Seminera
Fizarana 14: Andro 4, Almà 1–4


Fizarana 14: Andro 4

Almà 1–4

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny nahatongavan’i Almà ho lohan’ny mpitsara, dia nanomboka nampianatra fotopampianarana diso sy nampiditra ny komiberaky ny mpisorona teo anivon’ny Nefita ny lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra. Namono lehilahy marina iray izy ary novonoina ho faty noho ny helony. Taona vitsy taty aoriana dia nikatsaka ny ho tonga mpanjakan’ny Nefita i Amlisia fa tsy nahomby. Rehefa nifidy ny handà azy tsy ho mpanjaka ny vahoaka, dia namory ny mpanohana azy —nantsoina hoe Amlisita—izy handeha hiady tamin’ireo Nefita. Nandresy ny Nefita, saingy olona analiny no maty. Rehefa nahatsiaro ny Nefita fa nampanetry tena azy ireo ny ady, dia maro tamin’izy ireo no nahatsiaro ny adidiny, ary an’arivony no nikambana tamin’ny Fiangonana. Na izany aza, tao anatin’ny iray taona, dia maro ireo mpikamban’ny Fiangonana no lasa niavonavona sy nanenjika ny hafa. Nanapa-kevitra ny hitsahatra tamin’ny adidiny amin’ny maha lohan’ny mpitsara azy i Almà ary nifantoka tamin’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
Nitory teny i Nehôra

Almà 1

Miroborobo ireo mpikamban’ny Fiangonana na dia eo aza ny fiparitahan’ny komiberaky ny mpisorona sy ny fanejehana

Matetika ny olona no mikatsaka ny ho fanta-daza. Makà fotoana fohy hieritreretana momba ny loza mety haterak’ity faniriana ity. Inona ny zava-mitranga raha toa ka miraharaha bebe kokoa ny eritreritry ny namanao momba anao ianao toy izay ny eritreritr’Andriamanitra momba anao?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 1, dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra izay nanjary fanta-daza tokoa teo anivon’ny ampahany tamin’ireo vahoaka. Vakio ny Almà 1:2–6, ary fantaro hoe inona no nampianarin’i Nehôra, ary ahoana no nandraisan’ny vahoaka izany.

Tadiavo ao amin’ireo andalana voalohany ao amin’ny Almà 1:12 ny teny nampiasain’i Almà hamaritana ny zavatra nampahafatarin’i Nehôra an’ny Nefita. Avy eo dia jereo ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy 12a. Vakio ny2 Nefia 26:29, ny soratra masina mifandray voalahatra voalohany ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, ary fantaro ny zavatra ataon’ireo izay manao ny komiberaky ny mpisorona sy ny zavatra tsy ataon’izy ireo.

Ny komiberaky ny mpisorona dia miseho rehefa misy olona mitory “fotopampianarana sandoka … noho ny harena sy voninahitra” sy “[h]ametra[hany] ny tenany ho fahazavan’izao tontolo izao” (Almà 1:16; 2 Nefia 26:29). Tsy te hanorina ny fanjakan’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fitoriany izy ireo. Izy ireo kosa dia te hahazo tombontsoa (toy ny harem-be, tombontsoa ara-tsosialy, na fahefana eo amin’ny hafa) sy dera avy amin’ny olon-kafa. Te hampifantoka ny eritreritry ny hafa amin’ny tenany izy ireo, fa tsy amin’Andriamanitra sy ny filazantsarany. Ny komiberaky ny mpisorona dia fahotana lehibe eo imason’Andriamanitra,araka ny nilazan’i Almà mazava tsara tamin’i Nehôra hoe “Raha ny komiberaky ny mpisorona no ampiharina eo anivon’ity vahoaka ity dia hiafara amin’ny faharavany tanteraka izany” (Almà 1:12).

Raha niezaka ny “[h]itarika ny olon’ny fiangonana haniasia,” i Nehôra dia nisy lehilahy marina iray nantsoina hoe Gideôna izay “nanohitra azy, nananatra azy tamin’ny tenin’Andriamanitra” (Almà 1:7). Ho setrin’izany dia nanatsoaka ny sabany i Nehôra ary namono an’i Gideôna. Notsaraina araka ny helony i Nehôra ary novonoina ho faty. Vakio ny Almà 1:16 mba ahitana raha nampitsahatra ny komiberaky ny mpisorona teo anivon’ny Nefita ny fahafatesan’i Nehôra.

Vakio ny Almà 1:26–27, ary fantaro ireo fomba fihetsiky hafa nasehon’ireo mpisorona Nefita an’Andriamanitra, izay tsy nitovy tamin’ny nataon’i Nehôra sy ireo hafa izay nanao komiberaky ny mpisorona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fihetsiky ny mpisorona Nefita. Inona no naha samy hafa ny fihetsiky ny mpisorona Nefita tamin’ny fihetsik’ireo izay nanao ny komiberaky ny mpisorona?

Rehefa niparitaka nanerana ny tany manontolo ny komiberaky ny mpisorona, dia betsaka ireo olona nanomboka nanenjika ny mpikambana mahatokin’ny Fiangonana. Ho fiomanana amin’ny fandalinana ny ambin’ny Almà 1, dia eritrereto ny nahitanao olon-kafa nanadala, naneso, na nanenjika an’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra.

Vakio ny Almà 1:19–20, ary jereo hoe nahoana ny olona sasany no nanenjika ny mpikamban’ny Fiangonana. Ny Almà 1:21–31 dia mirakitra ny fihetsik’ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fanenjehana izany. Vakio ireto soratra masina eto ambany ireto ary fenoy ny tabilao:

Almà 1:21–24

Almà 1:25, 27–31

Ahoana ny fihetsik’ireo mpikambana sasany tamin’ny fanenjehana?

Nanao ahoana ny fiainan’ny mpikambana hafa na dia teo aza ny fanenjehana?

Inona avy ireo vokatry ny nataony?

Inona ireo fitahiana noraisiny?

Manorata fitsipika iray izay nianaranao avy amin’ny fandalinana ity tabilao ity:

Anisan’ny fitsipika mety ho voadinikao ny hoe: Afaka manana fiadanana eo amin’ny fiainantsika isika rehefa miaina ny filazantsara, na dia enjehina aza.

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanampian’ny fahatakarana ny fitsipiky ny filazantsara etsy ambony anao, rehefa miatrika fanenjehana na fanerena tsy hankatò ny didy ianao. Valio ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto avy eo:

    1. Oviana ianao no nanaja ny didy na dia teo aza ny fanenjehana sy ny fanerena tsy hanao izany, ary inona avy ireo fitahiana azonao tamin’izany?

    2. Inona no havalinao ireo mpanenjika anao?

Almà 2

Nivondrona hiady tamin’ny Nefita ny Amlisita sy Lamanita

Ny Almà 2 dia miresaka momba ireo fisedrana fanampiny ho an’ny Nefita. Vakio ny sasin-tenin’ny toko mba hahalalana hoe ahoana no nanoheran’ilay lehilahy nantsoina hoe Amlisia sy ny mpanara-dia azy ny Nefita. Te ho mpanjaka teo amin’ny Nefita i Amlisia, kanefa nanao fifidianana ny Nefita ary nisafidy ny handà azy sy hanohy ny rafi-pitondran’ny mpitsara. Nivory niaraka ny mpanara-dia an’i Amlisia ary nanao azy ho mpanjakan’izy ireo. Nandidy ny mpanara-dia azy i Amlisia handeha hiady amin’ny Nefita, ary nivondrona niaraka tamin’ny Amlisita ny Lamanita mba hiadiana tamin’ny Nefita fotoana fohy taorian’izany.

Satria nametraka ny fitokiany tamin’ny Tompo ny Nefita, dia nampian’ny Tompo izy ireo tamin’ny adiny tamin’ny Amlisita sy ny Lamanita. Vakio ny Almà 2:18, 28–31, 36, ary mariho ny teny hoe nampahahery sy nampaherezina isaky ny miseho izany. Tadiavo ny fomba nankaherezan’ny Tompo ny Nefita.

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nankahery anao ny Tompo raha niezaka nanao ny marina ianao.

Almà 3

Nanasaraka ny tenany tamin’Andriamanitra ny Amlisita

Eritrereto ireo hafatra mety ezahin’ireo olona sasany hampitaina momba ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny safidiny eo amin’ny fitafy, ny haingom-bolo, ny kavina sy ny firavaka hafa, ny tombon-kavatsa, ary ny tevika amin’ny vatana.

Sary
Nanisy marika ny handriny ny Amlisita

Vakio ny Almà 3:4, ary fantaro ny fomba nanovan’ny Amlisita ny endriny ivelany.

“Niavaka tamin’iza” ireo Amlisita?

Iza no tian’izy ireo hitoviana bebe kokoa?

Fampisehoana ny fikomian’ny Amlisita ny fiovan’endrika ivelany teo amin’izy ireo. Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 3, dia mampahatsiahy antsika i Môrmôna momba ny ozona sy ny marika izay tonga teo amin’ny Lamanita an-jato taonany maro talohan’izany noho ny fikomiany tamin’Andriamanitra.(jereo ny Almà 3:6–10; jereo ihany koa ny 2 Nefia5:20–24). Nametaka marika an-tsitrapo teo amin’ny handriny ny Amlisita, kanefa ireny marika ireny dia nitovy tanjona tamin’ny marika napetaky ny Tompo tamin’ny Lamanita.

Mariho ny andianteny ao amin’ny Almà 3:18 izay mamaritra ny fihetsiky ny Amlisita tamin’Andriamanitra. Mariho ihany koa ao amin’ny Almà 3:19 ny zavatra nentin’ny Amlisita teo amin’ny tenan’izy ireo noho ny fikomiany.

Inona ny nianaranao avy tamin’ny Almà 3:18–19 mahakasika ireo izay voaozon’ny Tompo? (Mitondra ozona eo amin’ny tenany ireo izay mikomy an-kitsirano amin’Andriamanitra.) Zava-dehibe ny mahatakatra fa ny ozona dia toetra amin’ny maha “[n]oesorina tsy ho eo anatrehan’ny Tompo” (2 Nefia 5:20). Nanasaraka ny tenany tamin’Andriamanitra ny Amlisita noho ny nataon’izy ireo.

Ianarantsika avy amin’ny ohatry ny Amlisita fa safidintsika ny hanasaraka ny tenantsika amin’Andriamanitra. Manasaraka ny tenany amin’Andriamanitra ireo izay “mikomy an-kitsirano amin’Andriamanitra” (Almà 3:18), na koa hoe, mitondra ozona eo amin’ny tenan’izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no afaka ataonao amin’ny fiainanao ankehitriny mba ahazoanao antoka fa tsy manasaraka ny tenanao amin’Andriamanitra ianao, raha oharina amin’izay nataon’ny Amlisita?

Mitantara ny fomba nandresen’ny Nefita ny Lamanita tamin’ny ady iray hafa ny Almà 3:20–25, kanefa betsaka ireo olona maty teo amin’ny andaniny roa. Vakio ny Almà 3:26–27, hitadiavana ny lesona lehibe izay tian’i Môrmôna hianarantsika avy amin’ny tantaran’ny Amlisita sy ireo ady teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita.

Fenoy ity fitsipika manaraka ity araka ny novakinao tao amin’ny Almà 3:26–27manao hoe: Mahazo fifaliana na fahoriana isika miankina amin’ny

Makà fotoana kely hieritreretana hoe iza no safidinao harahina eo amin’ny fiainanao. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Valisoa na tambiny toy ny inona no atolotr’i Satana an’ireo izay manaraka azy? (Mazàna izy ireny no mahasarika tokoa amin’ny voalohany, kanefa tsy maintsy miteraka fahoriana sy fahazaran-dratsy amin’ny farany.) Raha oharina amin’izany, inona no valisoa azonao avy tamin’ny Tompo noho ny fisafidianana hanaraka Azy?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray izay nanarahanao ny Tompo ka nitondra hafaliana ho anao.

Almà 4

Nanjary niavonavona ny mpikamban’ny Fiangonana taorian’ny vanim-potoana nitomboan’ny Fiangonana, ary niala tsy ho lohan’ny mpitsara i Alma mba hiantso azy ireo hibebaka

“Nofohazina ho amin’ny fahatsiarovana ny adidiny” ny Nefita taorian’ny ady tamin’ny Lamanita sy ny Amlisita, ary “nanomboka nampiorina ny fiangonana ho amin’ny fahafenoany kokoa” izy ireo (Almà 4:3–4). Vokatr’izany, olona 3.500 teo ho eo no lasa mpikamban’ny Fiangonana (jereo ny Almà 4:5). Indrisy anefa fa tao anatin’ny iray taona monja, dia betsaka tamin’ireo olona tao amin’ny Fiangonana no nanjary niavonavona. Vakio ny Almà 4:8–12, ary fantaro ireo asa ratsy izay nitranga noho ny avonavon’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Fitsipika iray izay afaka hianarantsika avy amin’ity andinin-tsoratra masina ity ny hoe: Raha maneho ohatra tsy marina isika dia mety hanohintohina ny hafa amin’ny fanekeny ny filazantsara.(Jereo ny Almà 4:10.)

  1. Manoratra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny ohatra iray mikasika ny asa na fihetsika ratsy nasehon’ny Nefita ao amin’ny Almà 4:8–12. Hazavao ny antony maha zava-dehibe ny fialàna amin’izany asa na fihetsika izany amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana ankehitriny.

Vokatry ny faharatsiana tao amin’ny Fiangonana dia nanendry lehilahy iray i Almà hanolo azy amin’ny maha lohan’ny mpitsara azy, mba hahafahany manokana ny fotoany rehetra amin’ny antsony amin’ny maha mpisorona avo mpiahy azy ao amin’ny Fiangonana ary hanampy ny mpikambana handresy ny avonavony sy ny fahotany amin’ny alalan’ny “fanambarana tsisy tsiny hanoherana” (Almà 4:19). Vakio ny Almà 4:19, ary tsipiho izay nirian’i Almà atao mba hanampiany ny olony.

Manazava ireto fitsipika ireto ny Almà 4:19: Mety mitaky fahafoizan-tena ny fanatanterahantsika ny adidy ara-panahy. Mijoro ho vavolombelona ny mpanompon’ny Tompo ary miantso ireo mpanota hibebaka. Manampy ny hafa hanakaiky bebe kokoa an’Andriamanitra ny fijoroana ho vavolombelona tsisy tsiny.

Afaka mieritreritra olona iray mamoy toerana pôlitika manan-danja iray ve ianao, toy ny maha filohan’ny firenena iray, mba hanao asa fitoriana? Nataon’i Almà izany!

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra heverinao fa tian’ilay fehezanteny hoe “milofo amin’ ny fanambarana tsisy tsiny” (Almà 4:19) hambara mikasika ny fomba mety ho nampianaran’i Almà. Raketo an-tsoratra ihany koa ny fomba nandresena lahatra anao hiova na hihatsara tamin’ny alalan’ny fihainoana olon-kafa nizara fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nianatra ny Almà 1–4 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevi-baovao tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: