Seminera
Tenin’i Môrmôna


Fampahafantarana ny Tenin’i Môrmôna

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Amin’ny alalan’ny fandalinana ny Tenin’i Môrmôna, ianao dia afaka mampitombo ny finoanao fa “ny Tompo mahalala ny zavatra rehetra” (Tenin’i Môrmôna 1:7) ary mitarika ny mpanompony izy hanatontosana ireo tanjony. Noho ilay boky mitantara zavatra dia toy ny rohy mampifandray ny takelaka kelin’i Nefia (1 Nefia–Ômnia) sy ny famintinan’i Môrmôna ireo takelaka lehiben’i Nefia (Môsià–4 Nefia) izany. Ny Tenin’i Môrmôna dia afaka manampy anao hahatakatra bebe kokoa hoe iza no rakitsoratra nofintin’i Môrmôna rehefa nandrafitra ny Bokin’i Môrmôna izy. Mampahafantatra anao ny finoana sy ireo zava-bitan’ny Mpanjaka Benjamina ihany koa izany.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Môrmôna no nanoratra ity boky ity. Mpaminany sy mpitana rakitsoratra ary mpamintina sy mpandrafitra ny ampahany betsaka indrindra amin’ny Bokin’i Môrmôna izy. Nampitondraina ny anarany ny Bokin’i Môrmôna. Miaramila manam-boninahitra Nefita ihany koa izy ary raim-pianakaviana marina. Zanany lahy ny mpaminany Môrônia.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Tokotokony ho tamin’ny 385 taorian’i J.K.no nanoratan’i Môrmôna ity boky ity rehefa avy “nanatri-maso ny fandringanana saika manontolo ny Nefita olo[ny]”( Tenin’i Môrmôna 1:1) izy. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy rehefa nanoratra ity boky ity izy.