Seminera
Fizarana 27: Andro 1, 3 Nefia 23


Fizarana 27: Andro 1

3 Nefia 23

Fampidirana

Rehefa avy namerina nilaza ny tenin’i Isaia i Jesoa Kristy dia nandidy ireo Nefita Izy mba hanadihady ny tenin’ireo mpaminany. Nanitsy ny Nefita ihany koa ny Tompo noho izy ireo tsy nazoto tamin’ny fitanana rakitsoratra.

3 Nefia 23:1–5

Nandidy ny vahoaka i Jesoa Kristy mba hanadihady ny tenin’ireo mpaminany

Saintsaino ny zavatra niainanao momba ny fandalinana soratra masina nandritra iny taona lasa iny. Manorata teny na andian-teny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mamariparitra ireo fitahiana izay tonga teo amin’ny fiainanao vokatry ny fandalinanao soratra masina.

Rehefa mijery ny lisitra nataonao ianao dia eritrereto ny zavatra mety ampianarin’ireo fitahiana ireo anao mikasika ny maha zava-dehibe ny fandalinana soratra masina.

Rehefa avy namerina nilaza ny sasantsasany tamin’ny fampianaran’i Isaia ny Mpamonjy (jereo ny 3 Nefia 22), dia nandidy ny vahoaka Izy hanadihady amim-pahazotoana ny tenin’i Isaia sy ny mpaminany. Vakio ny 3 Nefia 23:1–5, ary fantaro hoe nahoana ny Mpamonjy no nilaza fa tokony hanadihady ny tenin’i Isaia sy ny mpaminany isika. Asio marika ireo teny sy andian-teny izay hanampy anao hitadidy ny zavatra nianaranao.

Ny antony iray handidiana antsika hanadihady ny tenin’i Isaia dia satria “noteneniny … ny mikasika ny zavatra rehetra momba ny [vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo] izay isan’ ny mpianakavin’ i Isiraely” (3 Nefia 23:2). Noho ianao nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo dia anisan’ny mpianakavin’i Isiraely ianao. Mahakasika anao ny rakitsoratr’i Isaia. Ny antony iray hafa tokony hanadihadiantsika ny tenin’i Isaia dia satria ho tanteraka avokoa izy ireo (jereo ny 3 Nefia 23:3).

Jereo ao amin’ny 3 Nefia 23:1 fa nandidy manokana ny Nefita i Jesoa Kristy mba “hanadihady ny tenin’i Isaia amin’ny fahazotoana tokoa.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny hevitrao, inona no maha samy hafa ny mamaky ny tenin’ireo mpaminany sy ny manadihady azy ireo amim-pahazotoana tokoa?

    2. Inona no fomba fandalinana soratra masina afaka manampy anao hanadihady amim-pahombiazana sy amin’ny fomba manan-danja ny tenin’i Isaia sy ireo mpaminany? (Azonao atao ny mamerina ny lesona Fizarana 1: Andro 1, hoe “Mandalina Soratra Masina,” mba hitadidiana ireo fanampiana manan-danja amin’ny fandalinana soratra masina.)

Ny Loholona Merrill J. Bateman, izay mpikambana nisaorana tamim-boninahitra tao amin’ny Fitopololahy, dia nilaza ireo fitahiana sasany izay tonga eo amin’ny fiainantsika rehefa manadihady ny tenin’ireo mpaminany isika: “Misy ireo fitahiana azo rehefa manadihady ny soratra masina ny olona iray. Rehefa mandalina sy mankato ny tenin’ny Tompo ny olona iray dia manakaiky kokoa ny Mpamonjy izy ary mahazo faniriana bebe kokoa hiaina fiainana marina. Mitombo ny hery hanoherana ny fakam-panahy ary resy ireo fahalemena ara-panahy. Sitrana ireo ratra ara-panahy” (“Coming unto Christ by Searching the Scriptures,” Ensign, nôv. 1992, 28).

Vakio ny 3 Nefia 23:5, ary tadiavo ilay fampanantenana izay nomen’ny Mpamonjy antsika rehetra raha toa isika ka mandalina sy mamaly ireo fanasana ao amin’ny soratra masina.

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana na olona ao amin’ny fianakaviana izay manana olana amin’ny fandalinana tsy tapaka ny soratra masina ianao. Amin’ny alalan’ny fampiasana ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 23:1–5, dia soraty ny zavatra mety holazainao mba hamporisihana io olona io handalina amim-pahazotoana ny tenin’ireo mpaminany ary hahatsapa zavatra manan-danja miaraka amin’ny soratra masina.

3 Nefia 23:6–14

Nobedesin’i Jesoa Kristy ireo mpianany noho ny tsy nanoratan’izy ireo ny zava-nitranga manan-danja sasantsasany

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Filoha Spencer W. Kimball:

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

“I Jesoa Kristy Tompo mihitsy no nanantitrantitra tamin’ny Nefita sy ny Lamanita ny maha zava-dehibe tokoa ny fanoratana rakitsoratra [jereo ny 3 Nefia 23:6–13]. …

“Faly aho fa tsy izaho no bedy, na dia natao tamin’ny fomba malefaka sy tamin-katsaram-panahy aza izany, noho ny tsy nanatontosako ny andraikitra mba hanoratra isan’andro. …

“… Tsarovy fa nibedy ireo izay tsy nanoratra ireo zava-nitranga manan-danja ny Mpamonjy” (“The Angels May Quote from It,” New Era, feb. 2003, 32, 34–35).

Ilay fampahatsiahivana ao amin’ny 3 Nefia 23 dia mirakitra ilay tantara nolazain’ny Filoha Kimball rehefa nibedy ny Nefita ny Mpamonjy noho izy ireo tsy nanoratra tao amin’ny rakitsoratr’izy ireo ny sasany tamin’ireo zava-dehibe nitranga. Vakio ny 3 Nefia 23:6–11, ary fantaro ny zavatra tsy nosoratan’ny Nefita. Araka ny hevitrao, nahoana no zava-dehibe tamin’ny Nefita ny nanoratra ny fahatanterahan’io faminaniana nataon’i Samoela ilay Lamanita io? Amin’ny fomba manao ahoana no hanampian’ny fananana io rakitsoratra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna io antsika amin’izao androntsika izao?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana no mety hanan-danja ho anao ny manoratra ireo zava-nitranga ara-panahy sy ireo bitsiky ny Fanahy izay mitranga eo amin’ny fiainanao?

Raha nisy zava-nitranga ara-panahy vao haingana teo amin’ny fiainanao, ka tsy nosoratanao, dia soraty ao anatin’ny diarinao izany izao ankehitriny izao. Kahie tsotra fandraisana an-tsoratra dia ampy hanaovana diary an’ny tena manokana. Vakio ny 3 Nefia 23:12–14, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Mpamonjy rehefa nankatoavin’ireo Nefita ilay didy hoe hanoratra ny fahatanterahan’ny faminanian’i Samoela ilay Lamanita.

“Novelabelarin’ny [Mpamonjy] … ny soratra masina rehetra,” izay midika hoe nanazava ny hevitry ny soratra masina Izy.

Vakio ny 3 Nefia 24:1, ary jereo ny zavatra itovizan’ny tapany voalohany amin’io andininy io amin’ny zavatra nitranga ao amin’ny 3 Nefia 23:12–14. Tsara ny mahatsikaritra fa rehefa avy nandray an-tsoratra ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy azy ireo ny Nefita dia nomen’i Jesoa fahalalana sy fanambarana fanampiny izy ireo tamin’ny alalan’ny famelabelarana nataony momba ireo zavatra ireo.

Miainga amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 23:6–14, dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Rehefa mandray an-tsoratra ireo fitaomam-panahy sy zava-nitranga sarobidy aho dia manasa .

Ao anatin’ireo valiny maro azo nomena dia azonao natao ny nameno ilay fitsipika etsy ambony tahaka izao: Rehefa mandray an-tsoratra ireo fitaomam-panahy sy zava-nitranga sarobidy aho dia manasa ny Tompo hanome ahy fanambarana fanampiny.

Mba hahatakarana feno kokoa ny fahamarinana nianaranao dia vakio ireto fanambarana roa manaraka ireto izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny fahalalana voarakitra tsara dia fahalalana azo ampiasaina amin’ny fotoana ilana azy. Ny fampahalalana ara-panahy izay tsiambaratelo dia tokony hotehirizina any amin’ny toerana masina iray izay manambara amin’ny Tompo hoe hatraiza no ankamamianao izany. Manatsara ny fahafahanao mandray fahazavana bebe kokoa ny fanaovana izany” (“Acquiring Spiritual Knowledge,” Ensign, nôv. 1993, 88).

“Soraty ao amin’ny toerana azo antoka ireo zavatra manan-danja izay nianaranao avy amin’ny Fanahy. Ho hitanao fa rehefa manoratra ireo fahatsapana sarobidy ianao dia hisy maro kokoa izay ho tonga matetika. Ny fahalalana azonao ihany koa dia ho azonao ampiasaina mandritra ny androm-piainanao manontolo” (“To Acquire Knowledge and the Strength to Use It Wisely,” Ensign, jona 2002, 32).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no mety hanampy antsika handray fanambarana bebe kokoa ny fanoratana ireo fanambarana azontsika avy amin’ny Tompo?

    2. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fakana fotoana hanoratana mikasika ny fitaoman’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika hanampy antsika hahatsapa fankasitrahana noho ireo fitahiana azontsika, sy haneho ny fankasitrahantsika Azy?

Mety hiahiahy ianao hoe tsy nanana traikefa miavaka na masina izay mendrika ny hosoratana. Niresaka mikasika io ahiahy io ny Loholona John H. Groberg, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy nisaorana tamim-boninahitra manao hoe: “Ny olona sasany dia miteny hoe: ‘Tsy manana na inona na inona horaketina an-tsoratra aho. Tsy misy zavatra ara-panahy mitranga amiko.’ Hoy aho hoe: ‘Atombohy ny firaketana an-tsoratra, dia hitranga ireo zavatra ara-panahy. Misy foana izy ireny, saingy lasa mora mahatsapa azy ireny kokoa isika rehefa manoratra” (“Writing Your Personal and Family History,” Ensign, mey 1980, 48).

Azonao atao ny manomboka mampihatra ny zavatra nianaranao mikasika ny fanoratana ireo zavatra niainana ara-panahy amin’ny alalan’ny fitondrana taratasy kely, na kahie fandraisana an-tsoratra, na diary amin’ny herinandro manaraka. Raiso an-tsoratra izay bitsiky ny Fanahy, na eritreritra, na zavatra niainana, na fahatsapana tonga ao aminao mandritra iny herinandro iny. Raiso an-tsoratra ihany koa ny fahatsapanao fitaomana hanatanteraka zavatra mifanaraka amin’ireo bitsika voarainao. Rehefa vitanao ireo asa ireo dia soraty ny zavatra niainanao.

Lazao amin’ny olona iray (olona ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana) ny drafitra nomaninao mba hiraketana an-tsoratra ireo zavatra niainanao ara-panahy. Asao io olona io hiara-hiezaka aminao amin’izany amin’ny alalan’ny firaketany ireo zavatra niainany ara-panahy sasantsasany. Ny fanasanao olona iray hafa hanao io vinan-kasa io miaraka aminao dia ahafahanareo mifankahery sy mifanome tatitra mikasika ny fivoaranareo. Kanefa tokony hotsaroanao fa tsy ilaina—ary angamba tsy mety—ny mifampizara ireo zavatra masina niainanareo.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 23 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: