Ny soratra masina
Môzià 12


Toko 12

Naiditra am-ponja i Abinadia noho ny faminaniana ny hamongorana ny vahoaka sy ny fahafatesan’i Noà Mpanjaka—Nitanisa ny soratra masina ny mpisorona sandoka ary nihambo ho mitandrina ny lalàn’i Mosesy—Nanomboka nampianatra azy ireo ny Didy Folo i Abinadia. Tokony ho 148 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ny zava-nitranga, rehefa afaka roa taona, dia tonga teo aminy i Abinadia rehefa nanova ny fisehoany ivelany, ka tsy fantany izy, ary dia nanomboka naminany teo anivony izy, nanao hoe: Izao no efa nandidian’ny Tompo ahy, manao hoe—Ry Abinadia, mandehana ary maminania amin’ity vahoakako ity fa efa nanamafy ny fony tamin’ny teniko izy; tsy nibebaka tamin’ny ratsy fanaony izy; koa ahamangy azy amin’ny fahatezerako Aho, eny, amin’ny fahatezerako mirehitra no hamangiako azy ao amin’ny helony sy ny fahavetavetany.

2 Eny, lozan’ity taranaka ity! Ary hoy ny Tompo tamiko: Ahinjiro ny tananao ary maminania manao hoe: Izao no lazain’ny Tompo, ny zavatra hitranga dia havarina any amin’ny afanandevozana ity taranaka ity noho ny helony ary hasiana tehamaina ny btakolany; eny, ary hoenjehin’ny olona sy hovonoina; ary ny voltoran’ny habakabaka sy ny amboa, eny, ary ny bibidia no hambosibosika ny nofony.

3 Ary ny zavatra hitranga, dia hotombanana toy ny fitafiana ao anaty amemy mahamay ny bain’i Noà mpanjaka; ka ho fantany fa Izaho no Tompo.

4 Ary ny zavatra hitranga, dia hamely ity vahoakako ity amin’ny fahoriana mangidy Aho, eny, amin’ny mosary sy amin’ny aareti-mandringana; ary hataoko izay bhidradradradrany mandritra ny manontolo andro.

5 Eny, ary hataoko izay hitondrany aenta-mavesatra mifatotra eo an-damosiny; ary horoahina toy ny boriky moana izy.

6 Ary ny zavatra hitranga, dia halefako aminy ny havandra, ary hamely azy izany; ary hasian’ny arivotra avy any atsinanana izy; ary hanimba ny taniny koa ny bbibikely ary hihinana ny voamainany.

7 Ary hasian’ny areti-mandringana lehibe izy—ary izany rehetra izany no ataoko, dia noho ny ahelony sy ny fahavetavetany.

8 Ary ny zavatra hitranga, raha tsy mibebaka izy, dia ahoringaniko tanteraka sy ho eto ambonin’ny tany izy; kanefa dia hamela brakitsoratra iray izy, ary hotehiriziko izany ho an’ny firenena hafa izay hizaka ny tany; eny, ary izany no ataoko dia ny hahazoako mampiharihary ny fahavetavetan’ity vahoaka ity amin’ny firenen-kafa. Ary maro ny zavatra naminanian’i Abinadia tamin’ity vahoaka ity.

9 Ary ny zava-nitranga dia tezitra taminy izy; ary naka azy izy ary nitondra azy nifatotra teo anoloan’ny mpanjaka sy niteny tamin’ny mpanjaka hoe: Indro, entinay eto anoloanao ny lehilahy iray izay efa naminany loza momba ny olonao sy nilaza fa Andriamanitra dia handringana azy.

10 Ary mamin’ny loza momba ny ainao izy, ary milaza fa ny ainao dia ho toy ny fitafiana ao anaty memy mirehitra afo.

11 Ary koa, milaza izy fa ianao dia ho toy ny taho, dia ny taho maina eny an-tsaha, izay itsahin’ny biby sady hosen’ny tongotra.

12 Ary koa, milaza izy fa ianao dia ho toy ny vonin’ny tsilo, izay rehefa vaky vony tanteraka, raha mitsoka ny rivotra, dia indaosiny miparitaka eo ambonin’ny tany. Ary mihambo izy fa Andriamanitra no efa nilaza izany. Ary milaza izy fa izany rehetra izany no ho tonga aminao raha tsy mibebaka ianao, ary izany dia noho ny helokao.

13 Ary ankehitriny, ry mpanjaka, inona no antambo lehibe efa vitanao, na inona no fahotana lehibe efa nataon’ny olonao ka hahatonga antsika hohelohin’ Andriamanitra na hotsarain’ity lehilahy ity?

14 Ary ankehitriny, ry mpanjaka, indro tsy meloka isika, ary ianao, ry mpanjaka, dia tsy nanota; noho izany, ity lehilahy ity dia efa nandainga momba anao, ary zava-poana ny faminaniany.

15 Ary indro isika dia matanjaka, tsy havarina any amin’ny fanandevozana, na hoentina ho babon’ny fahavalontsika; eny, ary efa niroborobo tamin’ny tany ianao, ary ianao dia hiroborobo ihany koa.

16 Indro, ity izany lehilahy izany, atolotray eo an-tananao izy mba hahazoanao manao aminy araka izay heverinao fa mety.

17 Ary ny zava-nitranga dia nasain’i Noà mpanjaka naiditra am-ponja i Abinadia; ary nandidy ny ampisorona izy hiara-mifamory hahazoany mila hevitra miaraka amin’izy ireo ny amin’ny tokony hataony aminy.

18 Ary ny zava-nitranga dia hoy ireo tamin’ny mpanjaka: Ento aty izy mba hahazoanay manontany azy; ary nandidy ny mpanjaka ny hitondrana azy eo anoloany.

19 Ary izy ireo dia rafitra nanontany azy mba hahazoany mampisahotaka azy fa amin’izany no mety hananany izay hiampangana azy, nefa dia namaly azy ireo tamim-pahasahiana tokoa izy ary nahatohitra ny fanontaniana rehetra nataony, eny, ka talanjona izy ireo; satria anotoheriny izy ireo tamin’ny fanontaniana rehetra nataon’izy ireo, ary nampangaihaiziny izy ireo tamin’ny teny rehetra nataony.

20 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny iray taminy nanao hoe: Inona no hevitry ny teny izay voasoratra sy izay efa nampianarin’ny razantsika, manao hoe:

21 aAkory ny hatsaran’ny tongotr’iry izay mitondra vaovao mahafaly eny an-tendrombohitra; izay mitory fiadanana; izay mitondra teny soa mahafaly; izay mitory famonjena; izay manao amin’i Ziona hoe: Manjaka ny Andriamanitrao;

22 Ny mpitilinao hanandra-peo; hiray feo izy ireo ka hihira; fa hahita mifanatri-maso izy ireo, rehefa haverin’ny Tompo indray i Ziona;

23 Velomy ny hoby; miara-mihira ianareo ry toerana rava ao Jerosalema; fa ny Tompo efa nampionona ny olony, efa nanavotra an’i Jerosalema Izy;

24 Ny Tompo efa nampitanjaka ny asandriny masina teo imason’ny firenen-drehetra, ary ny faran’ny tany rehetra hahita ny famonjen’ny Andriamanitsika?

25 Ary ankehitriny dia hoy i Abinadia taminy: Moa ampisorona va ianareo ary mihambo ho mampianatra ity vahoaka ity sy mahatakatra ny fanahin’ny faminaniana, kanefa dia maniry ny hahafantatra avy amiko ny hevitr’ireo zavatra ireo?

26 Lazaiko aminareo, lozanareo izay mamilivily ny lalan’ny Tompo! Fa raha takatrareo ireo zavatra ireo, dia tsy nampianarinareo ireo; koa efa navilivilinareo ny lalan’ny Tompo.

27 Tsy nilofo tamin’ny afahalalana ny fonareo, noho izany ianareo dia tsy manam-pahendrena. Koa, inona no ampianarinareo ity vahoaka ity?

28 Ary hoy ireo: Mampianatra ny lalàn’i Mosesy izahay.

29 Ary hoy indray izy taminy: Raha mampianatra ny alalàn’i Mosesy ianareo, nahoana ianareo no tsy mitandrina izany? Nahoana ianareo no mametraka ny fonareo amin’ny harena? Nahoana ianareo no bmijangajanga sy mandany ny herinareo amin’ny vehivavy janga, eny, ary manao izay hanotan’ity vahoaka ity, hany ka manana antony hanirahana ahy ny Tompo mba haminany amin’ity vahoaka ity, eny, dia antambo lehibe ho an’ity vahoaka ity izany?

30 Tsy fantatrareo va fa milaza ny marina aho? Eny, fantatrareo fa milaza ny marina aho; ary ianareo dia tokony hangovitra eo anoloan’ Andriamanitra.

31 Ary ny zavatra hitranga dia hokapohina ianareo noho ny helokareo, satria efa nolazainareo fa mampianatra ny lalàn’i Mosesy ianareo. Ary inona no fantatrareo momba ny lalàn’i Mosesy? aMoa va ny famonjena tonga amin’ny alalan’ny lalàn’i Mosesy? Inona no lazainareo?

32 Ary namaly sy nilaza izy ireo fa ny famonjena dia tonga amin’ny alalan’ny lalàn’i Mosesy.

33 Nefa ankehitriny, dia hoy i Abinadia taminy: Fantatro fa raha tandremanareo ny didin’ Andriamanitra, dia hovonjena ianareo; eny, raha tandremanareo ny didy izay natolotry ny Tompo an’i Mosesy tao an-tendrombohitr’i aSinay, manao hoe:

34 aIzaho no Tompo Andriamanitrao izay efa bnitondra anao niala avy tany amin’ny tany Egypta, niala ny tranon’ny fanandevozana.

35 Ianao dia tsy hanana aAndriamani-kafa eo anoloako.

36 Ianao dia tsy hanao sarin-javatra voasokitra ho anao, izay mety hitovy na amin’ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na amin’ny zavatra izay ety amin’ny tany ambany.

37 Ankehitriny dia hoy i Abinadia taminy: Moa efa nahavita izany rehetra izany va ianareo? Lazaiko aminareo, Tsia, tsy nahavita izany ianareo. Ary moa va efa anampianarinareo ity vahoaka ity ny tokony hanaovany ireo zavatra rehetra ireo? Lazaiko aminareo, Tsia, tsy nampianarinareo izany.