Seminera
Fizarana 10: Andro 1, Jakôba 5–6


Fizarana 10: Andro 1

Jakôba 5–6

Fampidirana

Ny Jakôba 5 dia ahitana ny fanoharana momba ny hazo oliva voakolokolo sy ny hazo oliva dia, izay ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenosa no niresaka momba izany voalohany. Nampiasain’i Jakôba io fanoharana io mba hampianarana fa ny Tompo dia miasa foana mba hitondra famonjena ho an’ny vahoakan’ny fanekempihavanany na dia amin’ny fotoana hanalaviran’izy ireo Azy aza. Ilay fanoharana dia mampiseho fa naelin’ny Tompo nanerana ny tany ny ampahan’ny mpianakavin’i Isiraely —Ny vahoakan’ny fanekempihavanany —ary hangoniny ny vahoakany amin’ny andro farany. Io fanoharana io dia misy fiantefany amintsika manokana amin’ny maha-olona ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely antsika sy amin’ny maha-mpanompon’ny Tompo antsika. I Jakôba ao amin’ny Jakôba 6, dia nanamafy ny famindram-po sy ny fahamarinan’ny Tompo rehefa namporisika ny vahoakany—sy namporisika antsika—mba hibebaka Izy.

Jakôba 5:1–12

Nindrana ny teny nampiasain’i Zenosa i Jakôba izay nampitaha ny mpianakavin’i Isiraely tamin’ny hazo oliva voakolokolo

Moa ve ianao mahafantatra namana iray na olona akaikin’ny fo iray izay niahiahy ny amin’ny fitiavan’Andriamanitra azy, indrindra nandritra ny fotoam-pitsapana iray rehefa mety lasa nanalavitra Azy ilay olona? Diniho ireto ohatra manaraka ireto:

  • Misy tanora iray mihazona ny fisoronana izay lasa manana fahazarana manota. Mihevitra izy fa afaka mahazo famelan-keloka ny hafa saingy manahy kosa izy hoe mety tsy hanaiky ny fibebahany ny Tompo.

  • Nandika didy iray ny zatovovavy iray. Nahatsapa ho meloka izy sy tena menatra ny tenany ary nanontany tena raha toa mbola tia azy ny Tompo.

Naminany i Jakôba fa handa an’i Jesoa Kristy ny Jiosy (jereo ny Jakôba 4:15). Naminany koa izy fa hanohy hiasa ho an’ny famonjena ny vahoaka i Jesoa Kristy na dia rehefa avy nolavin’izy ireo aza Izy. Mba hampisehoana izany fahamarinana izany dia nindramin’i Jakôba ny fanoharana iray izay nataon’ny mpaminany iray nantsoina hoe Zenosa (jereo ny Jakôba 5:1). Ny fanoharana dia tantara iray izay mampiasa olona na zavatra atao ohatra sy asa mba hampianarana fahamarinana. Rehefa mandalina ny Jakôba 5 ianao dia diniho ny fomba hanampian’ny Tompo anao na dia efa nanota aza ianao.

Vakio ny Jakôba 5:2, ary asio marika ao anatin’ny soratra masinao ny olona tian’i Zenosa hiantefan’ity fampianarana ity.

Noho ianao nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny batisa dia olona ao anatin’ny mpianakavin’i Isiraely ianao. Tafiditra ao anatin’ilay tantara notantaraina ao amin’ny Jakôba 5 ianao. Vakio ny Jakôba 5:3, ary asio marika ny zavatra nampiasain’i Zenosa tao anatin’ny fanoharany mba hanehoana ny mpianakavin’i Isiraely. Asio marika koa ny zavatra nanomboka nitranga tamin’ilay hazo oliva voakolokolo.

Sary
hazo oliva

Ity tabilao manaraka ity dia mitanisa ireo sariohatra izay manampy antsika hahatakatra ny dikan’ny fanoharan’i Zenosa. Voatanisa ao koa ireo andinin-tsoratra masina izay isehoan’ireo sariohatra ireo voalohany. Asio marika ireo sariohatra ireo ao anatin’ny soratra masinao. Azonao atao koa ny manoratra ny dikan’ny sasany amin’ireo sariohatra ireo eny amin’ny sisiny tsy misy soratra ao amin’ny soratra masinao.

Jakôba 5: Fanoharana ny Hazo Oliva Voakolokolo sy ny Hazo Oliva Dia

Sariohatra

Dikany

Hazo oliva voakolokolo (andininy faha 3)

Ny Mpianakavin’i Isiraely, vahoakan’ny Fanekempihava-nan’Andriamanitra

Ny tanimboly (andininy faha 3)

Izao tontolo izao

Simba (andininy faha 3)

Fahotana sy apôstazia

Tompon’ny tanimboly (andininy faha 4)

Jesoa Kristy

fandrantsanana, fanevoina, fikolokoloana (andininy faha 4)

Ny ezaka ataon’ny Tompo mba hanampiana antsika ho marina sy hamokatra asa tsara

Rantsana (andininy faha 6)

Vondron’olona

Hazo oliva dia (andininy faha 7)

Jentilisa—ireo izay tsy nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo. Any aoriana any ao anatin’ilay fanoharana dia nofaritana koa ho toy ny hazo “dia” ilay hazo oliva voajanahary izay maneho ny ampahan’ireo mpianakavin’i Isiraely tao anatin’ny apôstazia.

Fanapahana sy fanaovana grefy (andininy faha 7–8)

Ny fielezana sy fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra. Ankoatra izany ny fanaovana grefy rantsana dia eo amin’ilay hazo oliva voakolokolo dia maneho ny fiovam-pon’ireo izay lasa tafiditra ao anatin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny batisa.

Rantsana hodorana (andininy 7)

Fitsaran’Andriamanitra hihatra amin’ny olon-dratsy

Voa (andininy faha 8)

Ny fiainan’ny olona na ny asa nataon’ny olona

Fakan’ny hazo oliva voakolokolo (andininy faha 11)

Ireo fanekempihavanana izay ataon’ny Tompo amin’ireo izay manaraka Azy. Ny fakany dia mety maneho koa ireo olona izay nanaovan’ny Tompo fanekempihavanana fahiny toa an’i Abrahama, i Isaka ary i Jakôba (jereo ny Jakôba 6:4).

Vakio ny Jakôba 5:4–6, ary asio marika ny zavatra nataon’ny Tompon’ny tanimboly voalohany mba hiarovana ilay hazo oliva voakolokolo. Jereo ny tabilao etsy ambony ary jereo tsara hoe iza ilay Tompon’ny tanimboly ary maneho inona ilay asa fandrantsanana, fanevoina sy fikolokoloana ataony.

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Nohazavain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny tena votoatin’io fanoharana io. Rehefa mamaky ny fanazavany ianao dia tsipiho ny zavatra ampianariny fa tena dikany lalin’ity fanoharana ity.

“Io fanoharana io araka ny filazan’i Jakôba dia miompana hatrany am-piandohana amin’i Kristy [ny Tompon’ny tanimboly]. …

“Na dia miezaka ny mampatanjaka sy mandrantsana ary manadio, ary amin’ny lafiny iray dia manao izay hampamokatra tsara ny hazony aza ny Tompon’ny tanimboly sy ny mpiasany mba ho lasa toko iray ao anatin’ny famintinana ara-tantara ny fielezana sy ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely, dia ilay dikan’ny Sorompavotana izay lalina no mandrisika sy mitaona azy ireo ao anatin’ny asany” (Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 165).

Raha toa ka toy ny mikasika ny hazo oliva ny Jakôba 5, ilay fanoharana kosa dia mikasika ireo olona izay nanalavitra ny Tompo tao anatin’ny fahotana sy ny ezaka nataon’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hiverina Aminy indray. Io toko io dia mampianatra fa tia antsika ny Tompo ary miasa amim-pahavitrihana Izy ho an’ny famonjena antsika. Rehefa manohy mandalina ity fanoharana ity ianao dia tadiavo ny porofo mikasika io fahamarinana io amin’ny alalan’ny fandinihana tsara ny zavatra tsapan’ny Tompo momba an’i Isiraely —ilay hazo oliva voakolokolo—sy ny ezaka mafy ataony mba hamonjena izany. Ohatra, vakio ny Jakôba 5:7, ary saintsaino ilay fehezanteny hoe “Mampahory ahy ny hamoizako ity hazo ity.” Inona no fihetseham-po nasehon’ny Tompo teto araka ny hevitrao ary nahoana?

Vakio indray ilay fehezanteny ary amin’ity indray mitoraka ity dia soloy amin’ny anaranao ny hoe “ity hazo ity”: “Mampahory ahy ny hamoizako an’i [ny anaranao].” Rehefa apetrakao eo amin’izay toerana manan-danja sy tokony hisy azy ao anatin’ny Jakôba 5 ny anaranao dia azonao ampiharina amin’ny tenanao ilay fanoharana ary afaka mianatra bebe kokoa momba ny fiahian’ny Tompo anao ianao.

Vakio ny Jakôba 5:7–11, ary tadiavo ny zavatra manaraka nataon’ny Tompon’ny tanimboly mba hamonjena ilay hazo oliva voakolokolo.

Sary
rantsana natao grefy
  1. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny dikan’ireo sariohatra ao anatin’ilay tabilao dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fanazavana iray mikasika ny zavatra nataon’ny Tompon’ny tanimboly sy ny mpanompony ao amin’ny Jakôba 5:7–11 mba hiezahana hamonjena ireo zanaky ny Ray any An-danitra.

Alain’ny Tompo ny olona izay tsy avy ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely ary ataony grefy amin’i Isiraely mba hampidirana azy ireo ho isan’ny vahoakan’ny fanekempihavanana. Mba hamonjena ny mpianakavin’i Isiraely dia tapahany ireo rantsana faran’izay ratsy (olona) ary potehiny.

Vakio ny Jakôba 5:13–14, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’ireo rantsana tanora sy malemilemy an’ny hazo oliva voakolokolo izay voalaza ao amin’ny andininy faha 6.

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny alalan’ny fampiasanao ny dikan’ireo sariohatra ao amin’ilay tabilao ny fomba ahafahana mampitaha ny fianakavian’i Lehia amin’ilay rantsana tanora sy malemilemy izay nafenina tany amin’ny faritra iva indrindra tamin’ny tanimboly.

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ireo mpanompon’ny Tompo dia “naka rantsana vitsivitsy ary nanao grefy izany teo amin’ireo hazo oliva dia rehetra. Iza ireo hazo oliva dia ireo? Ny Jentilisa. Ary noho izany dia nandefa ny mpanompony tany amin’ny faritra rehetra tao anatin’ny tanimboliny ny Tompo, izay izao tontolo izao izany, ary namboly ireo rantsana avy amin’ilay hazo. …

Sary
Joseph Fielding Smith

“Ilay hazo oliva izany ao anatin’io fanoharana io dia ny Mpianakavin’i Isiraely. … Nanomboka nihamaty izany tany an-tanindrazany. Noho izany dia naka rantsana ny Tompo toa ny Nefita, ireo foko very ary ireo hafa izay tsy fantatsika velively fa notarihan’ny Tompo tany amin’ny faritra samihafa teto an-tany. Namboleny tao amin’ny tanimboliny daholo izy rehetra ireo, izay izao tontolo izao izany. Tsy tokony hahagaga mihitsy ny amin’ny hoe nalefany tany Japon sy Corée ary Chine ny sasany tamin’ireo rantsana ireo. Azo antoka izany satria nalefany tany amin’ny faritra rehetra manerana an’izao tontolo izao izy ireo” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky miisa 5 [1957–66], 4:204–5).

Nampianatra koa ny Filoha Smith fa “ny fandikana ny hevitr’ity fanoharana ity … dia tantara iray momba ny fielezan’i Isiraely sy ny fampifangaroana ny ran’i Isiraely tamin’ireo hazo oliva dia na ireo vahoaka Jentilisa tany amin’ny faritra rehetra teto amin’izao tontolo izao. Noho izany hitantsika any Chine, Japon, sy Inde ary any amin’ny firenena hafa rehetra izay honenan’ny Jentilisa fa naely ny ran’i Isiraely na ‘natao grefy,’ teo anivon’izy ireo” (Answers to Gospel Questions, 4:40–41).

Jakôba 5:15–77

Miasa ny Tompon’ny tanimboly sy ny mpanompony mba hanaovana izay hamokaran’ny tanimboly voa tsara

Maro amin’ireo andininy ao amin’ny Jakôba 5 no mamaritra vanim-potoana sy zava-niseho samihafa momba ny fielezan’ireo ampahany maro tamin’ny mpianakavin’i Isiraely nanerana an’izao tontolo izao ary ny asan’ny Mpamonjy mba hanangonana azy ireo. Ny toko dia mifarana amin’ny Arivotaona sy ny fanadiovana farany ny tany.

Mba hanamafisana ny fiahian’ny Tompo ireo hazo ao amin’ny tanimboliny sy ny ezaka tsy tapaka ataony mba hamonjena azy ireo, dia naverimberin’i Zenosa tao anatin’ity fanoharana ity ireo fehezanteny vitsivitsy manan-danja. Vakio ny Jakôba 5:20, 23–25, 28, 31, ary isaky ny mahita ny fanehoan’ny Tompo ny ezaka ataony mba hikolokoloana ireo hazo ao amin’ny tanimboliny ianao dia asio marika izany.

Na dia teo aza ny ezaka nataon’ny Tompo sy ny mpanompony mba hanaovana izay hamokarana voa tsara dia niharatsy ihany tamin’ny farany ny voa rehetra tao amin’ilay tanimboly (jereo ny Jakôba 5:39). Vakio ny Jakôba 5:41–42, 46–47, ary asio marika ireo fehezanteny ao amin’ny soratra masinao izay mampiseho ny fitiavan’ny Tompo ny tanimboliny na ny fiahiany azy na ny alahelony momba azy.

Noho ny famokaran’ireo hazo voa ratsy na dia teo aza ny zavatra rehetra nataony dia nanapa-kevitra ny hikapa ireo hazo rehetra ny Tompon’ny tanimboly (jereo ny Jakôba 5:49). Vakio ny Jakôba 5:50–51. Ny ambin’ny Jakôba 5 dia maneho ny ezaka nataon’ny Tompo sy ny mpanompony mba hamonjena ireo izay miaina amin’ny andro farany. Nangoniny indray mandeha farany ny olony ary nokolokoloiny (jereo ny Jakôba 5:52–77).

Ny Filoha Fielding Smith dia nampianatra fa ny fanangonana an’i Isiraely izay voafaritra ao amin’ny Jakôba 5 dia miseho amin’izao fotoana izao: “Amin’izao andro fanangonana izao, ny Tompo dia manatanteraka ny tanjony ary miantso ny mba hiverenan’ny zanak’i Abrahama ao amin’ilay valan’ilay Mpiandry Tsara” (Answers to Gospel Questions, 4:41).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy amin’ny Jakôba 5 mikasika ny fitiavan’ny Tompo anao. Manorata ohatra iray izay maneho ny nahitanao ny fitiavana niseho teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona iray izay fantatrao.

Jakôba 6

Mampianatra mikasika ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fahamarinany i Jakôba ary manasa antsika hibebaka

Ny Jakôba 6 dia ahitana ny famintinan’i Jakôba ireo fahamarinana manan-danja avy amin’ilay fanoharana ny amin’ny hazo oliva. Vakio ny Jakôba 6:4–6, ary tadiavo ny zavatra nantitranterin’i Jakôba momba ny toetran’Andriamanitra. Inona no teny hoampiasainao mba hamintinana ny zavatra tian’i Jakôba ho fantatsika mikasika an’Andriamanitra?

Nofaranan’i Jakôba tamin’ny alalan’ilay hafatra nataony tao amin’ny Jakôba 6:7–13 ny hafany ka nijoro ho vavolombelona izy fa tsara ho antsika ny miomana amin’ny fitsarana amin’izao fotoana izao amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fandraisana ny famindram-pon’ny Tompo.

  1. Avereno vakiana ny Jakôba 6:5. Jereo tsara fa i Jakôba dia namporisika antsika mba “[hifikitra] amin’Andriamanitra toy ny ifikirany [amintsika].” Ny dikan’ny hoe mifikitra dia hoe mihazona mafy. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no zavatra nianaranao tao amin’ny fanoharana ny amin’ny hazo oliva izay maneho ny fomba fifikiran’ Andriamanitra aminao?

    2. Inona no azonao atao mba hifikiranao mafy kokoa Aminy toy ny ifikirany aminao?

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Jakôba 5–6 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: