Seminera
Fizarana 9: Andro 1, 2 Nefia 32


Fizarana 9: Andro 1

2 Nefia 32

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra mikasika ny “lalana ety sy tery mitondra any amin’ny fiainana mandrakizay” (2 Nefia 31:18) i Nefia dia nahita izy fa nanontany tena ny olona hoe inona no tokony hataon’izy ireo rehefa nanomboka ilay lalana izy ireo. Novaliany ny fanontanian’izy ireo tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo mba “hivoky amin’ny tenin’i Kristy” ary “hivavaka mandrakariva” (2 Nefia 32:3, 9). Nanome toky azy ireo izy fa raha ataon’izy ireo ireo zavatra ireo dia hanampy azy ireo hanao izay tokony hatao ny Fanahy Masina.

2 Nefia 32:1–7

Nanoro hevitra antsika i Nefia mba hikatsaka torolalana masina avy amin’ny tenin’i Jesoa Kristy

Eritrereto ny fotoana iray izay nanomezan’ny olona iray torolalana anao mba hahatongavana any amin’ny toerana iray hafa raha miala eo amin’ny toerana iray. Sarotra ve sa tsia ny nanakatra ireo torolalana ireo? Nahoana no zava-dehibe ny fananana olona iray manome torolalana mazava?

Tao anatin’ny lesona teo aloha dia nianatra mikasika ireo torolalana sasantsasany nomen’i Nefia ny olony ianao. Rehefa avy nizara ireo torolalana ireo izy dia nilaza hoe “Izany no lalana” (2 Nefia 31:21). Vakio haingana ny 2 Nefia 31:17–18, ary avereno jerena ny fomba fanombohan’ny olona ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Dia vakio avy eo ny 2 Nefia 32:1, ary tadiavo ilay fanontaniana iray izay tao am-pon’ny olona mikasika ny zavatra nampianarin’i Nefia azy ireo. Ambarao amin’ny alalan’ny teninao manokana ilay fanontaniana napetraky ny olona:

Vakio ny 2 Nefia 32:2–3, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Nefia fa ilaintsika atao rehefa tafiditra ilay lalana isika. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe miteny amin’ny fitenin’ny anjely araka ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, “dia midika tsotra fotsiny hoe afaka miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ianao” (“The Gift of the Holy Ghost: What Every Member Should Know,” Ensign, aog. 2006, 50).

Azonao asiana marika ny andian-teny hoe “mivoky amin’ny tenin’i Kristy” ao amin’ny 2 Nefia 32:3 (soratra masina fehezina io andinin-tsoratra masina io). Nampiasa ny andian-teny hoe “tenin’i Kristy” i Nefia mba hamaritana ireo fampianarana avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina. Tanisao ireo fomba na toerana sasantsasany izay ahafahanao mamaky na mandre na mandray fampianarana avy amin’ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Ny tenin’i Kristy dia ahitana ireo soratra masina sy tenin’ireo mpaminany amin’izao andro izao. Mba hanampiana anao hahatakatra ny dikan’ny hoe “mivoky amin’ny tenin’i Kristy,” dia vakio ireto teny nambaran’olona manaraka ireto:

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Nampianatra ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Midika zavatra bebe kokoa ny hoe mivoky noho ny hoe manandrana. Ny mivoky dia midika hoe mankafy. Mankafy ny soratra masina isika amin’ny alalan’ny fandalinana izany ao anatin’ny toe-tsaina mikarokaroka fatratra sy mankato amim-pahatokiana. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika dia lasa ampahan-javatra raiki-tampisaka ao anatin’ny toetrantsika izy ireo” (“Living by Scriptural Guidance,” Ensign, nôv. 2000, 17).

Hoy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Raha toa ka hivoky amin’ny tenin’i Kristy izaho sy ianao dia tsy maintsy mandalina ny soratra masina ary mianatra avy amin’ny teniny amin’ny alalan’ny fisaintsainana azy ireo sy fampidirana azy ireo ao anatin’ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika rehetra” (“Healing Soul and Body,” Ensign, nôv.1998, 15).

  1. Soraty amin’ny teninao manokana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny dikan’ny hoe mivoky amin’ny tenin’i Kristy araka ny eritreritrao.

Saintsaino ny fahasamihafana misy eo amin’ny teny hoe mivoky, mitsakitsaky, ary noana. Eritrereto vetivety ny mety azo ampitahana ny fomba tsy mahomby loatra eo amin’ny fandalinana ny tenin’i Kristy amin’ny fihinanana tsakitsaky na hanoanana mihitsy aza.

Fenoy ny ambin’ity fitsipika manaraka ity araka ny ao amin’ny 2 Nefia 32:3: Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isika, ny tenin’ny Kristy dia .

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nitondran’ny fivokisana tamin’ny tenin’i Kristy fanampiana anao mba hahafantatra izay tokony hatao eo amin’ny fiainanao na tantarao ao ny toe-javatra iray izay atrehanao amin’izao fotoana ka afaka manampy anao amin’izany ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy.

Fenoy ny banga etsy ambany mba hanombantombanana hoe hatraiza ny fivokisanao amin’ny tenin’i Kristy ary ahoana no ahafahanao mivoatra. Soraty eo amin’ny ohatra tsirairay etsy ambany ny teny hoe — mivoky, mitsakitsaky, na noana—izay tena mamaritra tsara ny hoe manao ahoana ny fikatsahanao ny tenin’i Kristy ao anatin’io toe-javatra io. Ohatra, mety mivoky amin’ny soratra masinao ianao ao anatin’ny fandalinanao manokana saingy mitsakitsaky amin’ny tenin’i Kristy fotsiny ianao mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana.

Fandalinana manokana ny soratra masina:

Fivoriana Fanasan’ny Tompo:

Fihaonamben’ny Fiangonana:

Fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina:

Seminera:

Takarivan’ny mpianakavy:

Fivorian’ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna na fotoam-pianaran’ny Zatovovavy:

Sekoly Alahady:

Vavaka Ataon’ny Tena Manokana:

  1. Manokanà fotoana kely hisafidianana ny iray amin’ireo zavatra atao izay nasianao soratra hoe “mitsakitsaky” an’izany na “noana” an’izany ianao ankehitriny. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hivokisanao tsaratsara kokoa amin’ny tenin’i Kristy ao anatin’izany toe-javatra izany. Dia tanteraho hatramin’ny farany izany.

Vakio ny 2 Nefia 32:4–7, ary saintsaino ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto (hanoratra ny valinteninao ho an’ny iray amin’ireto fanontaniana ho an’ny asa ampanaovina faha 4 ireto ianao):

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mangataka” na “mandondona” ao amin’ny andininy faha 4? Ahoana no mety mahatonga ny vavaka ho ohatra tsara amin’ny fangatahana na fandondonana?

  • Inona koa araka ny ao amin’ny andininy faha 4 no nolazain’i Nefia fa hianjady amin’ireo izay tsy hangataka na handondona?

  • Araka ny ao amin’ny andininy faha 5, dia inona no fitahiana nampanantenain’i Nefia fa ho azontsika rehefa mandray ny Fanahy Masina isika?

  • Araka ny ao amin’ny andininy faha 7, dia inona avy ireo toetra nasehon’ny olon’i Nefia ka nitarika azy hitoreo? Nahoana araka ny eritreritrao no manakana ny olona hikaroka sy hanakatra “fahalalana be” ireo toetra ireo?

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahamarinana iray nianaranao avy amin’ny 2 Nefia 32:4–7, ary hazavao ny antony maha zava-dehibe izany fahamarinana izany eo amin’ny fiainanao.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 32:3

  1. Hafiriana araka ny eritreritrao no ilaina mba hahaizana tsianjery ny 2 Nefia 32:3 raha toa ka mitanisa izany ianao isaky ny misakafo? Soraty eo amin’ny karatra kely na tapa-taratasy iray izany andinin-tsoratra masina izany ary ento miaraka aminao. Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy mandritra ny andro vitsivitsy manaraka amin’ny alalan’ny fianarana tsianjery ny 2 Nefia 32:3 mialohan’ny sakafo sy aorian’ny sakafo. Ataovy tatitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe fotoam-pisakafoanana impiry no nilainao mba hahaizana tsianjery ilay soratra masina.

2 Nefia 32:8–9

Nanoro hevitra antsika i Nefia mba hivavaka lalandava

Olona maro no milaza fa rehefa avy nanota izy ireo dia tsy te hivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Eritrereto vetivety hoe inona no antony mahatonga izany. Iza no tsy maniry ny hivavahanao foana indrindra fa rehefa avy nanota ianao? Nahoana? Jereo ao amin’ny 2 Nefia 32:8 ny zavatra ampianarin’ny Fanahy Masina mba ho hataontsika mikasika ny vavaka. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto: Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo hivavaka ianao? Nahoana araka ny eritreritrao no tsy tian’i Satana hivavaka ianao?

Vakio ny 2 Nefia 32:9, ary tadiavo hoe impiry isika no tokony hivavaka ary inona avy ireo fitahiana nampanantenain’ny Tompo antsika raha mivavaka isika.

Isika dia mianatra izao fitsipika izao avy ao amin’ny 2 Nefia 32:9: Rehefa mivavaka foana isika dia ho afaka ny hanao izay tian’ny Tompo hampanaovina antsika mba hahasoa ny fanahintsika. (Marihina fa ny 2 Nefia 32:8–9 dia andinin-tsoratra masina fehezina. Azonao asiana marika miavaka izany mba hahitanao izany any aoriana.)

Sary
zatovovavy iray mivavaka

Saintsaino ny dikan’ny hoe mivavaka mandrakariva. Rehefa mamaky ity teny manaraka nolazain’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity ianao dia tsipiho ny fomba iray na maromaro izay ahafahantsika manatanteraka ilay didy hoe “mivavaka mandrakariva”:

Sary
Loholona David A. Bednar

“Mety misy zavatra mahakasika ny toetrantsika, ny fihetsika ataontsika na mikasika ny fivoarantsika ara-panahy izay ilantsika torohevitra avy amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka atao maraina. Rehefa avy manolotra ireo fisaorana sahaza noho ireo fitahiana azo isika dia mangataka fahatakarana, sy fitarihana ary fanampiana mba hanaovana ny zavatra tsy ho vitantsika amin’ny herintsika samirery. …

“Mandritra ny tontolon’ny andro dia manohy manao vavaka ao am-pontsika isika mba hahazoana fanampiana sy fitarihana tsy tapaka. …

“Mahatsikaritra isika amin’io andro io fa hisy fotoana izay raha toa ka ny ho alaim-panahy hiteny mahery no mahazatra antsika, dia tsy manao izany isika; na koa fotoana izay tokony hahatezitra antsika kanefa tsy tezitra isika. Mahatsapa fanampiana sy hery avy any an-danitra isika ary mahafantatra amim-panetren-tena fa izany no valim-bavaka voaraintsika. Ary na mandritra izany fotoana nahafantarana fa naharay valim-bavaka izany aza dia manolotra vavaka mangina ho fankasitrahana koa isika.

“Amin’ny fiafaran’ilay andro nolalovantsika dia mandohalika indray isika manao tatitra amin’ny Raintsika. Manao jery todika ny andro isika ary maneho fisaorana avy ao am-po noho ireo fitahiana sy fanampiana izay voaray. Mibebaka isika ary miaraka amin’ny fanampian’ny Fanahin’ny Tompo dia hahita fomba maro ahafahana hanao sy ho tonga tsaratsara kokoa ho an’ny ampitso. Noho izany ny vavaka ataontsika ny hariva dia mifototra amin’ny vavaka maraina sy ny tohin’ny vavaka maraina. Ary ny vavaka atao ny hariva koa dia fiomanana ho amin’ny fiomanana amin’ny vavaka manan-danja ho ataontsika ny ampitso maraina.

“Ny vavaka maraina sy hariva—ary ireo vavaka rehetra eo anelanelam-potoana—dia tsy zavatra tsy mifampiankina na zavatra misaratsaraka; fa mifandray izy ireo ao anatin’ny andro iray, ary mifampitohy ao anatin’ny andro maromaro, ny herinandro, ny volana maromaro ary taona maromaro mihitsy aza. Izany no isan’ny fomba entintsika hanatanterahana ilay famporisihana ao amin’ny soratra masina mba ‘hivavaka mandrakariva’ (Lioka 21:36; 3 Nefia 18:15, 18; F&F 31:12). Ny vavaka manan-danja toy izany dia fitaovana mandray ireo fitahiana ambony indrindra avy amin’Andriamanitra izay tehiriziny ao amin’ny trano fanobiana ho an’ireo zanany mahatoky” (“Mivavaha Mandrakariva,” Ensign na Liahona, nôv. 2008, 41–42).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny fanarahana ny torolalana nomen’ny Loholona Bednar mba “hivavaka mandrakariva” manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Mba hamaranana ity lesona ity dia vakio ity fijoroana ho vavolombelona manaraka nataon’ny Loholona Spencer J. Condie ity izay mpikambana iray tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany, ka mikasika ny fivokisana amin’ny tenin’i Kristy izany: “Mety eo am-pandraisana fanapahan-kevitra mikasika ny fandehanana hanao asa fitoriana ianao sy ny asa aman-draharaha hatao any aoriana ary ny fanambadiana amin’ny farany. Rehefa mamaky ny soratra masina ianao ary mivavaka mba hahazo torolalana dia mety tsy ho hitanao amin’ny endrika teny voasoratra ao amin’ilay pejy raha ny marina ny valiny fa rehefa mamaky ianao dia hahazo fahatsapana miavaka sy bitsika ary araka ny efa nampanantenaina, ny Fanahy Masina dia ‘hampiseho ami[nao] ny zavatra rehetra izay tokony hatao[nao]’ [2 Nephi 32:5]” (“Becoming a Great Benefit to Our Fellow Beings,” Ensign, mey 2002, 45).

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—2 Nefia 32:8–9

  1. Mandritra ny 24 ora manaraka dia ezaho ampidirina ao amin’ny fiainanao ny zavatra nianaranao mikasika ny hoe “mivavaka mandrakariva.” Amin’ny fiandohan’ ny lesona manaraka dia hasaina ianao mba hanao tatitra ny hevitrao sy ny zavatra tsapanao mikasika izany zavatra niainana izany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny fiezahana “mivavaka mandrakariva” mitondra fiovana eo amin’ny vavaka ataonao.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 32 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: