Seminera
Fizarana 8: Andro 3, 2 Nefia 29–30


Fizarana 8: Andro 3

2 Nefia 29–30

Fampidirana

Mitohy ao amin’ny 2 Nefia 29–30 ny hafatr’i Nefia mikasika ilay asa mahatalanjon’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara. Mijoro ho vavolombelona izy fa amin’ny andro farany dia hiara-hiasa ny soratra masina rehetra mba hampiseho amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra fa mahatsiaro ny zanany ny Tompo. Ireo rakitsoratra ireo dia vavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona fa Mpamonjy antsika i Jesoa Kristy. Naminany i Nefia fa maro no handa ny Bokin’i Môrmôna saingy ireo izay mino dia hangonina ao amin’ny Fiangonana. Ankoatra izany dia nampianatra i Nefia fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra dia ireo izay mibebaka sy mino ny Zanakalahin’Andriamanitra.

Sary
ilam-bolantany atsinanana miaraka amin’ny Baiboly, andrefana miaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 29:1–14

Nolazain’ny Tompo tamin’i Nefia fa amin’ny andro farany dia olona maro no handa ny Bokin’i Môrmôna

Hitan’i Nefia fa olona maro amin’ny andro farany no hino fa ny Baiboly no hany boky soratra masina nambaran’Andriamanitra ary ary handa ny Bokin’i Môrmôna izy ireo. Inona no havalinao raha toa ka misy namana iray manontany hoe: “Nahoana no manana Baiboly iray hafa ny Môrmôna?”

Nanome valiny vitsivitsy mikasika izany fanontaniana izany i Nefia tamin’ny alalan’ny firaketany ny tenin’ny Tompo momba ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna ao anatin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany, izay nantsoin’ny Tompo hoe “asa mahatalanjona” (2 Nefia 29:1). Vakio ny 2 Nefia 29:1–2, ary fantaro ny zavatra hataon’ny tenin’ny Tompo amin’ny andro farany. (“Hankany” amin’ny taranak’i Nefia izany ary “hisiaka hatrany am-paran’ny tany.”) Ny hoe “siaka” dia midika hoe “feo mikiriorioka,” izay maneho fiantsoana mba hivondrona.

Ny teny hoe faneva ao amin’ny 2 Nefia 29:2 dia ilazana zavatra iray izay manangona sy mampiray ny olona. Ny saina no antsoina matetika hoe faneva. Araka ny 2 Nefia 29:2, dia inona ilay faneva izay handeha “hatrany am-paran’ny tany” mba hanangonana ny vahoakan’ny Tompo? (Azonao atao ny manoratra zavatra toy ny hoe Ny Bokin’i Môrmôna —tenin’ny taranak’i Nefia eo akaikin’ny 2 Nefia 29:2.)

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tanjon’ny Tompo tamin’ny fanomezana soratra masina fanampiny toy ny Bokin’i Môrmôna araka ny 2 Nefia 29:1–2.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Nanome an’izao fanazavana manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roamboinifolo mikasika ny Bokin’i Môrmôna: “Ny Bokin’i Môrmôna dia fanambarana lehibe mikasika ny fanekempihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ny zanany tety an-tany sy ny fitiavany azy ireo” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 4).

Ao amin’ny 2 Nefia 29 ny teny hoe Jentilisa dia ilazana ny olona izay tsy ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely. Ny teny hoe Jiosy dia ilazana ny olona ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely izay ahitana ny fianakavian’i Lehia sy ny taranany. Vakio ny 2 Nefia 29:3–6, ka tadiavo ny ho fihetsik’ireo Jentilisa sasany eo anatrehan’ilay soratra masina fanampiny. Soraty eo amin’ilay faritra nomena ny valiny omenao an’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Inona no ho fihetsiky ny olona sasany eo anatrehan’ny soratra masina fanampiny?

Inona no nolazain’ny Tompo mikasika ny olona maneho fihetsika toy izany?

Tamin’ny endrika faminaniana no namaritan’i Nefia ny ho fihetsiky ny olona eo anatrehan’ny Bokin’i Môrmôna. Maneho fiahiahiana matetika ny olona amin’izao fotoana izao mikasika ny Bokin’i Môrmôna satria efa manana ny Baiboly izy ireo. Asio marika ireo teny na andian-teny ao anatin’ny 2 Nefia 29:7–11 izay manazava ny tanjon’ny Tompo tamin’ny nanomezany soratra masina fanampiny. Eritrereto ny fomba mety hanazavanao ireo tanjona ireo amin’ny olona iray izay tsy mahatakatra ny filana na ny maha zava-dehibe ny fandraisana fanambarana fanampiny avy amin’Andriamanitra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nasianao marika tao amin’ny 2 Nefia 29:7–11, ny valin’ilay fanontaniana naroso tany am-piandohan’ny lesona manao hoe: “Nahoana no manana Baiboly iray hafa ny Môrmôna?”

Ny Tompo dia manome soratra masina ho toy ny vavolombelona faharoa ary mba hanangonana ny olony ho ao amin’ny fanekempihavanany. Vakio ny 2 Nefia 29:13–14, ary tadiavo ilay fitahiana azo rehefa tonga teo anivon’ny olona ireo soratra masina —“ny tenin’ny Nefita” (Ny Bokin’i Môrmôna), “ny tenin’ny Jiosy” (ny Baiboly), ary “ny tenin’ny foko very tamin’i Isiraely”.

2 Nefia 30:1–8

Naminany ny anjara asan’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany i Nefia

Sary
tovolahy anankiroa

Rehefa avy nampianatra i Nefia fa hahatsiaro ny mpianakavin’i Isiraely Andriamanitra dia nampitandrina ny olony izy mba tsy hieritreritra hoe marina kokoa noho ny Jentilisa izy ireo. Nampahatsiahiviny koa izy ireo fa ny olona rehetra dia afaka ny ho lasa olon’ny fanekempihavanan’Andriamanitra. Vakio ny 2 Nefia 30:2, ary soraty etsy amin’ilay faritra nomena ireo zavatra roa izay ilain’ny olona hatao alohan’ny hanaovan’ny Tompo fanekempihavanana amin’izy ireo.

Makà fotoana kely hisaintsainana ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna teo aminao na teo amin’ny olona iray akaiky anao. Dia vakio avy eo ny 2 Nefia 30:3–8, ary soraty ao anatin’ity asa atao manaraka ity ireo andian-teny izay mamaritra ny fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna teo amin’ireo olona izay nandray azy.

Vondron’olona

Ny Fiantraikan’ny Bokin’i Môrmôna

Taranak’i Lehia (2 Nefia 30:3–6)

Jiosy (2 Nefia 30:7)

Jentilisa, na firenena rehetra (2 Nefia 30:8)

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity ary asio marika miavaka ireo antony mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho fitaovana mahery vaika ho an’ny asa fitoriana:

Sary
Nataon’ ny Filoha Henry B. Eyring

“Ny Bokin’i Môrmôna no ivon’ny asa fitoriana hatramin’ny namerenana tamin’ny laoniny ny filazantsara tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph. Ampiasaintsika isan’andro ao anatin’ny asa fitoriana izany. Ny zavatra iray mahatonga ny Bokin’i Môrmôna ho toy ny fanalahidin’ny fahazoana hery ho an’ny lafiny tsirairay ao anatin’ny asa fitoriana dia izao: ny Bokin’i Môrmôna dia testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy. Milaza izany amintsika ny pejy misy ny lohateny. Milaza izany fa ny tanjon’ilay boky dia ny hampiseho ireo zavatra lehibe nataon’ny Tompo ho an’ny olony mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa mbola manan-kery ny fanekempihavanana nataon’ny Tompo tamin’ny olony ary mba handresena lahatra ny olona rehetra fa i Jesoa no Kristy” (“Why the Book of Mormon?” New Era, mey 2008, 6, 8).

Ny fandalinana ny 2 Nefia 30:1–8 dia mampiseho antsika fa afaka manampy ny olona hahafantatra an’i Jesoa Kristy sy hiaina ny filazantsarany ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Fidio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hovalianao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Ahoana no fomba nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao ho lasa nahafantatra ny Mpamonjy?

