Seminera
Fizarana 28: Andro 3, Môrmôna 3–6


Fizarana 28: Andro 3

Môrmôna 3–6

Fampidirana

Taorian’ny nakan’ny Nefita indray ny tanin’izy ireo tamin’ny Lamanita dia niomana hiady indray izy ireo. Niangavy ny Nefita i Môrmôna mba hibebaka; naleon’izy ireo anefa nirehareha tamin’ny tanjany sy nianiana ny hamaly faty ny fahafatesan’ireo rahalahiny. Nandà ny hitarika ny miaramilan’izy ireo i Môrmôna satria noraran’ny Tompo tsy hikatsaka ny hamaly faty ny vahoakany ka dia resy izy ireo. Nandrotsaka ny fitsarany teo amin’ny Nefita Andriamanitra raha nikiry niaina tao amin’ny faharatsiany izy ireo ka nanomboka nanaisotra ny Nefita teo amin’ny tany ny Lamanita. Niverina nitarika ny Nefita tamin’ny ady i Môrmôna taty aoriana, kanefa noho izy ireo nandà ny hibebaka dia nofongoran’ny Lamanita izy ireo. Nitoloko noho ny amin’ny fahafatesan’izy ireo sy ny tsy fahavononan’izy ireo hiverina amin’i Jesoa Kristy i Môrmôna. Naminany izy fa hivoaka amin’ny andro farany ny rakitsoratry ny vahoaka, ary namporisika an’ireo izay hamaky izany izy mba hibebaka sy hiomana amin’ny fitsarana azy ireo manokana eo anatrehan’Andriamanitra.

Môrmôna 3–4

Nandà ny hitarika ireo miaramilan’ny Nefita i Môrmôna satria nitombo tao amin’ny faharatsiana izy ireo, ary nanomboka nanaisotra ny Nefita tamin’ny tany ny Lamanita

Efa nahatsapa ve ianao fa nisy zavatra iray tian’ny Tompo ovainao teo amin’ny fiainanao? Mieritreritra ve ianao fa namporisika na nanampy anao hanova zavatra iray teo amin’ny fiainanao Izy kanefa tsy tsapanao akory izany?

Tamin’ny andron’i Môrmôna dia matetika ny Nefita no tsy nahatsikaritra na nankasitraka ny fanampian’ny Tompo azy ireo tamin’ireo adiny tamin’ny Lamanita. Taorian’ny nanaovan’ny Nefita fifanarahana tamin’ny Lamanita sy ireo jirik’i Gadiantôna dia namela azy ireo hiaina 10 taona tsy nisy fifandirana ny Tompo. Niomana ara-batana tamin’ireo fanafihana ho avy izy ireo nandritra ireo taona ireo (jereo ny Môrmôna 2:28; 3:1).

Vakio ny Môrmôna 3:2–3, ary mitadiava fomba iray manan-danja kokoa izay tian’ny Tompo hanomanan’ny Nefita ny tenan’izy ireo amin’ireo fanafihan’ny Lamanita. Inona no fihetsika nasetrin’ny Nefita izany? Araka ny Môrmôna 3:3, inona no antony nitsimbinan’ny Tompo ny Nefita tamin’ireo adin’izy ireo teo aloha na dia teo aza ny faharatsiam-panahiny?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrmôna 3:4–8 dia niaro ny Nefita avo roa heny ny Tompo tamin’ny ady. Fahamarinana ara-potopampianarana iray azontsika ianarana avy amin’ny fifandraisan’ny Tompo tamin’ny vahoaka Nefita ratsy fanahy ny hoe ao anatin’ny famindrampony dia manome antsika fahafahana ampy mba hibebahana amin’ny fahotantsika ny Tompo. Mariky ny faharetana sy hatsaram-panahin’Andriamanitra ary ny faniriany mba hiainan’ireo zanany rehetra amin’ny fomba izay hahatonga azy ireo ho mendrika ireo fitahiana fenon’ny Sorompanavotana ireny fahafahana ireny.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto (azonao atao ny mamaly azy ireo ao anatin’ny diarinao manokana raha toa ka masina na tsiambaratelo ireo valinteny):

    1. Tamin’ny fomba ahoana no mamporisihan’ny Tompo anao mba hibebaka sy nanomezany anao fahafahana mba hanao izany? Inona no ampianarin’izany anao mikasika ny toetrany?

    2. Inona no azonao atao mba hialana amin’ny fanaovana tsinontsinona na fanamafisana ny fonao ny amin’izany famporisihana izany, tahaka ny nataon’ny Nefita ao amin’ny Môrmôna 3:3?

Mety ho tonga matetika tsy araka ny fahitanao izany ireo fahafahana sy fanasana avy amin’ny Tompo mba hanisy fanovana eo amin’ny fiainanao. Ohatra, mety ho tonga izy ireny rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao, na rehefa mahatsapa fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina ianao mba hanatsara ny tenanao na hanompo ny hafa. Rehefa mitady ireny fahafahana ireny sy mamaly amin’ny alalan’ny fanatanterahana fanovana eo no eo ianao dia hanasa ilay herin’ny fanavotan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao. Vakio ny Môrmôna 3:9–10 mba hanampiana anao hahatakatra ny fanoheran’ny Nefita an’ireo ezaky ny Tompo mba hanampy azy ireo, ary tadiavo ny fihetsika nasehon’izy ireo ho valin’ireo fandresena maro azon’izy ireo teo amin’ny Lamanita. (Eo am-pamakianao dia mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe manao valifaty ao amin’ny andininy 9 dia midika hoe famaliana noho ny fahavoazana iray.)

Ahoana no fihetsika nasehon’ny Nefita taorian’ireo fandreseny ny Lamanita? Vakio ny Môrmôna 3:11–13, ary tadiavo ny fihetsika nasehon’i Môrmôna nanoloana ilay fianianan’ny miaramila mba hikatsaka valifaty.

Nitarika ny miaramila Nefita nandritra ny 30 taona mahery i Môrmôna na dia teo aza ny faharatsian’izy ireo izay nibaribary. Inona no ampianarin’ny fandavan’i Môrmôna hitarika ny miaramila antsika mikasika ny halehibeazan’ny fikatsahana valifaty?

Vakio ny Môrmôna 3:14–16, ary asio marika ireo andian-teny izay maneho ny zavatra nampianarin’ny Tompo an’i Môrmôna mikasika ny valifaty (na ny fikatsahana hamaly faty). Fahamarinana iray ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe mandrara antsika tsy hikatsaka valifaty ny Tompo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Efa nisy fotoana ve nanirianao hikatsaka valifaty na hanao zavatra ratsy amina olona iray noho ny zavatra iray izay nataon’izany olona izany taminao? Nahoana no mampidi-doza na ratsy izany fihetsika izany araka ny eritreritrao? Iza araka ny eritreritrao no ho voaratra bebe kokoa amin’ny fikatsahanao valifaty?

    2. Inona no antony tokony hametrahantsika ny fitsarana sy ny famaliana eo an-tanan’ny Tompo toy izay manao izany amin’ny alalan’ny tenantsika manokana?

Na dia mety ho fantantsika aza fa tsy tokony hiraharaha ireo fahatsapana te hamaly faty isika ary manana ny faniriana hanao izany dia mety ho sarotra indraindray ny mandresy ireo fahatsapana ireo rehefa tonga izy ireny. Eo am-pamakianao ity torohevitra manaraka avy amin’ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity dia tsipiho ireo andian-teny izay manampy anao ahafantatra izay azonao atao mba handresena ireo fahatsapana te hamaly faty rehefa sendra azy ireny ianao:

Sary
Ny filoha James E. Faust

“Mila mahafantatra sy miaiky ireo fahatsapana fahatezerana isika. Mila fanetrentena ny fanaovana izany, kanefa raha toa ka mandohalika isika sy mangataka fahatsapana famelan-keloka amin’ny Ray any an-danitra dia hanampy antsika izy. Mitaky antsika ‘hamela ny olon-drehetra’ ny Tompo [F&F 64:10] ho tombontsoantsika satria ‘mampitaredretra ny fivoarana ara-panahy ny fankahalana’ [Orson F. Whitney, Gospel Themes (1914), 144]. Rehefa manaisotra amin’ny tenantsika ny fankahalana sy ny lonilony ihany isika vao afaka manisy fiadanana ao am-pontsika ny Tompo. …

“… Rehefa mamely ny antambo dia tsy tokony hamaly amin’ny alalan’ny fikatsahana valifaty manokana isika fa hamela ny fahamarinana hanohy ny diany ary hanadino izany. Tsy mora ny manadino sy manafoana ao am-pontsika ny otri-po nitera-dratra. Efa nanolotra fiadanana sarobidy ho antsika rehetra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany ny Mpamonjy, kanefa tsy tonga izany raha tsy vonona ny hanaisotra ireo fahatsapana ratsin’ny hatezerana na lolompo na valifaty isika. Ho antsika rehetra izay mamela ‘ireo izay meloka tamin[tsika]’ [Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 6:13], eny na dia ireo izay nahavita heloka goavana aza, dia hitondra fatram-piadanana sy fiononana ny Sorompanavotana” (“The Healing Power of Forgiveness,” Ensign na Liahona, mey 2007, 69).

Saintsaino ny fomba hahazoanao mampihatra ity torohevitra ity mba hamelana izay mety ho lolom-po, fahatezerana, na fahatsapana haratsiam-panahy izay mety hanananao amin’ny hafa.

Nifantoka tamin’ny fanoratana tamin’ireo izay hamaky ny teniny amin’ny andro farany i Môrmôna taorian’ny nandavany ny hitarika ireo miaramila Nefita. Tiany hibebaka sy hiomana ny tsirairay amintsika mba “[h]i-ijoro eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy” (jereo ny Môrmôna 3:18–22).

Vakio ny Môrmôna 4:1–2, ary tadiavo ny zavatra nitranga tamin’ny miaramila Nefita rehefa nikatsaka hamaly faty ny Lamanita izy ireo. Vakio ny Môrmôna 4:4, ary tadiavo ny antony tsy nandresen’ireo miaramila Nefita. Vakio ny Môrmôna 4:5, ary fantaro ireo izay mety ho fahamarinana mikasika ireo vokatry ny fikirizana hiaina ao anatin’ny faharatsiana. Inona avy no hitanao?

Mety ho iray amin’ireo fahamarinana hitanao ny hoe hanatratra ny olon-dratsy ny fitsaran’Andriamanitra. Matetika dia “amin’ny alalan’ny olon-dratsy no amaizana ny olon-dratsy” (Môrmôna 4:5). Mandà ny fanampian’Andriamanitra sy tsy mikatsaka ny fiarovany masina ny olon-dratsy. Vakio ny Môrmôna 4:11–14, 18, ary tadiavo ny fomba nirotsahan’ny fitsaran’Andriamanitra teo amin’ny Nefita.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no tena mampalahelo indrindra amin’ny toe-javatra niseho teo amin’ny Nefita ao amin’ny Môrmôna 3–4?

    2. Ahoana no mety hifandraisan’ireo fotopampianarana na fahamarinana nianaranao hatreto androany? (Saintsaino ny fifandraisan’ny fibebahana, sy ny valifaty, ary ny fitsaran’Andriamanitra.)

Saintsaino izay tian’ny Tompo hataonao mba hampiharana ireo fahamarinana ireo.

Môrmôna 5–6

Nanapa-kevitra ny hitarika ny miaramila Nefita indray i Môrmôna, saingy nandresy ny Lamanita; nalahelo ny amin’ny faharinganan’ny vahoakany i Môrmôna

Misy fahasamihafana ve eo amin’ny alahelo izay mety miaraka amin’ny fahafatesan’ny olona iray izay niaina fiainana feno fahamarinana sy ny olona iray izay maty tao anatin’ny fiainana feno faharatsiana? Inona araka ny eritreritrareo ny mahasamy hafa izany?

Nandray ny kômandy indray i Môrmôna rehefa nandà ny hitarika ireo miaramila Nefita nandritra ny 13 taona. Nitarika azy ireo tsy nombam-panantenana anefa izy satria nandà ny hibebaka sy hangataka fanampiana amin’ny Tompo ny vahoaka. Nitsoaka ny Nefita taorian’ny nanoherany ireo fanafihana vitsivitsy nataon’ny Lamanita. Ringana ireo izay tsy afaka nandositra haingana. Nanoratra taratasy tamin’ny mpanjakan’ny Lamanita i Môrmôna, izay nangataka taminy mba hanome fotoana ho an’ny Nefita hivondronan’izy ireo ho amin’ny ady iray farany (jereo ny Môrmôna 5:1–7; 6:1–6).

Vakio ny Môrmôna 6:7–11, ary ezaho takarina ny alahelon’i Môrmôna rehefa nahita ny faharinganan’ny vahoakany izy. Nahoana araka ny eritreritrao no mampatahotra ny fahafatesana ho an’ireo izay miaina ao amin’ny faharatsiana?

  1. Vakio ny Môrmôna 6:16–22, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana ireo mpaminany sy mpitarika ary ray aman-dreny no mamporisika antsika amim-pahazotoana tokoa mba hibebaka?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanantenana ny famihinan’i Tompo anao hibebaka? (jereo ny Môrmôna 6:17).

Saintsaino raha toa ka misy zavatra eo amin’ny fiainanao izay tian’ny Tompo mba hibebahanao izao ankehitriny izao. Azonao soratana ao anatin’ny diarinao manokana ny momba izany ary mametraha tanjona mba hanatanterahana izany.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrmôna 3–6 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: