rain’i Lamônia hianarana taorian’ny nahitany ny fitiavana nasehon’i Amôna?

Inona no afaka ianarantsika avy amin’ny fihetsika nasehon’i Amôna tamin’ny fahatezeran’ny rain’i Lamônia?

Soraty ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 20:26–27 na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana manaraka izao: Afaka mitarika ny hafa hanalefaka ny fony sy hikatsaka ny ahafantatra ny marina isika rehefa miasa amim-pitiavana. Eritrereto ny fotoana mety nanananao fahafahana tao an-tokantranonao, niaraka tamin’ny namanao, na tany an-tsekoly izay namalianao ny fahatezeran’olon-kafa tamim-pitiavana.

  1. Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamaritra ny fomba ahafahanao mamaly tsaratsara kokoa ny fahatezerana amin’ny fitiavana, tahaka ny nataon’i Amôna tamin’ilay mpanjakan’ny Lamanita.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 19–20 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: