Seminera
Fizarana 14: Andro 1, Môsià 26


Fizarana 14: Andro 1

Môsià 26

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 26 dia nitaona ireo mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny teny mandokadoka sy nitarika azy ireo tamin’ny fahotana ny sasany tamin’ireo taranaka Nefita vao nisondrotra. Nivavaka i Almà mba hahafantarana ny fomba hitsarana ireo mpikambana ireo araka ny sitrapon’Andriamanitra. Nambaran’ny Tompo tamin’i Almà ny fomba hihazonana ny mpikamban’ny Fiangonana ho tompon’andraikitra amin’ny fahotan’izy ireo. Nametraka fepetran’ny fibebahana ihany koa ny Tompo. Nianatra momba ny fahavononan’Andriamanitra hamela ireo izay mibebaka marina i Almà.

Môsià 26:1–6

Maro tamin’ireo taranaka vao nisondrotra no tsy nino ary nanao fahotana izy ireo

Makà fotoana hieritreretana ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no tsy manana fijoroana ho vavolombelona na tsy manana fijoroana ho vavolombelona matanjaka ny tanora sasany na dia efa naheno ny mpaminany sy nampianarin’ny ray aman-dreniny aza izy ireo?

Manome hevi-baovao amin’ity fanontaniana ity ny Môsià 26. Halalino ireo andininy ary valio ireo fanontaniana ao anatin’ity tabilao manaraka ity (soraty ao anatin’ny boky torolalana ny valinteninao):

Môsià 26:1–2

Inona avy ireo zavatra telo tsy ninoan’ny taranaka vao nisondrotra?

Môsià 26:3

Ahoana no fiantefan’ny famakiana ny soratra masina na ny fihainoana ny mpaminany amin’ny fihetsika tsy arahim-pinoana eo amintsika?

Môsià 26:4

Inona ilay antony iray amin’ireo antony fototra tsy ninoan’ireo olona ireo ny Mpamonjy sy tsy nidirany ho mpikambana ao amin’ny Fiangonana?

Manorata fitsipika iray nianaranao avy tamin’ny fandalinana ireo andininy ireo:

Ilay andian-teny hoe “fomban-drazany” ao amin’ny Môsià 26:1 dia ilazana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara izay nampitampitaina avy tamin’ireo taranaka teo aloha. Mety ilazana ireo hevi-diso ihany koa ilay andian-teny indraindray (ohatra, jereo ny Almà 9:16). Iray amin’ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny Môsià 26:1–4 ny hoe: Ilaina ny faniriana hino sy ny ezaky ny tena manokana mba hampitomboana ny fijoroana ho vavolombelona.

Vakio izao teny manaraka nolazain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao, ary tsipiho ireo asa takiana mba hahazoana sy hihazonana fijoroana ho vavolombelona iray:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky fanolokoloana avy amin’ny alalan’ny vavaky ny finoana, sy fahalinana higoka ny tenin’Andriamanitra ao amin’ny soratra masina, ary fankatoavana ny fahamarinana izay voaraintsika. Mampidi-doza ny tsy firaharahiana ny vavaka. Mety hiteraka loza eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika ny fandalinana sy ny famakiana ny soratra masina indraindray fotsiny. Misy tsiron-tsakafo ilaina ho famahanana ny fijoroantsika ho vavolombelona. …

“Tsy maintsy ampiharina tsy tapaka sy mitohy ny fivokisana amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny vavaka vokatry ny fo ary ny fankatoavana ny didin’ny Tompo mba hahafahan’ny fijoroanareo ho vavolombelona hitombo sy hiroborobo” (“Fijoroana ho vavolombelona mitombo,” Ensign na Liahona, mey 2011, 127).

Jereo fa tamin’ny andron’i Almà dia tsy nanao ireo zavatra voalazan’ny Filoha Eyring ireo taranaka vao nisondrotra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny traikefanao, nahoana no manan-danja ny manana fihetsika arahim-pinoana rehefa mivavaka sy mamaky ny soratra masina ary miezaka mankato ny didy ianao?

    2. Miresaha zavatra niainana iray izay nampiorim-paka ny fijoroanao ho vavolombelona ny vavaka tamim-pahatokiana, ny famakiana ny soratra masina, na ny fankatoavana ireo didy.

Mieritrereta vetivety raha toa ka efa nahita olona tsy manana fijoroana ho vavolombelona amin’ny filazantsara ianao, izay nisy fiantraikany teo amin’ny mpikamban’ny fiangonana. Vakio ny Mosià 26:5–6 ary tadiavo ny fomba hitaoman’ireo tsy mpino an’ireo izay ato am-piangonana.

Rehefa manohy ny fandalinanao ianao dia mety hanampy ny mahafantatra ny dikan’ity teny avy tao amin’ny Môsià 26:6 ity: “Nilaina ny hananaran’ny fiangonana [hampitandremana sy hanitsiana] ireo izay nahavita fahotana, izay tao anatin’ny fiangonana.” Izany dia midika fa nilaina ho an’ireo mpikambana mpikomy tao amin’ny Fiangonana ny hotsaraina araka ny fahotany sy omena fahafahana hibebaka.

Môsià 26:7–39

Nangataka ny fomba hitsarana ireo izay nahavita fahotana i Almà

Sary
zatovovavy sy eveka eo amin’ny biraony

Mba hiomanana handalina ny sisa amin’ny Môsià 26 dia alaivo sary an-tsaina hoe evekan’ny paroasy iray izay ahitana mpikambana sasany nahavita fahotana goavana ianao. Amin’ny maha-eveka anao dia asain’ny Tompo hihazona ireo mpikambana ho tompon’andraikitra sy hanampy azy ireo hibebaka ianao. Saintsaino ny fomba itondranao ireo mpikambana ireo sy ny fomba ahafahanao manampy azy ireo amin’ny fomba tsara kokoa.

Sarotra tamin’i Almà ny toe-javatra toy izany. Toy ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana nahazo fahefana amin’izao fotoana izao dia nanana andraikitra hanampy ny mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fahotana goavana mba hibebaka sy hahazo famelan-keloka ary hiverina ho lasa mpikambana mazoto sy mendrika ao am-piangonana izy. Vakio ny Môsià 26:7–14 ary tadiavo ny fihetsik’i Almà tamin’ity toe-javatra ity sy ny zavatra nataony hahazoana valim-bavaka avy amin’ny Tompo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa mikatsaka sy mandray ny fitarihan’ny Tompo ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana rehefa manampy ireo izay nanota.

Tadidio fa mpisoron’ny Mpanjaka Noà ratsy fanahy i Almà talohan’ny fiovam-pony. Vakio ny Môsià 26:15–18 ary fantaro ny zavatra nataon’i Almà sy ny vahoakany mba hiverenana amin’ny Tompo sy ireo fitahiana natolotry ny Tompo azy ireo.

  1. Vakio ny Môsià 26:29–30. Valio avy eo ny iray amin’ireto manaraka ireto na izy roa:

    1. Hazavao ny antony ieritreretanao fa ilain’ny tsirairay ny mahatakatra ity fitsipika manaraka ity, tafiditra ao anatin’izany ireo izay nahavita fahotana goavana: Hamela ireo izay mibebaka amin’ny fahitsin’ny fony ny Tompo.

    2. Soraty ny fijoroanao ho vavolombelona momba ity fitsipika manaraka ity: Hamela ireo izay mibebaka amin’ny fahitsin’ny fony ny Tompo.

Taorian’ny nangatahan’i Almà fitarihana mikasika ny fomba hanampiana ireo mpikamban’ny Fiangonana izay nahavita fahotana goavana dia nanome torolalana ho azy ny Tompo. Hanome fahafahana ho an’ny mpikambana mba hibebaka izy, saingy raha tsy nibebaka kosa izy ireo dia tsy noraisina ho isan’ny vahoakan’ny Tompo. Manome hevi-baovao manan-danja amin’ny fitsipiky ny fibebahana ireo torolalana ireo. Vakio ny Môsià 26:21–31 ary tadiavo ireo hevi-baovao mitondra amin’ny fibebahana.

  1. Mba hanampiana anao hamakafaka ny zavatra novakinao tao amin’ireo andininy ireo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na maromaro amin’ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba hamintinanao ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Môsià 26:23? Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa ny Mpamonjy tenany mihitsy no nanefa ny fahotantsika?

    2. Inona ireo andian-teny ao amin’ny Môsià 26:21–31 izay mampiseho ny fahatokian’ny Mpamonjy an’i Almà amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny fisoronana azy? Ahoana no ahafahan’ny fahazoana ny fanampian’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana manampy ireo izay miady amin’ny fahotana na fakam-panahy sarotra?

    3. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mibebaka “amin’ny fahitsin’ny fon’[ny olona iray]”? (Môsià 26:29.)

    4. Nahoana araka ny eritreritrao no tsy maintsy mamela ny hafa isika mba hahazoana ny famelan’ny Tompo? (Jereo ny Môsià 26:31.)

Soraty amin’ny teninao manokana ny fitsipika iray izay hitanao tao amin’ny Môsià 26:21–31:

Na dia mety ho nahita fitsipika hafa aza ianao, na mety nampiasa teny hafa dia ohatra sasany amin’ireo fitsipika nampianarina ao amin’ny Môsià 26:21–31 ireto manaraka ireto:

  • Solotenan’ny Tompo amin’ny fanampiana antsika hibebaka sy hahazo famelan-keloka ny eveka sy ny filohan’ny sampana.

  • Mitarika ho amin’ny famelan-keloka ny fibabohana ny fahotantsika. (Tsy maintsy hibabohana amin’Andriamanitra ny fahotana rehetra ary tokony hibabohana amin’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana izay afaka manampy amin’ny dingan’ny fibebahana ireo fahotana goavana.)

  • Tsy maintsy mamela ny hafa isika mba hahazoana ny famelan’ny Tompo.

  1. Mba hanampiana anao hamakafaka ireo fitsipika ireo dia vakio ireto famakafakana trangan-javatra manaraka ireto. Misafidiana famakafakana trangan-javatra iray ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba mety hanampian’ireo andininy sy fitsipika nianaranao androany ireo ny olona voalaza ao anatin’ilay zava-nitranga:

    1. Nahavita fahotana goavana ny zavotovavy iray saingy matahotra ny hiresaka amin’ny evekany izy.

    2. Manana faniriana hibebaka ny zatovolahy iray saingy tsy fantany ny fomba hanaovana izany.

    3. Mamerina fahotana iray izay efa nataony teo aloha ny zatovovavy iray ary matahotra izy hoe tsy hamela azy intsony ny Tompo.

    4. Manapa-kevitra ny hibebaka ny zatovolahy iray saingy mandà ny hamela olona iray izay nanao ratsy taminy izy.

  2. Makà iray amin’ireo fitsipika hita tato amin’ity lesona ity ary saintsaino ny fomba ahafahanao mampihatra izany eo amin’ny ezakao manokana mba hibebaka. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hampiharanao izany fitsipika izany.

Vakio ny Môsià 26:37–39 mba hahitana izay zava-nitranga rehefa nampihatra ilay torohevitry ny Tompo i Almà. Ny zavatra niainan’i Almà sy ny vahoakany dia mampianatra fa rehefa mibebaka sy miaina am-pahamarinana isika dia afaka hanana fiadanana sy hiroborobo ihany koa.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 26 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: