Seminera
Fizarana 17: Andro 1, Almà 17–18


Fizarana 17: Andro 1

Almà 17–18

Fampidirana

Mirakitra ny zavatra nosoratan’i Môrmôna momba ny iraka nampanaovina ireo zanakalahin’i Môsià tany amin’ny Lamanita ny Almà 17–18. Manome ohatra amin’ny fomba tokony hiomanana sy hanompoan’ny misiônera amin’izao fotoana izao ireny tantara ireny. Nikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ireo zanakalahin’i Môsià rehefa niomana ny hitory ny filazantsara tamin’ny Lamanita. Rehefa samy nandeha tamin’ny lalany avy izy ireo dia nankahery azy ireo ny Tompo ary nampanantena fa hitondra fanahy ao Aminy izy ireo. Nandeha tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna ary nanomboka nampianatra tamin’ny alalan’ny fanompoana ny mpanjaka Lamanita nantsoina hoe Lamônia. Talanjona tamin’ny herin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia rehefa niaro ny biby fiompin’ny mpanjaka izy. Nanalefaka ny fon’ny mpanjaka sy ny vahoakany hihaino ny fampianaran’i Amôna momba an’Andriamanitra sy ny drafitry ny famonjena ity asa fanompoana ity. Nino ny zavatra nampianarin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia, niaiky ny filàny Mpamonjy, nitalaho famindrampo tamin’ny Tompo, ary heniky ny Fanahy.

Almà 17:1–18

Miomana amin’ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià

Mieritrereta mikasika ny halavan’ny fotoana hanompoan’ireo rahalahy sy rahavavy any amin’ny misionan’izy ireo ankehitriny. Vakio ny Almà 17:4, ary tsipiho ny isan’ny taona nampianaran’ireo zanakalahin’i Môsià ny filazantsara teo anivon’ny Lamanita.

Raha nandeha tany amin’ny tanin’i Mantia i Almà dia nihaona tamin’ireo zanakalahin’i Môsià raha nody avy tamin’ireo asa fanompoana lavabe izy ireo, ary nifaly avokoa izy rehetra. Vakio ny Almà 17:2–4, ary hasongadino ireo teny sy fehezanteny izay mamaritra hoe misiônera toy ny ahoana ireo zanakalahin’i Môsià.

  1. Avereno jerena ny Almà 17:2–4. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Ataovy lisitra ireo zavatra nataon’ireo zanakalahin’i Môsià mba hiomanana ho misiônera mahomby, ary farito ireo vokatry ny fiomanan’izy ireo.

    2. Misafidiana zavatra nataon’ireto misiônera ireto izay tianao hatsaraina kokoa eo amin’ny fiainanao, na toetoetra izay tianao ampitomboina ho feno kokoa. Manoratra andinin-tsoratra iray momba ny fomba hanaovanao izany.

Saintsaino hoe impiry ianao no mivavaka sy mandalina soratra masina manokana sy ao amin’ny fianakavianao, ary mieritrereta momba ireo fahafahana anananao hifadiana hanina. Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireny fomba amam-panao ireny anao ho “nihanahery tamin’ny fahalalana ny marina” (Almà 17:2)?

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ny ohatra nomen’ireo zanakalahin’i Môsià: Afaka mandray ny Fanahy Masina sy mampianatra amin-kery isika amin’ny alalan’ny fandalinana ny soratra masina, ny fivavahana, ary ny fifadian-kanina. Afaka miomana tsaratsara kokoa hizara ny filazantsara amin’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fandraisana ny Fanahy Masina.

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay nampianarany ny tanora ireo fomba hahafahan’izy ireo miomana ho misiônera. Mitadiava fomba miavaka izay hahafahanao manomana ny tenanao hizara ny filazantsara tahaka ny nataon’ireo zanakalahin’i Môsià.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Afaka mampitombo ny fanirianao hanompo an’Andriamanitra ianao (jereo ny F&F 4:3, ary afaka manomboka mieritreritra tahaka ny fomba fieritreretan’ireo misiônera, hamaky izay vakian’ireo misiônera, hivavaka tahaka ny fivavaky ny misiônera, ary hahatsapa ny zavatra tsapan’ireo misiônera. Afaka mandositra ireo fitaoman’izao tontolo izao izay mahatonga ny Fanahy Masina hisintaka ianao, ary afaka mahazo fahatokian-tena amin’ny fahafantarana sy fanatanterahana ireo bitsika ara-panahy. Fitsipika anampy fitsipika, andalana anampy andalana, kelikely eto ary kelikely eroa, afaka ny ho tonga miandalana ho ilay misiônera antenainao ahatongavana sy ilay misiônera andrandrain’ny Mpamonjy ianao. …

“Ny fitoriana ny filazantsara … dia tsy zavatra atao izay hirotsahantsika mandritra ny fotoana voafetra fotsiny ihany na asa tsy maintsy tanterahintsika amin’ny maha mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany antsika. Ny asa fitoriana kosa dia fanehoana ny maha olona ara-panahy sy ny lova ara-panahintsika” (“Becoming a Missionary,” Ensign na Liahona, nôv. 2005, 46–47).

Sary
tanora mamaky ny bokikely momba an’i Joseph Smith

Vakio ny Almà 17:9, ary tsipiho ny zavatra nangatahan’ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ny alalan’ny vavaka raha niomana ny hanompo izy ireo. Vakio ny Almà 17:11, ary eritrereto ny zavatra notenenin’ny Tompo tamin’izy ireo mikasika ny fomba ahatongavana ho fitaovana eo an-tanany. Ireto andininy ireto dia mampianatra ny fitsipika hoe: Afaka manao antsika ho fitaovana eo an-tanany ny Tompo amin’ny alalan’ny ohatra tsara asehontsika, indrindra fa rehefa ory isika.

  1. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny toe-java-misy iray izay nahatsapanao fa afaka ny ho ohatra tsara ianao. Mieritrereta momba ny fiaraha-monina any an-tsekoly, toe-java-misy ao an-tokantrano miaraka amin’ny fianakavianao na fianakaviana lavitra, sy ny fiaraha-monina manodidina izay hitanao maso na amin’ny internet. Resaho ny fomba hanehoanao ohatra tsara amin’izany toe-javatra izany.

Sarotra kokoa ny maneho ohatra tsara amin’ny toe-javatra sasany noho ny amin’ny hafa. Tadiavo ny fomba namaritana ireo Lamanita ao amin’ny Almà 17:12–16, ary eritrereto ny antony nandiavan’ireo zanakalahin’i Môsià fotoan-tsarotra tamin’ny fampianarana tanatin’izany toe-javatra izany.

Nahoana araka ny eritreritrao no vonona ny hiharitra fahoriana ireo zanakalahin’i Môsià mba hahafahan’izy ireo manampy vahoaka iray izay nankahala ny Nefita ? Fenoy amin’ny teny avy ao amin’ny Almà 17:16 ny banga mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra nantenain’ireo zanakalahin’i Môsià hotanterahina: Tian’ireo zanakalahin’i Môsià hotarihina … ireo Lamanita , satria tiany hahalala ny drafitry ny fanavotana ireo Lamanita.

Vitao ity asa ampanaovina ity mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mba hanampiana anao hahatakatra ny fomba ahatongavana ho ohatra tsara ho an’ny hafa: Mangataha olona ao amin’ny fianakavianao iray na namana iray hilaza aminao ny fomba nitondran’ny ohatra tahaka ny an’i Kristy nananan’ny olona iray fiovana teo amin’ny fiainany.

Almà 17:19–39

Lasa mpanompon’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna ary miaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka izy

Eo am-pamakianao ny Almà 17:19–39, dia tadiavo ny fomba nanompoan’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia sy ireo mpanompon’ny mpanjaka. Eritrereto ny fomba nanampian’ny fanompoan’i Amôna hanomanana ny Lamanita handray ny filazantsara. Manaova drafitra hizara ny tantaran’i Amôna niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na namanao iray. Antitrantero ity fahamarinana manaraka ity rehefa mizara ilay tantara ianao: Afaka manampy amin’ny fanomanana ny hafa hanaiky ny filazantsara isika amin’ny alalan’ny asa fanompoana. Mifampiresaha momba izany amin’izay olona tianao ho lasa matanjaka bebe kokoa ara-panahy. Eritrereto ny fomba hahafahanao manompo ity olona ity, ary manapaha hevitra mikasika ny fomba hahafahanao manao izany asa fanompoana izany.

Almà 18

Mahatalanjona ny Mpanjaka Lamônia ny fahatokian’i Amôna, ary mampianatra ny mpanjaka ny filazantsara i Amôna

Nolazain’ny mpanompon’ny Mpanjaka Lamônia taminy ny zavatra nataon’i Amôna hiarovana ny andian’ondrin’ny mpanjaka. Vakio ny Almà 18:4–6, ary tadiavo ny fihetsiky ny mpanjaka tamin’ny zavatra nataon’i Amôna.

Rehefa nanontany ny mpanompony ny mpanjaka hoe aiza i Amôna dia nolazain’izy ireo taminy fa nanatanteraka ny fangatahana nataon’ny mpanjaka efa talohaloha kely hanomana ny soavaly ho amin’ny dia mankany amin’ny tanin’ny Nefia izy, toerana izay nipetrahan’ny rain’ny mpanjaka. Vakio ny Almà 18:12–15, ary tadiavo ny fiantraikan’ny asa fanompoan’i Amôna tamin’ny Mpanjaka Lamônia.

Sary
Miaro ny Andian’ondrin’ny Mpanjaka Lamônia i Amôna

Vakio ny Almà 18:16–21, ary mitadiava porofo fa notarihin’ny Tompo i Amôna rehefa nampianatra ny Mpanjaka Lamônia. Soraty eo amin’ny toerana natokana hanaovana izany ny fomba nanampian’ny Fanahin’Andriamanitra an’i Amôna tamin’izany toe-javatra izany.

Eo am-pamakianao ny Almà 18:22–32, dia mitadiava fahamarinana ara-pilazantsara miavaka izay nampianarin’i Amôna ny Mpanjaka Lamônia. Afaka marihinao ao amin’ny soratra masinao na soratanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany. Nanorina finoana izay nifampizaran’izy sy i Lamônia i Amôna rehefa nampianatra. Nino andriamanitra iray—izay nantsoina hoe ilay Fanahy Lehibe—i Lamônia, kanefa tsy nahatakatra ny tena toetran’Andriamanitra marina izy.

Vakio ny Almà 18:33–35, ary tadiavo ny fomba namalian’i Amôna rehefa nanontanian’ny mpanjaka izy raha toa ka nirahin’Andriamanitra.

  1. Avy amin’ny fandalinanao ny Almà 17–18, manorata andinin-tsoratra fohifohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny zavatra afaka nataon’i Amôna niaraka tamin’ny fanampian’Andriamanitra teo anivon’ny Lamanita.

Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 18:35 izao fitsipika manaraka izao: Rehefa manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika dia hampitombo ny fahafahantsika manao ny asany Izy ireo.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Ahoana no hanampian’ilay fitsipika tetsy aloha anao amin’ireo andraikitrao ato amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

    2. Ahoana no fomba hanompoanao amim-pahatokiana bebe kokoa ny Tompo mba hahafahany mampitombo ny fahafahanao manao ny asany?

Afaka nampianatra an’i Lamônia momba ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra i Amôna noho ny ohatra mahatoky nasehony sy ny fanompoany. Tadidio fa nahatsapa fahamelohana i Lamônia noho ny vonoan’olona nataony (jereo ny Alma 18:4–6). Vakio ny Almà 18:36–43, ary tadiavo ny fomba nampianaran’i Amôna an’i Lamônia ny drafitry ny fanavotana sy ny fomba nandraisan’i Lamônia ireny fampianarana ireny.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fanontaniana manaraka izao: Nahoana araka ny eritreritrao no nanan-danja manokana tamin’ny Mpanjaka Lamônia ny fahatakarana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Diniho ny fomba mety nanampian’ny fianarana ireo fotopampianaran’ny Fahariana, ny Fahalavoana, ary ny Sorompanavotana an’i Lamônia hiaiky ny filàny Mpamonjy iray. Nampianatra momba ny maha zava-dehibe ny Fahariana, ny Fahalavoana, ary ny Sorompanavotana ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“ Ireto trangan-javatra masina telo ireto—izay andry telon’ny mandrakizay—dia voarary miaraka ao anatin’ny sary temitra lehibe iray izay fantatra amin’ny antsoina hoe drafitra mandrakizain’ny famonjena. Raisintsika ho ivo sy fototra ary votoatin’ny fivavahana nambara ny sorompanavotan’ny Tompo Jesoa Kristy. Manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona izany. Ao amin’i Kristy ny famonjena.

“Fa raha tsy nisy ny fahalavoana, dia tsy nisy ny sorompanavotana. Nitondra fahafatesana ara-batana sy ara-panahy ho an’izao tontolo izao ny fahalavoan’i Adama, ary amin’ireny fahafatesana ireny no nanavotana ny olona sy ny karazana aina rehetra tamin’ny alalan’ny sorompanavotana notanterahin’ny Tompo Jesoa Kristy. Nitondra fiainana mety maty i Adama. Nitondra tsy fahafatesana kosa i Kristy. Tonga ny fanavotana noho ny fahalavoana sy ny sorompanavotana.

“Kanefa raha toa ka tsy nohariana amin’ny toetra ara-nofo sy tonga lafatra, amin’ny toetra tsy mandalo fahafatesana ny tany sy ny olona ary ny zava-mananaina rehetra dia tsy nisy ny fahalavoana. … Noho izany dia nanjary nisy tao anatiny sy tamin’ny alalany ary noho ny fahariana ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao sy eo aminy ny famonjena. Tanteraka noho ny fahariana, ny fahalavoana, ary ny sorompanavotana ny famonjena ary ampahany amin’ny drafitra masina iray ny tsirairay amin’ireo telo ireo” (A New Witness for the Articles of Faith [1985], 81–82).

Afaka mianatra izao fahamarinana izao avy amin’ny zavatra niainan’i Lamônia isika: Te hibebaka isika rehefa mahatakatra ny filàntsika Mpamonjy iray.

Farano amin’ny fandinihana ny zavatra azonao atao izay hanampy anao hitadidy ny filànao ny Mpamonjy ny lesona androany.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 17–18 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: