Ny soratra masina
Môzià 3


Toko 3

Nanohy ny lahateniny i Benjamina Mpanjaka—Hanompo ny olona ao amin’ny tabernakely tanimanga ny Tompo Tsitoha—Hivoaka ny mason-koditra rehetra ny ra rehefa hanonitra ny fahotan’izao tontolo izao Izy—Ny Azy no hany anarana izay iavian’ny famonjena—Afaka nanaisotra ny maha-nofo azy ny olona ary nanjary Olomasina tamin’ny alalan’ny sorompanavotana—Ho toy ny farihy afo sy solifara ny fijalian’ny olon-dratsy. Tokony ho 124 taona talohan’i Kristy.

1 Ary koa ry rahalahiko, te hisintona ny sainareo aho fa somary manana hotenenina misimisy aminareo aho; fa indro, manan-javatra holazaina anareo aho momba izay ho avy.

2 Ary ny zavatra izay holazaiko anareo dia nampahafantarin’ny aanjely iray avy amin’ Andriamanitra ahy. Ary hoy izy tamiko: Mifohaza; dia nifoha aho, ary indro nijoro nanoloana ahy izy.

3 Ary hoy izy tamiko: Mifohaza ary henoy ny teny izay holazaiko anao; fa indro, efa tonga aho hilaza aminao avaovao mahafaly sady fifaliana lehibe.

4 Fa efa nandre ny fivavakao ny Tompo ary efa nitsara ny fahamarinanao sy efa naniraka ahy hilaza aminao fa mahazo mifaly ianao; ary mahazo milaza amin’ny olonao ianao mba ho feno fifaliana koa izy.

5 Fa indro, avy ny fotoana ary tsy dia lavitra loatra izany, ka ny aTompo Tsitoha izay manjaka, izay nisy ary misy hatrizay ka ho mandrakizay, dia hidina amin-kery avy any an-danitra ho eo anivon’ny zanak’olombelona sy honina ao amin’ny btabernakely tanimanga sy handeha eo anivon’ny olona ary hanao dfahagagana lehibe toy ny fanasitranana ny marary, ny fananganana ny maty, ny fampandehanana ny mandringa, ny fampahiratana ny jamba, ny fampahaladiana ny marenina, ary ny fanasitranana ny karazan’aretina rehetra.

6 Ary horoahiny hiala ny adevoly, na ny fanahy ratsy izay mitoetra ao am-pon’ny zanak’olombelona.

7 Ary indro hiaretany ny afakam-panahy sy ny fanaintainan’ny vatana, dia bhanoanana, hetaheta ary harerahana na dia mihoatra noho izay azon’ny olona dzakaina aza izany kanefa tsy hatramin’ny fahafatesana; fa indro mivoaka ny mason-koditra rehetra ny era, fa ho lehibe loatra ny ffitaintainany noho ny faharatsiana sy ny fahavetavetan’ny olony.

8 Ary hantsoina hoe aJesoa Kristy Izy, Ilay bZanak’ Andriamanitra, ny dRain’ny lanitra sy ny tany, ny Mpahary ny zava-drehetra hatrany am-piandohana; ary ny ereniny dia hantsoina hoe fMaria.

9 Ary indro tonga any amin’ny azy Izy mba hahatongavan’ny afamonjena amin’ny zanak’olombelona, noho ny bfinoana ny anarany; ary na dia eo aza izany rehetra izany dia hoheveriny ho toy ny olona Izy ary holazainy fa manana ddevoly, ary dia ehokapohina sy fhohomboina Izy.

10 Ary ahitsangana amin’ny maty Izy amin’ny andro bfahatelo; ary indro, mijoro Izy mba dhitsara izao tontolo izao; ary indro, ireo zavatra rehetra ireo no atao dia ny mba hiavian’ny fitsarana marina amin’ny zanak’olombelona.

11 Fa indro, ary ny arany koa dia bmanonitra noho ny fahotan’ireo izay efa dlavo noho ny fandikan-dalàn’i Adama, izay efa maty tsy nahalala ny sitrapon’ Andriamanitra momba azy ireo, na izay efa nanota tao amin’ny etsy fahalalana.

12 Nefa loza, lozan’izay mahalala fa amikomy amin’ Andriamanitra izy! Fa tsy ho tonga amin’ny toa azy ny famonjena raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana an’i bJesoa Kristy Tompo.

13 Ary ny Tompo Andriamanitra dia efa naniraka ny mpaminaniny masina tany anivon’ny zanak’olombelona rehetra hilaza ireo zavatra ireo amin’ny foko, ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra, ka amin’izany na zovy na zovy no hino fa ho avy i Kristy, dia handray ny afamelana ny fahotany izy ary hifaly amim-pifaliana lehibe izaitsizy tokoa, bmiova tsy ny efa tonga teo anivony sahady Izy.

14 Kanefa ny Tompo Andriamanitra dia nahita fa vahoaka mafy hatoka ny olony, ary notendreny ho azy ny lalàna dia ny alalàn’i Mosesy.

15 Ary famantarana maro sy fahagagana ary afambara sy tandindona no nasehony azy momba ny fiaviany; ary ny mpaminany masina koa dia nilaza taminy ny amin’ny fiaviany; ary dia mbola nanamafy ny fony anefa izy ary tsy nahatakatra fa tsy mahasoa na amin’inona na amin’inona ny blalàn’i Mosesy raha tsy amin’ny alalan’ny sorompanavotana amin’ny rany.

16 Ary raha toa aza ka ho azo natao ny mihevitra fa afaka manota ny aankizy madinika, dia tsy ho azo vonjena izy ireny; nefa izaho milaza aminareo fa efa btahiana izy ireny; fa indro, toy ny mahalavo azy ireny ao amin’i Adama, na noho ny toe-tenany, dia toy izany no anoneran’ny ran’i Kristy ny fahotan’izy ireny amin’ny sorompanavotana.

17 Ary ankoatra izany dia lazaiko aminareo fa atsy hisy anarana hafa omena na làlan-kafa na fomba izay mety hahatongavan’ny bfamonjena amin’ny zanak’olombelona, afa-tsy ao Aminy sy amin’ny alalan’ny anaran’i dKristy ihany, Ilay Tompo Tsitoha.

18 Fa indro mitsara Izy, ary ny fitsarany dia mahitsy; ary tsy maty ny zaza izay maty ao amin’ny fahazazany; fa ny olona kosa dia misotro fanamelohana ho an’ny fanahiny ihany raha tsy manetry tena izy ary atonga tahaka ny ankizy madinika ary mino fa ny famonjena dia efa tao sy ao ary ho tonga ao sy amin’ny alalan’ny bran’ny sorompanavotan’i Kristy, Ilay Tompo Tsitoha.

19 Fa ny olona aaraka ny nofo dia fahavalon’ Andriamanitra, ary efa toy izany hatramin’ny bfahalavoan’i Adama ary mbola ho toy izany mandrakizay mandrakizay raha tsy dmanaiky ny fitaoman’ny eFanahy Masina izy ary manaisotra ny maha-olona araka ny nofo azy sy tonga folomasina amin’ny alalan’ny sorompanavotan’i Kristy Tompo, ary tonga tahaka ny gankizy, mankatò, malemy paika, manetry tena, miaritra, feno fitiavana, vonona hanoa amin’ny zava-drehetra izay hitan’ny Tompo fa mety ampitondraina azy, dia tahaka ny zaza manoa an-drainy.

20 Ary ankoatra izany, dia lazaiko aminareo fa ho avy ny fotoana, ka ny afahalalana ny Mpamonjy dia hiely patrana eran’ny bfirenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary mponina tsirairay.

21 Ary indro rehefa tonga izany fotoana izany, dia tsy hisy ho hita atsisy tsiny eo anoloan’ Andriamanitra afa-tsy ny ankizy madinika, raha tsy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana ny anaran’ny Tompo Andriamanitra Tsitoha ihany.

22 Ary na dia amin’izay fotoana izay aza, rehefa avy nampianarinao ny olonao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo Andriamanitrao anao, na dia amin’izay aza dia tsy hita tsisy tsiny intsony eo imason’ Andriamanitra izy raha tsy araka ny teny izay efa nolazaiko anao ihany.

23 Ary ankehitriny dia efa nolazaiko ireo teny izay efa nandidian’ny Tompo Andriamanitra ahy.

24 Ary izao no lazain’ny Tompo: Ireo no hijoro ho toy ny vavolombelona mazava hiampanga ity vahoaka ity amin’ny andro fitsarana; amin’ireo no hitsarana azy, ny olona tsirairay araka ny asany avy, na tsara izany, na ratsy izany.

25 Ary raha ratsy izany, dia ahiboka ao amin’ny afahitana mahatsiravina ny helony sy ny fahavetavetany ihany izy, izay mahatonga azy hitakemotra hiala ny fanatrehana ny Tompo ho ao amin’ny toetry ny bfahantrana sy fijaliana tsisy fiafarany, izay tsy ahafahany miverina ilalana intsony; noho izany izy dia efa nisotro fanamelohana ho an’ny fanahiny.

26 Noho izany izy dia efa nisotro tamin’ny kapoaky ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay tsy azon’ny hitsiny lavina aminy intsony, toy ny tsy nahazoan’izany nandà fa i aAdama dia ho lavo noho ny fihinanany tamin’ny bvoankazo voarara; noho izany, dia tsy manan-jo aminy mandrakizay intsony ny dfamindram-po.

27 Ary ny afijaliany dia toy ny bfarihy afo sy solifara, ka ny lelafony dia tsy mety maty ary ny setrony dia miakatra mandrakizay mandrakizay. Izay no efa nandidian’ny Tompo ahy. Amena.