Seminera
Fizarana 20: Andro 1, Almà 39


Fizarana 20: Andro 1

Almà 39

Fampidirana

Nanitsy ilay zanany tsy mpankatò i Almà, dia i Kôriantôna, izay niala tamin’ny asa fanompoana sy nanao fahotana ara-pahadiovam-pitondrantena goavana. Nampianatra an’i Kôriantôna ny maha goavana ny zavatra nataony i Almà ary nanambara ny fahadisoam-panantenany fa meloka tamin’ny fanaovana zava-dratsy lehibe toy izany i Kôriantôna. Nandidy an’i Kôriantôna ny tsy handehanany intsony araka ny “fitsiriritan’ny masony” i Almà ary hibebaka (Almà 39:9). Hita ao amin’ny Almà 39–42 ny hafatr’i Almà ho an’i Kôriantôna.

Almà 39:1–6

Manazava ny maha tena ratsy ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo amin’i Kôriantôna zanany lahy i Almà

Saintsaino ity fehezanteny manaraka ity: Lehibe kokoa noho ny fahotana hafa ny fahotana sasany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Manaiky ve ianao fa lehibe kokoa noho ny fahotana hafa ny fahotana sasany? Nahoana raha eny na nahoana raha tsia?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 39 dia nanome torohevitra an’i Kôriantôna zanany lahy i Almà, izay afaka manampy anao hahatakatra ny maha tena ratsy ny toetran’ny fahotana sasany i Almà. Niaraka tamin’i Almà sy ny rahalahiny Siblôna namita iraka hitory ny filazantsara tamin’ny Zôramita i Kôriantôna. Raha mbola tany i Kôriantôna dia nanao fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo goavana.

Vakio ny Almà 39:1–4, ary tadiavo ny zavatra ratsy nataon’i Kôriantôna. Mba hanampiana anao hahatakatra ireo andininy ireo dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny vehivavy janga dia vehivavy iray izay ratsy fitondrantena na mpivaro-tena. Zava-dehibe ny mahatakatra fa “ny Tompo dia tsy afaka hijery ny fahotana amin’ny hamoram-po faran’izay bitika indrindra” (F&F 1:31); tena ratsy tokoa ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Marihana koa fa nanao fanahy iniana nandao ny asa fitoriany i Kôriantôna mba hanaraka an’i Isabela vehivavy janga, izay nahatonga ny fahotany ho lehibe tokoa.

Vakio ny Almà 39:5, ary tadiavo ny fomba nanazavan’i Almà ny maha ratsy be ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena raha mitaha amin’ny fahotana hafa. Ny fahavetavetana dia fahotana, ratsy, na maharikoriko. Mianatra isika avy amin’ireo andininy ireo fa fahavetavetana eo imason’ny Tompo ny fahotana ara-pitondrantena. Saintsaino hoe nahoana no milahatra manarakaraka ny famonoan’olona ny halehiben’ny fahotana ara-pitondrantena.

Nanome ity fanazavana ity momba ny antony mahatonga ny hoe fahavetavetana amin’ny Tompo ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Inona no tian’Andriamanitra lazaina amintsika momba ny toeran’izany ao amin’ny Drafiny ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra amin’ny fametrahany lalàna henjana toy izany amin’ny filàna ara-nofo izay natolotra izao tontolo izao? Manambara aminareo aho fa tena manao izany Izy—manao fanamarihana momba ilay tena drafitry ny fiainana. Mazava fa anisan’ny zavatra lehibe ametrahany ahiahy indrindra raha mahakasika ny fiainana an-tany ny fomba hahatongavan’ny olona iray eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny fomba hialany eto. Nametraka fetra hentitra amin’ireny zavatra ireny Izy” (“Personal Purity,” Ensign, nôv. 1998, 76).

Vakio ireto andinin-tsoratra manaraka ireto, ary tadiavo sy asio marika ireo valin’ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fitahiana avy amin’ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena?

“Ny firaisana ara-nofo eo amin’ny mpivady dia zavatra tena kanto sy masina. Tendrin’Andriamanitra izany mba hahariana ny zanaka sy ho fanehoam-pitiavana eo amin’ny mpivady. Nandidy Andriamanitra fa ny firaisana ara-nofo dia natokana ho an’ny fanambadiana.

“Manomana ny tenanao hanao sy hitandrina fanekempihavanana any amin’ny tempoly ianao rehefa madio ara-pitondrantena. Miomana hanorina fanambadiana matanjaka ianao sy hitondra zanaka ho eto amin’izao tontolo izao ho isan’ny fianakaviana iray mandrakizay sy feno fitiavana. Miaro ny tenanao tsy ho azon’ny fahasimbana ara-panahy sy ara-piontanam-po izay ateraky ny fanaovana firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana ianao. Miaro ny tenanao tsy ho azon’ny aretina manimba ihany koa ianao. Manampy anao hahatoky tena sy ho tena sambatra ary manatsara ny fahafahanao mandray fanapahan-kevitra tsara ankehitriny sy amin’ny hoavy ny fijanonanao ho madio ara-pitondrantena. (Jeunes Soyez Fort [Kiboky, 2011], 35).

Vakio ireto andinin-tsoratra manaraka ireto ary tadiavo ao anatin’izany ny valin’ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fenitry ny Tompo amin’ny fijanonana no madio ara-pitondrantena?

“Mazava sy tsy miova ny fenitry ny Tompo mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena. Aza manao firaisana ara-nofo alohan’ny fanambadiana, ary aoka mba ho mahatoky tanteraka amin’ny vadinao aorian’ny fanambadiana. Aza mamela ny fampahalalam-baovao sy ny sary sy feo, na ireo mitovy taona aminao, na ny hafa handresy lahatra anao fa ekena alohan’ny fanambadiana ny firaisana ara-nofo. Diso izany. Tena ratsy be ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo eo imason’Andriamanitra. Mandoto ny fahefana masina nomen’Andriamanitra antsika hamoronana aina izy ireny. Nampianatra ny mpaminany Almà fa ny fahotana avy amin’ny firaisana ara-nofo dia lehibe kokoa mihoatra noho ireo fahotana hafa afa-tsy ny fandatsahan-drà sy ny fandavana ny Fanahy Masina (jereo ny Almà 39:5).

“Aza manao na inona na inona izay mety hitarika amin’ny fandikana ny lalàna ara-pitondrantena. Hajao ny hafa fa aza raisina ho toy ny zavatra ampiasaina mba hanomezana fahafaham-po ireo faniriana feno fitsiriritana sy fitiavan-tena. Aza mifanoroka amim-pirehetampo fatratra, na mandry eo ambonin’ny olona iray hafa, na mikasika ny faritra manokana sy masina eo amin’ny vatan’ny olona iray hafa na miakanjo izy na tsia. Aza manao na inona na inona izay mamoha ny fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Aza fohazina ao amin’ny tenanao manokana ireo fiontanam-po ireo. Henoy ny bitsiky ny Fanahy mba ho madio sy manan-kasina ianao. Hiala amin’ny olona iray izay ao anatin’ny fandikana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ny Fanahin’ny Tompo.

“Sorohy ireo toe-javatra izay manasa fakam-panahy betsaka kokoa toy ny fiaraha-mientana lavitra ny trano fonenana izay atao alina be na mandritra ny alina na fiaraha-mientana izay tsy misy fanaraha-mason’ny olon-dehibe. Aza mandray anjara amin’ny resaka na sary sy feo izay mamoha ireo fahatsapana te hanao firaisana ara-nofo. Aza mandray anjara amin’ny karazana pôrnôgrafia na inona izany na inona. Afaka manampy anao hahafantatra ny Fanahy rehefa tandindomin-doza ianao ary manome tanjaka anao hanala ny tenanao amin’ireny toe-javatra ireny Izy. Matokia ary mankatoava ireo torohevitra tsara avy amin’ireo ray aman-dreninao sy mpitarika anao.

“Ny fitondrantena maneho fiarahan’ny lahy sy ny lahy ary ny vavy sy ny vavy dia fahotana lehibe. Mikatsaha torohevitra avy amin’ny ray aman-dreninao na ny eveka raha toa ka hitanao fa manana olana amin’ny fifanintonan’ny samy lahy na samy vavy ianao na resy lahatra ny handray anjara amin’ny fitondrantena tsy mendrika. Hanampy anao izy ireo.

“Tsy meloka sy tsy mila mibebaka ireo niharan’ny herisetra tamin’ny firaisana ara-nofo. Raha toa ka niharan’ny herisetra ara-nofo ianao dia fantaro fa tsy manan-tsiny ianao ary tia anao Andriamanitra. Miresaha amin’ny ray aman-dreninao na olon-dehibe atokisana hafa, ary mitadiava avy hatrany ny hahazo ny torohevitry ny evekanao. Afaka manohana anao ara-panahy izy ireo ary manampy anao amin’ny fahazoana ny fiarovana sy ny fanampiana ilainao. Mety haharitra ny dingan’ny fahasitranana. Matokia ny Mpamonjy. Hanasitrana sy hanome fiadanana ho anao Izy.

“Mikatsaha fanampiana avy amin’ny ray aman-dreninao na ny eveka raha toa ka mitady ho azon’ny fakam-panahy handika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao na amin’ny endriny manao ahoana na manao ahoana ianao. Mivavaha amin’ny Rainao any an-danitra, izay hanampy anao hanohitra ny fakam-panahy sy handresy ireo eritreritra sy fahatsapana tsy mendrika. Miresaha amin’ny eveka amin’izao fotoana izao ary atombohy ny dingan’ny fibebahana raha toa ka nandika ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ianao mba hahazoana fiadanana sy hanananao tanteraka ny Fanahy ho namanao.

“Manolora tena ny ho madio ara-pitondrantena. Amporisiho ny hafa hanao toa izany koa amin’ny alalan’ny teny sy ny asanao” (Jeunes Soyez Forts, 35–37).

Saintsaino ny hafatra tsapanao fa tian’ny Tompo hifantohanao avy amin’ny zavatra vao novakianao.

Almà 39:7–19

Mamporisika an’i Kôriantôna hibebaka i Almà

Alaivo sary an-tsaina hoe mifanakalo hevitra amin’ny ray aman-dreninao, ireo mpitarika ao amin’ny Zatovolahy na Zatovovavy, na amin’ny evekanao na filohan’ny sampana misy anao momba ny maha zava-dehibe ny fahadiovana ara-pitondrantena ianao. Eritrereto izay mety havalinao ny ray aman-dreninao na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana rehefa manoro hevitra anao momba ny maha zava-dehibe ny fijanonana ho madio ara-pitondrantena izy ireo. Vakio ny Almà 39:7–8 ahitana ny tanjon’i Almà tamin’ny fampianarana an’i Kôriantôna momba ny maha tena lehibe ny fahotany. Saintsaino no mety ho fiantraikan’ny fahalalana fa hoe fanasana feno fitiavana hijanonana ho madio na hibebaka sy hialana amin’ny fitsaran’Andriamanitra, eo amin’ny fomba fihetsikao ny torohevitry ny ray aman-dreninao na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Namaritra ny antony hanasan’ny ray aman-dreny, toa an’i Almà, ny zanany mba hibebaka ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Fanehoam-pitiavana ny fanasana olona iray hibebaka. … Raha toa ka tsy manasa ireo hafa hiova isika na tsy mitaky ny tenantsika hibebaka dia tsy mahatanteraka ny adidy fototra izay tokony hifanaovantsika sy tokony ho ataontsika amin’ny tenantsika isika. Ireo ray aman-dreny mamela ny zanany hanota, sy ireo namana izay tsy mba manakana ny fanaovana ota ary ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay saro-tahotra dia miahiahy kokoa ny momba ny tenany noho izay mahasoa sy izay mahasambatra ireo izay azon’izy ireo ampiana. Marina fa indraindray ilay fanasana hibebaka dia raisina ho toy ny tsy fandeferana na toy ny fanafintohinana ary mety ankahalaina aza, kanefa rehefa tarihin’ny Fanahy izany fanasana izany, dia fihetsika maneho firaharahiana amin-kitsimpo tokoa” (“Ilay Fanomezana Masin’ny Fibebahana,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 39).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Ao anatin’ny fibebahana ny … Ary rehefa mandalina ny Almà 39:9–14 ianao avy eo dia ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nampianarin’i Almà an’i Kôriantôna momba ny fibebahana izay afaka manampy anao hameno ity fehezanteny ity.

Ampiasao ireto fanontaniana sy fanazavana manaraka ireto hanampiana anao hahatakatra sy hampihatra ny torohevitr’i Almà. Ezaho fantarina sy soratana ny fahamarinana iray farafahakeliny ho an’ny andininy tsirairay izay voatanisa etsy ambany izay afaka manampy anao mameno ilay fehezanteny ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Tsy voatery mamaly ireo fanontaniana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ianao.

Vakio ny Almà 39:9. (Soratra masina fehezina ny Almà 39:9. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.) Inona no ifandraisan’ny famoizana ny fahotana amin’ireo fehezanteny hoe “tsy fandehananao intsony araka ny fitsiriritan’ny masonao” sy hoe “lavo amin’ny tenanao ireny zavatra ireny”?

Amin’izao androntsika izao dia misy ifandraisany lehibe amin’ny tsy fahadiovana ara-pitondrantena sy ireo sary na fialam-boly izay ahitana pôrnôgrafia amin’ny endriny rehetra ny fehezanteny hoe “fitsiriritan’ny masonao.” Ny fehezanteny hoe “lavo amin’ny tenanao,” araka izay ampiasaina ao amin’ny Almà 39:9, dia midika hoe fandavana zavatra iray ho an’ny tenanao. Tsy mahazatra antsika ity fehezanteny ity amin’izao fotoana izao. Kanefa tamin’ny andron’i Joseph Smith dia vitsivitsy tamin’ny dikan’ny matoanteny hoe mandà ny hoe “mamafa; manafoana. … Manakana … ; mampijanona” (Noah Webster’s First Edition of an American Dictionary of the English Language, facsimile ed. [1967]). Raha toa ka ampiharintsika amin’ny zavatra nampianarin’i Almà ny zanany lahy ireo famaritana ireo dia azontsika takarina ny maha zava-dehibe ny fanaisorana ny endriky ny tsy fahadiovana rehetra (anisan’izany ireo loharanon’ny fakam-panahy mikasika ny tsy fahadiovana izay azontsika fehezina) eo amin’ny fiainantsika, mba “handovantsika ny fanjakan’Andriamanitra.” Inona avy ireo fomba azon’ny tanora Olomasin’ny Andro Farany ametrahana fetra ho an’ny tenan’izy ireo mikasika ny fahadiovana ara-pitondrantena sy ny fisorohana ny fandehanana araka ny fitsiriritan’ny masony?

Vakio ny Almà 39:10. Ahoana no fomba anampian’ny fikatsahana ny fikolokoloana ara-panahy—avy amin’ny ray aman-dreny, mpitarika ny Fiangonana, ireo iray tampo, na namana azo itokisana—ny olona iray mba hibebaka?

Vakio ny Almà 39:11–12, ary saintsaino ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tsy maintsy ao amin’ny fon’ny olona iray mandritra ny dingan’ny fibebahana mba tsy hahatonga azy ho tarihin’ny devoly hania indray mba hanao fahotana?

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fialàna amin’ny fanaovana zavatra tsy misy dikany sy adaladala ny olona iray mba hibebaka?

Vakio ny Almà 39:13. Tadidio fa niteny tamin’i Kôriantôna i Almà fa tsy nety nino ny teniny ny Zôramita rehefa nahita ny fitondrantenan’i Kôriantôna (jereo ny Almà 39:11). Mety hanampy ny mahatakatra fa midika hoe fibebahana ny fehezanteny hoe “mitodika amin’ny Tompo” ao amin’ny soratra masina. Ny fibebahana dia “fampitodihana ny fo sy ny sitrapo amin’Andriamanitra” (Bible Dictionary, “Repentance”).

  • Inona araka ny eritreritrao no atao hoe mibebaka amin’ny “saina, sy ny hery ary ny tanjakao” rehetra?

  • Rehefa nisy fiantraikany amin’ny hafa ny fahotantsika dia inona no tsy maintsy ataontsika ho isan’ny fibebahantsika?

  • Rehefa nisy fahotana lehibe vita, nahoana no ilaina ny mikatsaka ny fanampian’ny eveka na ny filohan’ny sampana?

Mianatra isika avy amin’ny Almà 39:9–13 fa: Tafiditra ao anatin’ny fibebahana ny fanekena sy ny fahafoizana ny fahotantsika ary ny fitodihana amin’ny Tompo amin’ny saina sy ny hery ary ny tanjatsika rehetra.

Saintsaino ny zavatra tsapanao fa tian’ny Tompo hataonao mba hitodihan’ny fonao sy ny sitraponao any Aminy bebe kokoa. Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao hanombohanao hanaraka ireny bitsika ireny?

Raha tsy misy an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany dia tsy ho azo natao ny namela anao tamin’ny fahotanao. Vakio ny Almà 39:15–16, 19, ary tadiavo ny fomba namaritan’i Almà ny fahalalana fa ho avy hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao i Jesoa Kristy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha vaovao tsara ho an’i Kôriantôna sy ho anao ny fahatongavan’i Jesoa Kristy.

Sary
sary famantarana ny andinin-tsoratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Almà 39:9

Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny fanaovana tsianjery ny soratra masina:

“Sahala amin’ny mameno fitoerana antontan-taratasy amin’ny alalan’ny namana, ny soatoavina ary ny fahamarinana, izay azo antsoina amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra manerana izao tontolo izao ny fianarana, ny fisaintsainana, ny fandalinana ary ny fanaovana tsianjery ny soratra masina.

“Misy hery lehibe mety ho azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina. Toy ny manomboka finamanana vaovao ny fanaovana tsianjery soratra masina. Toy ny famantarana olona iray vaovao izany, izay afaka manampy amin’ny fotoana ilana fanampiana, afaka mitaona fanahy sy mampionona, ary ho loharano ahazoana risim-po hanaovana ny fanovana izay ilaina” (“Ny Herin’ny Soratra Masina,” Ensign na Liahona, nôv. 2011, 6).

  1. Ezaho atao tsianjery ny Almà 39:9. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina fehezanteny iray na roa mikasika ny fomba ahatongavan’ny fanaovana tsianjery ity andininy ity ho fiarovana ho anao amin’ny fotoan’ny fakam-panahy.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 39 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: