Ny soratra masina
Môzià 28


Toko 28

Nandeha mba hitory tany amin’ny Lamanita ny zanakalahin’i Môzià—Nandika ny takelaky ny Jaredita i Môzià, tamin’ny fampiasana ny vato roan’ny mpahita. Tokony ho 92 taona talohan’i Kristy.

1 Ankehitriny ny zava-nitranga, rehefa avy nanao ireo zavatra rehetra ireo ny azanakalahin’i Môzià, dia naka lehilahy vitsivitsy izy ireo hiaraka aminy ary niverina tany amin’ny mpanjaka rainy sy nangataka taminy ny hamelany azy sy ireo izay efa nofantenany mba hahazoany mandeha miakatra any an-tanin’i bNefia, mba hahazoany mitory ny zavatra izay efa reny mba hahazoany mizara ny tenin’ Andriamanitra amin’ny Lamanita rahalahiny—

2 Mba hahazoany, angamba, mitondra azy ho amin’ny fahalalana ny Tompo Andriamaniny sy mandresy lahatra azy ny amin’ny heloky ny razany; ary mba hahazoany, angamba, manasitrana azy amin’ny afankahalany ny Nefita ary mba hahazoany mitondra azy koa hiravoravo ao amin’ny Tompo Andriamaniny, mba hanjary mpinamana izy samy izy ary mba tsy hisy intsony ny fifandirana eran’ny tany rehetra izay efa nomen’ny Tompo Andriamaniny azy.

3 Ankehitriny dia niriany ny hanambara ny famonjena amin’ny olona tsirairay, satria tsy atantiny ny mety hisian’ny bfanahin’olona ho very; eny, na dia ny fieritreretana aza fa mety hisy fanahy hiaritra dfijaliana tsisy fiafarany dia nahatonga azy ireo hihorohoro sy hangovitra.

4 Ary dia toy izany no niasan’ny Fanahin’ny Tompo taminy, fa izy ireo no afaraidiny indrindra tamin’ny fahotana. Ary hitan’ny Tompo tao amin’ny bfamindram-po tsy hita lany fa mety ny hitsimbinana azy ireo; kanefa dia niaritra ny fitaintainan’ny fanahiny fatratra izy ireo noho ny helony, rehefa nijaly mafy sy natahotra ny holavina mandrakizay.

5 Ary ny zava-nitranga dia niangaviany andro maromaro ny rainy mba hahazoany mandeha miakatra any an-tanin’i Nefia.

6 Ary nandeha i Môzià mpanjaka ary nanadina ny Tompo raha toa ka tokony havelany ny zanany lahy handeha hiakatra any amin’ny Lamanita hitory teny.

7 Ary hoy ny Tompo tamin’i Môzià: Avelao izy handeha hiakatra, fa maro no hino ny teniny, ary ho azony ny fiainana mandrakizay; ary Izaho no ahanafaka ny zanakao lahy eo an-tanan’ny Lamanita.

8 Ary ny zava-nitranga dia namela ny handehanany sy hanaovany araka ny fangatahiny i Môzià.

9 Ary dia anizotra ny diany nankany an-tany foana mba hiakatra hitory teny any anivon’ny Lamanita; ary homeko any aoriana ny bfitantarana ny zava-bitany.

10 Ankehitriny i Môzià mpanjaka dia tsy nanana olona amelana ny fanjakana, satria tsy nisy tamin’ireo zanany lahy nety nandray ny fanjakana.

11 Noho izany izy dia nandray ny rakitsoratra izay voasokitra tamin’ny atakela-barahina, ary koa ny takelak’i Nefia sy ny zavatra rehetra izay efa notanany sy notehiriziny araka ny didin’ Andriamanitra, rehefa avy nandika sy nampanoratra ny rakitsoratra izay teo amin’ny btakela-bolamena izay hitan’ny olon’i Limia, izay natolotry ny tanan’i Limia azy;

12 Ary izany no nataony dia noho ny ahiahy lehibe teo amin’ny olony; fa naniry fatratra izy ny hahafantatra ny momba ireo olona izay efa nofongorana ireo.

13 Ary ankehitriny izy dia nandika izany tamin’ny alalan’ireo avato roa ireo izay natambatry ny tanjaka roan’ny andohalambo iray.

14 Ankehitriny ireo zavatra ireo dia efa voaomana hatrany am-piandohana ary nifanoloran’ny taranaka nifandimby, satria ny fikasana dia ny fandikana teny;

15 Ary ireo dia efa notanana sy notehirizin’ny tanan’ny Tompo, mba hasehony ny voary tsirairay izay hizaka ny tany ny heloka sy ny fahavetavetan’ny olony;

16 Ary na zovy na zovy no manana ireo zavatra ireo, dia antsoina hoe ampahita, araka ny fomban’ny fahagolan-tany.

17 Ankehitriny nony efa nahavita ny fandikana ireo rakitsoratra ireo i Môzià, dia indro, nanambara ny tantaran’ny vahoaka iray izay anofongorana izany, nanomboka tamin’ny fotoana izay namongorana azy ka mianotra mankany amin’ny fananganana ny btilikambo lehibe tamin’ny fotoana dnanorokoroan’ny Tompo ny fitenin’ny olona, ary dia naely patrana lavitra teo ambonin’ny tany manontolo izy, eny, ary dia hatramin’izay fotoana izay ka miverina hatrany amin’ny nahariana an’i Adama.

18 Ankehitriny ity tantara ity dia nahatonga ny vahoakan’i Môzià halahelo izaitsizy tokoa, eny, feno alahelo izy; kanefa dia nanome azy fahalalana be izany, izay naharavoravo azy.

19 Ary ity tantara ity dia hosoratana rahatrizay; satria indro ilaina ny hahafantaran’ny vahoaka rehetra ny zavatra izay voasoratra ao amin’ity tantara ity.

20 Ary ankehitriny, toy ny nolazaiko taminareo fa rehefa nahavita ireo zavatra ireo i Môzià mpanjaka, dia nalainy ny takela-abarahina sy ny zavatra rehetra izay efa notehiriziny ary natolony an’i Almà izany, izay zanakalahin’i Almà; eny, ny rakitsoratra rehetra ary koa ny bfandikana, ary natolony azy izany, ary nodidiany izy hitana sy dhitahiry izany ary koa hitana ny rakitsoratry ny vahoaka, hanolotra izany ny taranaka mifandimby, dia tahaka ny efa nanolorana izany hatrany, hatramin’ny fotoana izay nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema.