Seminera
Fizarana 3: Andro 4, 1 Nefia 12–14


Fizarana 3: Andro 4

1 Nefia 12–14

Fampidirana

Ny fitantarana ilay fahitan’i Nefia, izay nanomboka tao amin’ny 1 Nefia 11, dia mitohy ao amin’ny 1 Nefia 12–14. Nahita zava-doza mahatsiravina i Nefia tao amin’ny fahitany, anisan’izany ny faharavana teo amin’ny taranany tany amin’ny farany. Hitany ny nanesoran’ireo olon-dratsy ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy tao amin’ny Baiboly, izay nahatonga ny maro ho lavo ara-panahy. Na izany aza, ny fahitan’i Nefia dia nanome azy ihany koa antony hananana fanantenana lehibe ny amin’ny ho avy. Nahita an’i Christophe Colomb izy sy ny fanjanahana an’i Amerika. Hitany fa ny Tompo dia hanomana lalana ho an’ny Famerenanana ny filazantsara amin’ny laoniny, anisan’izany ny famerenana ny ankamaroan’ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy maro izay very. Hitan’i Nefia ny fomba hanampian’ny Tompo sy hiarovany any amin’ny andro farany ireo izay miaina amim-pahamarinana. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 12–14 ianao dia diniho ny maha zava-dehibe ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay ampianarina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ao amin’ireo soratra masin’ny andro farany hafa eo amin’ny fiainanao. Rehefa miezaka miaina amim-pahamarinana ianao ary manaja ireo fanekempihavanana izay nataonao tamin’Andriamanitra, dia afaka handresy ny ratsy ihany koa ianao.

1 Nefia 12

Hitan’i Nefia ny ho avin’ireo fanjakana Nefita sy Lamanita

Ao amin’ny 1 Nefia 12 no namariparitan’i Nefia izay zavatra hitany mikasika ny ho avin’ ireo taranany, sy ny fomba nahatonga azy ireo ho voasarik’ireo fitaoman-dratsy izay naseho tamin’ny alalan’ny zavon’ny haizina sy ilay trano lehibe sy malalaka. Nampiasa ny teny hoe taranaka izy mba ilazana ireo taranany.

Hitan’i Nefia fa ny sasany tamin’ny taranany dia hanaiky ireo fitahiana rehetra entin’ny Sorompanavotana. Hitany ihany koa nefa fa ireo taranany dia ho ravan’ny Lamanita any amin’ny farany. Vakio ny 1 Nefia 12:19, ary tsipiho ireo antony naharava ny Nefita. Eritrereto ny fomba ahafahanao manohitra ny fieboeboana sy ireo fakam-panahin’ny devoly.

1 Nefia 13:1–9

Hitan’i Nefia ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko

Farito anaty boribory izay fanatanjahan-tena efa nataonao na nojerenao amin’ireto manaraka ireto ary ampio amin’io lisitr’io izay fanatanjahan-tena hafa efa nataonao sy nojerenao:

  • Baolina kitra

  • Cricket

  • Baskety

  • Baseball

  • Tenisy ambony latabatra

  • Tenisy

  • Rugby

  • Hockey sur glace

  • Volleyball

  • Football Amerikana

Eo amin’ny fanatanjahan-tena matihanina dia matetika ireo ekipa no mandalina ny lalao efa vitan’ireo mpifanandrina aminy sy ny tetik’adiny mialohan’ny hifaninanana aminy. Ny fahatakarana ny tanjon’ny mpifanandrina aminao sy ny fomba filalaovany ary ireo tetik’adiny dia hanampy antsika hiomana hiaro tena eo anatrehan’izy ireo.

Ao amin’ny 1 Nefia 13 dia fariparitan’i Nefia ny zavatra hitany mikasika ireo izay hanohitra ny Fiangonan’Andriamanitra any amin’ny andro farany. Vakio ny 1 Nefia 13:1–6, ary singano ireo zavatra hitan’i Nefia fa hiforona eo anivon’ireo Jentilisa ary izay zavatra nolazain’ilay anjely mikasika izany.

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

Ity “fiangonana makadiry sy maharikoriko” izay hitan’i Nefia ity dia tsy maneho vondron’olona na fivavahana na fiangonana iray manokana. Ny Loholona Bruce R. McConkie tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra izany hoe “ireo … fikambanana rehetra na inona inona anarany na toetoetrany … izay natao hitarika ny olona hihataka amin’Andriamanitra sy ny lalàny, ary hihataka amin’ny famonjena ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra” (Mormon Doctrine, 2nd ed. [1966], 137–38). Azonao soratana eo akaikin’ny 1 Nephi 13:4–6 io famaritana nomen’ny Loholona McConkie io.

Vakio ny 1 Nefia 13:8–9, ary jereo ireo faniriana sy antony mandrisika an’io fiangonana makadiry sy maharikoriko io.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny mahafantatra fa i Satana dia mandamina ireo tafiny mba hitarihana antsika hanalavitra an’Andriamanitra sy ny Lalàny?

Rehefa mandalina kokoa ny 1 Nefia 13 ianao, dia hahita fomba iray izay iezahan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko io hanakana ireo izay mitady ny Mpamonjy.

1 Nefia 13:10–42

Hitan’i Nefia ireo Jentilisa amin’ny ho avy nanana ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna ary soratra masin’ny andro farany hafa.

Mba hiadiana amin’ny asan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko dia nanomana lalana ny Tompo ho an’ny Famerenana ny Filazantsarany amin’ny laoniny. Ao amin’ny 1 Nefia 13 dia nahita mialoha ireo tranga lehibe toy ny fahatongavan’i Christophe Colomb sy ireo mpifindra monina tany amin’ny tany nampanantenaina i Nefia satria “ny Fanahin’Andriamanitra … niasa [nidina na niasa] tamin’ [izy ireo]” (jereo 1 Nefia 13:12–13). Hitany mialoha ihany koa ny Adin’ny Fahaleovan-tenan’i Amerika—rehefa niady nanohitra “ny jentilisa niandohany [izay] tafangona miaraka … mba hiady aminy”… “ny jentilisa nandeha niala ny fahababoana” kanefa izy ireo dia “nafahan’ny herin’Andriamanitra teo am-pelatanan’ireo firenena hafa rehetra” (jereo ny 1 Nefia 13:16–19).

Sary
soratra masina

Vakio ny 1 Nefia 13:20–23, ary jereo hoe inona no boky izay hitan’i Nefia nentin’ireo jentilisa mpanjanaka ho any amin’ny tany nampanantenaina teo anivon’izy ireo.

Soraty hoe “ny Baiboly” eo amin’ny soratra masinao eo amin’ny 1 Nefia 13:20. Nanazava i Nefia fa ny Baiboly dia ho “manan-danja lehibe” ho antsika (1 Nefia 13:23) ary tamin’ny nanoratana azy tany am-boalohany “dia nirakitra ny fahafenoan’ny filazantsaran’ny Tompo” (1 Nefia 13:24). Ampiasao ny 1 Nefia 13:26–27, 29 mba hamenoana ireo banga ao amin’ity famintinana ity:

Ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko dia nanala ny “ampahany maro tamin’ny ary _______ indrindra ; ary koa maro tamin’ an’ny Tompo dia efa nesoriny” avy tao amin’ny Baiboly (1 Nefia 13:26). Ary nesoriny izany rehetra izany mba “ ny làla-mahitsin’ny Tompo, ahazoany ny maso sy ny fon’ny zanak’olombelona” (1 Nefia 13:27). Koa satria tsy ampy ireo zavatra ireo, “dia vahoaka maro izaitsizy tokoa no ” (1 Nefia 13:29).

Avereno vakiana ilay famintinana etsy ambony rehefa voafenonao ny banga.

Ny iray amin’ireo tanjon’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko dia ny mba “hamily ny lala-mahitsin’ny Tompo” (1 Nefia 13:27) amin’ny alalan’ny fanesorana fahamarinana tsotra sy sarobidy maro. Ny hoe “mamily” dia ny mampihataka na mampanalavitra amin’ny zavatra iray izay marina. Eritrereto ireo voka-dratsin’ny fiviliana na ny fihatahana amin’ny “lala-mahitsin’ny Tompo.”

Ampiasao ny soratra masinao mba hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 13:34, inona no ho asehon’ny Tompo noho ny famindram-pony? (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe “Zanakondry” dia manambara ny Mpamonjy, Jesoa Kristy.)

  • Ao amin’ny 1 Nefia 13:35–36, inona no nolazain’ny Mpamonjy fa hafenina mba haseho amin’ny Jentilisa?

  • Ao amin’ny 1 Nefia 13:36, inona no voalazan’ilay anjely fa voasoratra ao amin’ilay rakitsoratra nafenina—ny Bokin’i Môrmôna?

  • Ankoatran’ny Bokin’i Môrmôna, mety ho inona avy ireo “boky hafa” voaresaka ao amin’ny 1 Nefia 13:39?

Vakio ny 1 Nefia 13:40–41, ary tsipiho hoe inona no hampahafantarin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo “boky hafa” amin’ny olona rehetra. Zava-dehibe ny mahatsikaritra fa tsy maintsy manatona ny Mpamonjy isika “araka ny teny izay haorin’ny vavan’ny Zanakondry” (1 Nefia 13:41)—ny soratra masina.

Amin’ny alalan’io ampahany amin’io fahitan’i Nefia io no ianarantsika fa ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina amin’ny andro farany dia namerina ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay manampy antsika ahafantatra fa i Jesoa Kristy no Zanak’Andriamanitra, ary manampy antsika ahafantatra ny fomba hanatonana Azy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masin’ny andro farany hafa eo amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?

    2. Ahoana no fomba hanampian’izany anao hahatakatra sy hiaina ny Filazantsarany?

Makà fotoana kely hanombatombananao hoe hatraiza no fanampinan’ny fandalinanao soratra masina anao hanatona ny Mpamonjy.

1 Nefia 14:1–17

Hitan’i Nefia ny ady teo amin’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko sy ny Fiangonan’ny Zanakondrin’Andriamanitra

Ao amin’ny 1 Nefia 14 isika dia mamaky mikasika ny ady iray nifanaovan’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko sy ny Fiangonan’ny Zanakondrin’Andriamanitra. Vakio ny 1 Nefia 14:10–13, ary tadiavo hoe ny antokon’iza no ho be olona kokoa. Mariho ao amin’ny 1 Nefia 14:12 hoe nahoana no ho vitsy ny isan’ny olona manohana ny Fiangonan’ny Zanakondry, sy hoe nahoana no afaka nitambatra ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko.

Ahoana no mety ho fahatsapanao raha toa ka vitsy an’isa ianareo ary mandeha miady? Vakio ny 1 Nefia 14:14, ary tsipiho ireo andian-teny izay maneho ny fanampiana izay ho raisin’ny “olomasin’ny Fiangonan’ny Zanakondry” sy ny “vahoakan’ny fanekem-pihavanan’ny Tompo” rehefa miady amin’ny ratsy izy ireo.

Fitsipiky ny filazantsara iray manan-danja ampianarina ao amin’ny 1 Nefia 14:1–17 ny hoe: rehefa miaina amim-pahamarinana isika ary mitandrina ny fanekempihavanantsika, dia hanampy antsika handresy ny ratsy ny herin’Andriamanitra.

  1. Manorata andinin-teny fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava fa ny maha anisan’ny anakiray ao amin’ny “vahoakan’ny fanekem-pihavanan’ny Tompo” anao sy ny “nampirongoana fiadian’ny fahamariana” anao (miaina amim-pahamarinana) dia nanampy anao handresy ireo fakam-panahy izay mety hitarika anao hanalavitra an’Andriamanitra sy ireo Lalàny.

Hitan’i Nefia fa amin’ny andro farany, ireo izay nanohitra ny fiangonana makadiry sy maharikoriko dia ho “[fongana tanteraka]” (1 Nefia 14:3). Afaka mahatoky ianao fa ny fanjakan’Andriamanitra dia handresy amin’ny andro farany.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 12–14 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: