Ny soratra masina
Môzià 19


Toko 19

Nikatsaka hamono an’i Noà Mpanjaka i Gideôna—Nanani-bohitra ny Lamanita—Niaritra fahafatesana tamin’ny afo i Noà Mpanjaka—Nanapaka toy ny tompomenakely i Limia. Tokony ho 145–121 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga dia niverina ny miaramilan’ny mpanjaka, rehefa very maina ny fikarohany ny vahoakan’ny Tompo.

2 Ary ankehitriny, indro vitsy ireo lahindefon’ny mpanjaka, satria nihena, ary nanomboka nisy fisaraham-bazana teo anivon’ny vahoaka sisa.

3 Ary ny ampahany vitsy an’isa dia nanomboka nifofo fandrahonana ny mpanjaka, ary dia nanomboka nisy fifandirana lehibe teo anivony.

4 Ary ankehitriny dia nisy lehilahy anankiray teo anivony, izay i Gideôna no anarany, ary izy dia lehilahy matanjaka sy fahavalon’ny mpanjaka, noho izany dia nosintoniny ny sabany ary nianiana tamin’ny fahatezerany izy fa hovonoiny ny mpanjaka.

5 Ary ny zava-nitranga dia niady tamin’ny mpanjaka izy; ary nony nahita ny mpanjaka fa efa akaiky horesiny izy, dia nandositra izy ary nianika ny atilikambo izay akaikin’ny tempoly.

6 Ary nanenjika azy i Gideôna, ary saika hianika ny tilikambo izy hamono ny mpanjaka, ary nanopy ny masony manodidina ny mpanjaka nitazana ny tanin’i Semlôna, ary indro, ny miaramilan’ny Lamanita dia efa tafiditra ny sisin-tany.

7 Ary ankehitriny, ny mpanjaka dia niantso noho ny fitaintainan’ny fanahiny, nanao hoe: Ry Gideôna ô, tsimbino aho fa mby amintsika ny Lamanita, ary hamongotra antsika izy, eny, hamongotra ny oloko izy.

8 Ary ankehitriny dia tsy nahoan’ny mpanjaka firy noho ny ainy anefa izay vahoakany; na dia izany aza dia nitsimbina ny ainy i Gideôna.

9 Ary nodidian’ny mpanjaka ny handosiran’ny vahoaka eo anoloan’ny Lamanita, ary ny tenany mihitsy dia nandositra teo anoloany, ary dia nitsoaka nandositra nankany an-tany foana izy ireo niaraka tamin’ny vady aman-janany.

10 Ary ny zava-nitranga dia nanenjika azy ireo ny Lamanita ka nahatratra azy ireo, ary rafitra namono azy ireo.

11 Ankehitriny ny zava-nitranga dia nandidy azy ireo ny mpanjaka mba handaozan’ny lehilahy rehetra ny vady aman-janany ary handosirany eo anoloan’ny Lamanita.

12 Ankehitriny dia nisy maro izay tsy nety nandao azy ireo, fa naleony nijanona sy niara-maty taminy. Ary ny sisa kosa nandao ny vady aman-janany ary nandositra.

13 Ary ny zava-nitranga dia ireo izay niara-nijanona tamin’ny vady aman-janany dia nanao izay hirosoan’ireo zananivavy kanto sy hitalahoany ny Lamanita mba tsy hamonoany azy.

14 Ary ny zava-nitranga dia nanana fitserana azy ny Lamanita, fa babon’ny hatsaran’ny zatovovaviny izy.

15 Noho izany ny Lamanita dia nitsimbina ny ainy ary naka azy ho babo sy nitondra azy niverina tany an-tanin’i Nefia, ary notoviny taminy ny hahazoany mizaka ny tany, ka ny fepetra dia ny hanolorany an’i Noà mpanjaka ho eo an-tanan’ny Lamanita sy hanolorany ny fananany, dia ny antsasak’izay rehetra ananany, antsasaky ny volamenany sy ny volafotsiny ary ny zava-tsarobidiny rehetra, ary dia toy izany no nandoavany hetra tamin’ny mpanjakan’ny Lamanita isan-taona isan-taona.

16 Ary ankehitriny dia nisy anankiray tamin’ny zanakalahin’ny mpanjaka tamin’ireo izay nentina ho babo, izay i aLimia no anarany.

17 Ary ankehitriny dia naniry i Limia ny tsy hamongorana an-drainy; kanefa dia tsy zovina tamin’i Limia ny amin’ny heloky ny rainy noho ny maha-olo-marina ny tenany.

18 Ary ny zava-nitranga dia naniraka olona an-tsokosoko i Gideôna hankany an-tany foana mba hikaroka ny mpanjaka sy ireo izay niaraka taminy. Ary ny zava-nitranga dia nifanehitra tamin’ny olona tany an-tany foana izy ireo, dia izy rehetra afa-tsy ny mpanjaka sy ny mpisorony.

19 Ankehitriny izy ireo dia efa nianiana tao am-pony fa hiverina any an-tanin’i Nefia, ary raha toa efa novonoina ny vady aman-janany ary koa ireo izay efa niara-nijanona taminy, dia hitady ny hamaly faty izy ireo, ary koa ho faty miaraka aminy.

20 Ary nandidy azy ireo ny mpanjaka ny tsy hiverenany; ary dia tezitra tamin’ny mpanjaka izy ireo ary nataony izay hijaliany na dia hatramin’ny ahahafatesany tamin’ny afo aza.

21 Ary efa andeha hisambotra ny mpisorona koa izy ireo sy hamono azy ho faty, ary nandositra teo anoloany izy.

22 Ary ny zava-nitranga dia efa saika hiverina any an-tanin’i Nefia izy ireo, raha nifanena tamin’ny olon’i Gideôna. Ary ny olon’i Gideôna dia nilaza taminy ny amin’ny zava-drehetra nanjo ny vady aman-janany sy ny namelan’ny Lamanita azy hahazo hizaka ny tany amin’ny alalan’ny fandoavana hetra amin’ny Lamanita, dia ny antsasak’izay rehetra nananany.

23 Ary nolazain’ny vahoaka kosa tamin’ny olon’i Gideôna fa efa novonoiny ny mpanjaka, ary ny mpisorony dia efa nandositra azy lavidavitra nankany an-tany foana.

24 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nofaranany ny fombafomban’ny fihaonana, dia niverina tany an-tanin’i Nefia izy ireo nifaly, satria tsy novonoina ny vady aman-janany; ary dia nolazainy tamin’i Gideôna ny amin’izay efa nataony tamin’ny mpanjaka.

25 Ary ny zava-nitranga dia nanao afianianana taminy ny mpanjakan’ny Lamanita fa tsy hamono azy ny olony.

26 Ary i Limia koa, izay zanakalahin’ny mpanjaka, rehefa nandray ny fanjakana anatolotry ny vahoaka azy, dia nianiana tamin’ny mpanjakan’ny Lamanita fa handoa hetra aminy ny olony, dia ny antsasak’izay rehetra ananany.

27 Ary ny zava-nitranga dia rafitra nanorina ny fanjakana i Limia ary nampiorina fandriampahalemana teo anivon’ny olony.

28 Ary ny mpanjakan’ny Lamanita dia nanisy mpiambina manodidina ny tany mba hahazoany mitana ny vahoakan’i Limia eo amin’ny tany, ka tsy hahazoany miala mankany an-tany foana; ary novelominy tamin’ny hetra izay noraisiny avy tamin’ny Nefita ny mpiambiny.

29 Ary ankehitriny i Limia mpanjaka dia nahita fandriampahalemana lalandava teo amin’ny fanjakany nandritra ny roa taona fa tsy nampitondra faisana na nitady ny hamongotra azy ny Lamanita.