    2. Ahoana no fomba hampiasanao ny Bokin’i Môrmôna mba hanampiana ny hafa ho lasa hahafantatra ny Mpamonjy?

2 Nefia 30:9–18

Naminany mikasika ireo toe-javatra hiseho eto an-tany mandritra ny Arivotaona i Nefia

Vakio ny 2 Nefia 30:9–10, ary tadiavo ny zavatra hitranga eo anivon’ny olona alohan’ny Arivotaona—ilay 1.000 taona hanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana aorian’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany, rehefa “i Kristy tenany mihitsy no hanjaka ety an-tany” (Fanekem-pinoana 1:10). Ahoana no fomba nahitana “fizarazarana lehibe” (2 Nefia 30:10) izay manasaraka ny olo-marina amin’ny olon-dratsy? Inona no hitranga amin’ny olo-marina amin’ny farany?

Vakio ny 2 Nefia 30:12–18, ary tadiavo ny ho endriky ny fiainana mandritra ny Arivotaona.

  1. Manorata lohatenin-dahatsoratra an-gazety iray (fanehoana zavatra iray miavaka na famintinana ao anatin’ny teny vitsivitsy) ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mamaritra ny toe-javatra hiseho mandritra ny arivotaona izay tena andrandrainao tokoa. Rehefa avy nanoratra lohateny iray ianao dia hazavao ny antony mahatonga izany lohateny izany ho toy ny fanehoana ilay fiadanana izay hanjaka ety an-tany mandritra ny Arivotaona.

Eritrereto hoe inona no hitranga rehefa tsy hanam-pahefana amin’ny fon’ny olona i Satana mandritra ny Arivotaona ary hanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Eritrereto hoe inona no hiova eo amin’ny sekolinao na fiaraha-moninao raha toa ka ireo toe-javatra ireo no miseho ankehitriny.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra azonao atao mba hanampiana ny tenanao sy ny fianakavianao ary ny hafa hiomana amin’izany fotoana hisian’ny fiadanana sy fahamarinana izany.

Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho

Ahoana no Fomba Hahatongavan’ireo Rakitsoratra Masina Fanampiny?

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanambara fa ireo rakitsoratra voalaza ao amin’ny 2 Nefia 29:12–14 dia “ho tonga amin’ny fomba mahatalanjona eo ambany fitarihan’ny foilohan’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izay mpanambara sy mpandika teny ary mihazona ireo fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra” (The Millennial Messiah [1982], 217). Fantatsika fa nitsidika ny sasany tamin’ireo foko very tamin’i Isiraely ny Mpamonjy. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nitsidika ny Nefita Izy, ary izy ireo koa dia hanoratra ny tantara mikasika ny asa fanompoana nataony teo anivon’izy ireo taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty (jereo ny 3 Nefia 16:1–3; 17:4).

Rahoviana ny “Jiosy … no Hanomboka Hino an’i Kristy”?

Ny Loholona Bruce R. McConkie koa dia niresaka mikasika ny fiovam-pon’ny Jiosy:

“‘Ary ny zavatra hitranga dia hanomboka hino an’i Kristy ny Jiosy izay miely patrana; ka hanomboka hitambatambatra izy eto ambonin’ny tany’ (2 Ne. 30:7.) Nitsahatra ny tsy fitiavan’ny Jiosy fahiny an’i Kristy tamin’ny ankapobeny ary maro ankehitriny no manaiky Azy ho toy ny ‘Raby’ lehibe na dia tsy raisiny ho toy ny Zanak’Andriamanitra aza. Nisy vitsivitsy nanaiky Azy tanteraka ka niditra ho mpikamban’ny Fiangonana marina niaraka tamin’ireo tamingan’i Efraima sy ny namany izay voangona.

“Saingy ilay fiovampo lehiben’ny Jiosy sy ny fiverenany amin’ny fahamarinana amin’ny maha-firenena azy dia natao hiseho aorian’ny Fiavian’ny Mesia Fanindroany. Ireo izay afaka ny hahatratra izany andro izany dia hanontany ao anatin’ny fisafoahany sy ny tomaniny hoe: ‘Inona ireo ratra eo amin’ny tananao sy eo amin’ny tongotrao ireo? Ho fantany amin’izay fa Izaho no Tompo; fa hiteny Aminy aho: Ireto ratra ireto no ratra izay nandratrana Ahy tao an-tranon’ny sakaizako. Izaho Ilay nasandratra. Izaho no Jesoa izay nohomboana. Izaho no Zanak’Andriamanitra.’ (F. & F. 45:51–52; Zak. 12:8–14; 13:6.)” (Mormon Doctrine, boky nivoaka faha 2 [1966], 722–23).

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 29–30 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: