Seminera
Fizarana 13: Andro 2, Môsià 19–20


Fizarana 13: Andro 2

Môsià 19–20

Fampidirana

Taorian’ny nandosiran’i Almà sy ny vahoakany ny miaramilan’ny Mpanjaka Noà dia nanomboka niaritra ireo voka-dratsy nambaran’i Abinadia tamin’ny alalan’ny faminaniana ny vahoaka izay nijanona niaraka tamin’i Noà. Ny tantaran’ny Nefita tany amin’ny tanin’i Lehia-Nefia dia mampahatsiahy antsika fa rehefa mandà ny torohevitry ny mpanompon’ny Tompo isika dia mizaka voka-dratsy lehibe. Mifanohitra amin’izany, miaina fiadanana sy fiarovana isika na dia ao anatin’ny fisedrana aza rehefa mankato ny mpaminany. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia eritrereto ny fomba ahafahanao mahazo fiadanana sy fiarovana izay tonga avy amin’ny fihainoana ny torohevitr’ireo mpaminany maoderin’ny Tompo.

Môsià 19–20

Nahita ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Abinadia ny Nefita tany amin’ny tanin’i Lehia-Nefia

Vakio ity zavatra niainana manaraka notantarain’ny Loholona David R. Stone ity, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy teo aloha, ary eritrereto ny maha zava-dehibe ireo fampitandremana ara-panahy azontsika amin’ny alalan’ireo mpaminany:

“Indray Alahady maraina … dia nifoha tamin’ny andro mahafinaritra izahay tao Santo Domingo tany amin’ny République Dominicain. Nibaliaka ny masoandron’i Caraïbes ary nazava ny lanitra. Nisy rivotra malefaka nitsoka, izay zara raha nampihetsika ireo ravina teny amin’ny hazo; nafana sy nilamina ary tony tamin’izay. Kanefa tany an-dranomasina lavitra tany, lavitra noho izay tazanay tamin’io andro io, dia tonga nanatona anay ny rivo-doza mahery, tsy hay nampanginina sy tsy voatohitra. Nanome ny vaovao farany tsy tapaka tamin’ny Internet ny Foibe misahana ny Rivo-doza, izay nanana andraikitra tamin’ny fanaraha-maso sy nilaza mialoha izay ho lalan’ny Rivo-doza Georges. Tamin’izay maraina tony sy nangina izany, tamin’ny alalan’ny zanabolana mpanaraka ny lalan’ilay rivo-doza no nahitako ny ho lalan’ilay tafiotra voalaza, izay nizotra tahaka ny zana-tsipìka nikendry ny ivon’i Santo Domingo.

“Namely ilay nosy … tamim-pahatezerana goavana ilay tafiotra tao anatin’ny 48 ora ka namela faharavana, faharinganana, ary fahafatesana teny amin’ny lalany. …

“Mety ho tena lehibe ny fahasimbana sy ny faharavana ary ny fahafatesana avy amin’ireo rivo-doza ireo kanefa mbola lehibe kokoa ny faharinganana ateraky ny rivo-doza ara-panahy eo amin’ny fiainan’ny olona. Ireny hery masiaka ireny matetika dia miteraka fahasimbana mandringana lavitra noho ny rivo-doza satria manimba ny fanahintsika sy manaisotra ny fomba fijerintsika mikasika ny mandrakizay sy ny fampanantenana ho antsika mandrakizay. …

“Mametraka ny tenantsika eo amin’ny lalan’ireny rivo-doza ara-panahy ireny isika rehefa manome toerana ny hatezerana, ny alikaola ary ny fanararaotana; ny filan-dratsy sy ny fijangajangana ary ny sary mamoafady; ny zava-mahadomelina, ny avonavona, ny tsy fahononana, ny herisetra, ny fitsiriritana sy ny lainga—lava ilay lisitra. …

Sary
Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo

“Kanefa manana ireo mpiandry ny rivo-doza ara-panahy ihany koa isika, ireo izay manana antso ny hiambina sy hampitandrina antsika, manampy antsika hiala amin’ny fahasimbana, faharavana ary ny fahafatesana ara-panahy mihitsy aza. Fantatsika amin’ny hoe apôstôly sy mpaminany ireo mpitily mitsangana eo an-tampon’ny tilikambontsika. Izy ireo no masontsika ara-panahy eny amin’ny lanitra, ary fantatr’izy ireo, amin’ny alalan’ny fitaomam-panahy sy ny hevi-baovao ary ny faharanitan-tsaina madio ny lalana mety halehan’ireo tafiotra ireo. Manohy manandratra ny feony izy ireo hampitandremana antsika ny amin’ireo voka-dratsin’ny fanaovana fanahy iniana mandika ny didin’ Tompo. Fanasana ny fahoriana sy alahelo ary faharinganana ny tsy firaharahiana tsotra izao ny fampitandreman’izy ireo. Ny fanarahana ny fampitandreman’izy ireo dia fanarahana ireo mpanompo nofinidin’ny Tompo ho any amin’ny lohasaha ara-panahin’ny fiadanana sy ny fahafenoana” (”Spiritual Hurricanes,” Ensign, nôv. 1999, 31–32).

Makà fotoana ary saintsaino hoe inona ireo loza henonao nampitandreman’ireo mpaminany sy apôstôly antsika. Ahoana no ahafahan’ny tenin’izy ireo miaro antsika amin’ny “rivo-doza ara-panahy”?

Naniraka an’i Abinadia Andriamanitra mba hampitandrina ny vahoakan’i Lehia-Nefia ny amin’ny faharavana izay ho tonga raha tsy mibebaka izy ireo.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity ary mametraha toerana malalaka hanoratana eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay:

    Faminaniana momba ny vahoakan’ny Mpanjaka Noà (Môsià 12:1–2)

    Fahatanterahana (Môsià 19:10, 14–15; 20:20–21; 21:3–4, 8, 10–13)

    Faminaniana momba ny Mpanjaka Noà (Môsià 12:3)

    Fahatanterahana ( Môsià 19:18–20)

    A.

    B.

    Avereno jerena ireo faminanian’i Abinadia ho an’ny Nefita tany amin’ny tanin’i Lehia-Nefia amin’ny alalan’ny famakiana ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny tsanganana havia ao amin’ilay tabilao. Soraty eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina mifandraika amin’izany ireo voka-dratsy nolazain’i Abinadia fa hozakain’ny Mpanjaka Noà sy ny vahoakany raha toa izy ireo ka tsy mibebaka. Soraty eo ambanin’ilay tsanganana havia (A) izay heverinao fa mety ho tsapanao sy ny zavatra mety ho nataonao raha toa ianao ka nahare ireo fampitandreman’i Abinadia.

Alohan’ny hanombohanao miasa ao amin’ilay tsanganana havanana ao amin’ilay tabilao dia fenoy ity asa atao eto ambany ato amin’ny boky torolalana ity. Ity asa atao ity dia hanampy anao hahalala misimisy kokoa ny amin’ireo zava-nitranga ao amin’ny Môsià 19–20 sy hahafantatra ny fahatanterahan’ireo faminanian’i Abinadia voarakitra ao amin’ireo toko ireo.

Eo am-pandalinanao ny Môsià 19–20 dia asio laharana araka ny fisehony ao amin’ny soratra masina ireto zava-nitranga 11 manaraka ireto. Ny famintinana ny toko eny amin’ny fiandohan’ny toko tsirairay dia hanome anao hevitra manampy mba hitarika anao.

  • Nikatsaka ny hamono ny Mpanjaka Noà i Gideôna.

  • Nitalaho tamin’ny Lamanita ny zaza amam-behivavy Nefita mba tsy hamonoan’izy ireo azy ireo.

  • Niaritra fahafatesana tamin’ny afo ny Mpanjaka Noà.

  • Tonga teo amoron’i Semlôna ny miaramila Lamanita.

  • Naka an-keriny zanakavavin’ny Lamanita 24 ny mpisoron’ny Mpanjaka Noà.

  • Nitalaho tamin’ny miaramilany ny mpanjaka Lamanita mba tsy hamono ny vahoakan’i Limia.

  • Nandositra ny Lamanita ny vahoakan’i Noà sasany ka nandao ny zaza amam-behivavy.

  • Nandidy ny vahoakany tsy hamono ny Mpanjaka Lamanita i Limia.

  • Nisy fandriampahalemana teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita nandritra ny roa taona.

  • Nampanantena i Limia fa handoa ny antsasaky ny fananany amin’ny Lamanita ny vahoakany.

  • Nanosika ny fanafihan’ny Lamanita ny Nefita ary nisambotra ny mpanjaka Lamanita.

(Hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny valin’ity asa atao ity.)

  1. Rehefa vitanao araka ny tokony ho izy ny fanasiana laharana ireo fehezanteny 11 ireo dia miverena amin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Vakio ireo soratra masina ao amin’ny tsanganana havanana hahitana ny antsipiriany mikasika ny fomba nahatanterahan’ireo faminanian’i Abinadia. Soraty ao anatin’ny tabilaonao ao amin’ny tsanganana havanana ireo antsipiriany ireo. Hazavao eo ambanin’ilay tsanganana (B) ny zavatra nianaranao momba ireo voka-dratsin’ny fandavana ny teny fampitandreman’ny mpaminany iray.

Vakio ny Môsià 20:21, ary asio marika ny teny nambaran’i Gideôna izay mampiseho ny fahatakarany fa mitondra fahoriana sy alahelo ny fandavana ny tenin’ny mpanompon’ny Tompo.

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:63, 70–72 hahitana ny fomba iharan’ity fitsipika ity eo amin’ireo izay tsy hihaino ny Tompo na ny mpanompony amin’ny andro farany. Azonao atao ny manoratra ity andinin-tsoratra masina ity ao anatin’ny soratra masinao mba ho soratra masina mifandray amin’ny Môsià 20:21. Jereo ireo lahateny nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra ao amin’ny Ensign na Liahona (laharana volana mey na nôvambra) na ao amin’ny LDS.org mba hahitana ireo tenin’ny mpaminany mikasika ireo zavatra ireo.

Saintsaino ity fanontaniana ity: Inona no zavatra henonao nampianarin’ny mpaminany vao haingana izay hanampy ny tsirairay sy ny fianakaviana ary ny firenena hiala amin’ny fahoriana sy ny alahelo?

Mba hahitana ohatra iray amin’ny alahelo sy fahoriana izay tonga avy amin’ny fandavana ny mpaminanin’ny Tompo dia tadiavo ireo voka-dratsy nolazain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa ho tonga amin’ireo izay mandray anjara amin’ny pôrnôgrafia:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Ny pôrnôgrafia dia manimba ny fahafahan’ny olona iray mankafy ny fifandraisana tsotra ara-pihetseham-po, feno fitiavana sy ara-panahy miaraka amin’ny olona iray (lehilahy raha toa ka vehivavy izy na vehivavy raha toa lehilahy izy). Manimba tsikelikely ireo sakana ara-pitondrantena izay manohitra ny fitondrantena tsy mendrika, tsy araka ny tokony ho izy ary voararan’ny lalàna izany. Rehefa tsy manenjika ny olona iray intsony ny feon’ny fieritreretany dia voatarika hanao izay hitan’ny masony ireo mpijery pôrnôgrafia na inona na inona mety ho vokatr’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo sy eo amin’ny fiainan’ny hafa.

“Mampiankin-doha ihany koa ny pôrnôgrafia. Manimba ny fahafahana manapa-kevitra izany ary manjary miankin-doha ireo mpampiasa azy, ka maka fanahy azy ireo hijery izany bebe kokoa amin’ny fomba tsy hay fehezina” (“Pornography,” Ensign na Liahona, mey 2005, 89).

Eritrereto ny sasany amin’ireo ohatra amin’ny alahelo sy fahoriana izay tonga avy amin’ny tsy firaharahiana ny torohevitry ny mpaminany amin’ireo lohahevitra toy ny filokana, ny pôrnôgrafia, ny Tenin’ny Fahendrena, ny famitahana, ny tombokavatsa, ny fanevehana ny vatana, ny fanaovana akanjo tsy maotina na ny fampiarahana mialoha ny faha 16 taona.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no hanampian’ny fanarahana ny torohevitry ny mpanompon’ny Tompo momba ireo lohahevitra toy ny fanamafisana orina ny fianakaviana, fiainana ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena, na ny fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena, an’ireo olona tsirairay sy ny fianakaviana hiala amin’ny sasany amin’ireo fahoriana sy alahelo iainan’izy ireo?

Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo fa afaka manana fiadanana sy hiverina eo anatrehan’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny mpaminany:

“Mizara ny fijoroako ho vavolombelona aho fa manana ny toetra nananan’ireo mpaminany fahiny sy ireo mpaminany hafa tamin’ity fotoam-pitantanana ity ireo mpaminany amin’izao andro izao. …

“… Tonga avy amin’ny fitodihana amin’ilay feo mazavan’ny mpaminany velona ny fiarovana antsika ara-panahy. Raha toa isika ka mihaino ny feony ka mankatò ny toroheviny dia ho afaka hiaina araka izay tian’ny Tompo hiainantsika isika ary haharitra hatramin’ny farany mba hahafahantsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika indray andro any miaraka amin’ny fianakaviantsika” (”Hear the Prophet’s Voice and Obey,” Ensign, mey 1995, 17).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba tianao hiantraikan’ny fandalinanao ny Môsià 19–20 amin’ny fomba fihainoanao ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo. Mieritrereta zavatra niainana iray mikasika ny fomba nahazoanao fiadanana sy fiarovana ara-panahy tamin’ny alalan’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminanin’ny Tompo ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 19–20 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro:

Valin’ny fandaharana ilay asa natao: 1, 4, 5, 2, 8, 11, 3, 10, 7, 6, 9.